Tranokala- FJKM Amparibe Famonjena

Tranokala- FJKM Amparibe Famonjena "Ka soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy." Apokalypsy 1.19. https://fjkm-amparibe.org

Pejy Facebook hizarana ny fiainam-pinoan'ny Fitandremana ahitana: horonantsary, tatitra, toriteny, sary, sns.

ALAHADY 04 JANOARY 2026«MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO»ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY TAONA 2026ALAHADY NANDRAISANA NY FA...
24/01/2026

ALAHADY 04 JANOARY 2026
«MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO»
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY TAONA 2026
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO,
NIARAHABANA IREO RAIAMANDRENY MPITANDRINA
NIFANDIMBY,
SY IREO ZOKIOLONA ETO AMIN’NY FITANDREMANA.
« Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray. »
I Korintiana 8 : 6a

Alahady voalohany amin’ny taona 2026. Natao ny fiarahabana ireo Raiamandreny Mpitandrina nifandimby sy ireo Zokiolona 70 taona no miakatra ary ireo nankalaza ny tsingerinandro nahaterahany, ny volana desambra 2025.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana. Izy ihany koa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Notanterahina taorian’ny fanompoam-pivavahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA
Ny Jaona14 : 12 « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.» no nangalana ny fampianarana.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Diakona Rakotovololona Lova sy Rakotovololona Malalatiana no nanao ny vavaka mialoha ny toriteny sy namaky ny Teny.
Ny Perikopa voalahatra dia ny Mpitoriteny 11: 1-8 ; Matio 13: 53-58 ; IKorintiana 8: 1-7.

TORITENY
Tao amin’ny I Korintiana 8 : 1-7 no nangalana izany.
Andriamanitra no Mpahary. «Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra… » I Korintiana 8 :6a.
Ny fampianaram-pinoana nataon’i Paoly teto dia niantefa tamin’ny Kristiana tao Korinto. Noho ny fandrosoana, ny firoboroboan’ny varotra sy fifamezivezen’ny mpivahiny maro dia nirongatra ny fampianaran-diso tao Korinto.
Nampatsiahy ireo Kristiana i Paoly, fa Andriamanitra dia iray ihany. Izy no nahary izao tontolo izao, tompon’ny hery sy fahefana ary ny tantara. An’Andriamanitra isika ary velona ho Azy. Atolory an’Andriamanitra ny fiainanao ary apetraho eo am-pelantanany, fa aza manana andriamanitra hafa.
Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy « ary iray ihany no Tompo, dia Jesoa Kristy »
I Korintiana 8 :6b. Jesoa dia Tenin’Andriamanitra tonga nofo tamintsika. Izy no Tompontsika sy mpamonjy antsika.

ASA VAVOLOMBELONA
Notanterahina teto ny fiarahabana ireo Raiamandreny Mpitandrina nifandimby : Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry mivady, Raharijaona Solofonirina mivady, Ramatoa Ramino Vololona.
Notanterahina ihany koa ny fiarahabana ireo Zokiolona 70 taona no mihoatra. Niisa 70 tany ho any, ireo nisoratra anarana.

FAMARANANA NY FOTOANA
Niaraha-nanonona voalohany ny Tondrozotran’ny Fiangonana taona 2026 manao hoe :
« Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa. (Jakoba 2:22) ; « ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako. » (Jakoba 2:18b). Amena.
Natolotry ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry ny Tsodrano. Nofaranana tamin’ny vavaka mangina, izany.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Notanterahina taorian’ny fanompoam-pivavahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Ny
I Korintiana 16:13-14 : «Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.» no hafatra natolotry ny Mpitandrina tamin’izany.

Ireo tompon’anjara :
Nitendry orga : Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira ny fafana : Andriamasinoro Nantenaina
Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Naka sary : RAJAONARIVELO-ANDRIANAIVO Andrew Matthieu
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

ALAHADY 28 DESAMBRA 2025« MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA »ALAHADY FARANY AMIN’NYVOLANA DESAMBRA SY NY TAONA 2025 ALAHADY MAN...
18/01/2026

ALAHADY 28 DESAMBRA 2025
« MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA »
ALAHADY FARANY AMIN’NY
VOLANA DESAMBRA SY NY TAONA 2025
ALAHADY MANARAKA NY KRISMASY
ALAHADY FIANTSOANA SY ALAHADIN’NY SEFALA
«…tsy niala teo amin’ny tempoly fa nanompo andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana. Nony niditra izy tamin’izany ora izany dia nisaotra an’Andriamanitra…»
Lioka 2:37b-38a

