EKAR Diosezy Ambositra

EKAR Diosezy Ambositra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from EKAR Diosezy Ambositra, Christian church, Ambositra.

MANENTANA ANTSIKA NY FIVONDRONAMBEN'NY EVEKA ETO MADAGASIKARA HIVAVAKA HOAN'NY PAPA FRANÇOIS AMIN'IZAO 22 FEBROARY IZAO ...
21/02/2025

MANENTANA ANTSIKA NY FIVONDRONAMBEN'NY EVEKA ETO MADAGASIKARA HIVAVAKA HOAN'NY PAPA FRANÇOIS AMIN'IZAO 22 FEBROARY IZAO NOHO NY FANKALAZANA NY FIKETRAHANA MAHA EVEKAN'NY ROMA AZY.

VITA NY FIOFANANA MAHARITRA NATAON'NY PRETRA TETO AMIN'NY DIOSEZY AMBOSITRA. SOAVA KO TSARA MOMPERA
21/02/2025

VITA NY FIOFANANA MAHARITRA NATAON'NY PRETRA TETO AMIN'NY DIOSEZY AMBOSITRA. SOAVA KO TSARA MOMPERA

Notontosaina anio teny amin'ny Saha Bruto ny fambolen-kazo niarahan'ireo Pretra rehetra teto amin'ny Diosezy Ambositra i...
15/02/2025

Notontosaina anio teny amin'ny Saha Bruto ny fambolen-kazo niarahan'ireo Pretra rehetra teto amin'ny Diosezy Ambositra izay notarihin'i Père RAZAFINDRALAIVAO Jean Aimé Talen'ny Firahalahian'ny Pretra Diosezianina Ambositra. Fikarakarana ireo efa voavoly sy fiezahana namboly zanan-kazo fihinam-boa maro be toy ny Paiso, Zavoka, Pibasy, Voaroy, sns...

Tontosa anio 14 Février 2025 ny hady fototra trano ZATOATY 2 hoan'ny Pretra sy ny Évêché hoan'ny Eveka. Ezaka natao ary ...
14/02/2025

Tontosa anio 14 Février 2025 ny hady fototra trano ZATOATY 2 hoan'ny Pretra sy ny Évêché hoan'ny Eveka. Ezaka natao ary tsangambaton'ny taon-jobily 25 Diosezy Ambositra. Isaorana ireo rehetra tonga nanotrona sy niaraka niombom-bavaka: ny Pretra rehetra sy ny relijiozy ary ireo Lahika mahafatra-po. Toy izany ihany koa ireo mpitondra fanjakana eto Ambositra ny solontenan'ny gouverneur sy ny député ary ny Ben'ny Tanana Ambositra RAKOTOZANDRINDRAINY Raphaël. Isaorana manokana Ato Préfet tonga noho ny fiaraha-miasa efa hatramin'izay nisy teo amin'ny EKAR sy ny fitondram-panjakana. Raha 3 miliara ariary ny devis dia mbola 300tapitrisa ariary no eo ampelan-tanan'ny Diosezy. Izany hoe 10% ny fanombohana izao fotodrafitrasa lehibe izao. Vavaka arahin'asa ny antsika ka finoana no entintsika mamita azy hatramin'ny farany.
NY FIRAISAN-KINA NO HERY
NY VATO MIFANONGOA TSA MBA IVA. KOA ALAO HERY ARY AMIN'NY FIFANOMEZAN-TANANA FA NY TAOTRANO TSY EFAN' NY IRERY

14 FEBROARY : MASINDAHY VALENTIN D’INTERAMNANy   andron’ny 14 febroary dia natokan’ny Eglizy Katolika Romana  hankalazan...
14/02/2025

14 FEBROARY : MASINDAHY VALENTIN D’INTERAMNA

Ny andron’ny 14 febroary dia natokan’ny Eglizy Katolika Romana hankalazana ny andro nanaovana maritiora an’ Md Valentin, satria mbola nafana ny fanenjehena ireo kristiana tamin’ny andron’ny Mpanjaka lehibe Claudio II tamin’ny tapatapaky ny taonjato fahatelo.

