Manorina ny Fanjakan 'Andriamanitra

Manorina ny Fanjakan 'Andriamanitra Communauté Apostolique

‎📖 “Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ar...
29/05/2026

‎📖 “Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? "
‎Jaona 11 : 25 - 26
‎💠 Ry havana malala,
‎hoy Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.”

‎👉 Midika izany fa ao Aminy no misy ny fiainana tena izy. Izay mino Azy dia tsy very, fa miaina ao amin’ny fanantenana mandrakizay.

‎⏳ Ny fiainana eto an-tany dia mandalo,
‎🌟 fa ny fiainana omen’i Kristy dia maharitra.
‎🔐 Izany no antoka ho an’izay matoky Azy.

‎🙏 Aoka ny fontsika hiorina amin’ny finoana sy ny fanantenana ao amin’i Jesosy.

‎📖 Efesiana 1:18‎“ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany...
23/05/2026

‎📖 Efesiana 1:18
‎“ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina.”

‎📖 Dikanteny hafa
‎“ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina.”

‎✨ Rehefa Jesosy no Mpanjakan’ny fonao, mahita lavitra ny fanahinao. ✨

‎🔍 Midika izany fa tsy voafetra amin’izay hitan’ny maso intsony ianao, fa tarihin’ny fahazavan’ny Tompo .

‎👑 Rehefa Jesosy no mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fonao :
‎➡️ tsy ny tahotra no mibaiko fa ny finoana .
‎➡️ tsy ny korontana no mitarika fa ny fiadanana .
‎➡️ tsy ny ankehitriny fotsiny no jerena fa ny drafitr’Andriamanitra mandrakizay .

‎💖 Ny fanahinao dia mahita lavitra, satria i Kristy no manokatra ny mason’ny fo. Na dia ao anaty aizina aza ianao ankehitriny, dia mahita maraina sahady ny fanahinao . satria fantany fa eo am-pelatanan’ny Tompo ny ho avy.
‎📖 “Fa mandeha amin’ny finoana isika, fa tsy amin’ny fahitana.”
‎(2 Korintiana 5:7)

‎👉 Rehefa Jesosy no Mpanjaka, dia tsy very lalana ianao mandeha amim-pitokiana, satria ny Tompon’ny ho avy no mitarika ny dianao. Rehefa Jesosy no Mpanjaka, dia hazava ny mason’ny fo ,milamina ny fanahy, ary matoky ny ho avy, satria ny Tompon’ny mandrakizay no miaraka aminao, ao anatinao.

‎📖 Kolosiana 1:18‎"Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho...
20/05/2026

‎📖 Kolosiana 1:18
‎"Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy."

‎‎💛 Jesosy irery no mitondra ny fiainako.

‎👉Ity fanambarana ity dia maneho:
‎-fankatoavana tanteraka,
‎-fiankinana feno Aminy,
‎-fitiavana sy fanoloran-tena ho an’ny Tompo.
‎Midika izany fa tsy eo ambany tahotra intsony ianao, tsy entin’ny korontana, ary tsy avelan’ny kisendrasendra hitantana ny dianao.

‎🌿 Rehefa Jesosy no mitondra:
‎misy fiadanana ao anatin’ny tafio-drivotra,
‎misy fanantenana ao anatin’ny haizina,
‎ary misy tanjona, na dia amin’ny fotoana sarotra aza.
‎Na tsy azonao aza ny lalana rehetra, Izy mahalala.
‎Na reraka aza ianao, Izy tsy miala.
‎Ary na malemy aza ny herinao, ny fahefany no ampy ho anao.

‎💁✨ Matokia: rehefa Jesosy no mitondra ny fiainanao, dia tsy very ianao, fa entiny ho amin’izay tsara indrindra nomaniny ho anao.

‎📖 Romana 12 : 1‎“Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotra...
24/04/2026

‎📖 Romana 12 : 1
‎“Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra; dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.”

‎🌿 Ity andininy ity dia mampahatsiahy antsika fa tsy mitaky zavatra tsy zakantsika Andriamanitra. Tsy miantso antsika hiantehitra amin’ny herintsika Izy, fa hanolotra ny tenantsika noho ny famindram-pony.Ny fiainantsika manontolo : ny eritreritra, ny safidy, ary ny asa ataontsika isan’andro dia afaka ho fanatitra velona izay ankasitrahan’Andriamanitra.

‎💛 Ny fiainana atolotra ho an’Andriamanitra dia fiainana voaaro, tarihin’ny fahasoavany, ary tsy very maina, fa fiainana misy tanjona sy lanjany.
‎Na dia tsy hitan’ny olona aza izany, hitan’Andriamanitra ary ankafiziny.

‎🌱 Tsy mila miandry ho lavorary vao afaka manatona Azy ianao. Rehefa atolotrao Azy ny tenanao, dia Izy no manamasina sy manova izany.

‎✨ Koa mahereza, ary aoka ianao ho sahy hiteny isan’andro hoe: “Tompo ô, atolotro Anao ny fiainako, satria ny famindram-ponao no hery itokiako.”

‎📖 “Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha ma...
16/04/2026

‎📖 “Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may,ary tsy hirehitra aminao ny lelafo.”
‎ Isaia 43:2

‎🌊 Tsy nampanantenain’Andriamanitra fiainana tsy misy tafio-drivotra isika,
‎fa nampanantenainy kosa ny fanatrehany mahatoky ao anatin’ny tafio-drivotra.
‎Rehefa mikorontana ny fiainana, tsy midika izany fa nandao antsika Izy.
‎Matetika aza, ao anaty onja no ahitantsika fa akaiky indrindra ny Tompo.