Alahady farany amin’ny volana desambra ity alahady ity, ary farany amin’ny taona 2025. Ity Alahady ity koa dia manaraka ny Krismasy ary famaranana ny fibanjinana ny lohahevitra FJKM hoe: « Manantena an’Andriamanitra ».
Eo anivon’ny Foibe FJKM dia alahadin’ny SEFALA, alahady « fiantsoana ».
Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy no niandraikitra ny fanompoam-pivavahana. Ny Diakona Randriamiarana Lalao, SEFALA, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Diakona Rasolonjanahary Fidy no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testatamenta Taloha, ary ny Diakona Andrianary Mbolamasoandro kosa no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny Litorjia endriny fahatelo no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana Apostolika, laharana voalohany, no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Fitomaniana 3 : 22-33 ; Lioka 2 : 36-38 ; 2 Petera 3 : 11-16.

TENIN’NY MPITANDRINA
-Alahady faran’ny taona izao. Sarobidy izany. Mifampiarahaba, mifanonona fiadanana. Alahady tokony hisaorana an’Andriamanitra nefa dia vitsy ny mpiangona.
-Fanentanana, fiantsoana hiditra SEFALA izay fiofanana manokana ho amin’ny asa fanompoana : mpitoriteny, katekista, mpiandry.
-Fanentanana amin’ny fanompoam-pivavahana 1 janoary 2026.
-Fanentanana hanatrika ny fotoana tanterahin’ny STK ny alahady tolakandro, famaranana ny Krismasy.
-Fitondrana amim-bavaka ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena manao «Road trip».

ASA VAVOLOMBELONA
Famakiana ny anaran’ireo nodimandry ka nentina teto amin’ny Fitandremana, ny taona 2025.
Nohiraina ny FFPM 471 « He sambatra aho, Jesoa », nivavaka ny Mpitandrina ary namaky ny Soratra Masina nitondrany fampianaram-pinoana momba ny fahafatesana, avy eo.
« Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy. » Apo. 14 : 13

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Andriamampianina Naivo no tompon’anjara.
« Manajà ny rainao sy ny reninao….». Izany Teny izany no nitondrany ny fampianarana sy hafatra. (Eks. 20 : 12a)
Ao anatin’ny Didy Folo io.
Mandroso be ny teknôlôjia ankehitriny, afaka hanaovana zavatra maro tsy hilaina ray aman-dreny. Misy olana anefa eo amin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, tsy mifanara-tsaina ka miteraka fahatezerana. Hoy ny ao amin’ny Efe. 4 : 26 :
« Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. »
Adama sy Eva no ray aman-dreny voalohany teto an-tany. Tsy anjely akory ireo, tsy tonga lafatra fa manana ota. Mila hajaina ny ray aman-dreny, tsy hoe manaja fahotana akory na hoe ny manaja ny ratsy atao. Ny fanajana dia : miarahaba, mankatoa, mivavaka ho an’ny ray aman-dreny…
Rehefa manaiky ny tenin’ny ray aman-dreny dia ho maro andro.
« Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. » (Eks 20 : 12)

TORITENY
Amin’ny maha alahadin’ny SEFALA, alahady FIANTSOANA, dia ireo teny ireo no nitodihana.
Antsoina ho any amin’ny SEFALA hitory ny Filazantsara ny olona. Alahady
«fiantsoana » noho ny maha alahady farany amin’ny taona, ka fanaovana jery todika.
Ny hafatra dia noraisin’ny Mpitandrina tao amin’ny Lio. 2 : 36-37-38.
Zavatra telo no ambara eto dia ny fanahin’ny fanompoana, ny fanahin’ny fisaorana sy fankasitrahana ary ny fitoriana ny Filazantsara.

And. 37 : Ny fanahin’ny fanompoana
Iza moa i Ana ?
I Ana dia zanakavavin’i Fanoela, avy amin’ny fokon’i Asera, taranaka izay nanana ny maha izy azy. Manana fihaviana ara-pivavahana.
Tena nanana ny maha izy azy i Ana. Nanambady izy, niara-nipetraka tamin’ny vadiny nandritra ny fito taona, ary nijanona ho mpitondratena hatramin’ny faha-84 taonany.
Inona ary no hitarihin’ny Tompo antsika raha manao jery todika ?
Tsy niala teo an-kianjan’ny Tempoly i Ana fa nanompo tamin’ny fifadiankanina sy fivavahana.
Manao ahoana isika ny amin’ny fiainam-panahy ?
Manompo amin’ny fifadiankanina sy fivavahana ve ianao ? Impiry alahady ianao no teo an-kianjan’ny Tempoly ? Raha hisokatra ary ny taona vaovao dia manao ahoana ianao ?
Marihina fa ny fifadiankanina dia fiainana ao ambadika, fifamatorana amin’Andriamanitra, fanaovana ny Asan’Andriamanitra.
Azo amboarina raha toa ka nisy nandringa. Miantso ny Tompo.

