๐…๐‰๐Š๐Œ.๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐…๐€๐‘๐€๐•๐Ž๐‹๐€

  • Home
  • Madagascar
  • Amparafaravola
  • ๐…๐‰๐Š๐Œ.๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐…๐€๐‘๐€๐•๐Ž๐‹๐€

๐…๐‰๐Š๐Œ.๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐…๐€๐‘๐€๐•๐Ž๐‹๐€ ๐๐€๐†๐„๐’ ๐Ž๐…๐…๐ˆ๐‚๐ˆ๐„๐‹๐’ ๐…๐‰๐Š๐Œ ๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐…๐€๐‘๐€๐•๐Ž๐‹๐€

ZANAK-AMPELEZANA AMPARAFARAVOLAFotoam-pivavahana izay notarian'i      Mpitandrina RANDRIANANTENAINA W***y Toerana : CP A...
15/06/2025

ZANAK-AMPELEZANA AMPARAFARAVOLA

Fotoam-pivavahana izay notarian'i
Mpitandrina RANDRIANANTENAINA W***y

Toerana : CP AVENIR TSIADANA

Tontosa ny fiaraha-mivavaky ny Zanaka am-pielezana FJKM AMPARAFARAVOLA  Taty Antananarivo ny Alahady 09 Febroary 2025 ta...
10/02/2025

Tontosa ny fiaraha-mivavaky ny Zanaka am-pielezana FJKM AMPARAFARAVOLA Taty Antananarivo ny Alahady 09 Febroary 2025 tao @ KOLEJY PROTESTANTA PAUL MINAULT ANDROHIBE. Isaorana ny kristiana Tonga maro naneho ny fiombonana.
Nitarika ny fotoana Ny Mpitandrina ANDRIANOMENJANAHARY Rija Harisoa.
Ny hafatry ny Tenin'Andriamanitra:
MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA KA
1) ATAOVY FOTOTRY NY FIAINANA MIHITSY
Tahaka ny niainan'ny Zanak'Israely azy araka ny Salamo abidy (Sal.119:41-458).
2) ANKATOAVY @ SEHATRA REHETRA
Tahaka ny niainan'ny Paoly azy (IIKor.6:1-10).
Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona.

Ao Tsiadana indray no fotoana manaraka.

FAMPATSAHIVANA NY ZANAK'AM-PIELEZANA FJKM AMPARAFARAVOLA SP03 MONINA ANY ANTANANARIVO. ๐Ÿ™Ny Fanompom-pivavahantsika. "TAO...
05/02/2025

FAMPATSAHIVANA NY ZANAK'AM-PIELEZANA FJKM AMPARAFARAVOLA SP03 MONINA ANY ANTANANARIVO.
๐Ÿ™Ny Fanompom-pivavahantsika.
"TAOM-BAOVAO SY FIOMBONAM-BAVAKA ANTSIKA"
๐Ÿ‘‰Daty:Alahady 09 Febroary 2025.
maraina.
๐Ÿ‘‰Toerana:KOLEJY PAUL MINAULT ANDROHIBE.
N.B:Samia mitondra sakafo hiombonana aorian'ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Mifanentร na,Mifampilazร .
Hoy:Atoa ANDRIANOMENJANAHARY Rija Harisoa, Mpitandrina Fjkm Amparafaravola SP03.
Cont:0349009498.
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.

Isaorana lehibe ny Tompo izay naniraka antsika mpitory ny filazantsaran'i Jesoa Kristy. ๐Ÿ™๐ŸฟIsaorana ny Birao ny AFF Fitan...
27/11/2024

