Fanilon' I Madagasikara FIVMA Analavory Itasy

Fanilon' I Madagasikara FIVMA Analavory Itasy 🫶❤️ Hoan'ny ankizivavy sy ny tontolony❤️🫶

"Fa ny Tompo homba anao" Mt🕊️

Akon'ny fihaonana teo amin'ny Fanilon'i Madagasikara Distrika Misiônera Trinite Masina Analavory 🇲🇬🍀Mankasitraka antsika...
23/02/2026

Akon'ny fihaonana teo amin'ny Fanilon'i Madagasikara Distrika Misiônera Trinite Masina Analavory 🇲🇬🍀
Mankasitraka antsika hatrany amin'ny fampandrosoana ny fikambanana dia ankafizo ary ny ampahantsaritsika🥰💞


Aôdy rahavana 🍀🪘Ilazàna ireo Eglizy rehetra eto anivon'ny Distrika Misiônera Trinite Masina Analavory toy ny:Mandrevi,Am...
10/02/2026

Aôdy rahavana 🍀🪘

Ilazàna ireo Eglizy rehetra eto anivon'ny Distrika Misiônera Trinite Masina Analavory toy ny:
Mandrevi,Amparaky,Ankonabe,Bengitsy,Maropapelika, Analavory fa ho tanterahina ny 20-21-22Febroary 2026 ny fihaonantsika Voalohany🛤️,
Amin'io ihany koa no:
✓ hankalazantsika miaraka ny andron'ny fifampahatsiarovana hoan'ny Skotisma Zazavavy✨
✓ Ny hiofanana Tsimoka D1 amin'ny Mpiandraikitra efa nahavita fiofanana manaradrafitra🤗
✓ary ny hanaovantsika ny Taombaovaon'ny Fanilo Distrika
✓sy hieverantsika sahady ny fananganana ny Faritra🍀.

Izany anefa tsy manakana an'ireo izay akaiky sy te hanatrika sy hiara-mankalaza toy ny Andolofotsy sy Ampefy💞🍀,

Ao amin'ny sary ny andinindininy ka tongava maro ary ee✨🪘🪘🪘🪘🪘

"Mila andry ny Fikambanana✨, ary tsy misy mahay raha tsy manao"


GLACC(Girl Led Action on Climate Change)anisan'ireo Fivondronana 10 manerana an'i Madagasikara manao hetsika eo anivon'n...
28/01/2026

GLACC(Girl Led Action on Climate Change)
anisan'ireo Fivondronana 10 manerana an'i Madagasikara manao hetsika eo anivon'ny fiaraha-monina ny FIVMA Analavory,mahakasika ny fiovaovan'ny toetrandro na ny tontolo iainana.🌍
Misolo tena ny Fanilon'i Madagasikara Diosezy Miarinarivo moa amin'ity lahasa ity🥰❤️.
Fanorenana sy fanatsaràna toerana ahafahan'ny daholobe:
_ maka aina
_ mandinika ireo zavatra azo atao amin'ny fanodinana fako plastika
_mahita ireo fiainana anaty fikambanana Masina an-tsary(hosodoko)
no navoitra teto amin'ity toerana ity💚
Izay eo andalam-panamboarana ao ambadiky ny EKAR Analavory🥰❤️.

Mankasitraka hatrany ny beazina rehetra miaramisalahy, ny Mpiandraikitra ary ny TOPIMA izay sady mpandrindra ny GLACC eo anivon'ny Diosezy Miarinarivo amin'ny fahavononana mitondra fanovana💚🌍

Fanilon'i Madagasikara
Fanilon'i Madagasikara Diosezy Miarinarivo

Araho tsy tapaka ny pejy fa vao fanombohan'ny hetsika sy ny lahasa 2026 ity zaraina amintsika itg🥰🥰❤️🫰

Miarahaba ny HANITRINIALA (06taona-09taona)rehetra manerana ny nosy mankalaza ny Olomasina mpiaro azy anio, 21 janoary d...
21/01/2026

Miarahaba ny HANITRINIALA (06taona-09taona)rehetra manerana ny nosy mankalaza ny Olomasina mpiaro azy anio, 21 janoary dia i
🌼Masimbavy Agnès🌼

Iza moa I Masimbavy Agnès?

Zazavavy teraka ny taona 290 tao Roma. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no noterena hanambady. Raha nandà izany izy dia nilaza fa efa manana fofombady izay tsy iza fa i Jesoa Kristy.

Nalaina baraka izy noho izany fandavany izany, ka naboridana nentina nitety ny tanàna, indrindra ny faritra misy ny makorelina. Nandritra izany anefa dia tsy nitsahatra niteny izy hoe « Izaho tsy matahotra ! I Jesoa Kristy dia mahay miaro ny vatako sy ny fanahiko ».

