Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola

Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola «Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao ...»
- Isaia 60 : 1 -

19/06/2026

Mofonaina anio Zoma 19 Jona 2026
‎🌟 Hosea 13, 4 - 8 🌟

‎📖 « Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.» — Hosea 13, 4

‎Ny Andriamanitra Izay ivavahantsika dia Andriamanitra Telo izay Iray, Velona mandrakizay. Izy no Tompon'ny tantara sy ny Fahefana mifehy izao tontolo izao.
‎Izy Ilay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay ; Izy irery ihany no mandamina sy mitantana ny fiainantsika ; Izy no Mpamonjy sy Mpanafaka antsika, tsy misy hafa afaka manavotra antsika ankoatra Azy.

‎Tsy miova ny fahefany, tsy mihena, ary maharitra hatramin’ny lasa ka hatramin’ny ho avy.

‎Miantso anao ary Ilay Loharanon’ny fahafahanao, ry namako :
‎😇 Avelao Izy hitondra sy hitantana ny fiainanao.
‎😇 Aza adino fa avy Aminy irery ihany ny fiarovana sy ny famonjena anao.
‎😇 Aza miantehitra amin’ny herinao manokana, fa manantenà sy miantehera amin’Andriamanitra foana.
‎😇 Ekeo ny Fahefan'Andriamanitra dia ho afaka ny tahotra ao anatinao.
‎😇 Andrandrao amin'Ilay Mpamonjy Tokana ny masonao, fa aza variana amin’ny olana manodidina anao.

‎❓️ Ny fanontaniana ho anao sy ho ahy ary dia izao: « Iza no itokisanao kokoa eo amin’ny fiainanao: ny tenanao sa ny namanao sa i Jesoa Kristy Mpamonjy anao ?»

‎Manokàna fotoana andinihanao izay tian'i Kristy holazaina aminao momba izany 🤍

‎🙏 Hiombona amin'ny vavaka isika:
‎« Jesoa Tompo ô, misaotra Anao izahay noho ny famonjenao sy ny fitiavanao tsy manam-petra. Ny Herinao irery ihany no hianteheranay, fa tsy ny herinay na ny an'ny namanay. Matoky tanteraka ny Fahefanao izahay fa hitondra fiadanana ho anay. Misaotra Tompo ô. Amin’ny Anaranao Kristy. Amen.»

‎❤️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🙏

18/06/2026

🤍 Mofonaina anio Alakamisy 18 Jona 2026 🤍
📖 Romana 13, 1 - 7 📖

‎ « Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.» — Romana 13, 1 - 2

Mampianatra antsika ny Tenin’Andriamanitra fa ny fahefana dia avelan’Andriamanitra hisy ho amin’ny filaminana sy ny firindràna.
Mora amin’ny olona nefa ankehitriny ny manohitra sy tsy mankatoa izay apetraka eo amboniny, vokatry ny korontana sy ny tsy fifankahazoana izay manjaka.

Miantso antsika mpino ny Tompo Jesoa mba hanana fo manetry tena sy mahay manaja izay lehibentsika. Tsy noho ny tahotra fotsiny no anekentsika fahefana, fa satria mino isika fa tsy nisy izany raha tsy avy tamin'Andriamanitra Izay Tompon’ny filaminana sy ny fandaminana.

Jesoa Kristy aza dia nanome ohatra ho antsika tamin’ny fanetren-tena sy ny fankatoavana. Na dia nanana ny fahefana rehetra aza Izy, dia nanaiky ny sitrapon’ny Ray hatramin’ny farany.

✨️ Koa mahaiza manaja sy manaiky amim-pahendrena, ry namako, fa fanehoanao ny fanananao an’i Kristy ao am-ponao izany.
✨️ Manetre tena sy manajà ny lehibe, na Raiamandreny izany na dia ho entin’Andriamanitra amin’ny fitahiana sy ny fiadanana ianao.

❓️ Ny fanontaniana ho antsika ary dia izao :
« Manaiky ve ianao fa tsy misy fahefana raha tsy avy amin’Andriamanitra, ka mitarika anao hanaja izay lehibe izany? »

Makà fotoana handinihanao izay tian’i Jesoa Kristy hovaina ao am-ponao manomboka anio mba hahatonga anao ho olona manetry tena sy mitondra fiadanana.