And. 38 : Ny fanahin’ny fisaorana sy fankasitrahana
Niditra tao am-piangonana i Ana dia nisaotra an’Andriamanitra. Nisaotra Azy tamin’ny zavatra nataony tamin’ny fiainany.
Maty vady i Ana nefa tena feno fankasitrahana an’Andriamanitra.
Hoy ny ao amin’ny 1 Tes. 5:18a: « Misaora amin'ny zavatra rehetra; ».
Misy dika-teny frantsay samy hafa ny hoe « Misaotra an’Andriamanitra », avy amin’ny teny grika, arakaraka ny Baiboly :
« Rendre grâce à Dieu », « Remercier Dieu », « Célébrer Dieu ».
Samy fo mankasitraka an’Andriamanitra daholo ireo.
Koa nahay nankasitraka an’Andriamanitra ve ianao nandritra iny taona iny ?

And. 38 : Mitory ny Filazantsara
Fanoharana amin’i Simeona, izay lehilahy marina sady mpivavaka, nanana ny Fanahy Masina izay nitondra azy niditra tao an-kianjan’ny Tempoly. Tao izy no nitrotro an’i Jesoa zazakely, ka nidera an’Andriamanitra dia niteny hoe « Fa ny masoko efa nahita…»
I Ana koa dia nahita an’i Jesoa rehefa nentina tao amin’ny Tempoly Izy mba hatokana ho an’Andriamanitra, ary nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Izany hoe nitory ny Filazantsara.
Rehefa mivoaka avy eto am-piangonana ve ianao dia manao « Ana », mitory ny Filazantsara ?
Rehefa nandray ny famonjena dia torio ny Famonjena. Miresaka, mitaona ny olona.

Misokatra ny taona 2026.
Ho amintsika anie ny Fanahin’ny Tompo hitari-dalana antsika hanana : fanahin’ny fanompoana, fanahin’ny fisaorana sy fankasitrahana, hitory ny Filazantsara.

Nisy fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo taorian’ny fanompam-pivavahana.

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry zavamaneno : Raharinoa Fenitra
Nikirakira fafana : Rakotonarivo Kaloina
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabemananoro Jonathan
Naka sary : Andrianandrasanarinaivo Mihaja sy Andrianandrasanarinaivo Fitia
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy

ALAKAMISY 25 DESAMBRA 2025“MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA”ANDRO KRISMASY, FAHATSIAROVANA NY NAHATERAHAN’NY MPAMONJYANDRO NAN...
18/01/2026

ALAKAMISY 25 DESAMBRA 2025
“MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA”
ANDRO KRISMASY, FAHATSIAROVANA NY NAHATERAHAN’NY MPAMONJY
ANDRO NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
« Tao ny tena Mazava izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. » Jaona 1:9

Andro fahatsiarovana ny nahaterahan'ny Mpamonjy, nibanjinana hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Manantena an’Andriamanitra”.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika sy nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny voalohany no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Lioka 1:68-75 no nentina nidera an’Andriamanitra.

Ny Perikopa voalahatra : Isaia 11:10-16 ; Lioka 2:8-14 ;Hebreo 6:4-12
Ramatoa Rakotomanana Andy no nanantanteraka ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Ny Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny toriteny.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Andriamasinoro Erika, mpampianatra K10 A, no tompon’anjara.
Ny Jaona 8 :12b no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“…Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.”

TORITENY
Ny Lioka 2 :10-14 , no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra.
Krismasy, Ilay Teny tonga nofo, fahaterahan'ny Mpamonjy.

Ny fanontaniana nentina namoaboasana ny Tenin'Andriamanitra teto dia ny hoe : Mitondra inona, ho antsika mpino, ny Krismasy?

Hafatra roa no nasongadina:

1. Fifaliana ho an'ny olona rehetra (And.10)
- Joie: fifaliana miseho amin'ny nofo aman-drà, amin'ny endrika azo tsapain-tanana, eto amin' izao tontolo izao, ety ambonin'ny tany.

2. Fiadanana ho an'ny olona ankasitrahany (And.14)
Paix: fitoniana feno sy tanteraka miaraka amin'Andriamanitra; filaminan'ny fo, ny saina, ny finoana miaraka amin'Andriamanitra.

