Shine Church Anjozorobe

Shine Church Anjozorobe Église Évangélique Shine Anjozorobe

08/06/2026

JESOSY! Ilay Mpanjakan’ny voninahitra ⚡️

Ho anao mamaky io mihitsy 🔥🔥🔥Ho tsara lavitra noho ny tany ampiandohany ny tohin’ny tantaranaoTsy hampino ny sasany ngam...
08/06/2026

Ho anao mamaky io mihitsy 🔥🔥🔥
Ho tsara lavitra noho ny tany ampiandohany ny tohin’ny tantaranao

Tsy hampino ny sasany ngamba
Nefa minoa ahy, manana planina goavana ny Tompo

Mitohiza miaina anaty fanetretena
Dia matokisa amin’ny kely
Dia hohitanao ny tohiny….

Nateraka hitondra ny voninahiny ianao ✨

Bonne Fête Maman Révérende Farah Elmeyah A.“Hanome anao araka ny fonao anie Izy Ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra....
31/05/2026

Bonne Fête Maman Révérende Farah Elmeyah A.

“Hanome anao araka ny fonao anie Izy Ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra. Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, Ary amin’ny anaran’Andriamanitray no hanangananay faneva; Hotanterahin’i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.” — Salamo‬ ‭20‬:‭4‬-‭5‬ ‭🔥

We love you ❤️
Shine Church Anjozorobe ✨

TAZANAO KOA VE ILAY HOAVY TSARA LAVITRA❓Manomboha mahita,Fa ny lasanao tsy haharesy ny hoavinao.Sahia mino hatrany,Fa ma...
21/05/2026

TAZANAO KOA VE ILAY HOAVY TSARA LAVITRA❓

Manomboha mahita,
Fa ny lasanao tsy haharesy ny hoavinao.

Sahia mino hatrany,
Fa manana anjara voatendry goavana ianao.

Na manahirana ary ny lalana makany,
Dia aza manaiky ho kivy na hihemotra izany.

Indro efa hitako izao ilay fisandratanao.
Indro efa tsinjoko fa ho ampiasaiNy ianao.

Miondreha eo anatrehaNy,
Fa ny Andriamanitrao mahay mihoatra noho izay nofisinao.

Sahia mino 🔥

16/05/2026
Mavesatra aminao ve ny entana lanjainao?Manatòna an’i Jesosy ❤️Tsy hitanao intsony izay lazaina Aminy?Ngamba na ny vavak...
16/05/2026

Mavesatra aminao ve ny entana lanjainao?
Manatòna an’i Jesosy ❤️

Tsy hitanao intsony izay lazaina Aminy?
Ngamba na ny vavaka ho atao ary tsy tonga eny am-bavanao.

Tsy fahotana anie ny mitomany e
Arotsahy ny ranomasonao, eo amin’ny fanatrehany

Nefa na izany aza, tsy natao hijaly ela loatra ianao
Tsy natao hijanona io toerana mangidy misy anao io
Mila mivoaka aingana tao ianao

Manapaha hevitra hanantena indray
Manomboha mino Azy indray
Fa Izy tena mbola afaka manasitrana anao

Manatòna Azy izao.
Dia tongava mivavaka rahampitso.

Shine Anjozorobe.
09:00, 10:30, 14:30

12/05/2026

Fotoana izao hanetrena-tena MITADY AN’ANDRIAMANITRA

Hisy MIRACLE hitranga anie ao an-tokatranonaoNy tokatrano efa lao,Ho tonga tahaka ny saha Edena ❤️🔥Amen!
10/05/2026

Hisy MIRACLE hitranga anie ao an-tokatranonao

Ny tokatrano efa lao,
Ho tonga tahaka ny saha Edena ❤️🔥

Amen!

Hisy FIJOROANA VAVOLOMBELONA mafonja be mandritry ny TORITENY ao amin’ny fandaharana MITOMBO ARA-PANAHY rehefa avy eo.Mi...
08/05/2026

Hisy FIJOROANA VAVOLOMBELONA mafonja be mandritry ny TORITENY ao amin’ny fandaharana MITOMBO ARA-PANAHY rehefa avy eo.

Mipetraka eto Anjozorobe ianao ❓
Alefao ny radio Anjomara 📻
A 19:30 ⏰⏰⏰

Lazao koa izay havanao mipetraka aty ho an’izay tsy mipetraka eto.

Mazotoa mihaino rekany.

Mietseha amin’ny finoana dia hahita ianao fa tsy mamela anao ho afa-baraka izany ny Andriamanitrao 🔥Ela loatra niandrasa...
08/05/2026

Mietseha amin’ny finoana dia hahita ianao fa tsy mamela anao ho afa-baraka izany ny Andriamanitrao 🔥

Ela loatra niandrasana?
Midira amin’ny dingana, mietseha.

Maro ny olona miandry fotsiny ny zavatra hiova.
Nefa matetika dia izao zavatra rehetra izao mihitsy ary no miandry antsika mba hanova azy.

Afaka maka fahasahiana kely ve ianao?
Afaka manapa-kevitra ny handroso handresy fisalasalana?

Tonga dia hatombohy iaino ilay tianao hitranga.
Tonga dia mifalia sahady na mbola tsy miseho aza ilay andrasanao hampifaly anao.

Ny Soratra Masina dia milaza hoe:

Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. — Salamo 37 : 4

Ianao mihitsy aloha no mandray decision ny hifaly sahady.
Ny Tompo no miandraikitra ny fampitrangana ilay tena mahafaly anao avy eo.

MIRAVORAVOA AMIN’I JEHOVAH

Tongava miaraka miravoravo eo amin’ny fanatrehan’ny Tompo androany — 16:00 ⏰

Ety amin’ny SHINE ANJOZOROBE.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Shine Church Anjozorobe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share