🙏 Hiombom-po amin’ny vavaka isika :
« Ry Andriamanitra Rainay ô, misaotra Anao izahay noho ny Teninao mampianatra anay hanaja sy hanaiky ny fahefana napetrakao. Hiezaka izahay hanahaka an’i Jesoa Kristy amin’ny fanetren-tena sy ny fankatoavana. Ny Fanahinao Masina no hiankinanay hahatanterahanay izany. Atolotray Anao ny fiainanay mba hifanaraka amin’ny sitraponao isan’andro. Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy no anaovanay izany vavaka izany. Amen. »

‎🕊 AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! ✨🙏

17/06/2026

Mofonaina anio Alarobia 17 Jona 2026
🌸 Marka 2, 1 – 12 🌸

« Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; ... » — Marka 2, 11 - 12a

Tantaran’ilay lehilahy nalemy tany Kapernaomy, izay nentin’ny namany efatra nampidinina avy teny amin’ny tafo satria feno vahoaka nanodidina an’i Jesoa Kristy.

Tena tsapan'i Jesoa Kristy ny haben'ny finoana tao anatin’ity lehilahy ity, ka nahatonga Azy namela ny helony sy nanasitrana azy: nanaiky nentin'ny namany teo anatrehan'i Kristy izy; ary rehefa nahazo baiko avy tamin'ny Tompo dia tsy nisy fisalasalana na dia kely aza fa tonga dia nanatanteraka avy hatrany.

Fa ambonin'izany: Velona sy Mahery ny Tenin’Andriamanitra! Tsy nikasika ilay lehilahy nararin'ny paralysisa i Jesoa, fa nanonona Teny feno Fahefana tsotra, dia niova ny fiainan'ilay lehilahy manontolo:
● lasa natanjaka daholo ny rantsambatany efa maty nandritra ny taona maro;
● nofoanan'i Kristy tao anatin’ny indray mipi-maso ny lasany feno fahoriana, ny fahalemena, ny fiankinan-doha tamin’ny hafa, ary ny ota izay nampijaly azy. Ka tsy ny olana intsony no nifehy sy nitondra ny fiainany nanomboka teo, fa izy tenany miaraka amin’ny fandresen'i Kristy.
● nasain'i Jesoa Kristy nody tany an-tranony izy, mba hijoro vavolombelona amin’ny ankohonany izay nahita ny fahalemeny an-taonany maro teo.

Ho antsika mpanaradia an'i Kristy ankehitriny ary:
💫 Hamafiso ny finoanao an'i Jesoa Kristy, fa manohina Azy izany, ka mahatonga Azy hanao zava-mahagaga eo amin’ny fiainanao.
💫 Henoy sy ankatoavy ny Teniny dia hahazo hery hijoroana ianao, hanala ny tahotra sy ny fahazaran-dratsy namatotra anao hatramin'izay.
💫 Sahia mijoro vavolombelona momba ny asa nataon'Andriamanitra tamin'ny fiainanao, ary atombohy amin’ny taranakao sy izay ao an-tokantranonao rehetra izany.

❓Ny fanontaniana ho ahy sy ianao ary dia izao: « Hatraiza ny finoanao raha oharina amin'ny finoan'ity lehilahy nalemy ity ? »

Makà fotoana handinihanao izany tian'i Jesoa Kristy hohamafisinao manomboka anio.

🙏🏼 Hiaraka hivavaka isika: « Ry Jesoa Kristy Tompoko sy Mpamonjy ahy ô, Ianao no Tompon'ny Teny farany fa tsy ny olana iainako ankehitriny, na ara-panahy izany, na ara-tsaina, na ara-pivelomana. Miandrandra Anao aho, Tompo ô, mba hositraninao ny fahalemeko rehetra. Mino sy matoky Anao aho, ary vonona hijoro Vavolombelon'ny Hatsaranao sy ny Fahefanao. Misaotra betsaka Jesoa ô. Amin’ny Anaranao Kristy. Amen.»

🕊 AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! ✨🙏

16/06/2026

🌼 Mofonaina anio Talata 16 jona 2026 🌼
📖 Isaia 10, 26 - 34

« Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry.» — Isaia 10, 33

Tsy tian’Andriamanitra ny fireharehana sy ny fiavonavonana satria Izy no manandratra sy mampietry, araka ny sitrapony. Mampahatsiahy antsika Izy anio fa tokony hanetry tena sy hiantehitra Aminy foana isika.

