FJKM Beraketa SP/07

FJKM Beraketa SP/07 Salamo 73 : 28

Ianao Jehovah Tompo o, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.

J’ai pris le Seigneur, l’Eternel, comme refuge et je raconterai toutes ses œuvres. I have made The Lord God my refuge, that I may déclare all Your works.

👉👉👉 Rehefa nolazain'i Jesoa izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe : Ray ôh, to...
23/08/2026

👉👉👉 Rehefa nolazain'i Jesoa izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe : Ray ôh, tonga ny fotoana, mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao. Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao. Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany ; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny, Ray ôh, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
Jaona 17 : 1 - 5

👉👉👉 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny ; fa efa nilaza taminare...
22/08/2026

👉👉👉 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny ; fa efa nilaza taminareo hoe izy : Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina ; ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesoa Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana ; ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy ; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
Joda 1 : 17 - 23

👉👉👉 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nan...
21/08/2026

👉👉👉 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany : koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray. Samy araka izay fahaizany avy ; dia lasa nandeha izy. Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany ; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony. Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany. Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe : Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy ; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin'ny fifalian'ny tomponao. Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy : Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy ; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin'ny fifalian'ny tomponao. Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe : Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao ; dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany ; indry, lasanao ny anao. Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe : Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy ; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa ; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Matio 25 : 14 - 30

👉👉👉 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. Mba ho iray ihany izy rehetra, ...
20/08/2026

👉👉👉 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy. Mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika : zaho ao aminy, ary Ianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. Ray ôh, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy ; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao. Ray marina ôh, tsy nahalala Anao izao tontolo izao ; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
Jaona 17 : 20 - 25

👉👉👉 Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko ;  Ianao, Jehovah ôh, no hoderaiko. Hitandrina ny lalana marina aho. Rahov...
19/08/2026

👉👉👉 Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko ; Ianao, Jehovah ôh, no hoderaiko. Hitandrina ny lalana marina aho. Rahoviana no ho tonga aty amiko Ianao ? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho. Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho. Halako ny mivadika, tsy hikambana amiko izany. Ny fo maditra hiala amiko ; tsy hankasitraka izay ratsy aho. Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako. Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po. Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko. Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy. Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka. Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga. Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.
Salamo 101 : 1 - 8

👉👉👉 Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe : Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany E...
18/08/2026

👉👉👉 Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe : Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy ; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika ; ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. Ary ankehitriny, Jehovah o, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao. Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.
Deoteronomia 26 : 5 - 11

👉👉👉 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho ? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba h...
17/08/2026

👉👉👉 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho ? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana ? Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia ; fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay. Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako taty Korinto. Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.
II Korintiana 1 : 17 - 24

👉👉👉  Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanit...
16/08/2026

👉👉👉 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
Efesiana 2 : 8 - 10

👉👉👉 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia...
15/08/2026

👉👉👉 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
Filipiana 2 : 12 - 18

👉👉👉 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny ; fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. Misy mandefalefa ten...
14/08/2026

👉👉👉 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny ; fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra ; fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa. Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay ; fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja. Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy ; fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. Tsy misy ratsy manjo ny marina ; fa heni-doza ny ratsy fanahy. Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga ; fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana ; fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana. Ny tanan'ny mazoto no hanapaka ; fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina. Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy ; fa ny teny soa no mahafaly azy. Ny marina dia mitari-dalana ny namany ; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. Ny kamo tsy mety mihaza ; fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto. Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, ary ny tsy fahafatesana no lalan-kalehany.
Ohabolana 12 : 17 - 28

Address

RN 13
Ambovombe
607

Telephone

+261333186754

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Beraketa SP/07 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share