28/01/2023
Fantaro fa : FISAORANA
Hisaotra an' i Jehovah lalandava aho.
Ho eto am-bavaka mandrakariva ny fiderana azy. Jehovah no reharehan' ny fiainako; hahare izany ireo mpandefitra ka ho faly. Miara mankalaza an' i Jehovah miaraka amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. Mitady an' i Jehovah aho dia mamaly ahy izy ka manafaka ahy amin' ny tahotro rehetra. Mijery azy ireo ka miramirana sady tsy mangaihay ny tavany. Ity olo-mahantra ity niantso dia nihaino i Jehovah ka namonjy azy tamin' ny fahoriany rehetra. Ny anjelin' i Jehovah mitoky manodidina izay matahotra azy ka namonjy azy. Andramo ka ozahao fa tsara Jehovah. Sambatra izao olona mialoka aminy. Matahora an' i Jehovah hianareo olony masina fa tsy hanan-javamahory izay rehetra matahotra azy. Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana; fa izay mitady an' i Jehovah kosa dia tsy orin-javatsoa akory. Avia anaka, mihainoa ahy. Ny fahatahorana an' i Jehovah no hampianariko anareo. Na iza na iza hianao no maniry ny fiainana ka toa andro maro hahitana ny soa. Dia arovy ny lelanao amin' ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. Halaviro ny ratsy, ka manaova soa; mitadoava fihavamana ka araho izany. Ny mason' i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainana. Ny tavan' i Jehovah tezitra amin' ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin' ny tany amin' ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy hoeo amin' ny tany ny fahatsiarovana azy. Hitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin' ny fahoriana rehetra. Akaikin' izay manana fo mangoraka Jehovah ry mamonjy izay torotoro fanahy. Maro ny fahorian' ny marina, nefa Jehovah manafaka azy amin' izany rehetra izany, miaro ny taolany rehetra; tsy hisy ho tapaka na dia iray aza. Mahafaly ny ratsy fanahy ny fahoriana, ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. Fa Jehovah manavotra ny fanahin' ny mpanompony, ka tsy mba hisy hoheloina izay rehetra mialoka aminy.