Ny olona rehetra dia mankalaza ny Krismasy avokoa ary mifaly amin'izao tontolo izao. Tsy ny olona rehetra anefa no manana Fiadanana fa ireo izay ao amin'Andriamanitra.

Ny Tondrozotra : “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a) “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Rom.6 : 19d) “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b).

Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo taorian’izany.

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Randriambeloson Sitraka – Sampana Mpiangaly Zava-Maneno
Nikirakira ny fafana : Rajaofetra Arielle
Nikirakira fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Nandray an-tsoratra : Ravelojaona Harentsoa

ALAHADY 21 DESAMBRA 2025“MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA”« Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra,izay famonjena ny olona ...
09/01/2026

ALAHADY 21 DESAMBRA 2025
“MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA”
« Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra,
izay famonjena ny olona rehetra » Titosy 2 :11a

Alahady fahatelo amin’ny volana desambra, mbola nibanjinana ny lohahevitra
fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Manantena
an’Andriamanitra”.
Rakotosalama Déborah, Fikambanan’ny Katekista sy ny Mpitoriteny vita
Fiofanana, no nitarika. Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitondra ny
hafatra.
Ny Litorjia endriny fahatelo no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Salamo 111: 1-3 no nentina nidera an’Andriamanitra.
Ny Fanekem-pinoana fahatelo no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny
finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Jeremia 14 :19-22 ; Lioka 2 :25-32 ; Titosy 2:11-
15.
Rabezandrina Solohery sy Rabezandrina Lalaina, samy Loholona, no
nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Ny Sampana Tanora Kristiana no nanao anjara hira taorian’ny toriteny.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Andriantseheno Hanitra, mpampianatra ao amin’ny K1, no tompon’anjara.
Ny Romana 15:1 no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“…Aoka isika rehetra smy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay
hahasoa sy hampandroso azy?”
TORITENY
Ny Titosy 2: 24-29, no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra; milaza ny Advento
izay hiomanantsika ny amin’ny fihavian’i Kristy. I Paoly eto no manoratra ary
omena an’i Titosy, epistily pastoraly mirakitra fampaherezana ireo manana
andraikitra ao amin’ny Fiangonana, mitarika ny mpanompon’Andriamanitra
hitondra tena tsara, hitondra ny Filazantsara.
Hafatra telo no nasongadina:
- Manantena ny famonjena miorina ao amin’ny Jesoa Kristy (And.11-
13-14)
- Mitondra tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra
(And.12-14b)
- Mananara ny olona handeha amin’ny sitrapon’Andriamanitra
(And.2:15)

ASA VAVOLOMBELONA
- Fanoloran-jaza: Raharimanana Ilian Mattéo
- Fizarana valisoa notontosain’ny Sampana Tanora Zokiny ho an’ireo afa-
panadinana ara-panjakana, Setela, Sefala.

Ny Tondrozotra : “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo
anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a) “Atolory ankehitriny ny momba ny
tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny
fahamasinana”(Rom.6 : 19d) “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny
Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao
amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b).

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Ranaivoson Jacky
Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kanto
Nikirakira fanamafisam-peo : Harentsoa Rova
Naka sary : RAJAONARIVELO-ANDRIANAIVO Andrew Matthieu
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

SARY ALAHADY 14 DESAMBRA 2025
09/01/2026

SARY ALAHADY 14 DESAMBRA 2025

ALAHADY 07 DESAMBRA 2025MANANTENA AN’ ANDRIAMANITRAALAHADY FAHA 21 MANARAKA NY TRINITE“…Fa toy izao no nitiavan’Andriama...
30/12/2025