Isaorana lehibe ny Tompo izay naniraka antsika mpitory ny filazantsaran'i Jesoa Kristy.
๐Ÿ™๐ŸฟIsaorana ny Birao ny AFF Fitandremana FJKM AMPARAFARAVOLA nikarakara sy nanomana ny TAFIKA MASINA IVELANY.
๐Ÿ™๐ŸฟIsaorana ny Fiangonana Fjkm Amparafaravola SP03 manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka.
๐Ÿ™๐ŸฟIsaorana ny Mpitandrina sy Fiangonana Fjkm Androrangavola Filadelifia SP23 nandray anay.
๐Ÿ™๐ŸฟIsaorana ny mpamily Mr Andry.
๐Ÿ›–๐ŸกTokatrano voatafika: 181isa
โ›ชโ›ช Fiangonana voatsidika : 8
"Koa amin'izany ry rahalahy malalako dia miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo" (1Kor 15.58)
Ho Voninahitr'Andriamanitra irery ihany

๐…๐‰๐Š๐Œ.๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐…๐€๐‘๐€๐•๐Ž๐‹๐€

Asanโ€™ny Apostoly 26. 12-1812  Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tami...
12/04/2024

Asanโ€™ny Apostoly 26. 12-18

12 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona, 13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka รด, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. 14 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. 15 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. 16 Fa mitsangร na, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] 17 hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18 hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
Jesoa Kristy Fahazavana

1-Maneho ny heriny (and 12-14)

Mitantara ny nisehonโ€™i Jesoa taminโ€™i Paoly, Naniry fatratra ny hanitatra ny fanenjehana ankoatry ny tanananโ€™i Jerosalema i Saoly, ka nangataka alalana sy fahefana hitady ny mpianatra hatrany Damaskosy sy hitondra azy ho gadraina any Jerosalema. Nisehonanโ€™ Andriamanitra teny an-dalana nefa izy (and 13). Ireo famantarana ireo dia anehoanโ€™i Jesoa ny heriny. Maneho ny heriny aminโ€™ny tsy mino ny fahefany toa anโ€™i Paoly fahiny.

2- Mampahafantatra ny tenany

Jesoa no nanao dingana voalohany niresaka taminโ€™i Paoly, ilay fatra-panenjika ny Fiangonana. Tia ny olona rehetra i Jesoa ary ny tsy mahafantatra Azy indrindra no hanehoany ny heriny mba hinoany fa misy Izy. Te hamonjy ny olona rehetra i Jesoa, ka mampahafantatra ny tenany Izy mba hahafahanโ€™izao tontolo izao mino sy manaiky fa izy irery ihany no ยซ lalana sy fahamarinana ary fiainana ยป. (Jao 14.6).

3- Manome asa fanompoana (and 16-18)

Jesoa dia nanendry anโ€™i Paoly ho vavolombelony (and 16), ny aminโ€™izay efa nataony taminy. Jesoa rehefa maniraka dia manazava tsara ny tanjony: dia ny hampahiratra ny jamba hahitany ny mazava, hahazoany famelan-keloka. Ny finoana anโ€™i Jesoa tokoa dia zava-poana raha tsy arahanโ€™asa, ka fombanโ€™i Jesoa mihitsy ny mifidy mpiara-miasa hanantanteraka ny asany.

Fanontaniana:

Nitondra inona teo aminโ€™ny fiainanao ny fahafantarana anโ€™i Jesoa?

Jaona 3. 16-2116  Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho ver...
20/03/2024

Jaona 3. 16-21

16 Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] 18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] 19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara] 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. 21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
Manorina ny fanekeny ny Tompo

and.16

Toy izao no nitiavany: ny mitia eto dia midika hoe mandray an-tanana. Ary dia noraisiny an-tanana tokoa ny fiainantsika taminโ€™ny nanolorany ny zanany (lsa. 45.11)

Izao tontolo izao: misy heviny roa raha kely indrindra. Izay milaza ity tany iainantsika ity sy izay rehetra eo aminy ary milaza ihany koa ireo voagejanโ€™ilay ratsy (Jao. 17.16). Nirahiny ny Zanany mba ho fiainana ho anโ€™ny olona rehetra ary indrindra ho anโ€™ireo voageja.

Nomeny: nafoiny sy natolony tamim-pitiavana. Natolony hahatanteraka ny fanehoam-pitiavana. Natolony ho fanatitra noho ny ota.

