09/06/2022
Ity toetra iray ity dia tena toetran’i Jesosy Kristy teto an-tany.
Tsy nataony zavatra ho fikirina ny fitoviany amin’Andriamanitra fa nanetry tena naka ny endrik’olombelona Izy, eny nanetry tena hatramin’ny fahafatesena noho ny fitiavany antsika.
Naleony Izy no nidina avy any an-danitra hofantsihana mba ahafahan’izay mino Azy sy mandray Azy handova ny lanitra miaraka aminy❤️❤️❤️🔥🔥🔥
Jesosy Ilay ohatra tsra indrindra ho antsika mpino.
Betsaka amin’izao andro farany izao ny mampitodika ny olona mba hifantoka tsy amin’I Jesosy fa amin’Ilay olona na mitory io na mampianatra na mihira nefa dia tsy nantsoina ho amin’izany ny Zanak’Andriamanitra sy ny mpanompony.
Tsy izay no mission nampanaovin’i Jesosy antsika fa ny hampifantoka ny olona amin’i Kristy sy ny Famonjena vitany teo amin’ny hazo fijaliana, tsy isika ho hita fa JESOSY HISANDRATRA , rehefa maty ny amin’ny tena isika , maty amin’ny avonavona rehetra, fitadiavana ny an’ny tena fa tsy ny an’Andriamanitra dia hiseho amin’ny alalantsika Jesosy Kristy ary ahatonga antsika ho TENA FANTSOM-PIFOHAZANA🔥🔥🔥🔥🙏🏼🙏🏼🙏🏼
Mitady olona Andriamanitra, désintéressés (tsy manompo mba hila sitraka na noho ny filanjavatra), olona hanetry tena hitondra ny vesatra ao ampon’Andriamanitra dia ny hamonjy ny very, hivavaka sy hifona marina ho an’ny firenena.
🤲❤️1 Petera 5:5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).
🙏🏼🤲❤️1 Petera 5:6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;
Cf. Vero R.