ALAHADY 07 DESAMBRA 2025
MANANTENA AN’ ANDRIAMANITRA
ALAHADY FAHA 21 MANARAKA NY TRINITE
“…Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
Jaona 3: 16 -21
Ity no alahady voalohany amin’ny volana desambra. Alahady faharoa amin’ny Advento. Ho antsika eto amin’ny fitandremana FJKM Amparibe Famonjena dia manana tombom-pahasoavana manokana isika, fa androany no fotoana natokan’ny Fiangonan’Andriamanitra ho Alahadin’ny Mpitandrina, natao indrindra ho fitondrana amim-bavaka ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry sy ny ankohonany.
Ny Biraom-piangonana no nitantana izao fanompoana masina izao. Rakotomanana Andrimbazotiana no nanatanteraka ny fitarihana ny fotoana.
Lohahevitra fitaizam-panahy vaovao no nobanjinina dia ny hoe : « Manantena an’Andriamanitra»
Ny Mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana Kaleba, Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM, no nantsoina manokana hitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanekem-pinoana Apostolika no nanambaran’ny Mpianakavin’ny finoana ny finoany.
Ny litorjia voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Perikopa voalahatra : Joba 11 : 13-20 - Jaona 3 : 16-21- I Petera 1 : 17-21.
Robel Hanitra, Biraom-piangonana, no nanao ny vavaka mialoha ny Soratra Masina sy namaky ny Testamenta Taloha.
Rakotozafy Franck, Birao ihany koa, no namaky ny Testamenta Vaovao .
Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Nisy ihany koa ny fiarahabana ireo mpianakavin’ny finoana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany.
Teo amin’ny fotoan’ny Asa vavolombelona no nanatanterahina ny fotoana manokana ho fitondrana amim-bavaka sy nanoloran’ny Fiangonana sy ny rafitra rehetra ny tsodrano ho an’ny Mpitandrina mianakavy.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Andrianifahanana Felana, Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady, no nanatanteraka ny 5 minitra ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Jaona 3 :21a : " Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava".
Nambara ary fa raha manana an’i Jesoa ao am-pontsika isika dia Izy no hanaisotra ny maizina ary hanome ny fahazavana ho antsika ary handraisantsika ny fiainana mandrakizay.

TORITENY
Nampahatsiahivin’ny Mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana Kaleba ny maha alahady natokana ho fitondrana amim-bavaka ny Mpitandrina mianakavy eto amin’ny fitandremana ity androany ity.
Noraisiny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy araka ny Jaona 3 :16-21, hitondrana ny hafatra ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra.
Araka ny filazan’ny mpandinika ny Soratra Masina dia ity Jaona 3 :16 ity no natao hoe « Baiboly kely » satria mahafaoka izay ambaran’ny Baiboly iray manontolo.
Notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao.
Mampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fahariany izao tontolo izao, ity perikopa ity.
Ny nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany dia ny olombelona.
Rehefa nahary ny olombelona Andriamanitra, dia tsy tahaka ny nahariana ny zavaboaary rehetra, fa vovotany no novolavolainy, nosahiranany manokana, ary nofofoniny fofon’aina mahavelona, hanana fanahy, nohariana hanana fifandraisana amin’Andriamanitra.
Nanota ny olombelona, nanohitra ny Tenin’Andriamanitra ny olona. Ny mahatonga ny olona hanota dia te hihevitra ny tenany hahavita zavatra, tsy te hiankina amin’Andriamanitra ka nitady feo hafa ivelan’Andriamanitra.
Vokatr’izany dia noesorina niala tao amin’ny fahasambarana nisy azy, ny olombelona.
Rehefa niala tao izy, dia nahatsiaro menatra, niafina ny tavan’Andriamanitra.
Rehefa nanota ny olona, dia simba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra.
Niafina sy nankany amin’ny maizina. Endriky ny fahotana ny fifanomezan-tsiny, ny tsy fandraisana andraikitra.
Tsy foin’Andriamanitra ho very izao tontolo izao
Nofidian’Andriamanitra ny firenen’Isiraely, hamerenana indray ilay fifandraisan’ny olombelona amin’Andriamanitra. Nalefany ny mpaminany ; eny, nomeny mihitsy ny Zanany lahy Tokana. Andriamanitra tonga olombelona, mahalala ny manjo ny olombelona, ho famonjena antsika.
Andriamanitra tonga nofo, maty teo amin’ny hazo fijaliana, mba tsy hiatra amintsika, izay nanota, ny fitsaran’Andriamanitra marina, fa ny vokatry ny fahotana dia fahafatesana mandrakizay ; kanefa dia nampiharina tamin’ny zanak’Andriamanitra izany. Izany no fitiavana lehibe nomen’Andriamanitra ho antsika.
Mila mibanjina ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy, izay te ho voavonjy, noho ny fahotany.
Izay ny hoe « mba tsy ho very izay rehetra mino Azy. »
Ahoana ny hoe mino na mibanjina ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy ?
Ny atao hoe mino, dia manana fandresen-dahatra tsy azo hozongozonina. Jesoa no nirahina hitondra famonjena, hanafaka ny olona amin’ny fahotana. Ny fanehoana ny finoana no naseho tamin’ny fanehoana fiombonana sy fanolorantena ho an’i Kristy. Mankato ny Tenin’i Kristy. Miaina fiombonana vaovao ao amin’i Kristy, toa izay nitranga tamin’ny fiorenan’ny Fiangonan’Andriamanitra voalohany.
Hanana fiainana mandrakizay
Milaza hatsaram-piainana, fiainana ao amin’Andriamanitra, fiainana miaraka amin’Andriamanitra, feno fiadanana, santarina dieny mbola ety an-tany.
Tafaray amin’Andriamanitra ny olona.
Tsy hoe tsy misy intsony ny olona, saingy maharesy izao tontolo izao. Ny fiadanako no omeko anareo, hoy ny Tompo.
Izay mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina dia mahita fiadanana.
Ao amin’ny Fiangonana, izay anjakan’ny Fanahy Masina, no misy ny fiadanana.
Fanontaniana iray no hapetraka : Hita ve ny maha iray ny Fiangonana ?
Rehefa mibebaka ny olona dia miaina ny fiainana mandrakizay.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen!