Izy no Tompon'ny Hery sy Fahefana fara-tampony, ka ahetriny ireo olona na fanjakana mirehareha sy manambòny tena, na koa milaza fa tsy mila an’Andriamanitra.

Mananatra antsika ary ny Tompo Jesoa anio, ry havana :
💎 Ialao ny fiavonavonana sy ny fireharehana, na toy inona na toy inona toerana misy anao, na hery na diplaoma anananao, na harena anananao.
💎 Aza mihevi-tena ho mahavita tena irery ka manadino an’Andriamanitra.
💎 Tsarovy foana fa ny tena hatsarana eo anatrehan’ny Tompo dia ny fanetren-tena sy ny fo manaiky Azy. Koa aoka isika hifampahery mba hitandrina ny fontsika ka hanetry tena sy hifankatia ary hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra ataontsika.

❔ Ny fanontaniana ho ahy sy ho anao dia izao
« Misy fireharehana na fiavonavonana na fahatokisan-tena tafahoatra ve ao am-ponao ka manalavitra anao amin’Andriamanitra?»

Makà fotoana hihainoanao izay tian'i Jesoa Kristy hiovànao anio.

🙏 Hiombom-bavaka isika :
« Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô, misaotra Anao izahay noho ny Teninao izay mampianatra sy manitsy anay. Hihaino ny Fanahinao Masina izahay mba hanananay fo manetry tena sy tsy mirehareha amin’ny herinay na ny fanananay. Mivavaka Aminao mandrakariva izahay mba ho lavitra anay ny fiavonavonana, fa kosa hiantehitra Aminao hatrany amin'izay ataonay rehetra. Tariho amin’ny lalanao izahay, Jesoa Tompo ô. Ary ny fiainanay anie mba hanome Voninahitra Anao irery ihany. Amin’ny Anaranao Jesoa Kristy no angatahanay izany. Amen.» ✨🙏🏾

AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA AMEN🙏🏽

15/06/2026

💫 Mofonaina anio Alatsinainy 15 Jona 2026 💫
📖 Salamo 104, 24 - 32

« Maniraka ny Fanahinao Ianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Ianao.» — Salamo 104, 30

Tsy nijanona teo amin'ny fahariana ny Asan'ny Tompo Andriamanitra, fa mitantana sy mandrindra ireo voary rehetra ihany koa. Izy no mbola mitazona sy manome aina ny zava-boahariny isan’andro.
Niasa, miasa, ary mbola hiasa amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina ny Tompontsika. Rehefa mandray anjara Izy dia misy fiainana, misy hery, ary misy zava-baovao miseho.

Mampahery antsika ary ny Tompo Andriamanitra anio fa rehefa reraka isika, na very fanantenana noho ny zava-misy, dia aoka hiantoraka Aminy, fa Izy Tompon'ny Fahefana no manavao fo, saina, hery ary fanantenana.

👉 Koa meteza havaozin'i Kristy, ry namako.
👉 Mahereza fa tsy voafetra amin’ny lasa na ny fahalemena misy antsika Izy, fa hanao zava-mahagaga aminao.
👉 Avelao hiasa mahery ao anatinao ny Fanahiny Masina, ka hitarika anao hanomboka fiainana vaovao feno fanantenana sy fiadanana.

❔Ny fanontaniana ho antsika ary dia izao:
« Mino ve ianao fa ny Andriamanitsika dia mbola afaka manavao ny fiainanao ankehitriny? »

Makà fotoana hihainoanao izay tian'ny Tompo Jesoa hampaherezana anao anio.

🕊️ HIARAKA HIVAVAKA ISIKA:
« Ry Jesoa Kristy Tompon'ny Hery sy Fahefana rehetra ô, misaotra fa mbola afaka mahazo antoka aho fa mbola miasa eo amin’ny fiainako Ianao, manavao ny momba ahy rehetra. Ny Fanahinao Masina no angatahiko hitarika ahy isan’andro, mba hiainako amin’ny fahamarinana sy fiadanana. Amin'ny Anaranao Mahery, Jesoa Kristy, no anandratako izany vavaka izany. Amen. »🙏🏽

🕊️ AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🕊

14/06/2026

Tafika Masina Ambohidralambo🫶🏾 Arise and Thrive
🤍

14/06/2026

✨ Mofonaina anio Alahady 14 Jona 2026 ✨
⭐ Matio 28, 18 - 20 ⭐

📖 « Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, ...» — Matio 28, 19

Mialoha ny niakarany tany an-danitra dia nanome iraka lehibe ny mpianany i Jesoa Kristy, mba hitory ny Filazantsara amin'ny olona rehetra, ka hahatonga azy ireny ho mpanaradia an'i Kristy ihany koa.