Noho izany fihetsiny izany, dia nisy fahagagana niseho tamin’ny vatany, ka na ilay tovolahy saika hamono azy aza nivadika ho kristianina. Notapahan-doha ihany anefa izy teo amin’ny faha-13 taonany.

Ny nampiavaka azy :
🌼Tsy nanaiky lembenana fa nitazona hatrany ny finoany.
🌼Nahatoky tanteraka ny herin’i Jesoa Kristy
🌼Izy no Olomasina kely taona indrindra

💐❣️

An-tsokajy dieny mbola kelyTaratry ny ho avy
15/01/2026

An-tsokajy dieny mbola kely
Taratry ny ho avy

Amin'izao famaranana ny 16andro hiadiana amin'ny herisetra izao dia manentana antsika hatrany hiady amin'ny karazana her...
10/12/2025

Amin'izao famaranana ny 16andro hiadiana amin'ny herisetra izao dia manentana antsika hatrany hiady amin'ny karazana herisetra maro indrindra amin'ny ankizivavy,ny tovovavy ary ny vehivavy🇲🇬
Marihina fa anaty fandaharmpanabeazan'ny Skotisma zazavavy maneran-tany ny Ady amin'ny herisetra na ny "Stop The Violence"📢, ary anisan'ny manatanteraka izany Traikefa mampitombo Talenta izany ny mpikambana eto amin'ny Distrika Analavory❣️

Misy sary vitsivitsy ireto nanamarika izay roa herinandro izay teto amin'ny Fivondronana Masina Maria Mpanjakavavy Analavory ❤️❤️🌍


Fanilon'i Madagasikara

🍀"Ny mendrika hitokisana no hasin'ny Fanilo"🇲🇬Ramamonjisoa Malalanirina LucileMirary soa
14/11/2025

🍀"Ny mendrika hitokisana no hasin'ny Fanilo"🇲🇬
Ramamonjisoa Malalanirina Lucile
Mirary soa

💐Akon'ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan'ny Ankizivavy sy ny Tovovavy ny 11 Oktobra 2025💐🇻🇦"Ankizivavy aho,mitond...
14/10/2025

💐Akon'ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan'ny Ankizivavy sy ny Tovovavy ny 11 Oktobra 2025💐
🇻🇦"Ankizivavy aho,mitondra fiovàna,ny Ankizivavy no eo ambavahady rehefa misy krizy"🇲🇬

Ankasitrahina feno ny Toniam-pivondronana sy ireo Mpiandraikitra rehetra eto anivon'ny Fanilon' I Madagasikara FIVMA Analavory Itasy tamin'ny fikarakarana ny fankalazana 💗💕
Misaotra indrindra ihany koa ny Tompon'andraikitra eto anivon'ny Kaominina Analavory izay nahatontosana ny fanomanana sy ny fankalazana 🙏
Mankasitraka ny Pretra rehetra eto anivon'ny Distrika Misionera Trinite Masina Analavory izay nanohana hatrany ny fikambanan masina Fanilon'i Madagasikara ✨💐
Misaotra an'ireo rehetra nizara ny traikefa hananany sy ny fahaizany tamin'ireto ankizivavintsika ireto toy ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena izay samy miasa eto Analavory avokoa 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Ny Tompo anie hamaly ny fahafoizanareo fotoana sy fitiavana izay nozarainareo tsirairay tamin'ny Ankizivavy sy ny tovovavy rehetra🙏🍀🍀🍀

Tao aorianan'ny fankalazana moa dia niaraka nankalaza ny Andro iraisam-pirenena hoan'ny Ankizivavy indray niaraka tamin'ireo Fanilon'i Madagasikara manerana ny nosy indray ny teo anivon'ny Fivondronana 💗💗💗

"Hoan'ny Ankizivavy sy ny tontolony"


💐ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN'NY ANKIZIVAVY💐🕰️11Oktobra 2025📌Tranompokonolona Analavory 📌Lohahevitra: 🌍 "Ankizivavy aho,m...
06/10/2025

💐ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN'NY ANKIZIVAVY💐
🕰️11Oktobra 2025
📌Tranompokonolona Analavory 📌

Lohahevitra: 🌍 "Ankizivavy aho,mitondra fiovàna; ny Ankizivavy no eo ambavahady rehefa misy ny krizy"🇲🇬

Manasa ny Ankizivavy rehetra tsy ankanavaka ary ho tonga maro🇲🇬

Ny fanoratana anarana dia afaka alefa amin'ny laharan'ny finday eo ambany, na ihany koa amin'i
Cheftaine Rakotomalala Ida Germaine / Ramamonjisoa Malalanirina Lucile / Christale Ravoahanginirina



Address

Analavory
Analavory

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanilon' I Madagasikara FIVMA Analavory Itasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share