MANKANESa ATY AMIKO

MANKANESa ATY AMIKO Page natao hizarana teny Fampaherezana an-tsary sy an-tsoratra.

05/01/2026
01/12/2025

Eo @ fotoana izay tsy ahafahanao manao na inona na inona no miditra antsehatra Andriamanitra.
🛡️Matetika no toa mahatsiaro ho toy ny nafoy hianao ka indro fa miady irery
👉Toa hoe tsy misy mihevitra ny mahazo anao izany ireo manodidina anao
😥Eny ireo noheverinao ho tena namana ary toa tsy miraharaha anao akory, misy aza ny madositra sy tsy te halala rehefa tojo olana sy ady hianao
🙂‍↕️Eo ilanao namana indrindra no Matetika tsy hita izy ireo
💪Ka mahatsiaro fa miady irery izany.
ANEFA
🤫Tsy manary anao Ilay Tomponao
🌞Tsy handao ary tsy hahafoy anao ny Andriamanitrao
🤗Mbola tsy nisy akory hianao no indro efa nanaiky hofaty ho anao Jesosy
Eo amin'izay fotoana tsy ahafahanao manao na inona na inona intsony, de ahirato ny maso fa eo akaikinao Ilay tsy mahafoy anao.
MIADY IRERY HIANAO

Tsy ny m**o ihany no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny Vavan'Andriamanitra Mat 4:4Ny Teniny no nentin'Andri...
14/05/2024

Tsy ny m**o ihany no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny Vavan'Andriamanitra Mat 4:4

Ny Teniny no nentin'Andriamanitra namorona Izao tontolo Izao.
Niteny Izy Dia nisy izany.

Noho izany : Dinihonareo ny soratra masina satria ao aminy no ananareo fiainana mandrakizay ary ireny no manambara ahy Jao 5:39
Sambatra izay mamaky sy mihaino (...) ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny fa antomotra n'y andro APO 1:3

Efa nandinika ny fiarovan'ny reny akoho ny zanany ve hianao ?🌞 Raha mandoro ny masoandro Dia fialofana ho an'ny zanany n...
08/05/2024

Efa nandinika ny fiarovan'ny reny akoho ny zanany ve hianao ?
🌞 Raha mandoro ny masoandro Dia fialofana ho an'ny zanany ny ao ambany elatry ny reny akoho
🌧️ Raha toa ka latsaka ny orana Dia ao ambany elatry ny reniny no ialokalofan'ny akohokely tsy ho lena
❄️Raha mangatsiaka ny andro Dia angoniny reniny ao ambany elany ireo zanany mba hahazo hafanana
Ambonin'izany rehetra izany ao ambany elany no iarovan'ny reny akoho ny zanany Raha sendra misy loza mananon-tanona ireo zany (papango, hazo milatsaka, toraka,....) ny lamosin'ny reniny no iantefan'izany mba tsy ho voa ireto zanany🛡️
👉Izany koa ny tian'Andriamanitra hatao aminao. Tiany Raha toa ka manaiky hialoka eo ambany elany ianao, amizay mba eo aminy no midona ireo loza rehetra tokony hanjo anao. Saingy tsy nety hianao

❤️

Fa Jéhovah tsy miova omaly anio ary mandrakizayHo anao io teny fikasany io🥰Mirary tontolo andro sambatra ho anao
05/05/2024

Fa Jéhovah tsy miova omaly anio ary mandrakizay
Ho anao io teny fikasany io🥰

Mirary tontolo andro sambatra ho anao

Manàna Finoana hitany ireo adinao sy ireo rahatra Manjò anao!🙏ANKINO AMIN'NY TOMPO NY FIAINANA🙏
25/04/2024

Manàna Finoana hitany ireo adinao sy ireo rahatra Manjò anao!
🙏ANKINO AMIN'NY TOMPO NY FIAINANA🙏

💪Na mahery toy ny inona aza hianao💪✍️Na manam-pahaizana toy ny inona aza hianao✍️🧠Na matanja-tsaina toy inona aza hianao...
11/04/2024

💪Na mahery toy ny inona aza hianao💪
✍️Na manam-pahaizana toy ny inona aza hianao✍️
🧠Na matanja-tsaina toy inona aza hianao🧠
💵Na manan-karena toy inona aza hianao💸
👉Dia avelao JEHOVAH hitari-dalana anao amin'ny zavatra rehetra fa izy no "Mahalala ny hevitra iheverany anao..."
MATOKIA AN'I JEHOVAH @ FONAO REHETRA FA AZA MIANKINA AMIN'NY FAHALALANAO, MANEKE AZY @ ALEHANAO REHETRA FA IZY NO HANDAMINA NY LALANAO Ohab 3:5-6

Andeha hanaraka ahy fa hataoko mpanarato olona hianareo Manana asa ankinina aminao ny Tompo, Izy no hiantoka ny fahombia...
11/04/2024

Andeha hanaraka ahy fa hataoko mpanarato olona hianareo

Manana asa ankinina aminao ny Tompo, Izy no hiantoka ny fahombiazan'izany

ZAVA-DOZA NY FAHATSIAROVANTENA HO MELOKA (CULPABILITÉ)Ny fahatsiarovan-tena ho meloka Dia fihetseham-po (sentiment) voka...
18/01/2024

ZAVA-DOZA NY FAHATSIAROVANTENA HO MELOKA (CULPABILITÉ)
Ny fahatsiarovan-tena ho meloka Dia fihetseham-po (sentiment) vokatry ny zavatra natao izay tsapa fa tsy mety Na koa nenina mafy noho n'y zavatra iray tokony hatao nefa tsy tanteraka.
Mety hitondra ho amin'ny famoizam-po ny fahatsiarovan-tena ho meloka
Mety hitondra aretina sy famoizam-po tanteraka.
Mibitsika aminao Satana fa raha izay ota vitanao izay de tsy hamela anao Andriamanitra fa tiako ho tsaronao androany ity Tenin'Andriamanitra ity manao hoe : Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Rom 8:1
Ary hoy JESOSY aminao anio :
Anaka, Voavela ny helokao. izaho koa tsy manameloka anao.


Mintsinjo anao ny mason'i Jehovah
11/01/2024

Mintsinjo anao ny mason'i Jehovah

Address

Antananrivo
Ambohipo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MANKANESa ATY AMIKO posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share