Tsy natao hotehirizina ho antsika irery ny finoana sy ny Tenin’Andriamanitra, fa tokony hozaraina amin’ny olona rehetra. Tokony hanampy ny olona hahafantatra an'i Jesoa Kristy isika, hino Azy ary hiaina araka ny sitrapony.

Manana andraikitra ny Kristiana tsirairay hitondra ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny manodidina azy, amin’ny teny sy amin’ny fiainany andavanandro.

Koa manomboka anio ary, ry namako :
🤍 Sahia mizara ny finoanao an'i Jesoa Kristy, mba hahatonga ny mpiara-belona aminao ho mpandova ny fiainana mandrakizay koa.
🤍 Meteza hijoro vavolombelon'ny Fitiavan'i Kristy, ka hampitombo ny finoana sy fanantenana ao anatin’ny manodidina anao.

❓Ny fanontaniana ho ahy sy ho anao ary dia izao : « Efa nitory an'i Jesoa Kristy tamin'ny olona akaiky anao indrindra ve ianao ? Na Zandry, na Zoky, na Dada, na Neny, na ny olon-tinao...? »

Makà fotoana handinihanao izay tian'i Jesoa Kristy anirahana anao.

💫 Andeha hivavaka isika:
« Jesoa Tompo ô, misaotra fa tsy avelanao hipetraka fotsiny izahay, fa omenao andraikitra manoloana ireo malagasy marobe mila famonjena. Eny, tsy ny malagasy ihany fa na olona hafa firenena koa aza dia tianao hovonjena daholo, ka anirahanao anay. Kristy ô, mangataka Aminao izahay mba homenao hery hahafahanay mitory ny Filazantsaranao amin'ny fahasahiana. Manomboka amin'ireo olona akaiky anay izany. Amin'ny Anaranao sJesoa Kristy. Amen.»

AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🙏🤍

13/06/2026

🌸 Mofonaina anio Sabotsy 13 jona 2026 🌸
📖 Salamo 72, 18 – 19

« Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana; Ary isaorana mandrakizay anie ny Anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena. »
— Salamo 72, 18 - 19

BE FITIAVANA NY ANDRIAMANITSIKA KA MENDRIKA NY HODERAINA SY HISAORANA.

Na ny soa na izay heverintsika ho ratsy no mitranga eo amin’ny fiainantsika dia avy Aminy avokoa. Ka ny tokony hataontsika dia ny mankalaza, manaja, midera sy misaotra AZY.

Na dia mandalo olana be aza ianao dia tsarovy fa tia Anao IZY, "ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra." — Romana 8, 28

💎 Raha mahazo fahombiazana ianao : miderà sy misaora an'Andriamanitra,
💎 Raha mandray valim-bavaka ianao : miderà sy misaora an'Andriamanitra,
💎 Raha misedra olana ianao : miderà sy misaora an'Andriamanitra,
💎 Raha mandalo fitsapana ianao : miderà sy misaora an'Andriamanitra,
Fa voalaza hoe :
"Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa ho anareo." — I Tesaloniana 5, 18

Ry namako, ataovy feno fiderana sy fisaorana an' Andriamanitra ny fiainanao manontolo ❤️🙏🏽

⁉️Ny fanontaniana mipetraka amintsika ary dia izao : « Feno fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra ve ny fiainanao na toy inona na toy inona mitranga eo amin’ny fiainanao ? »

Manokàna fotoana hisaintsainanao izay tian'i Jesoa Kristy Tompontsika hamafisina aminao momba izany.

‎🙏 Hiombona amin’ny vavaka isika:
« Jesoa Tompo tia anay ô, misaotra noho ireo zavatra rehetra avelanao mitranga eo amin’ny fiainanay, na tsiky na tomany satria avy Aminao izany rehetra izany. Hidera sy hisaotra Anao foana izahay eo amin’ny fiainanay satria hainay fa ataonao miavaka ny manompo sy ny tsy manompo Anao. Misaotra Tompo ô. Amin'ny Anaran’i Jesoa Kristy. Amen.» ❤️

🕊️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN ! ✨

12/06/2026

✨ Mofonaina anio Zoma 12 Jona 2026 ✨
🤍 Isaia 42, 1 - 9 🤍

📖 « Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa.» — Isaia 42, 6

Ny Tompo Andriamanitra no miantso sy mitarika ary miaro ny olona miaraka Aminy. Tsy avelany ho irery isika eo amin’ny fiainana, fa Izy no mitana ny tanantsika sy manampy antsika handeha amin’ny lalana marina. Tiany koa ny hampiasa antsika ho fitahiana sy ho fahazavana ho an’ny hafa.

