FJKM Antanety Atsinanana Finoana

FJKM Antanety Atsinanana Finoana Pejy natao ilazana vaovao, zava-misy sy izay rehetra mahakasika ny FJKM Antanety Atsinanana Finoana

26/12/2025

Finaritra e,

Araka ny tetiandro zay efa fantantsika rehetra mpianankavin'ny finoana fa famaranana ny Jobily fisotron-drononon'ny Mpitandrina ANDRIAMANIRIARISON Andriambolanirina โ›ช๏ธ ny alahady 28 Dรฉcembre 2025 ho avy izao.

Ny Komity dia faly manasa antsika rehetra : reny fiangonana, zanaka am-pielezana ho tonga hanatrika ny fanompoam-pivavahana izay hanomboka amin'ny 09 ora sy sasany. Aorian'izay dia hisy fiaraha-misakafo ao amin'ny Akany Finoana.

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra !!

03/11/2025

Fiadanana e,

Ampifaliana tompoko no hanehoan'ny Komitin'ny Jobilin'ny fisotroandronon'ny Mpitandrina ANDRIAMANIRIARISON Andriambolanirina ny fisaorana mitafotafo noho ny fanohananareo ny Vary Be Menaka Nohatsaraina izay nokarakaraina ny Alahady 26 Oktobra 2025 lasa teo. Tratra ny tanjona. Ny asa fanorenana dia efa manomboka rahateo. Onera be ny lany tompoko. Mbola manentana hatrany anefa izahay amin'ny fanohanana ny asa miandry rehetra.

Tsara ho fantatra fa ny Alakamisy 18 Decembre 2025 no hanolorana ny fanalahidy hatrehin'ny Synodam-paritany ary ny alahady 28 Dรฉcembre 2025 kosa no fanaovam-beloma ny Mpitandrina sy fiaraha-misakafo amin'ny fiangonana.

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany !

Fiadanana e,Araka ny efa fantantsika rehetra dia ao anatin'ny fikarakarana tanteraka ny fisotroan-drononon'ny Mpitandrin...
09/10/2025

Fiadanana e,

Araka ny efa fantantsika rehetra dia ao anatin'ny fikarakarana tanteraka ny fisotroan-drononon'ny Mpitandrina ANDRIAMANIRIARISON Andriambolanirina isika izao. Efa manomboka ny asa fananganana ๐Ÿ  saingy mbola tsy ampy ny enti-manana ho amin'izany.

Eto dia maneho fisaorana antsika rehetra tamin'ny fandraisana anjara : tonona sy rakitra faha-3 isaky ny alahady, ny tolotra, ny sakafom-piraisana izay natao teny amin'ny FOFIKRI Ilafy, sns. Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly ny soa vitanareo tsirairay avy.

Tsara ho marihina fa 50 000 000 Ariary ny vola ilaina ho famitana ny asa. Hatreto dia 30 000 000 Ariary no voahangona. Nanapa-kevitra ny Komity fa hikarakara Vary be menaka nohatsaraina izay atao ny Alahady 26 Oktobra 2025 aorian'ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny Akanin'ny fiangonana ihany. Koa manasa antsika rehetra na ny reny fiangonana na ny zanaka am-pielezana mba handray anjara amin'izany satria dia natao amin'ny vidiny mirary (10000 ariary) ny fanasana.

Izay manam-paniriana handray tapakila dia afaka mandefa hafatra miafina amin'ny pejy na hiantso avy hatrany ny Komity mpikarakara dia anaterana fanasana.

Manantena antsika rehetra hanohana amin'ny fanatanterahana ny asa tompoko. ๐Ÿ™๐Ÿ™๐Ÿ™

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra

04/08/2025

Finaritra e !

Tontosa soamantsara ny fetin'ny taranaka FJKM Antanety Atsinanana Finoana omaly 03 aogositra 2025. Misaotra sy mankasitraka antsika rehetra nifandrimbona tamin'ny fanatontosana izany.

Ny asa lehibe miandry antsika izao dia ny fisotroan-drononon'ny Mpitandrina ANDRIAMANIRIARISON Andriambolanirina. Efa hanomboka tsy ho ela ny ny fananganana.

Tahian'ny Tompo daholo e !

Send a message to learn more

01/08/2025

Finaritra e, aza adino fa amin'ny Alahady 03 Aogositra ho avy izao ny fetin'ny taranaka FJKM Antanety Atsinanana โ›ช๏ธโ›ช๏ธ. Ny fotoana dia hanomboka amin'ny 9 ora 30 ary misy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Hiaraka hanao ny vokatry ny taranaka isika ary ny rakitry ny taranaka eny amin'ny alitara.

