Ekar Md François d'Assise Tsiadana

Ekar Md François d'Assise Tsiadana Diosezy Antananarivo
Distrika Andohalo
EKAR Tsiadana [Md François avy any Assise]

Ry Fanahy Masina, avia avia midina.
11/05/2024

Ry Fanahy Masina, avia avia midina.

BOKY VAOVAO
Vavaka hasivianandro miaraka amin'ny Fanahy Masina

Ho hitanao amin'ny Librairie Md Paoly sy ny Librairie katolika manerana ny nosy

48 pejy
Vidiny: 3.500ar

Arabaina isika rehetra amin'izao fetin'i Md François d'Asise olomasina mpiaro ny fiangonantsika izao. Faly miarahab ireo...
04/10/2021

Arabaina isika rehetra amin'izao fetin'i Md François d'Asise olomasina mpiaro ny fiangonantsika izao.

Faly miarahab ireo fikambanana franciscaine rehetra. 👍🙏🥂

Mirary soa ho antsika rehetra, enga anie ny vavak'i Md François hanmpy antsika amin'ny sehatra rehetra izay misy antsika ka hijoro ho vavolombelon'i kristy.

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra.

4 OCTOBRE SAINT FRANCOIS D’ASSISE
Teraka ny 1081 i François. Zanaka mpanakarena mpivarotra izy. Vao teraka izy dia nataon’ny reniny Batemy ka nomena ny anarana hoe Jean, fa rehefa tonga avy tany France ny rainy no nanome azy ny anarana hoe François. Nanarapo tamin’ny fiainany izy tamin’ny fahatanorany. Ny fitakiana hanao ny fiandrianana no tena nalaza tamin’izay, ka isany nandray anjara tamin’ny fitakiana izany tao Asizy izy.Raha resy zareo ny Novambra 1202 dia nampidirina amponja izy ka narary tany. Rehefa nivoaka izy dia tsimaintsy nitsabotena. Niverina tany Asizy izy ary nihataka tsikelikely tamin’ireo namany, ary namangy matetika tao amin’ny chapelle. Ny taona 1205, vao 23 taona izy tamin’izany, dia nivavaka teo anatrehan’ ny hazofijaliana tao amin’ny chapelle saint Damiano. Nahare feo izy tamin’izany mba hanarina ny fiangonana rava. Namidiny avokoa ireo fananan-drainy mba hanamboarana ny fiangonana. Maro ireo vola laniny tamin’ny fanampiany ireo olona mahantra. Hatezerana ny an’ny rainy ka nentiny teo anatrehan'ny fitsarana i François, nomeny avokoa ny ambimbola tany aminy, ary ny akanjo rehetra teny ankodiny dia nesoriny avokoa. Nandritra izany izy dia niantso mafy andrainy hoe “Hatreto no farany ilazaiko anao hoe ray eto an-tany,izao aho afaka miantso hoe Rainay any andanitra, satria izy irery no ametrahako ny hareko sy ny finoako”. Notafian’ny Eveka tao Asizy lamba i François ary noraisiny ho teo ambany fiahiany. Nanomboka teo no niainany ny fahatrana mandrapahafatiny, tia miantsa sy manaja ny zavaboahary izy. Nandritran’ny 20 taona izy no nitory ny vaovao mahafaly manerana an’i Italia, ary namory olona maro izy hanaradia azy teo amin’ny fianarana an’i Jesoa Kristy. Izy no nanorina ny fikambanana Frera Mineur, maro iany koa ireo fikambanana niorina izay nanaradia azy toa an’i Capussin, Clarisse, Tersiera,..Marihina moa fa i François dia mitondra ny fery dimin'i Kristy. Ny 3 Oktôbra 1226 izy no nodimandry. Ny Papa Gregoara faha 9 no Nanandratra azy ho olomasina ny taona 1228.
#‎olomasina_RDB

12/05/2021

Salama ô!

Mino sy manantena fa salama tsara daholo isika, raha misy tsy salama dia miarary fahasalamana. Misy fanentanana ho ampintaina amintsika:

I- FETIM-BOKATRA : SEMINERA ZANDRINY AMBOHIPO
Toy ny isan-taona dia misy ny hetsika izay karakarain'ny ao zandrindry Ambohipo, noho ny toe-java misy izay iaraha-mahalala dia ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy afaka hanatanteraka izany @ ity taona ity.

Na eo aza izany tsy fahafahana izany dia manentana sy miangavy ny isam-paroasy izy ireo mba hanatanteraka ihany ny vokatra araka ny fahafahan'i isan-tsokajiny avy mba enti miatrika ny hamaranana ny taom-pianarana 2020-2021 sy hanombohana ny taom-piofanana 2021.

Noho izany dia manentana antsika kristianina ato aminy paroasy, hanao izay vita sy izay vokatry ny fo tsy ankaterena fa ampitiavana ho fanampiana ny seminarista sy ny mpiandraikitra rehetra ao. Azo aterina ao @ tranon'ny Pretra na ihany koa aterina mivantana eny Ambohipo, hatramin'ny 30 Mey 2021.

