Ecar Ste Thérèse de l'enfant Jésus Amborovy Mahajanga

Ecar Ste Thérèse de l'enfant Jésus Amborovy Mahajanga Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ecar Ste Thérèse de l'enfant Jésus Amborovy Mahajanga, Catholic Church, Amborovy.

01/05/2026

J-J KERMESY LEHIBE
01-02-03 MAI 2026 MANOMBOKA @ 6 SASANY HARIVA

Tohiny vavaka hasivianandro mialoha ny KermesyALATSINAINY 27 AVRILY 2026  Andro fahaenina amin’ny vavaka hasivian’andro ...
26/04/2026

Tohiny vavaka hasivianandro mialoha ny Kermesy

ALATSINAINY 27 AVRILY 2026

Andro fahaenina amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanatanterahana izao kermesy izao : ireo tompon’ny fitaovana ampiasaina amin’ny kermesy, ireo miantoka ny filaminana sns….
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
« Tsarovinao, ry Maria Virjiny be famindram-po, fa tsy mbola ren’ny olona fa nafoinao izay nanatona ny fiarovanao sy nihanta ny fanampianao ary nangataka ny fifonanao. Matoky an’izany aho dia midodododo manketo aminao, Reny Virjiny lohan’ny Virjiny rehetra, manatona anao aho mpanota, aza malain-kihaino ny teniko, ry Renin’ny Teny, fa raiso tsara izy ary ekeo. Amen.

Mb Terezin’i Jesoa zazakely : mivavaha ho anay (in-3)
Fo Madion’i Maria : Mivavaha ho anay
Ry Fo Masin’i Jesoa : Matoky Anao izahay

TALATA 28 AVRILY 2026

Andro fahafito amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ny Tanora indrindra ny tanora eto amin’ny Paroasy izay mandray anjara mavitrika amin’ny asa rehetra amin’izao Kermesy izao.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
Sns………………………………………………………………….

ALAROBIA 29 AVRILY 2026

Andro fahavalo amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ireo rehetra miasa mangina ahafahana manatontosa izao hetsika ataon’ny Fiangonana izao.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
« Tsarovinao, ry Maria Virjiny be famindram-po, fa tsy mbola ren’ny olona fa nafoinao izay nanatona ny fiarovanao sy nihanta ny fanampianao ary nangataka ny fifonanao. Matoky an’izany aho dia midodododo manketo aminao, Reny Virjiny lohan’ny Virjiny rehetra, manatona anao aho mpanota, aza malain-kihaino ny teniko, ry Renin’ny Teny, fa raiso tsara izy ary ekeo. Amen.

Mb Terezin’i Jesoa zazakely : mivavaha ho anay (in-3)
Fo Madion’i Maria : Mivavaha ho anay
Ry Fo Masin’i Jesoa : Matoky Anao izahay

ALAKAMISY 30 AVRILY 2026

Andro fahasivy amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ireo tsara sitrapo rehetra manao manohana ny hetsika ataon’ny Fiangonana izao.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
Sns………………………………………………………………….

VAVAKA HASIVIAN’ANDRO ITALAHOANA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA HIATREHANA NY ASA REHETRA MANDRITRA NY KERMESY 2026 🙏🏼 ALAR...
21/04/2026

VAVAKA HASIVIAN’ANDRO ITALAHOANA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA HIATREHANA NY ASA REHETRA MANDRITRA NY KERMESY 2026

🙏🏼 ALAROBIA 22 AVRILY 2026
Andro voalohany amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha ary mandritra ny Kermesy ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao ireo tompon’andraikitra mikarakaraka sy manomana izao kermesy izao dia ny Pretra sy ny Biraon’ny Filankevitra Pastoralin’ny Paroasy.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
Ankinina amin’i Masina Maria Reny ny vavaka izay atao ary miaraka aminy mitalaho ny fahasoavan’Andriamanitra :
« Tsarovinao, ry Maria Virjiny be famindram-po, fa tsy mbola ren’ny olona fa nafoinao izay nanatona ny fiarovanao sy nihanta ny fanampianao ary nangataka ny fifonanao. Matoky an’izany aho dia midodododo manketo aminao, Reny Virjiny lohan’ny Virjiny rehetra, manatona anao aho mpanota, aza malain-kihaino ny teniko, ry Renin’ny Teny, fa raiso tsara izy ary ekeo. Amen.

Mb Terezin’i Jesoa zazakely : mivavaha ho anay (in-3)
Fo Madion’i Maria : Mivavaha ho anay
Ry Fo Masin’i Jesoa : Matoky Anao izahay

🙏🏼 ALAKAMISY 23 AVRILY 2026
Andro faharoa amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ireo chef kartie sy ny chef Folotafo rehetra izay manentana sy manetsiketsika any amin’ny Kartie sy ny folotafo any hanatontosana izao Kermesy izao.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
Ankinina amin’i Masina Maria Reny ny vavaka izay atao ary miaraka aminy mitalaho ny fahasoavan’Andriamanitra :
« Tsarovinao, ry Maria Virjiny be famindram-po, fa tsy mbola ren’ny olona fa nafoinao izay nanatona ny fiarovanao sy nihanta ny fanampianao ary nangataka ny fifonanao. Matoky an’izany aho dia midodododo manketo aminao, Reny Virjiny lohan’ny Virjiny rehetra, manatona anao aho mpanota, aza malain-kihaino ny teniko, ry Renin’ny Teny, fa raiso tsara izy ary ekeo. Amen.

Mb Terezin’i Jesoa zazakely : mivavaha ho anay (in-3)
Fo Madion’i Maria : Mivavaha ho anay
Ry Fo Masin’i Jesoa : Matoky Anao izahay

🙏🏼 ZOMA 24 AVRILY 2026

Andro fahatelo amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ny kristianina rehetra any amin’ny kartie sy ny folotafo any izay mifanome tanana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony amin’ny fanatontosana izao Kermesy izao.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
Sns………………………………………………………………….