IREO TOMPON’ANJARA
Orga : Rakotondrabe Manjaka
Fafana : Randriamasimanana Andrinavalona
Fanamafisam-peo : Rajaofetra Cédric
Sary : Andrianandrasanarinaivo Fitia
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery

ALAHADY 30 NOVAMBRA 2025« MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO »ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY ADVENTO IVOM-BOKATRY NY FMKF « Ho avy f...
30/12/2025

ALAHADY 30 NOVAMBRA 2025
« MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO »
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY ADVENTO
IVOM-BOKATRY NY FMKF
« Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. »
Apokalypsy 3:11

Alahady farany amin’ny volana novambra ity alahady ity, ary koa famaranana ny fibanjinana ny lohahevitra hoe « Mahandrasa, ho avy ny Tompo ». Alahady voalohany amin’ny Advento izay iomanana amin’ny fihavian’ny Mesia.
Fotoan-dehibe noho ny fankalazana ny ivom-bokatry ny Fikambanan’ny Mpitoriteny sy Katekista ary vita Fiofanana (FMKF).
Nandray vahiny ny teto amin’ny Fitandremana : ny Katekista Delege Mamindrainy Rovantsoa avy any amin’ny FJKM Antoby Avaratra Fiainam-baovao, Fiangonana miara-mandroso amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Izy no nanatanteraka ny Fanoloran-jaza sy ny Batisa, nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano. Tsy teo an-toerana ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry noho ny fanatrehany ny fanokanana ho Mpitandrina an-dRamilison Diamondra, any amin’ny FJKM Ambohitsimiady, faritra Mangoro, miaraka amin’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.
Ny Litorjia endriny fahatelo no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana Apostolika, laharana voalohany, no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Rabenasolo Rija no nitarika ny fotoana ary Rakotozafy Franck no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Rabenahy Mahaly no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testatamenta Taloha, Ralalaharivony Hanta Yvonne kosa no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny Perikopa voalahatra : Salamo 75 : 1-10 ; Lioka 21 : 12-19 ; Apokalypsy 3 : 7-13.
Samy mpikambana ao amin’ny FMKF avokoa ireo tompon’anjara ireo.
Nanao ny tatitr’Asany ny FMKF. « mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. » (2 Tim. 4 : 2) Izany no Tena nentiny teo am-piandohana. Rehefa dia noredonina niaraka tamin’ny Fiangonana ny hira « Andriamanitra tsy mandao ».
Ny Rantsana Fanantenana no nanana anjara hira taorian’ny toriteny.
Nisy Asa sy Fampaherezana fanompoam-pivavahana noho ny maha alahady fahadimy.

Tenin’ny Katekista Delege
Nanao ny teny fisaorana izy sy tatitra fohy mahasika ny enim-bolana faharoa nanombohana ny asa tany amin’ny FJKM Antoby Avaratra. Ny Sampana Sekoly Alahady, hoy izy, no namaky lay ary avy eo nisy ny AFF, ny Fifohazana, ny SAMPATI...
Namaly vavaka Andriamanitra fa raha tafo 120 no nilaina dia nentin’ny FJKM Amparibe Famonjena izany. Mbola betsaka ireo asa miandry amin’ny taona 2026.
Misaotra an’Andriamanitra amin’ny fanohanana lehibe ataon’ny FJKM Amparibe Famonjena.