Valentin d’Interamna na koe hoe Valentin avy Terni. Italianina zany izy io , pretra moanina (Terni ankehitriny, tanàna ao Italy tokony ho 100km avy ao Roma) moanina izy io ary lasa eveka taty aoriana. Izy no eveka maty martiora noho ny nanamasinany ny fanambadian’ny tovovavy kristianina iray tamina lejionera romana izay voarara tokoa tamin’izany fotoana izany. Maty martiora niaro ny fifankatavan’olona.

Nosambo***a ary nogadraiana izy tamin’ny andron’ny amperora Claude II. Ny antony dia satria tsy eken’ny amperora manko ny lehilahy (legionnaire ) manao mariazy. Satria raha manao mariazy izy dia manana droit tsy hisaraka amin’ny vadiny ka manana droit tsy elafa mandeha miady. Ka mba hahamaro ny olona halefa an’ady dia namoaka adidy ny amperora fa tsy azo atao ny mitso-drano mariazy. Ity moanina Valentin ity anefa tsy nanaiky izany fa mbola naroso ihany ny mariazin’ny mpifankatia mba hialana am tokatrano maso. Vokatr’izay nosambo***a izy. Tamin’izay izy no nifanena tamin’ny vehivavy jamba sady nanana olana ara-pitiavana. Ka rehefa nahita an’i Valentin izy dia sitrana ary raiki-pitia tamin’olona iray tampoka izay lasa vadiny

Ankoatra io dia nisy tantara iray koa milaza fa i Valentin dia namitrana ny fifankatiavan’ny tanora roa nifamaly tena an-dàlana, ka raha sendra nifanena tamin’izy mivady ireo izy dia notolorany vonin-draozy izy mivady ka nirahiny notazonina miaraka, ka niombona tamin’izay izy roa nanomboka teo ka nilamina mandra-maty ny fifankatiavan’izy roa.

Ny fetin’ny mpifankatia ny tena marina dia tsy fety katolika fa fetin’ny tsy mpino. Izay nakalazaina isaky ny 15 février. Ivavahan’ireo jentily amin’andriamanitry ny fitiavana na andriamanitry ny taranaka dia i Jupiter sy Mercure zany. Fa taty ao***a nampifandraisin’izy ireo tamin’ity fetin’ny katolika ity ny fetin’izy ireo, dia lasa ankalazain’ny katolika miaraka izy amin’izao.. Voaporofo izany satria ity olomasina ity dia milevina ao Terni, ao amin’ny Basilika mitondra ny anarany. Voatahiry anaty vata izy ary eo anilan’io dia misy sary vongana volafotsy misy soratra hoe : Md Valentin mpiaro ny fitiavana (San Valentino patrono dell’amore).

Araka ny lovan-tsofina voalazako teo dia namoy ny ainy ho fiarovana ny mpifankatia koa ity olomasina ity. Ka izay no naneken’i papa Alexandre faha VI sy Grégoire XVI hampifandraisana ny fetin’ity olomasina ity ho fetin’ny Mpifankatia

Rehefa avy nosambo***a tany antrano mazina i Valentin dia nentina niatrika fitsarana. Ary nanotaniana izy hoe lavinao ve lay Andrimanitra tompoinao sady tsy hitso-drano mariazy intsony manomboka eto ary vonona hanompo ny andriamanitry ny fitiavana sy ny Andrimanitra ny taranaka. Dia naleony hono maty amin’ny finoany toy izay hivadika sy tsy hampandroso olona amin’ny sakramenta ho famonjena ny fanahiny.. Dia novonina tamin’ny 14 febroary izy. Ka io andro nanaovana martiry azy io no nofidin’ny Fiangonana hakalazana ny fetiny.