🙏🏼 SABOTSY 25 AVRILY 2026

Andro fahaefatra amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ny Ankohonam-piainan’ny Relijiozy rehetra mirotsaka eto amin’ny Paroasy sy ny zana-piangonana miara-mientana koa amin’ny fanatanterahana izao kermesy izao.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
Sns………………………………………………………………….

🙏🏼 ALAHADY 26 AVRILY 2026

Andro fahadimy amin’ny vavaka hasivian’andro ivavahana sy italahoana ny fahasoavan’Andriamanitra hiatrehana ny asa rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Kermesy. Entina ambavaka manokana amin’izao vavaka izao ny Fikambanana Masina rehera mijoro eto amin’ny Paroasy mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny Fiangonana ka manolo-tanana amin’izao Kermesy izao.
Aorian’ny Komonio :
Vavaka : Rainay any an-danitra – Arahaba ry Maria – Voninahitra
Sns………………………………………………………………….

21/03/2026

MESSE CHRISMALE 2026

Mirary soa ho an'ireo Pretrantsika eto @ Diosezy 🙏🏼

20/03/2026

Miray fo, miara miasa @ fitoriana ny vaovao mahafaly🙏🏼

10/03/2026

Ny Paroasintsika 🤎

Salama e!Amin'ny finoana ny fitsanganankovelona no ilazana antsika fa i Mompera RAVELO Joseph Ephreim, dia nody mandry a...
22/04/2025

Salama e!
Amin'ny finoana ny fitsanganankovelona no ilazana antsika fa i Mompera RAVELO Joseph Ephreim, dia nody mandry androany maraina any Antananarivo. Efa curé teo Amborovy, EKAR Mb Terezin'i Jesoa Zazakely ny 2012 - 2018. Koa hisy Lamesa ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fangatahana fialantsasatra ny Fanahiny androany hariva amin'ny 8 ora ao amin'ny Paroasy Amborovy. Mirary soa ho antsika rehetra
P Hubert, Modérateur.

🎉 ALAHADY FAHA-2 @ PAKA, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA🥳Mahafaly ny FTP Amborovy manasa atsika Kristianina rehe...
05/04/2024

🎉 ALAHADY FAHA-2 @ PAKA, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA🥳

Mahafaly ny FTP Amborovy manasa atsika Kristianina rehetra mba hanotrona ny JUS CONCERT karakarainay ny alahady 7 Aprily 2024 ho avy izao , izay hatao eto antokontanin’ny Sekoly manomboka @ 3 ora tolakandro
👉🏼Tanjona amin’izany: JMJ MADA XI TOAMASINA 2026 (5 sprinters Tanoran’ny Amborovy Mpivahiny🙏🏼😅)
Hery lehibe ho anay ny fanohananareo
Hisy tsakitsaky sy zava-pisotro isan-karazany Ka Tongava e🍢🍿🧆🥗🍤🥂🧋
———————————————————————
FIDIRANA:
🎫Billet Tsotra: 2 000Ar
🎫Invitation : 5 000Ar

☘️Ry tanora, andao hiaro ny tranobe iombonana 🌳Tonga nanatanteraka ny adidiny t@ fambolen-kazo natao teto Berivotra arak...
17/02/2024

☘️Ry tanora, andao hiaro ny tranobe iombonana 🌳
Tonga nanatanteraka ny adidiny t@ fambolen-kazo natao teto Berivotra araka ny nanentanan’ny Vovonana Diosezy Katolika ny Tanora (VDKT) Mahajanga ny Tanora avy @ Paroasy Amborovy androany sabotsy 17 febroary 2024

🎊 FIANTSOANA RÉCOLLECTION HO AN' NY ANKIZY🎊Ho fiomanatsika @ PAKA Dia antsoina isika Ankizy  rehetra   eto @ Paroasy Amb...
15/02/2024

🎊 FIANTSOANA RÉCOLLECTION HO AN' NY ANKIZY🎊

Ho fiomanatsika @ PAKA Dia antsoina isika Ankizy rehetra eto @ Paroasy Amborovy Indrindra n'y mpianatra katesizy dingana faha 3 sy faha4 ary faha 5 s'y ireo ao anaty fikambanana masina mba hiatrika n'y :

𝐑𝐄𝐂𝐎𝐋𝐋𝐄𝐂𝐓𝐈𝐎𝐍 HO AN' NY ANKIZY ny 18 Février 2024 eny Oratorio ANTANIMASAJA

Toy izao n'y fandaminana

👉Ora fiangana:
6ora s'y sasany maraina eto @ Paroasy Amborovy
👉Ora fodiana :@ 3ora hariva

👉Saran-dalana.
2000Ariary n'a 10000fmg (Aller et retour)

☑️Samy mitondra sakafo sahaza azy avy n'y Ankizy.

☑️Aza adino n'y Rano,cahier,stylo..

⚠️Faran'ny fisoratana: Asabotsy,17/02/2024 any @ Mampiantra Katesizy n'a any Père Modérateur

Fanamarihana:
Isika eto Amborovy dia miaraka @ -Paroasy Tsararano
-Paroasy Antanimasaja
-Ambodimanga

Manantena ny fahatongavatsika Ankizy rehetra.

Tongava maro Rankizy!!!

26/01/2024

TANTERAHINA NY ASABOTSY 27 JANOARY @ 8 ORA MARAINA ATY AMPENGONANA NY ABSOUTE HO AN’NY TOMPOKOVAVY MARIE LOUISE 😢

Address

Amborovy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ecar Ste Thérèse de l'enfant Jésus Amborovy Mahajanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share