Fiangonana CEIM Ambohimanambola

Fiangonana CEIM Ambohimanambola Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fiangonana CEIM Ambohimanambola, Evangelical church, Ambohimanambola.

Ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola dia miarahaba anao nahatratra ny krismasy 2025!Homba sy hanome Fiadanana anao anie ny...
25/12/2025

Ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola dia miarahaba anao nahatratra ny krismasy 2025!

Homba sy hanome Fiadanana anao anie ny Tompo!

24/12/2025

đź“–Hafatra ho anao!

Indro ary ny fandaharam-potoana momba ny anabavy Zohasina Mikalofifaliana Ny Alarobia amin'ny 11ora atoandro no hiala ao...
15/09/2025

Indro ary ny fandaharam-potoana momba ny anabavy Zohasina Mikalofifaliana

Ny Alarobia amin'ny 11ora atoandro no hiala ao an-tokantranony ao Tanjonandriana Ambohimanambola ny nofo mangatsiakany ary entina ao amin'ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola aorian'izay, mialohan'ny hametrahana azy eny amin'ny fasandrazany eny Ambohitrarahaba 🙏

Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina. — Salamo 116 : 15Amin'alahelo lehibe no ilazanay aminare...
14/09/2025

Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina. — Salamo 116 : 15

Amin'alahelo lehibe no ilazanay aminareo fa nody any amin'ny Tompo androany maraina ny anabavy Zohasina, mpino sady mpiandraikitra eto anivon'ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola

Mampahery ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola, ny fianakaviany manontolo ary ny Fiangonana CEIM manerana ny nosy 🙏

Misaotra ny fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy namangy ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola androany 🙏Niara-nanompo an'...
04/05/2025

Misaotra ny fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy namangy ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola androany 🙏

Niara-nanompo an'Andriamanitra, fa ihany koa nanolotra mari-pankasitrahana (certificat) ho an'ny mpampianatra sy ny mpianatra eo anivon'ny tetik'asa Sambatra ny Mahavaky Teny (SMT)

Ny Tale lefitry ny Mampiely Baiboly Malagasy, Aina RASAMINANA niaraka tamin'ny ankohonany no tonga nanatanteraka izany sady nitondra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny Fiangonana!

Nahafinaritra ny fotoana rehetra!

Fotoan-dehibe ho an'ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola omaly 25 Desambra, satria dia nanam-pinoana, sahy nitondra ny zan...
26/12/2024

Fotoan-dehibe ho an'ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola omaly 25 Desambra, satria dia nanam-pinoana, sahy nitondra ny zanany atolotra ho an'Andriamanitra ireto ray aman-dreny ireto! Hitahiry ny ray aman-dreny sy ny zaza anie ny Tompo!

"Ary anarany atao hoe...Andrianan'ny Fiadanana" Isaia 9.5 🥰Tontosa anio Alahady 22 Desambra maraina ny fankalazana ny Kr...
22/12/2024

"Ary anarany atao hoe...Andrianan'ny Fiadanana" Isaia 9.5 🥰
Tontosa anio Alahady 22 Desambra maraina ny fankalazana ny Krismasy teto amin'ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola

Dihy, hira, lalao, fifaliana, toriteny no nandravaka ny fotoana 🤗

Mirary Krismasy feno fiadanana ho anao ny Fiangonana CEIM Ambohimanambola 🙏

➕Isika be finoana ve no tena tadiavin'ny Tompo?➕👂Fandre antsika matetika ny hoe "Avelao hiakatra ny finoana" "Ampitomboy...
05/10/2024

➕Isika be finoana ve no tena tadiavin'ny Tompo?➕
đź‘‚Fandre antsika matetika ny hoe "Avelao hiakatra ny finoana" "Ampitomboy ny finoana" "MananĂ  finoana be sy matanjaka" sns.
🤷Tsy ratsy akory izany, fa tena izany ve anefa no andrasan'ny Tompo amintsika?
👂Henoy anie izay lazain'ny Soratra Masina e : Matio 17:20 MRV"Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana toy ny voantsinapy iray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ dia hifindra izy; ary tsy hisy zavatra tsy ho hainareo hatao."
👉Finoana tahaka ahoana hono? : finoana toy ny voatsinampy!
❓Moa ve tamin'ireo "mpanompon'Andriamanitra" eran-tany nilaza fa be finoana sy mamporisika antsika mba ho be finoana ireo efa nisy nahafindra tendrombohitra? Raha ny fahafantarako tsy mbola nisy : tsy mbola nahatratra ilay finoana toy ny voatsinampy izany izy.
âś…Fehiny :
👉Tsy isika be finoana no tadiavin'Andriamanitra fa isika mino sy mankatoa tsy misy adihevitra izay zavatra rehetra lazainy
👉Aoka isika hangataka finoana, tsy hoe hahavita fahagagana be, fa ny hahavitantsika mankatoa Azy.
👉Maro be ireo manana finoana mahavita fahagagana goavana, fa indrisy fa tsy manana finoana entiny mankatoa ny Tenin'Andriamanitra izy ireny (Mat 7.22-23)
Shalom 🤗

Address

Ambohimanambola

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana CEIM Ambohimanambola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share