Tsara ho fantatra anefa fa misy Pretra valentin hafa Frantsay notapahin-doha tamin’ny taona 269 saingy tsy io ilay ankalazaina am 14 février ity fa ilay tany Italie Turni. Ny mahagaga anefa fa ireo velentin roalahy ireo dia tamin’ny toerana samihafa ary vanim-poatoana samy hafa niainany dia mitovy ny antony namoana azy roalahy. Samy maty novonoina noho ny fiarovana ny mpifankatia

Mazava izany fa ireo mpifankatia tena vonona hiroso amin’ny fanambadina ara-dalana sy ireo mpivady tena izy no ambany fiarovan ity olomasina ity, fa tsy izay rehetra mifampisipasipa fahatany izao

Ho anareo mpifamofo izay te-hankalaza ny fanambadianareo ao amin’io Basilika io dia voaasa manokana isan-taona handray anjara amin’ny foara sy fety ben’ny Mpifankatia ao amin’io tanàna io mandritra ny volana febroary manontolo.

SAINT VALENTIN

Ny valentin dia tamin’ny taona 498 teo eo no nisy ny didy hitsivolana navoakan’ny Papa Gulage voalohany hankalazana ity olomasina ity. Namafisin’ny Papa tamin’izany fa hoe tsaroana amin’ity faha 14 ny volana Febroary ity ireo mitondra ny anarana hoe Valentin Maritiry rehetra. Izany hoe tsy misy ifandraisan’ireo mpifakatia ny maha fetin’ny mpifakatia ity daty ity.

Tany Italie, fahizay, tao amin’ny tanàna iray atao hoe Terni, dia nisy Eveka anankiray tsara fanahy atao hoe Valentin. Na dia teo aza ny fandrarana ny fivavahana kristiana tamin’izany fotoana izany, dia tsy natahotra fa nanatanteraka ny asa maha-Eveka azy, ary tsy nitsahatra nanampy ireo mahantra maro be nila famonjena izy.

Ela ny ela, ren’ny mpitondra fanjakana ny momba azy, ary tsy ela akory dia voasambotra izy ary natao tany an-tranomaizina.

Tany an-tranony i Valentin, dia nanana voromailala izay notezainy sy nozariny, tahaka ny alikakely mifankazatra amin’ny tompony. Rehefa tsy nahita an’i Valentin tao an-trano hono ilay voromahailala, dia lasa nandeha nanidina nitady azy hatraiza hatraiza, farany hitany ihany ny tranomaizina nisy azy. Dia tonga mitsidika azy ao foana hono ity vorona, sady mitondra felana voninkazo atao hoe “violety” avy eo an-tokotany, hoan’ny tompony ao am-ponja. Ireo felana violety ireo hono dia efa namboarin’I Valentin taloha nataony sary miendrika fo daholo ary dia nitondra izany isan’andro tany am-ponja ilay voromahailala. Ireny fela-boninkazo ireny hono no nanoratan’i Valentin hafatra ho an’ny namany sy ny olon-tiany, ary dia nataony teo amin’ny vozon’ny voromahailala, ary dia tonga tany amin’ny nandefasana azy ny hafatra.

Hay ve ka tantaran’olomasina sy fitiavana madio ny Saint Valentin, fa tsy fijangajangàna sy fitiavana maloto e !

FANTARO NY TANTARA MARINA❗

Md Valentin mpiaro ny mpifankatia ô,

Mivavaha hoan'ny mpifankatia rehetra, mba tena hiaina ny fifankatiavana marina anie ny mpifankatia rehetra, ary ho ankasitrahin'Andriamanitra anie ny fifankatiavan'izy ireo ka haharitra mandritra ny androm-piainany eto antany..

Tsara ho fantatra amin'izao taon-jobily izao
13/02/2025

Tsara ho fantatra amin'izao taon-jobily izao

12 FÉVRIER SAINT FÉLIXNy   Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa  nodimandry   tamin'ny taona 530. Tamin'...
12/02/2025

12 FÉVRIER SAINT FÉLIX

Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.