Tsy ho very: tsy ho voaheloka fa handray ny fanavotana

Mino: ireo mahazo antoka fa i Jesoa zanakโ€™Andriamanitra no hany mpamonjy ka manolo-tena sy feno fankatoavana ary feno fahatokiana.

Raha ny marina dia efa tapa-kevitra ny hamonjy antsika Andriamanitra fa miandry ny fanapahan-kevitra avy amintsika sisa.

Fanontaniana:

Inona avy no mbola manakana anao tsy handray Azy?

Mpitsara 2. 1-51  [Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra ...
19/03/2024

Mpitsara 2. 1-5

1 [Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay; 2 koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao? 3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny. 4 Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany. 5 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima*; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]
Aza manno zavatra mampiova hevitra ny Tompo

1. Tsarovy ny famonjeny

Efa tafiditra ny tany nampanantenaina ny Zanakโ€™i Israely satria Gilgala izany dia any afovoanโ€™i Efraima. Nampatsiahy azy ireo ilay Anjelinโ€™i Jehovah ny aminโ€™ny fitondrana azy ireo niakatra avy any Egypta, dia ilay famonjena nahagaga tsy azonโ€™ny sainโ€™izy ireo noeritreretina. Fanandevozana mafy ary fahavalo toa tsy hisy handresy, aminโ€™izany Mosesy ilay olona nofidinโ€™ Andriamanitra tsisy fitaovam-piadiana akory. Misy fotoana tokoa isika mahatsiaro fa toa tsy misy hevitra intsony ny aminโ€™ny fahasahiranana sy zava-tsarotra iainantsika. Tsarovy ny famonjena nataony tany Egypta, tsarovy ny famonjena nataonโ€™i Jesoa (Jao. 3.16).

2. Hazony ny fanekena nataony

Rehefa niditra ny tany nampanantenaina ny Zanakโ€™ Israely dia adinony ny hafatrโ€™Andriamanitra. Aza manao fanekena aminโ€™ny tompon-tany ary ravao ny alitara fivavahany aminโ€™ ireo andriamaniny. Kanefa adinony izany hafatra izany ka nahatezitra anโ€™Andriamanitra ary nahatonga Azy niova hevitra ka tsy handroaka ny fahavalonโ€™izy ireo. Isika ihany koa no ambarany aminโ€™izany. Rehefa nandray anโ€™i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy isika dia tsy hanao fanekena amin-javatra hafa intsony. Fa ampy ho antsika ny fahasoavany.

Fanontaniana:

Tanisao ireo zava-tsoanโ€™ny tany imatimatesanโ€™ny olona ankehitriny?

Deoteronomia 30, 15-2015  Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,...
18/03/2024

Deoteronomia 30, 15-20

15 Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza, 16 tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalร ny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana. 17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy, 18 dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo. 19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, 20 dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
Mifidiana sao ianao indray no fidiany

And 29 ยซ koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao ยป

Safidy roa mazava tsara no ataonโ€™ny Tompo anoloantsika anio: na ny fiainana sy ny fitakiana na ny fahafatesana sy fanozonana. Fotoana lehibe tahaka ny fotoam-pifidianana rehetra izao fotoana izao. Tsy misy safidy maro azo atao fa iray ihany. Efa nanao fampielezan-kevitra Andriamanitra hatrany aminโ€™ny and.1 aminโ€™ity toko faha-30 ity ka nanambarany fa raha mitandrina ny didiny isika dia ho feno fitahiana ny fiainantsika. Ary raha tsy mihaino kosa dia ho feno ozona. Dia manamafy Izy eto ny hifidiananao ny fiainana. Mbola azonao atao ny mifidy ireo isanandro, saingy anio kosa dia mila manao fanapahan-kevitra lehibe ianao. Fa raha tsy hisafidy ianao anio dia ny fahafatesana no hifidy sy handrombaka anao. Ilay ratsy no hisafidy anao ho mpanompony raha tsy mazava ny fanapahan-kevitrao, Ny fisafidiananao ny hihaino ny Teninโ€™Andriamanitra izay mitondra anao ho aminโ€™ny Fitahiana no hanananao hery tsy hibirioka any aminโ€™ny lalam-pahafatesana. Nahoana ร ry no mbola te ho faty ihany isika ? (vakio Jao. 5,39)

Fanontaniana:

Inona no antony mampifikitra ny oloma aminโ€™ny fiainana an-tany?