Fanoloran-jaza : Andriamizakason Aaron Miaro sy Razakariasy Sombiniaiko Jonathan.
Asa vavolombelona : zaza telo no natao Batisa
Razafimandimby Tsikinirina Athena, Miantso Andrianalimanana Hasintsoa Ifaliana sy Miantso Andrianalimanana

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Ramanandraibe Ravosson Haingo, Mpampianatra K8, no tompon’anjara.
Ohabolana 29 : 11 « Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo ». Izany Teny izany no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.
Tantara : I Solo dia tovolahy manahirana fa mora tezitra. Nisy fety tao an-trano ka nikarakara lasopy izy. Ny namany kosa nanao m**o. Sendra voadona ny lafarina ka raraka tao anaty lasopy. Tena tezitra mafy i Solo ka naongany ny vilany dia hoy izy hoe « aleo tsy misy hihinana any ! ». Rava ny fety. Mampalahelo, raha mba nanindry fo i Solo dia tsy rava ny fety, tsy sahirana nanadio trano ny ampitso. Nampahatsiahy ny Teny tao amin’ny Oha. 29 :11 ary nivavaka mafy.
Herinandro taty aoriana dia gaga ny ray aman-drenin’i Solo fa nanjary tsy mora tezitra izy, miramirana sy falifaly. Nisy dite raraka mantsy ka hoy izy hoe « fafana fotsiny io ».
Napetraka ary ny fanontaniana tamin’ny ankizy hoe « Inona no tiantsika ? adala sa hendry ? »
Ny hendry dia mahay manindry fo, mandefitra. Koa mila mivavaka. Mampilamina sy mahasambatra izany.

TORITENY
« Mahandrasa, ho avy ny Tompo »
Ny Apokalypsy 3 : 7-13 no nangalana ny toriteny ka ny And. 10, 11 sy 12 no noraisina manokana nakana ny hafatra.
And. 10 : Miaro anao Izy raha manam-paharetana ianao
« Persévérance » no dikan’ny faharetana. « Persévérer, c’est continuer sans se décourager ».
Isika kristiana dia manohy hatrany ny fiarahana amin’ny Tompo, tsy kivy. Miaritra sy maharitra no toetra takian’ny Tompo amin’ireo miara-dia Aminy. Raha manana izany ianao dia miaro anao Izy.
Voasoratra ao amin’ny And. 10b hoe « …hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany». Ny andro fakam-panahy dia ny androm-pahoriana. Ny fizahan-toetra dia fitsapana tsy maintsy hiaretana amin’ny faharetana. Mila ny fiarovan’Andriamanitra isika.
Tsy enta-mavesatra ny hazofijalian’i Kristy fa mitondra soa. « Ento ny ziogako, ka mianara Amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Mat. 11 : 29-30). Tokony hanana faharetana eo am-piandrasana ny fihavian’ny Tompo isika.
Ny fiaretana dia fahatsaram-panahy voazaha toetra. Izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena.
And. 11 : Aza avotsotra ny fandresena
Rehefa miaritra fahoriana, fakam-panahy dia fandresena izany. Tsy misy fandresena raha tsy misy ny ady. Ny zava-panahy dia tsy mora eto amin’izao tontolo izao. Ao amin’ny Tompo ny fitaovam-piadiana. Ny aretina ara-panahy dia sitrana rehefa manana ny Fanahy Masina. Izay manana ny Fanahy Masina dia manana ny vokany. « ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. » (Gal. 5 : 22-23). Anananao ve izany? Raha anananao dia tano mafy, aza avotsotra ny fandresena. Fa raha tsy anananao kosa dia angataho amin’ny Tompo. Mifamatotra amin’ny fahateraham-baovao, amin’ny finoana ny fandresena. « Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. » (1 Jao. 5 : 4) Andriamanitra manome fandresena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay nandresy ny fahafatesana.
And. 12 : Lehibe ny valim-pitian’ny mpandresy
« Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, » (Apo. 3 : 12a)
Azonao an-tsaina ve fa raha mpandresy hatrany dia ataon’i Jesoa Kristy andry ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra? Ny andry dia toerana feno fahefana sy fahamendrehana. Izany no valim-pitia ho an’ny mpandresy. « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka a
Amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako» (Apo. 3 : 21a). Mpiray lova amin’i Jesoa Kristy izany isika, omeny toeram-boninahitra tsy takatry ny saina. Tsy mahagaga raha hoe « Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; » (Mat. 5 : 12). Mila manana « statut » maha mpandresy vao afaka manantena valim-pitia. Manana izany ve ianao ?
Tsy zarazaraina amin’ny rehetra ny valim-pitia fa mila mendrika. Mandinika anao Andriamanitra.
Mila miomana eo am-piandrasana ny fihavian’ny Tompo. Mahery ny filan’ny nofo sy ny fakam-panahy. Efa nomena ny fahefana rehetra handresy, isika koa aza manaiky resy.

