22/11/2022
Talata 22 Novambra 2022
Fankalazana manokana an'ny Mb Cécile, Olomasina mpiaro ireo mpiangaly mozika: Mpihira, antokom-pihira sy ireo Mpitendry isan-tsokajiny. 🎉🎶🎼
Ny Alahady 11 Desambra 2022 no hankalazanay Chorale Ritsoky Ny Fanahy izao andro lehibe izao manokana ao @ Ekar St André Ambohidratrimo.
⭕ Iza moa I Mb Cécile? Moa mba mahafantatra ny tantarany ve ianao? Indro ary misy tantara fohifohy zarainay aminao ka manasa anao hamaky h@ franay.
✔️ i Mb Cécile dia tovovavy tsara tarehy, zanaka andriana avy any Rôma ,teraka tany ho any amin'ny taon-jato faharoa ,nisafidy ny ho virjiny mandrakizay izy ,nefa noteren'ireo Ray aman-dReniny hanambady, ka dia nanambady an'i Velerius💓
✔️ Na dia nanambady aza i Mb Cécile dia nitazona ny maha virjiny azy.Raha nisy mpitsara nanontany azy indray andro hoe : iza no anaranao?
Dia namaly izy hoe Cécile tompoko no anarako, fa afaka antsoina kla aho hoe Kristianina 🙏 Ary izany no anarana tsara indrindra iantsoana ahy.
✔️ 🎹Na dia nazera in-telo tamin'ny famaky aza ny tendany dia tsy nisaraka tamin'ny vatany ny lohany, telo andro taorian'izany izy no maty.
Miaraha mivavaka aminy ary isika ,mba ho homen'i Jesoa talenta mitovy amin'i Mb Cécile, ho tia vavaka ary tsy hitsahatra hidera an'Andriamanitra.
⭕ Inona no nahatonga azy ho Olomasina mpiaro ireo mpiangaly mozika?
Mb Cécile dia tia zava-maneno, nilalao harp sy orgue izy. Rehefa novonoina izy dia maty ary nisy feon-java-maneno sy anjely nanenika ny tanàna. Zay no naha mpiaro ny chorale sy mpitendry azy.
Mankasitraka antsika rehetra naharitra namaky ary mino izahay fa nitondra ary nampitombo fahalalana ho anao izay manaraka anay izany.
Manasa anao ary hizara ho fampahafantarana ny hafa.
Mirary soa antsika mpiangaly mozika rehetra ary hazoto hatrany @ asa fitoriana lehibe an-kira izay ataontsika.
RItsoky Ny FAnahy - RIFA