Irahin'i Jesoa Kristy isika mpanaradia Azy mba hampahafantatra Azy sy hizara ny Fitiavany amin'ny olona rehetra, tsy anavahana firenena na ifidianana fiaviana.

Miantso anao ary ny Tompo Jesoa anio, ry namako :
💖 asehoy amin'ny fiainanao andavanandro i Jesoa fitiavana ao anatinao,
🤍 torio avy amin'ny ataonao rehetra i Kristy feno hatsaram-panahy ao anatinao,
💕 zarao amin’ny olona manodidina anao ny fanantenana vokatry ny finoanao an'i Jesoa Kristy Mpamonjy anao.

Izay efa manana an'i Kristy Ilay mazava dia aoka hizara izany fahazavana izany amin'ny olona rehetra.

❓Ny fanontaniana ho ahy sy ho anao ary :
« Mampiseho ny Fahazavan’Andriamanitra sy ny Fitiavany ve ianao amin’ny fiainanao sy ny fifandraisanao amin’ny hafa ? »

Makà fotoana hihainoanao tian'i Jesoa Tompo hataonao mikasika izany.

🙏 Hiaraka hivavaka isika :
« Ry Jesoa Kristy Tompoko sy Mpamonjy ahy ô, misaotra Anao aho fa miantso sy mitarika ahy Ianao. Vonona aho, Jesoa malala ô, hitondra ny fahazavanao amin’ny olona manodidina ahy, hizara ny Fitiavanao, ary haneho ny hatsaram-panahinao amin’ny teniko sy ny ataoko rehetra. Amin'ny Anaranao Kristy. Amen.»

🕊 AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN 🕊✨

11/06/2026

🌼 Mofonaina anio Alakamisy 11 jona 2026 🌼
🌸 Hebreo 3, 1 - 6 🌸

« Fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, ... » — Hebreo 3, 6a

Amin'ny fotoana iovantsika fo, ka andraisantsika marina an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy antsika, dia Izy no manapaka ny fiainantsika.
Ny tena mpino Kristiana marina tokoa dia mampanjaka an'i Jesoa Kristy ao am-pony.

Tempolin' Andriamanitra isika mpino, ka ny Fanahiny Masina ao anatintsika no manova antsika ho lasa fonenany. Mihavao ny fiainantsika manomboka eo, ka lasa mandeha ho azy ho antsika ny fampiharana ny Soratra Masina sy ny fanarahana ny Sitrapon'Andriamanitra.

Tokana no andrasan'ny Tompo aminao, ry namako: MINOA AN'I JESOA KRISTY, KA AVELAO IZY HANJAKA SY HANAPAKA AO AM-PONAO.
Anjarany ny sisa rehetra rehefa vitanao io dingana tokana io.

❓ NY FANONTANIANA MIANTEFA AMINTSIKA TSIRAIRAY AVY ARY DIA IZAO :
« Tena mpino Kristiana marina ve ianao, ka sahy miteny toa an'i Paoly Apostoly hoe "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko" ? »

Makà fotoana handinihanao izay tian'i Kristy Jesoa hanapahanao hevitra anio.

🙏 HIVAVAKA ISIKA:
« Jesoa Tompo ô, tsy fiovana amin'ny hita maso fotsiny no tadiavinao amiko, fa tena finoana Anao mihatra mivantana amin'ny foko sy ny fiainako mihitsy, ka hahatonga ahy ho lasa tranonao, tempolinao. Mino Anao aho, Jesoa Kristy Tompoko sy Mpamonjy ahy ô. Ekeko hotapahinao ny fiainako, ka izay sitrakao no sitrako manomboka izao. Misaotra Mpamonjy ô. Amin’ny Anaranao Kristy no anaovako izany vavaka izany. Amen! »

AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! 🙏🕊️

Address

Ampahimanga
Ambohimanambola
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share