Fiangonana Pentekotista Mitambatra Ampandrana Andrefana - Officiel

Fiangonana Pentekotista Mitambatra Ampandrana Andrefana - Officiel Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fiangonana Pentekotista Mitambatra Ampandrana Andrefana - Officiel, Pentecostal Church, Lot II B 8 Ampandrana Andrefana, Ampandrana.

⛪️ Fivoriana Alahady 16 Août 2026TORITENY " MISIONERA RICHARDSON JERRY "Lohahevitrin'ny TORITENY " Tena zava-dehibe eo -...
18/08/2026

⛪️ Fivoriana Alahady 16 Août 2026
TORITENY " MISIONERA RICHARDSON JERRY "
Lohahevitrin'ny TORITENY " Tena zava-dehibe eo -tsika ny RAN'I JESOSY KRISTY "

“THE BLOOD OF JESUS CHRIST IS TRULY IMPORTANT, because through His blood, we have received Eternal Salvation and have been set free from all sins.”

Fivoriana Alahady 26 Juillet 2026Tombontsoa lehibe ny Fandalovan'i Misionera RICHARDSON Jared telo mianaka teto amin'ny ...
27/07/2026

Fivoriana Alahady 26 Juillet 2026

Tombontsoa lehibe ny Fandalovan'i Misionera RICHARDSON Jared telo mianaka teto amin'ny FPM Ampandrana ka nisy 2 natao batisa tamin'izany ary 4 kosa no nandray ny Fanahy Masina

Pentekosta sambatra!Fotoana hifohazana, hivavahana ary handraisana hery vaovao avy amin’ny Fanahy Masina izao.Tongava hi...
24/05/2026

Pentekosta sambatra!
Fotoana hifohazana, hivavahana ary handraisana hery vaovao avy amin’ny Fanahy Masina izao.
Tongava hiara-hankalaza sy hiara-hivavaka aminay, fa misy fitahiana lehibe homanin’i JESOSY ho anao.

20/05/2026

PENTEKOSTA 2026 — Fifohazam-panahy

“Ary hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo…”
Asan’ny Apostoly 1:8

Manasa antsika rehetra hiara-hivavaka, hidera ary handray hery vaovao avy amin’ny Fanahy Masina mandritra ny Fankalazana ny Pentekosta, ny 21, 22, 23 ary 24 Mey 2026, eto amin’ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra Ampandrana Andrefana.

Fotoana manokana ho an’ny fanavaozam-panahy, fanafahana, fiderana, tenin’Andriamanitra ary firaisan-kina ao amin’ny finoana.

Aza tara! Ento ny fianakavianao, ny namanao ary ny havanao.
Andao hiaraka hifoha ara-panahy amin’izao Pentekosta izao.

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra min...
21/12/2025

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. "Jaona 3:16"
Fantatrao ve ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra anao ? 🕊️ Ny sary hitanao eo dia fampahatsiahivana fa ny tontolo manontolo sy ny zavatra rehetra ao aminy dia vokatry ny fitiavany. Tsy nanary antsika Izy, fa nanome ny tsara indrindra ho famonjena antsika. Ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra Ampandrana Andrefana dia faly manasa anao hanatrika ny fety izay karakarain'ny sekoly alahady anio 21 Desambra 2025 hariva. Efa nanomana ny tsara indrindra ho antsika izy ireo.

Address

Lot II B 8 Ampandrana Andrefana
Ampandrana
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana Pentekotista Mitambatra Ampandrana Andrefana - Officiel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share