Ho fiaraha-mientana amin'ny fananganana ny tsangambato ho fisotroan-drononon'i Pasitera ๐Ÿ˜ kosa dia hisy fizarana valopy ho an'ny rehetra sy fanaovana raki-pitahiana ho an'ireo zay nandray fahasoavana tamin'i Pasteur Andriamaniriarison Andriambolanirina rehetra toy ny batisa, mpandray fanasan'ny Tompo, mariazy, fanokanana diakona, ary indrindra ho an'ilay sampana natsangan'i Pasitera (SAMPATI)...

Io andro io koa no hanaterana ilay tavoahangy boatin-drakitra ho fananganana ilay tsangambato ho fisotroan-drononon'i Pasitera fa hanomboka ny asa rehetra.

Aza adino ny manoratra ny anaran'ny ankizy afa-panadinana ho raisin-tanana.

Mankasitraka tompoko amin'ny fandaminana rehetra๐Ÿ™๐Ÿ™๐Ÿ™๐Ÿ™๐Ÿ™. Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany๐Ÿ˜

Send a message to learn more

Hery lehibe ho anay ny fanotronanareo sy fitondrana am-bavaka. Mankasitraka an'ise๐Ÿฅฐ
17/06/2025

Hery lehibe ho anay ny fanotronanareo sy fitondrana am-bavaka. Mankasitraka an'ise๐Ÿฅฐ

๏ธ๐™๐˜ผ๐™‰๐™Š๐™†๐˜ผ๐™‰๐˜ผ๐™‰๐˜ผ ๐™๐™„๐™‘๐™Š๐™‰๐˜ฟ๐™๐™Š๐™‰๐˜ผ๐™‰๐˜ผ

โœจFanokanana Fivondronana

๐Ÿ“…Alahady 29 Jona 2025
โฐ09 ora sy sasany maraina
โ›ชFJKM Antanety Atsinanana Finoana

Andao hifanotrona hatrany r'ise๐Ÿƒ!!๐Ÿ˜Š

Fifaliana ho azy ireo ny manasa an'ise hankalaza sy hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fanotronana sy fiaraha miombom-bavaka๐Ÿ™๐Ÿ˜Š

05/05/2025

Finaritra e,

Ny Mpitandrina sy ny biraon'ny fiangonana FJKM Antanety Atsinanana Finoana dia maneho etoana ny fisaorana mitafotafo ho antsika rehetra fa vita soamantsara ny voka-dehibe omaly alahady faha 5 mai 2025. Mankasitraka ihany koa reo nanohina ny antso tamin'ny fanohanana ny ezaka ho amin'ny fisotroandronon'ny Mpitandrina.

Ho tohin'ity farany dia mbola entanina hatrany anefa isika amin'ny fividianana ny billet sakafom-piraisana zay atao eny amin'ny FOFIKRI Ilafy ny Alahady 28 Jona 2025. Eo ihany koa ny tonona sy ny tolotra ho fanampiana ny enti-manana ho fananganana ny tsangambaton'io fisotroandronon'ny Mpitandrina io. Mankasitraka amin'izay vita rehetra tompoko.

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Send a message to learn more

28/04/2025

Faly miarahaba antsika rehetra indray amin'ny anaran'ny Tompo

Tonga indray ity ry havana ny fotoanan'ny voka-dehiben'ny fiangonantsika FJKM Antanety Atsinanana, ny Alahady 04 Mai 2025 ho avy izao.

Ny fotoana dia hanomboka amin'ny 9h30, misy fandraisana ny fanasan'ny Tompo.

Aorian'izay dia misy ny lavantim-bokatra toy ny mahazatra ary ny fiaraha-misakafo.

Marihina etoana fa tsy andoavam-bola ny ticket sakafo amin'ity taona ity fa zaraina maimaim-poana eo amin'ny fitatazana rakitra. Izay manome amin'ny fo tokoa no sitrak'Andriamanitra. Koa entanina isika rehetra mba ho tonga ara-potoana fa miankina amin'ny fizarana ticket eo amin'ny rakitra no ahafantaran'ny mpikarakara ny isan'ny sakafo zaraina.

Tsara ho marihina koa fa ity no fotoam-bokatra farany hiarahana amin'i Mpitandrina ANDRIMANIRIARISON Andriambolanirina. Eo ampikarakarana ny fisotroan-dronony tokoa ny fiangonana sy ny Komity ankehitriny.

Fanitarana ny tranony ho atao fidiram-bola maharitra rehefa misotro ronono no hatsangana ho azy ireo. Efa misy devis mandeha nozaraina ihany ho an'ny tsirairay. Fa ho fanangonana ny enti-manana amin'izany dia efa misy ny tonona isaky ny alahady ao am-piangonana, ny rakitra vilany tany, ny tavoahangy (boatin-drakitra isan-tokantrano), sns

Ankoatra ireo dia mikarakara Sakafom-piraisana ny Komity mpanohana ny Jobily fisotroan-drononon'ny Mpitandrina zay hatao eny amin'ny FOFIKRI Ilafy ny Asabotsy 28 Jona manomboka amin'ny 12ora sy sasany antoandro. Koa manentana antsika rehetra mba handray anjara ho fanohanana izany asa lehibe miandry ny fiangonana izany. Ny tapakila iray dia 70000 ariary ary afaka raisina mandritra ny voka-dehibe na mandefa hafatra miafina amin'ny Pejy ihany koa.

