To GOD be The GLORY

To GOD be The GLORY Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from To GOD be The GLORY, Church, Antalaha.

Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.
— Eksodosy 33 : 19

31/05/2025
Shalom! Shalom!NY HEVITRY NY ANARAN`NY VEHIVAVY 20 AO ANATY  BAIBOLY Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpir...
06/03/2025

Shalom! Shalom!

NY HEVITRY NY ANARAN`NY VEHIVAVY 20 AO ANATY BAIBOLY

Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?
Estera 8.6

Natokana ho anareo VEHIVAVY !!!

Fotoana: Asabotsy 08 MARS 2025 à 14h
Toerana: Eglise RHEMA de Madagascar Antalaha Ambatomitraka pave ambony 2eme etage trano vato verte.

Contact: 0389813689 / 0328771040

TSY MISY VIDIM-PIDIRANA ENTO NY NAMANA, RAHAVAVINAO, NY RENINAO, COUSINE....

Shalom e!      VAVAKA SY FADY HANINA        (3 andro sy 3 alina) Hoy ny teny hentitry ny Tompo: Dieny ankehitriny, miver...
06/11/2024

Shalom e! 

     VAVAKA SY FADY HANINA
      (3 andro sy 3 alina)

 Hoy ny teny hentitry ny Tompo: Dieny ankehitriny, miverena amiko amin'ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana.
 Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina fa ny fonareo indrindra no ovay. Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo: Fa miantra sy mamindrafo Izy mahari-po sady be fitiavana ary mamoy ny loza nandrahonany.
(Joela 2.12-13)

*Ny vavaka sy fifadiana ankasitrahana.
*Ny zavamiafin`ny vavaka sy fady hanina 3 andro sy 3 alina.
*Ny tombontsoan`ny vavaka sy fifadiana....

***Ho zaraina sy ambara aminao izany mandritra ireo fotoana ireo.

-Toerana : Eglise Rhema de Madagascar Antalaha Ambatomitraka Pave Ambony

-Fotoana: Alarobia-Alakamisy - Zoma

Fotoam-bavaka : 09h - 17h
(faranana fandraisana fanasan`ny Tompo.)

Contact: 0328771040 / 0389813689

Hampahita soa anao ADONAI !!!

04/09/2024
Shalom e!Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany...
04/09/2024

Shalom e!

Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany. — Nehemia 6 : 16

Ty Semptembre ty antsoina hoe volana ELOLA na FAHAVITAN-JAVATRA

*Hahavita zavatra ianao na iza mijoro hanakana na manohitra.

*Hahavita zavatra ianao na iza hampatahotra na hanakivy.

*Hahavita zavatra ianao na iza na iza miara mioko na misaina handrava sy hanapotika.
..Satria Elohim(Andriamanitra) no miaraka sy momba ary mitantana anao.

-Hatahotra sy ho tsinotsinona ny fahavalonao ....

Fa mialoha zany andao hiomana isika mandritra 3 andro sy 3 alina indray

Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra. — Ezra 8 : 21

Toerana: Eglise RHEMA de Madagascar Antalaha .Ambatomitraka pavé ambony

Info: 0328771040 / 0389813689

Tongava tsy misy vidim-pidirana.

Shalom e!Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny. Midera Azy noh...
11/08/2024

Shalom e!

Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny. Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny. Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo. Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia. — Salamo 150 : 1 - 6

Ny fiderana an`ADONAI dia DIDY ho ahy sy ho anao ary manam-pofonaina rehetra.
Noforoniny isika HIDERA AZY . AMEN

Address

Antalaha
206

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when To GOD be The GLORY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category