‎👉 Tsy esorin’Andriamanitra ny tafio-drivotra rehetra, fa tsy avelany irery ao anatiny isika. Ny tafio-drivotra dia tsy natao handrava anao, fa hampiseho hoe iza no tena itokianao. Tsy ny tsy fisian’ny olana no famantarana ny fitiavan’Andriamanitra, fa ny fanatrehany tsy miova, na inona na inona zava-mitranga.

‎⭐ Aza matahotra, fa miaraka aminao Izy,
‎ary raha eo Izy, dia tsy ho rendrika izany ianao.

‎💁 Ny fampanantenan’Andriamanitra dia tsy fiadanana tsy misy ady,
‎fa fanatrehan’ny Tompo tsy miova ao anatin’ny ady.

‎📖Hoy Jesoa taminy:‎“Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?”‎Jaona 11:40‎‎Ity ...
31/03/2026

‎📖Hoy Jesoa taminy:
‎“Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?”
‎Jaona 11:40

‎Ity tenin’i Jesosy ity dia fampaherezana lalina ho an’izay mandalo fotoam-piandrasana sy ady ara-panahy.

‎👉 Midika izany fa alohan’ny hahitana ny voninahitr' Andriamanitra dia finoana aloha no takiana.
‎Tsy hoe rehefa mahita vao mino, fa minoa aloha, dia hahita.

‎🌱 Raha toa ka:
‎-toa tara ny famaliana,
‎-maty ny fanantenana ny toe-javatra (toa an’i Lazarosy),
‎-mihidy ny vato eo anoloan’ny nofinao,

‎💡 Dia Tsarovy izao: tsy tapitra eo ny tantara rehefa mbola eo i Jesosy.
‎Ny finoana no manokatra lalana hahitan’ny masonao izay efa nokasain’Andriamanitra hatao.

‎🔥 Aza mijanona amin’ny fahitana ara-nofo fotsiny, fa midira amin’ny finoana.
‎Fa amin’ny fotoan’Andriamanitra, dia hiseho ny voninahiNy, ary ho fantatrao fa tsy very maina ny niandrasanao.

‎👉 Minoa, na dia mbola tsy mahita aza ianao.Ny voninahitra dia manaraka ny finoana.

‎🔥 SEMINERA : FANALAHIDY VOLAMENA HO AN’NY MPIANATRA MAHOMBY 🔥‎‎📚 Mpianatra va ianao?‎Tianao ve ny hahomby amin’ny fiana...
14/03/2026

‎🔥 SEMINERA : FANALAHIDY VOLAMENA HO AN’NY MPIANATRA MAHOMBY 🔥

‎📚 Mpianatra va ianao?
‎Tianao ve ny hahomby amin’ny fianarana?
‎Tianao ve ny hahazo vokatra tsara sy miavaka a!?
‎👉 Andao hiaraka aminay e!

‎💁Ity dia fotoana iray hampianarana anao ireo paikady sy fanalahidy hahombiazanao amin’ny fianarana ataonao.

‎🎯 Hianaranao @ io fotoana io :
‎• Ny fanalahidy fianarana mora hazahoana sy hitadidina lesona
‎• Fomba fandaminanta fotoana
‎• Fomba hifantohana sy handresena ireo sakatsakana mety mahazo eo @ fianarana.

‎👉 Paikady tsotra ,mazava,ary azo antoka hahazoana vokatra tsara.

‎🗓 Sabotsy 21 Martsa 2026
‎⏰ Manomboka amin’ny 9 ora maraina mandra-paharivan’ny andro
‎📍 Ao amin’ny Fiangonana MFA Ankadifotsy akaikin’ny Skate Park.

‎🎟 Tsy misy vidim-pidirana
‎📞 Raha mila fanazavana fanampiny:
‎034 02 364 11
‎033 79 077 61
‎034 04 545 11

‎✨ Ento ny kahie sy peninao
‎✨ Manasa namana sy mpiara-mianatra
‎✨ fandriho dieny mialoha ny toeranao fa voafetra ny toerana a!.

‎💬 Hovay ny fomba fianaranao dia hiova ny vokatra ho azonao.

‎👉 Tongava maro e!

‎📖 2 Tantara 16:9a‎“Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy i...
09/03/2026

‎📖 2 Tantara 16:9a
‎“Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.”

‎📖 Dikateny hafa
‎“Fa ny mason’i Jehovah mivezivezy manerana ny tany rehetra mba hampahery sy hanohana izay miraiki-po tanteraka Aminy.”

‎✨ Hafatra
‎Tsy manana olana Andriamanitra amin’ny fametrahana ny voninahiny eo amin’ny fiainantsika.
‎Fa ny tena olana dia ny toetran’ny fo handray izany.
‎💬 Aza kivy raha mbola tsy hitanao ny voninahitr’Andriamanitra miseho eo amin’ny fiainanao.
‎Tsy satria tsy afaka Izy,
‎na tsy satria tsy te-hanome Izy,
‎fa satria manomana ny fonao Izy.
‎➡️ Andriamanitra tsy mitady antsika ho tanteraka be, fa mitady fo vonona.
‎➡️ Tsy tiany ho very lalana ny voninahiNy, fa mitady fitoerana azo itokisana tsara Izy.
‎➡️ Rehefa mahitsy sy manetry tena ny fo, dia miseho aman-kery Andriamanitra.

‎🙏 Fanambarana
‎“Tompo ô, ataovy fitoerana mendrika ny voninahitrao ny foko.”

Address

Ankadifotsy

Telephone

+261340677611

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Manorina ny Fanjakan 'Andriamanitra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share