โ€” Genesisy 26 : 23 - 33  nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka # Dia niakatra n...
16/03/2024

โ€” Genesisy 26 : 23 - 33

nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka # Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba. Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko. Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka. Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka. Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo? Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao, fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah. Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy. Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy. Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay. Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanร na hoe Beri-sheba mandraka androany.

Genesisy 17: 9-149  Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ian...
14/03/2024

Genesisy 17: 9-14

9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby. 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. 12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao. 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
Ny olonโ€™ Andriamanitra mihazona ny fanekeny Aminy dia manantanteraka ny fifanekena

Mandrakariva, ry havana, Andriamanitra dia mitazona foana ny fanekeny. I Abrahama eto no nifanaovany fanekena, na dia nisy aza ny fitsapana natao taminy, dia azo lazaina hoe: niadana, be voninahitra izy; na taminโ€™izany, na dia aminโ€™izao ankehitriny izao dia mbola malaza ihany ny anarany. Fa ny anjaranโ€™i Abrahama dia ny manantanteraka ny fifanekena dia ny fanaovana ny famorana taminy sy izay rehetra taranany. Tao aminโ€™ny Testamenta Vaovao ny famorana dia ny batisa, ary izay taranakโ€™i Abrahama ara-nofo sy ara-panahy toa antsika dia tsy maintsy atao batisa sy manao batisa ny zanantsika sy ny taranantsika. Ilay fanaovana batisa koa anefa dia mbola misy fanekena dimy tsy maintsy tanterahina raha zaza no atao fa raha olon-dehibe dia efatra. Ry havana, voatanantsika avokoa ireny fanekena ireny ? Andao tsarovana รกry hefaina izay tsy efa.

Fanontaniana

Efa vita batisa avokoa ve ny olona akaiky anao?

Eksodosy 6:2-82  [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao ...
12/03/2024

Eksodosy 6:2-8

2 [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo. 8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanร na homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.

Tsaroanโ€™ny Tompo hatrany ny fanekeny

1. Na dia fotoana maharitra aza (and 2-4)

Voalaza ao aminโ€™ny Genesisy 15.13 fa nijaly nandritra ny efajato taona teo ho eo ny taranakโ€™i Abrahama ka eto izy no niteny aminโ€™i Mosesy fa hanavotra azy ireo aminโ€™ny tananโ€™ny Egyptiana; satria mahatsiaro ny fanekeny. Ry havana, maharitra be izany fotoana izany amintsika fa fohy Aminy. Eo anefa no ilร na ny faharetantsika. Hoy ny Salamo 94.4 > Aza kivy raha sendra an-dalam-piaretana ร ry.

2. Ka mandre ny fitarainanโ€™ny olony ampahoriana Izy (and 5)

Misy firenena manandevo ny firenenโ€™ Israely eto dia Egypta. Fanandevozana aminโ€™ny endriny mampivarahontsana mihintsy izany ka mitaraina ny Zanakโ€™ Israely ka renโ€™ny sofinโ€™i Jehovah izany. Ry havana, manร na fatokiana Azy fa any aloha any mbola avadiky ny Andriamanitra Tomponโ€™ny tantara ny tantaranโ€™i Madagasikara, na iza na iza firenena manandevo antsika.

Fanontaniana

Ahoana ny hevitrao raha afaka taonjato iray vao hivaly ny vavaka ataonโ€™ny Malagasy ankehitriny?

Address

Amparafaravola
504

Telephone

+261348803816

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ๐…๐‰๐Š๐Œ.๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐…๐€๐‘๐€๐•๐Ž๐‹๐€ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share