FJKM Ampomanjaka Fahasoavana

FJKM Ampomanjaka Fahasoavana "Fa hoy Jesosy taminy : Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy." Matio 8 ; 22

11/07/2023

Shalom ! Isaorana ny Tompo fa vita soa ny alahady roa efa nanatanterahana ny Vokadehibe Faharoa ary mbola hitohy izany ny 16 sy 23 jolay ho avy zao koa manasa antsika rehetra hatrany hiara hivavaka sy handray anjara @ hetsika rehetra : valopy- lavanty- varotra. Hasaina manokana ianareo Zanaka Am-pielezana ho tonga ny 23 jolay fa alahady natokana ho anareo io. Faly izahay hihaona aminareo koa tongava soa. Mankasitraka e!
SOLI DEO GLORIA

Send a message to learn more

13/03/2023

"Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo o, hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. Salamo 86, 12. .
Atao ahoana no tsy hisaotra ny Tompo noho ny fahasoavany. Isaorana izy fa vita soa ny Voka-dehibe Voalohany ny 12/03/2023. Tsara, tena tsara ny Tompo !
Misaotra antsika rehetra ihany koa izay tonga niara nivavaka sy nanohana ny asan'ny Tompo t@ zavatra rehetra. Mirary soa ho anareo tsy afaka. Hotahiana ianareo, tena hotahiana be dia be!

Manantena ny fahatongavantsika @ Voka-dehibe Voalohany hatao ny 12 martsa 2023 ety Ampomanjaka Fahasoavana ooo! Taomy ny...
02/03/2023

Manantena ny fahatongavantsika @ Voka-dehibe Voalohany hatao ny 12 martsa 2023 ety Ampomanjaka Fahasoavana ooo! Taomy ny havana, ny namana, ny fianakaviana, ny efa nandray fahasoavana teto. "Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an'i Jehovah." Salamo 50, 14.
Mankasitraka ooo

Misaotra ny Tompo izahay noho ny fandaharany. Ankininay tanteraka Aminy ny momba anay!Tsara levenana ny maty.Henin-kaja,...
30/07/2022

Misaotra ny Tompo izahay noho ny fandaharany. Ankininay tanteraka Aminy ny momba anay!
Tsara levenana ny maty.
Henin-kaja, henim-boninahitra ny velona.
Misaotra ny Birao, ny FDL, Ny Sampana sy Fikambanana, ny Zanaka am-pielezana ary ny tsirairay avy ao @ Fiangonana nampahery sy nitondra am-bavaka anay. Ho aminareo ny Tompo.

28/07/2022

Ny kalon'ny foko androany !
Tompo o! Itoero ny fo maratrako.

09/03/2022

Manasa anareo zanaky ny Fiangonana sy izay rehetra nahazo fahasoavana teto @ FJKM Ampomanjaka Fahasoavana ho tonga hidera an'Andriamanitra, hiara-hiombom-bavaka sy hanatanteraka ny Voka-dehibe Voalohany ny alahady 13 martsa 2022, @ 7h sy @ 9'30 maraina. Hifarana @ Fanasan'ny Tompo avokoa ireo fanompoam-pivavahana ireo. Ary hisy varotra sy lavantim-bokatra ankoatra ny valopy adidy aterina @ io fotoana io. "Aza manadino ny fiarahantsika miangona" Heb 10, 25. Tongava soa ooo! Mankasitraka indrindra !

Misaotra ny Tompo noho ny fitantanany ka nahatrarantsika ny taona vaovao 2022. Mirary taona feno  fahombiazana sy   fita...
11/01/2022

Misaotra ny Tompo noho ny fitantanany ka nahatrarantsika ny taona vaovao 2022. Mirary taona feno fahombiazana sy fitahiana ho anareo ny Mpitandrina mianakavy. Samy hahatoky amin'ny fanompoana ihany koa ! "Hanome anao araka ny fonao anie Izy, ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra." Sal 20, 4

Shalom !Manasa anao hankalaza an'i Jesoa noho ny fahaterahany ny sabotsy 25 desambra 2021, @ 7ora sy @ 9 ora30mn ny fidi...
24/12/2021

Shalom !
Manasa anao hankalaza an'i Jesoa noho ny fahaterahany ny sabotsy 25 desambra 2021, @ 7ora sy @ 9 ora30mn ny fidirana, mifarana @ Fanasan'ny Tompo sy ny fizarana vatomamy. Aorian'ny fidirana faharoa ny fankalazana ny Krismasy ataon'ny Sekoly Alahady.
Tongava sy mifanentanà. Mankasitraka ee

"Eto anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao @ i Kristy ; fa ny zavatra rehetra, ry malala dia ho fampandrosoana anareo...
03/12/2021

"Eto anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao @ i Kristy ; fa ny zavatra rehetra, ry malala dia ho fampandrosoana anareo." II Kor 12, 19
Miarahaba anareo rehetra ry havana! Fiadanana ho anareo. Isaorana ny Tompo fa tanteraka ny Alahadin'ny Taranaka sy ny fianakaviana t@ 07 novambra 2021 teo. Isaorana isika niombom-po sy fanahy t@ izany. Ny Tompo hamaly fitia anareo. Manasa anareo indray hiara hivavaka sy hametraka @ Tompo ny Mpitandrina, ny ankohonany, ny asa fanompoany ary hanohana azy ireo ny alahady 05 desambra ho avy izao. Fifaliana sy hery lehibe ho azy ny fahatongavanareo. Misaotra indrindra !

31/07/2021

"Jehovah o, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra ? Iza moa no tahaka Anao izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, mpanao fahagagana ? Eks 15, 11
Tsy ho ampy ny teny ilazanay ny fahatsaran'ny Tompo fa izany Soratra Masina izany no indraminay hanehoanay ny fankasitrahana feno Azy.
Tontosa ny Voka-dehibe II, isaorana ny Tompo fa isaorana koa ianareo rehetra t@ zavatra nataonareo. Na ny tonga na ny tsy afaka. Tsy vita ny ezaka raha tsy teo ianareo ka dia misaotra indrindra e. "Satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao @ Tompo" 1Kor 15, 58

Ny Mpitandrina sy ny Biraon'ny Fiangonana FJKM Ampomanjaka Fahasoavana Ambohimangakely, dia manasa antsika hiara-hiombom...
02/07/2021

Ny Mpitandrina sy ny Biraon'ny Fiangonana FJKM Ampomanjaka Fahasoavana Ambohimangakely, dia manasa antsika hiara-hiombom-bavaka sy hanatanteraka ny Vokadehibe II mandritra ny volana Jolay 2021. @ 7'30 sy ny 9'30 ny fidirana. Ny Alahady 25 Jolay no faradoboka ka anasana manokana ny Zanaka Apelezana ho tonga maro. Afaka mivavaka sy manefa ny adidy eny an-toerana foana anefa @ fotoana rehetra. Koa misaotra anareo sahady sady mirary soa be dia be ho anareo. Hoy ny SM hoe:"Ary toy izany koa ianareo raha fatra-paniry ny zavapanahy dia izay hampandroso ny Fiangonana no tadiavo ndrindra" 1Kor 14, 12

Address

Ampomanjaka
Ambohimangakely
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Ampomanjaka Fahasoavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share