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Send a message to learn more

09/07/2024

Finaritra tompoko,

Araka ny teti-andron'ny fiangonana dia ny Alahady faha 4 Aogositra 2024 ny FETIN'NY TARANAKA eto amin'ny FJKM Antanety Atsinanana Finoana. Koa asaina isika rehetra mpianankavin'ny finoana, ny taranaka rehetra mba ho tonga maro amin'izany.

Ny fiangonana koa anefa dia miaina tanteraka ao anatin'ny fikarakarana ny fisotroan-drononon'ny Mpitandrina ANDRIAMANIRIARISON Andriambolanirina. Koa manentana antsika tsirairay ihany koa handray anjara amin'ny fanohanana izany asa lehibe miandry ny Komity. Hisy araka izany fizarana valopy FISOTROAN-DRONONON'NY MPITANDRINA, fanentanana ho amin'ny Tolotra isan-taranaka amin'ny famitana ny tsangam-bato amin'izany ary fampahafantarana ny hetsika rehetra atao mandritra ny jobily.

Ny fiangonana dia hanomboka amin'ny 9ora sy sasany toy ny mahazatra ary hisy sakafo amidin'ny sampana velona eny an-toerana aorian'ny fandraisana fanasan'ny Tompo.

Manantena ny fahatongavantsika rehetra ary o !

Tahian'ny Tompo daholo.

Send a message to learn more

15/04/2024

Finaritra tompoko,
Araka ny efa mahazatra antsika hatrany dia voka-dehiben'ny fiangonana FJKM Antanety Atsinanana Finoana ny alahady faha 05 mai 2024. Koa manasa antsika mpianankavin'ny finoana rehetra, na ny reny fiangonana na ny zanaka am-pielezana, ho tonga hanatrika izany. Ny fotoana dia hanomboka amin'ny 9 ora sy sasany. Hisy fandraisana ny fanasan'ny Tompo. Aorian'izay dia ny lavantim-bokatra.
Ao anatin'ny fanomanana Jobily fisotroan-drononon'ny Mpitandrina koa anefa isika izao, dia hisy ny fizarana valopy ho amin'izany koa.
Ny mpitandrina sy ny diakona dia efa miezaka mitsidika ny tokantrano tsirairay mizara ny fanasana sy ny filazana fohy momba ny fananganana ny tsangambato ho amin'izany jobily fisotroan-drononon'ny Mpitandrina izany.
Ho an'ny zanaka am-pielezana tonga eny an-toerana dia misy hatrany ny fiaraha-misakafo natao amin'ny vidiny mirary 1000ar. (Ny tapakila dia afaka raisina eo amin'ny latabatra fanaterana vokatra amin'io andro io)
Mankasitraka indrindra tompoko
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra

08/02/2024

Finaritra e !!! Antsoina ireo nisoratra anarana rehetra ho amin'ny fisotroan-drononon'ny Mpitandrina FJKM Antanety Atsinanana Finoana mba ho tonga hamonjy fivoriana eny Ivato ny Asabotsy 10 fevrier manomboka amin'ny 10ora. Manantena ny fahatongavanareo rehetra fa io no fivoriana voalohany. Mankasitraka tompoko !!!!

26/08/2023

Finaritra, ho famaranana ny faha 150 taonan'ny fiangonantsika, dia ho tokanana ny alahady 10 septembre 2023 ho avy izao ny tsangambato faharoa amin'izany dia ny trano vadim-piangonana. Koa asaina isika mpanompon'Andriamanitra rehetra, na ny reny fiangonana na ny zanaka ampielezana ho tonga hanatrika izany. Ny fotoana dia hanomboka amin'ny 9ora sy sasany. Hisy fiaraha-misakafo aorian'ny fanokanana ary fiaraha-mifaly. Noho izany dia hisy TICKET sakafo zaraina mandritra ny rakitra ary samy mitondra fitaovam-pihinana ny tsirairay. Natao izany fandaminana izany mba hampirindra ny fotoana rehetra.

Ho an'izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miditra amin'ny hafatra miafina

NB : mitondrร  satroka na elo

Mankasitraka tompoko

Address

Antanety Atsinanana
Ambohidratimo
104

Telephone

+261344689936

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Antanety Atsinanana Finoana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FJKM Antanety Atsinanana Finoana:

Share