Raha ny marina dia fifidianana no natao mba hijerena izay hisolo ny papa teo aloha. Tsy natao anefa ny fifidianana fa i Théodoric mpanjaka no nifidy avy hatrany an'i Félix de Samnium. Ny 12 jolay 526 izy no nandray io fiketrahana io ary nitondra ny anarana Félix IV. Nahagaga anefa fa maty ny 30 aogositra ilay mpanjaka ary namela kamboty mbola tsy ampy taona ka ny renin'ity zaza ity no nitantana ny fanjakana. Nifankahazo tsara tamin'ny mpino katôlika izy io ka nanome trano lehibe roa ho an'ny Fiangonana. Ny iray ilay lasa Bazilikan'i Masindahy Côme sy Damien.
Rehefa nitantana ny Fiangonana nandritra ny 4 taona sy 2 volana ny papa Félix IV dia narary ka 22 septambra 530 izy no nantsoin'ny Ray hody any Aminy. Izy no papa faha-54.

Ny hoe Felix dia mpamaritra toetra avy amin’ny teny Latinina hoe “Felichis” midika hoe sambatra.

Andro maneran-tany hoan'ny Marary. Vavaka feno finoana no atolotra azy ireo
11/02/2025

Andro maneran-tany hoan'ny Marary. Vavaka feno finoana no atolotra azy ireo

Manatanteraka iraka any Roma ankehitriny ny solontenan’ny eveka mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Fivondronamben’...
11/02/2025

Manatanteraka iraka any Roma ankehitriny ny solontenan’ny eveka mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (FEM) ahitana an’i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, evekan’i Morondava, filohan’ny FEM, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, evekan'Antsirabe, filoha lefitry ny FEM, Mgr Jean Claude Rakotoarisoa, evekan'i Miarinarivo, sekretera jeneralin’ny FEM, R.P. Séraphin Rafanomezantsoa, sekretera mpandrindran’ny FEM. Noraisin’ny Papa Fransoà izy ireo ny alatsinainy 10 febroary maraina.
Nisy ny teboka vitsivitsy notsindrian’ny papa, araka ny vaovao nampitain’i mompera Séraphin Rafanomezantsoa. Eo ny tsy maintsy hilofosan’ny Eglizy aty Madagasikara amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana ny ankizy. Eo ihany koa ny filofosana amin’ny hananan’ny ankizy kopian’ny nahaterahana satria maro no tsy manana izany. Nomarihin’ny papa fa lalana mitondra amin’ny fampandrosoana tena izy sy maharitra ny fanatanterahana izany. Tsy vao izao moa ny Eglizy eto Madagasikara no hanao izany fa kosa hanamafy o***a ny ezaka efa ataony momba ny fanabeazana izy.
Tetsy andanin’izany dia nasian’ny papa teny koa ny mikasika ny fananganana ho Olomasina an’ireo Olo-malazan’ny finoana eto amintsika. Nomarihiny manokana ny mikasika an’i Lucien Botovasoa, izay nampirisihany ny hanohizana ny vavaka amim-pinoana sy faharetana ho fangatahana ny hananganana azy ho Olomasina. Raha mivavaka am-patokisana isika, hoy ny papa, dia ho avy tsy ho ela izany fanaganana an’i Lucien Botovasoa ho Olomasina izany. Tsara ny manamarika fa hisy ny fihaonan’ireo eveka amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny sampan-draharaha manokana ao Vatikana momba ny fananganana ho Olomasina, ny alarobia 12 febroary izao.
Rehefa izany dia nanome ny tsodrano apostolika ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tsivakivolo aty Madagasikara ny papa ary nankahery an’ireo eveka amin’ny adidy sy andraikitra atrehin’izy ireo, indrindra amin’ny lafiny sosialy ihahiana manokana ny vahoaka mba ho feno ny fanantenana na dia eo aza ny fahantrana izay mety manjo azy amin’ny andavanandro.
(loharano : www.eglisecatholique.mg)

Herinandro ekolojika
03/02/2025

Herinandro ekolojika

Ny hafatra fohy avy amin'ny Papa hoan'i Donald Trump
31/01/2025

Ny hafatra fohy avy amin'ny Papa hoan'i Donald Trump

Md Thomas D'acquin
28/01/2025

Md Thomas D'acquin

Address

Ambositra

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EKAR Diosezy Ambositra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share