STK Amboatavo Vavolombelona Mandresy

STK Amboatavo Vavolombelona Mandresy Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina koa

30/03/2026

Ny tontolo androany omaly 29 martsa 2026🥰 ♥️

Faly foana izahay eo am-panantanterahana ny asaNao🙏🙏

Ho Azy Tompo irery ny Voninahitra 😇


22/03/2026

Finaritra ee 😇

Misaotra ny Tompo fa afaka nanatrika ny fifampiarahabana taom-baovao 2026 ny Sampana Tanora Kristiana FJKM - Ofisialy izahay STK AVM 🥰🥰
Nahafinaritra ny fiombonana sy ny fiarahana tamin'ireo STK maro ary tena nahazo fifaliana tokoa ♥️♥️♥️ ary vonona hatrany amin'ireo asa maro izay miandry 🙏

"STK voafidin'i Kristy, miasa amin'ny faharetana, mamokatra tsara" Jao 15:16 ✨✨



Sabotsy 21 martsa indray ary ny fotoana e 😊Taom-baovao STK 2026Batou Beach AmbohimanambolaTongava maro 🥰🥰
18/03/2026

Sabotsy 21 martsa indray ary ny fotoana e 😊
Taom-baovao STK 2026
Batou Beach Ambohimanambola

Tongava maro 🥰🥰

🟦 🟥 Taom-baovao STK 2026

Toy ny tamin'ny taon-dasa dia hanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao isika
🗓️ Sabotsy 21 Martsa 2026
🏖️ Batou Beach Ambohimanambola

Mpanakanto ara-pilazantsara maro no ho avy hiara midera an'Andriamanitra amintsika amin'io fotoana io izay anasana antsika STK rehetra afaka mamonjy izany.

Hisy fifaninanana milomano sy kilalao isan-karazany 🏊

💸 Fandraisana anjara: 5000 Ar

Ndao indray ary hiaraka hidera an'Andriamanitra  e 😁😁Amin'ny alahady 08 Mars 2026 izao indray ny fotoanantsika  😊Tongava...
27/02/2026

Ndao indray ary hiaraka hidera an'Andriamanitra e 😁😁

Amin'ny alahady 08 Mars 2026 izao indray ny fotoanantsika 😊

Tongava daholo o 😇😇


18/02/2026

Fa izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana
I Kor 16:14
MaFitia Center

🌸TANORA MIASA TSARA HO AN'NY TOMPO🌸Misaotra an'Andriamanitra lehibe 🙏🙏 fa tontosa ny sabotsy 21 janoary 2026 ny AGAPE 🌷🌷...
02/02/2026

🌸TANORA MIASA TSARA HO AN'NY TOMPO🌸

Misaotra an'Andriamanitra lehibe 🙏🙏 fa tontosa ny sabotsy 21 janoary 2026 ny AGAPE 🌷🌷 sy fiarahabana nahatratra taona vaovao ny STK Amboatavo Vavolombelona Mandresy tao amin'ny MaFitia Center Anosiala izay toerana mahafinaritra 🤗😁

Ankasitrahana ny Mpitandrina 🥰
Ny ray aman-dreny mpiahy anay 😁
Ireo rehetra manohana sy mitondra am-bavaka ny STK 🩷
Ny birao namolavola 💚 ary ny indrindra indrindra ny mpikambana rehetra 🥰🥰 na ireo nandeha na ireo izay tsy afaka 🌼🌼

Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra 🙏



"Mifalia ry sakaiza 🥳Fa nahazo taom-baovao 😁 ;Zanahary no mitaiza✨Ka isaory sy hajao 😇🙏"✨Izahay Sampana Tanora Kristiana...
01/01/2026

"Mifalia ry sakaiza 🥳
Fa nahazo taom-baovao 😁 ;
Zanahary no mitaiza✨
Ka isaory sy hajao 😇🙏"

✨Izahay Sampana Tanora Kristiana eto amin'ny FJKM Amboatavo Vavolombelona Mandresy dia faly miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2026 😊🎉😍

✨ Ho taona feno fahombiazana anie ity taona vaovao ity !😉
Aza adino ny mametraka ny fiainana eo ambany fitahian’ilay Nahary antsika ary
ho tahiana mihoatra hatrany anie ✨



"Ka amin'ny zavatra rehetra asehoy ny tenananao ho fianarana ny asa tsara" Titosy 2 : 7Mankasitraka Jesoa tamin'ny fitan...
31/12/2025

"Ka amin'ny zavatra rehetra asehoy ny tenananao ho fianarana ny asa tsara" Titosy 2 : 7

Mankasitraka Jesoa tamin'ny fitantananao dia mbola apetrakay eo Aminao ireo asa rehetra ka ho tonga fianarana ho an'ny mino tokoa izahay amin'ny lafiny rehetra 😇

Sary vitsi2 nanamarika ny Krismasy 2025 no entinay STK mamarana ity taona ity.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra 🙏


Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. — Lioka 2 : 11Hitondra fahazavana sy fana...
25/12/2025

Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. — Lioka 2 : 11

Hitondra fahazavana sy fanantenana ho antsika anie ity Noely 2025 ity 😇
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.



Fiadanana o 😇Ny Sampana Tanora Kristiana eto amin'ny FJKM Amboatavo Vavolombelona Mandresy dia faly manolotra ho anao se...
10/12/2025

Fiadanana o 😇

Ny Sampana Tanora Kristiana eto amin'ny FJKM Amboatavo Vavolombelona Mandresy dia faly manolotra ho anao seho miavaka 🥰🥰 mitondra ny lohateny hoe : "Krismasy Maoderina" Aiza i Jesoa?.

Manomana zava-baovao maro bé izahay 😁
Koa manasa antsika rehetra ho tonga maro hiara hankalaza sy hidera an'Andriamanitra isika 😇


02/12/2025

"Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho." — Fitomaniana 3 : 24

"MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA"

Lohahevitra vaovao indray no banjinintsika FJKM amin'ity volana vaovao ity 😇



-23

Address

Anosiala
105

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK Amboatavo Vavolombelona Mandresy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share