Misaotra sy mankasitraka sahady antsika rehetra.

II- FIAINAM-PIANGONANA:
Mitoy hatrany ny lamesa maraina an-davan'andro, ny mahakasika ny lamesa Alahady kosa dia mbola miandry ny torimarika omen'ny mpitondra fanjakana isika. Na eo aza anefa izany dia manentana antsika hatrany ny isan-tokantrano, isam-pianakaviana hikolokolo ny fiainam-panahy amin'ny alalan'ireny fampianarana sy fankalazana ny eokaristia masina @ radio RDB sy fahitalavitra dream'in sy I-BC ireny.

Hanentanana antsika ihany koa fa afaka manao rakitra sy ny ezaka isika isaky ny Alahady araka izay fahafahana ary aterina ao @ tranon'ny Pretra.

Manana mpandraharaha isika miasa ao aminy fiangonana, eo ihany koa ny Jiro sy ny Rano ary ny fiahiana ireo Pretra, koa manantena antsika aminy fanatanterahana izay vita entina miatrika ny zava misy hiainana ankehitriny.

Misy lamesa rahampitso Alakamisy 13 May 2021 ao am-piangonana, fankalazana ny niakaran'ny Tompo any an-danitra, izay andro voadidy hamasinina, koa hanasana antsika rehetra manomboka amin'ny 06h30.

Izay fa dia mirary soa sy ny tsara hoantsika rehetra samy ho tahian'Andriamanitra.

Misaotra

04/10/2020

Faly miarahaba antsika kristianina rehetra amin'izao fankalazana ny fetin'ny olomasina mpiaro ny fiangonantsika izao sady fankalazana ny faha 20 taona niorenan'ny fiangonana. Misaotra taminy fitiavana nasehonareo hatramin'izay fotoana rehetra lasa izay sy izay mbola hoataonareo aminy fiangonana mamintsika ity. Mirary fahasalamana sy fahombiazana amin'izay atao rehetra. "Aoka ny fitianao hampiasa ahy" mbola io teny io no hoentintsika miaina miaraka aminy vavak'i Md François. Mirary soa dia samia ho tahian'Andriamanitra.

15 Août 2020 Assomption Sary IBC
15/08/2020

15 Août 2020 Assomption Sary IBC

LIVE IBC 15 Août 2020 Assomption
15/08/2020

LIVE IBC 15 Août 2020 Assomption

Araka ny fanentanan'ny Ray aman-dRenintsika eto amin'ny Diosezy dia manasa antsika isantokantrano hanao ny vavaka hasivi...
06/08/2020

Araka ny fanentanan'ny Ray aman-dRenintsika eto amin'ny Diosezy dia manasa antsika isantokantrano hanao ny vavaka hasivinandro manomboka anio, mialohan'ny fankalazana manetriketrika an'i Masiana Maria Virjiny nampiakarina any an-danitra ny Sabotsy 15 Aogositra 2020 ho avy izao.

Toko sapile iray, hitalahoana ny famindrampon'Andriamanitra manoloana an'izao valan'aretina izao.

Faranana amin'ny hoe:
- Masina Maria fahasitranan'ny marary in-telo
- Md Rock
- Ry Fo Masin'i Jesoa.

30/06/2020

Misaotra anao izahay ry Ray nanome anay an'i P.Ganapini ,izay nahavita be teto aminay, nizara ny soa sy ny mamy ary fampianarana. Mandria am-piadanana mompera.

Misaotra eram-po, eran-tsaina ireo tsara sitrapo nanome vatsy fanampiana ireo zoky olona sy ireo sahirana tato amin'ny p...
12/06/2020

Misaotra eram-po, eran-tsaina ireo tsara sitrapo nanome vatsy fanampiana ireo zoky olona sy ireo sahirana tato amin'ny paroasy ny Alahady 07 Jiona 2020 lasa teo. Hisaorana lehibe ihany koa ny Masera FMA nikarakara sy nanolotra izany, tsy adino ny mpandrindra ao amin'ny vaomiera sosilay sy fampivoarana ary ny filohan'ny faritra 5 sy ireo filohan'ny APV nandrindra tamin'ny fizarana. Ilay Andriamanitra manakarem-pasoavana hamaly soa sy ny tsara vitanareo. Mankasitra.

12/04/2020

Aleloia! velona ny Tompo! Arabaina isika amin'izao andro ankalazaina ny nitsangananan'i Jesoa Kristy velona izao. Paka Fandresena ary ho anjakan'ny fitiavana sy hafaliana. Mirary fety sambatra ombam-pahasoavan'Andriamanitra ho antsika rehetra.

11/04/2020

Sabotsy Masina
I Kristy Fahazavana
I Kristy Tenin'Andriamanitra
I Kristy Loharanon'Aina
I Kristy Mofon'aina

Address

Tsiadana
Ambohibao
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ekar Md François d'Assise Tsiadana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share