Fehiny : Mahandrasa fa ho avy ny Tompo. Manàna faharetana ary tano mafy ny fandresena. Miomana fa handray valim-pitia tsy takatry saina.
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana »
(Apo. 3 : 13)

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry zavamaneno : Rakotondrabe Manjaka sy Raharinoa Fenitra
Nikirakira fafana : Randriamasimanana Antenaina
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabemananoro Jonathan
Naka sary : Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy

ALAHADY 23 NOVAMBRA 2025“MAHANDRASA HO AVY NY TOMPO”ALAHADIN’NY ZANAKA AM-PIELEZANA (FIZAAF)FANOKAFANA NY TAON-JOBILIN’N...
06/12/2025

ALAHADY 23 NOVAMBRA 2025
“MAHANDRASA HO AVY NY TOMPO”
ALAHADIN’NY ZANAKA AM-PIELEZANA (FIZAAF)
FANOKAFANA NY TAON-JOBILIN’NY
RANTSANA FANATANJAHANTENA SY FIALAMBOLY (RFF)
« Fa Jehovah no avo indrindra » Salamo 47 :2a

Alahady fahaefatra amin’ny volana novambra, mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Mahandrasa ho avy ny Tompo”.
Alahady ivom-bokatra sy niarahana niombom-bavaka tamin’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana eto amin’ny Fitandremana, ka nanatanterahany ny fotoana.
Alahady nanokafan’ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly ny taon-jobily, 25 taona.
Razanakolona Saholinirina, Filohan’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana, no nitarika. Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Salamo 47: 6-9 no nentina nidera an’Andriamanitra.
Ny Fanekem-pinoana fahaefatra no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Mika 7:7-10 ; Lioka 21:5-11 ; I Jaona 2:24-29.

Rakotonjanahary Vololoniaina sy Andrianilaina Koloina ary Randriamialison Ihanitra no nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Rakotoson Andrianasy Rova namaky ny tatitr’asan’ny FIZAAF.
Ny Rantsana Fanantenana sy Fialamboly no nanao anjara hira “Isika” taorian’ny toriteny.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Randriamamonjy Hanitriniaina, mpampianatra ao amin’ny K10, FJKM Tranovato Ambatonakanga no tompon’anjara.
Ny Lioka 2:49d no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“…tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?”

TORITENY
Ny I Jaona 2: 24-29, no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra izay milaza ny fampahatsiahivan’i Jaona ny amin’ny fitiavan’i Kristy, fampitandremana amin’ny fampianaran-diso. Ny andrasana amin’ny fihavian’ny Tompo dia ny tsy ho menatra: tomoera tsara amin’ny finoana an’i Kristy, mandehana tahaka ny zanaky ny fahamarinana.

Hafatra roa no nasongadina:
- Mifamatora ao amin’Andriamanitra ary mitoera ao Aminy (And.28):
o Mila mifandray amin’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny vavaka;
o Tafatoetra: mamaka, tsy voahozongozona (être ferme);
o Tsy hihetsiketsika fa miorina mafy ao amin’ny finoana.
- Tsy mihodinkodina any amin’ny ratsy (And.29)
o Ny fahamarinana tsy misy porofo (Alethéia).
o Ny marina azo hazavaina ary voasoratra (Justice) (Dikaios): ny marina amin’ny alalan’ny lalàna napetrak’Andriamanitra no tena zanany.
o Manao ny fahamarinana araka ny tokony izy ve ny zanak’Andriamanitra?
Fehiny:
Tariho amin’ny lalana tokony ho izy ny olona rehetra. Tomoera tsara ao amin’ny Tompo. Mandehana tahaka ny zanaky ny fahamarinana.

TENIN’NY MPITANDRINA
Ny Isaia 41:10 no Teny natolotry ny Mpitandrina ho an’ny Zanaka Am-Pielezana:
“Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”

ASA VAVOLOMBELONA
Fanokafana araka ny fomban’ ny Fiangonana ny Jobily faha 25 taonan’ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly. Nanao ny tatitra ny Filoha Rakotondramboa Johary. Nanazava ny fandaharana mandritra ny taon-jobily ny Filohan’ny Komity Rajaonarison Tokinarivo.

Ny Tondrozotra : “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a) “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Rom.6 : 19d) “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b).

Nisy ny Fandraisana ny Fanasan’Ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana.

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Ranaivo Fenitra
Nikirakira ny fafana : Rabako Tovohery
Nikirakira fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova
Naka sary : Raharijaona Solofonirina
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

Address

Amparibe VG42
Amparibe
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tranokala- FJKM Amparibe Famonjena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Tranokala- FJKM Amparibe Famonjena:

Share