FJKM Mahatsinjo Karmela

FJKM Mahatsinjo Karmela Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM Mahatsinjo Karmela, Christian church, Mahatsinjo, Ambatondrazaka.

FANASANA FETIN'NY TARANAKAALAHADY 07 AOGOSITRA 2022MANASA ANTSIKA REHETRA HIARA-HANOME VONINAHITRA AN'ANDRIAMANITRA AMIN...
11/07/2022

FANASANA
FETIN'NY TARANAKA
ALAHADY 07 AOGOSITRA 2022
MANASA ANTSIKA REHETRA HIARA-HANOME VONINAHITRA AN'ANDRIAMANITRA AMIN'IZANY.
(Sary fanehoana : Fanokanana Mpiandry andiany Mahatoky. 10/07/22.)

Lalao famaranana baolina kitra SP 05 : TPM Amb/zaka 0  # 1 FJKM Mahatsinjo Karmela. Ondry no amboara. Isaorana mandrakar...
27/05/2022

Lalao famaranana baolina kitra SP 05 : TPM Amb/zaka 0 # 1 FJKM Mahatsinjo Karmela. Ondry no amboara. Isaorana mandrakariva ny Tompo. Ho Azy irery ny voninahitra.

09/05/2022

NY FANAHY MASINA ARAKA NY JAO.7.37 – 39.
Ny Fanahy Masina dia onin’ny ranovelona ao amin’ny mino.
Anankiray amin’ireo fety lehibe teo amin’ny Jiosy ny fetin’ny Taberanakely na fetin’ny fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo voalaza eo amin’ity toko fahafito ity. Sady fetim-bokatra lehibe izany no fahatsiarovana ny fiahian’Andriamanitra ny Israely tamin’ny firenireneny tany an’efitra, ka tokony hitoetra ao anatin’ny trano rantsan-kazo ny Zanak’Israely mandritra ny 7 andro (Lev 23.33-43). Ankalazaina mandritra ny valo andro izany ka ny andro voalohany sy ny farany no tena fety manetriketrika. Io fety io dia misy fanondrahana rano sy divay eo amin’ny alitara sy ny fanatitra. Tamin’ny andron’i Jesoa dia niitatra izany fomba izany ka mandritra ny 6 andro dia samy maka rano avy amin’ny farihin’ny Siloama ny mpivavaka ka aterina amin-kira mankeo amin’ny mpisorona ao amin’ny Tempoly izany; sady manofahofa rantsan-kazo sy sampandrofia ny olona rehetra. Alain’ny mpisorona izany rano izany ka arotsany amin’ny fitoeran-drano volafotsy izay eo akaikin’ny fitoeran-divay volafotsy koa izay asiana divay rahateo koa. Isaky ny feno ireo zavatra roa ireo dia ararakin’ny mpisorona amin’ny alitara hatrany. Amin’ny andro farany dia manao fetibe mihodidina im-7 manodidina ny alitara ny olona mihira (ohatra salamo 113-118) manofanoha rantsan-kazo, ary dia manondraka ny alitara amin’ny rano sy divay ny mpisorona. Ny tarazo sy fampianaran’ny Jodaisma tamin’izany dia maneho fanantenana eskatolojika ka ny Mesia ho avy dia hitondra rano fitahiana tahaka an’i Mosesy (jereo Eks 17.5-6; Det 18.15). Ka tamin’io fotoan-dehibe farany io i Jesoa no niantso araka ny hitantsika amin’ny and 37-39 nanazava momba izany rano izany. Ny fanalahidy eto dia ny hoe “araka ny voalazan’ny Soratra Masina”; izany hoe natodik’i Jesoa amin’ny Soratra Masina ny olona mba hahazo hevitr’io rano io.
Ny Soratra Masina tokoa ny manamarina fa misy ifandraisany fahatongavan’ny Mesia (Kristy) sy ny filatsahan’ny Filatsahan’ny Fanahy Masina izay tondroina amin’ny fisian’ny rano miboiboika (jereo Joela 3 sy 4, indrindra fa ny 4.17-18). I Jesoa no hisolo an’ilay alitara eto ary ny Fanahy Masina no Ilay rano; I Jesoa marina no Ilay ho avy mitondra ny Fanahy toy ny rano miboiboika (jereo Jao 39-43). Ary ny rano dia tsy hararaka intsony fa hosotroina (Jereo Jao 4.13-14), ary izany dia mifanaraka tsara aminy voalazan’Isaia 44.3; 55.1-2; 58.11. Rehefa mamaky ny ireo bokin’ny Mpaminany isika dia feno an’io resaka rano avy amin’Andriamanitra io ao: Isa 12.2-3; 58.11; Eze 36.25-27; Zak 14.8 (ampitahao amin’ny voalazan’i Paoly amin’ny 1Kor 10.1-4).
Rehefa niditra tamin’ny voninahiny i Jesoa dia tanteraka ny fanomezana Ilay rano miboiboika dia ny Fanahy Masina: rehefa maty izy dia nisy rano nivoaka tamin’ny lanivoany (Jao 19.34; rehefa niala aina Izy dia nanolotra ny Fanahiny (Jao 19.30); rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy ny nanome ny Fanahy Masina ho an’ny mpianatra (Jao 20.22).
Misy fepetra roa lehibe anefa no hahazoana an’io Fanahy Masina io eto:
Ø Mila mangetaheta: tena mahatsiaro fa mila vonjy ve ny Kristiana sa fahazarana fotsiny na fomba no ankanesany ao am-piangonana?
Ø Mila manatona an’i Jesoa:Jesoa ve no hatonin’ny olona sa anaram-piangonana sa filan-javatra ety an-tany no ivavahany?
Ø Mila mino an’i Jesoa: teny tsy mino afa-tsy i Jesoa ve ny olona sa misy zavatra hafa itokiany koa na ampirafesiny amin yeo amin’ny fiainany?
Mandritra antsika revo amin’ny fombafomba sy ny fety samihafa na koa amin’ny fahoriana sy fahasahiranana samihafa dia mamerina miantso mafy indray i Jesoa manao hoe:
« Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahyka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy FANAHY MASINA AO ANATINY, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. »

Fiofanan'ny Mpiandry sy ny Mpiomana (S/P 05) teto @ FJKM sy ny TOBY Mahatsinjo Karmela. Ho voninahitr'Andriamanitra.
20/04/2022

Fiofanan'ny Mpiandry sy ny Mpiomana (S/P 05) teto @ FJKM sy ny TOBY Mahatsinjo Karmela. Ho voninahitr'Andriamanitra.

P***A 2022Fanokanana Diakôna sy fandraisana ho mpandray ny Fanasan'ny Tompo ny andiany FIHAVAOZANA.
19/04/2022

P***A 2022
Fanokanana Diakôna sy fandraisana ho mpandray ny Fanasan'ny Tompo ny andiany FIHAVAOZANA.

Mitohy hatrany ny asa ho voninahitr'Andriamanitra.
31/03/2022

Mitohy hatrany ny asa ho voninahitr'Andriamanitra.

Mpandray ny Fanasan'ny Tompo andiany FIHAVAOZANA - 02/01/22.
07/03/2022

Mpandray ny Fanasan'ny Tompo andiany FIHAVAOZANA - 02/01/22.

Tetik'asa "Fiangonana maitso"
07/03/2022

Tetik'asa "Fiangonana maitso"

Ny trano vadin'ny trano Fiangonana.
07/03/2022

Ny trano vadin'ny trano Fiangonana.

Address

Mahatsinjo
Ambatondrazaka

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Mahatsinjo Karmela posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share