Lova Ilay Iraka

Lova Ilay Iraka VRAI MPINO FENO HERY SY FAHEFAN'ANDRIAMANITRA 💪 sy HO TAFIDITRA PARADISA NO TANJONA fa TSY MPINO MPIANTEHITRA na MAMENO FIANGONANA FOTSINY.

Tonga tamiko ny Anjely Masina Gabriel nitondra Fanitsiana mahakasika ny Fototry ny Fanompoana an'Andriamanitra

12/04/2026

NY PASTERA VE NO FETSY SA NY MPINO NO MORA AMBAKAINA
Sao mba isika Mpino ihany no manome vahana ny fisolokiana ankolaka ataon'ireo Pasteur maniraka hitia harena noho ny fitiavana an' Andriamanitra.
🔥Tsy hoe rehefa mpitory teny dia avy @ Tompo avokoa. Fa misy ny atao hoe Mpaminany sandoka hoy Jesosy izay miasa @ vanimpotoana misy antsika izao, tahakan'ny ondry ( zanak'Andriamanitra) ny fijery azy nefa alika ( tia vola sy mangoron-karena) ny ao anatiny.
👉Ary na ny olom-boafidy aza dia mety ho voafitany, noho izay izy miseho @ endrika Pasteur sy mpanao fahagagana ety ivelany.
Ny tena loza dia mampiasa be manaiky na ilay atao hoe pouvoir maléfique occulte izy ireo anaovana izany ka mety ahavery ny fanahinao any @ Afobe.
🛑Aparitao ho fampitandremana sy fanairana ity hafatra ity.
Aboneo ny pejy anarahanao fampianara maro.
🙏 Voninahitra sy Fiadanan'ny Tompo

04/04/2026

ZAVA-MIAFIN'NY FETIN'NY PAKA
⁉️Ianao ve isan'ilay mifaly fa tonga ny Paka,
satria mahatsapa famonjena nohon'ny nahafatesan' Jesosy sy ny fitsanganany?Ny valin'izay dia fanoloran-tena sy fanalavirana fahotana.
🎉Sa isan'ireo mifaly satria hanao fety sy hitsagatsanganana , fandaniana sy filibana izay mifanipaka @ sitrapon'Andriamanitra.
👉Tadidio fa isaky ny misy zavatra ataonao ka mifanipaka @ sitrapon'Antra, dia mitovy @ manokatra varavaran'ny Afobe ianao, isan'izany ny fisotroantoaka.
Ny tena loza,
ny alahady ianao mandeha mivavaka, nefa ny alatsinainy ianao manolotra ny fanahinao ho an'ny satana sy ny Afobe. Ny 80%ny Kristiana dia vokaasikio avokoa.
🛑Tandremo fa misy ny Fanahin'ny Fahafatesan na ilay atao hoe chien de l'enfer, izay mivoaka 2 herinandro mialoha rehefa misy fety homanina na kasainy olombelona atao.
Raha nahatsikaritra ianao dia nisesy io fahafatesana io tato anatiny 2 herinandro, na accident mahatsiravina, na matina mosavy, na fahafatesana afahafa.
👿Tandremo fa izay tsy ampy fiarovan'Andriamanitra dia ho arapany, isan'izany ireo mpandray ny Paka ho fety sy filibana, fandaniana sy fisotroantoaka. Fietsika omanina na fanahy iniana izany ka manokatra lalana ngeza ho an'ny devoly ianao.

Aparitao ho fanairana sy fampatsiahivana ny rahalahy sy anabavy.
Tsindrio ny suivre anarahanao mandrakariva ny pejy.
🙏Voninahitra sy Fiadanan'ny Tompo🙏

27/12/2025

Mba fantatrao ve ny tokony atao rehefa ifarana ny Taona?

Rehefa faran'ny taona toizao, dia ataovy maximum izay hiavananao @ olona rehetra, ahamaivana ny fanahinao hidirana ny taona vaovao @ alalan'ny fangatahana famelana, eny na dia ianao aza no nanana ny rariny.
Araho Fifadiakanina 3 andro izany fifonana izany mialohan'ny misasakalin'ny 31 dec, ary farano @ alimbavaka.
Tsy voatery ho any am-piangonana foana fa na ao antrano ianao sy ny fianakavianao dia mety.
Tsara ny mitsena zavabaovao miaraka @ Andriamanitra.
Dia mirary fiafarany sy fiadohan'ny taona mahafinaritra eo amban'ny fitantanan'Andriamanitra ho antsika rehetra. Amen
Aparitaho ho hitan'ny namanao

25/12/2025

FATATRAO VE FA BEDIABE NY VAHAOLANA NO MISY PIÈGE ???

Raha niala tao egipta ny zanak'israely ho any @ ilay tany nampanantenaina dia nisy lalana akaiky sy mora kokoa nandalo eo @ Filistina, saingy nahodin'Andriamanitra lalana hafa izy ireo na dia samy tonga @ destination iray aza, ary lalana tena sarotra sy lava no nandalovan' zanak'israely.
♦️Ny antony dia satria fantatr'Andriamanitra fa ho piège ho an'ny Israëly ny lalana mankeo @ Filistina, ary tsy mbola hitondra fahafahana 100% ho azy ireo izany. Eksodosy 13:17
♦️Bediabe ny lalana na zavatra atao izay toa hitantsika hoe mora kokoa ny manao azy no mety hitondra fandrika.
♦️Maro ny vavaka angatahantsika no tahakan'ny hoe tsy mivaly ka mampametrapanontaniana indraindray, ohatra: Vady, asa, sns...
Fantaro fa Andriamanitra dia mahalala ny zavatra rehetra fa tsy mitanila na miangatra, mety tinao ilay olona iray mba ho vadinao nefa tsy mahasoa sy hiteraka fangejana ho anao izany, ka olona hafa no omen'ny Tompo anao, tahakizany ihany koa ny asa.
>>>Noho izany, matoa mbola tsy ilay nangatahinao no mivaly fa zavatra hafa sady toa hoe sarotra na tsy tinao, dia Fantaro fa te hanala anao anaty piège Andriamanitra no te hitondra anao tena fahafahana 100% .
🔴Te hampitombo ny finoanao sy hanala anao anatin'ny fahakiviana sy fihemorana Izy.
Hitahy anao mihoatra ny Tompo ary hitondra anao tena fahafahana sy fiainana mandrakizay.
Aparitao raha nahasoa anao ary Tsindrio ny Suivre raha Vaovao ianao no eto.
🙏 Voninahitra sy fiadanan'ny Tompo 🙏

Address

Jean Ralaimongo
Amborovy
101

Telephone

0342654661

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lova Ilay Iraka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share