F.E.A

F.E.A Église Catholique

11/08/2025
28/05/2025

fans

27/05/2025

Tiako dia mba nozaraiko , misaotra ny pejy Tononkira ary koa ny Groupe HAGA nihira azy

20/05/2025

Fihirana Hasina p. 883

Mitotorebika re ny fonay CSVP CATHÉDRALE TOLIARA

Mitotorebika re ny fonay,
Faly midera sy misaotra Anao
Ry Tompo Andriamanitra Mpanjakanay e ka:

Mankasitraka, mankatelina,
Misaotra Tompo ô, misaotra Anao izahay
Noho ny fahasoavanao, narotsakao ho anay
Nomenao tamim-po feno fitiavana!

1- Ny ainao Tompo ô!
Nafoinao ho anay
Ny rànao sarobidy nalatsakao satria,
Tianao tokoa izahay,
Tsy foinao ho very re,
Ka mihoby Anao Tompo ô!
Miantsa hoe:

2- Ny vatanao Jesoa
Nafoinao ho anay,
Sakafo manome anay ny fiainana,
Mpamelombelona
Ny aim-panahinay,
Ka mihoby Anao Tompo ô!
Miantsa hoe:

Bob Ramanamiravaka
23/02/2025

Bob Ramanamiravaka

Le Pape invoque le don de la paix pour les peuples martyrisés par les conflitsLors de l'Angélus, à la fin de la messe de...
21/10/2024

Le Pape invoque le don de la paix pour les peuples martyrisés par les conflits

Lors de l'Angélus, à la fin de la messe de canonisation de dimanche 20 octobre, François a relancé l'appel à la paix dans les pays en guerre et a souligné l'importance de la figure de saint Joseph Allamano dans la prise en charge des populations «fragiles et vulnérables»: il a exhorté à lutter contre toute forme d'exploitation «de leur dignité et de leurs territoires».

Ny Papa dia miantso ny fanomezana fiadanana ho an'ireo olona maty maritiora noho ny ady .

Nandritra ny Anjely, tamin'ny fiafaran'ny lamesa ho olomasina ny alahady 20 oktobra, dia namerina ny antso ho amin'ny fandriampahalemana any amin'ireo firenena miady i François ary nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny endrik'i Md Joseph Allamano. eo amin'ny fiahiana ny vahoaka “marefo sy marefo”: nampirisika ny hiady amin'ny karazana fanararaotana rehetra “ny fahamendrehany sy ny faritaniny” izy.

12/10/2024

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Nomenjanahary Evah Miasa

Nodimandry i Simon Randria, maro ireo hirany tsy afaka am-bavan'ny maro indrindra fa ireo efa lehibebe.Mandria am-piadan...
11/08/2024

Nodimandry i Simon Randria, maro ireo hirany tsy afaka am-bavan'ny maro indrindra fa ireo efa lehibebe.
Mandria am-piadanana Simon Randria.
Mankahery ny fiankaviny sy ny akaiky azy.

Simon Randria "Izay rehetra sitrakao"

Tsy mba haiko hadinoana
Ny soa nataonao tamiko
Fa famonjena tsy hay soloina
Asa re raha voavaliko

Avotrao ny fiainako
Nahitsinao ny lalako
Ireo fahazaran-dratsiko
Noho ianao dia efa resiko

Refrain
Izay rehetra sitrakao
Dia ho tanterahiko
Fa lehibe tokoa
Raha ny fitiavanao
Izay rehetra sitrakao
Dia ho tanterahiko
Fa izaho tsy mahafoy
Ny miaraka aminao

Afa-tsento izao ny foko
Sendra anao manam-panahy
Niova tsiky ny toloko
Lavitr’ahy ireo ahiahy

Avotrao ny fiainako
Nahitsinao ny lalako
Ireo fahazaran-dratsiko
Noho ianao dia efa resiko

Refrain
Izay rehetra sitrakao
Dia ho tanterahiko
Fa lehibe tokoa
Raha ny fitiavanao
Izay rehetra a sitrakao
Dia ho tanterahiko
Fa izaho tsy mahafoy
Ny miaraka aminao

ALAHADY FAHA-16mandavantaona — BANDIAN’ONDRY EO AN-TANAN’ANDRIAMANITRA ISIKATononkira fidiranaSal. 53, 6-8Indro Andriama...
21/07/2024

ALAHADY FAHA-16
mandavantaona — B

ANDIAN’ONDRY EO AN-TANAN’ANDRIAMANITRA ISIKA

Tononkira fidirana
Sal. 53, 6-8
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.

Asiana VONINAHITRA ANIE. . .

Fangatahana
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay, haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Bokin’i Jeremia Mpaminany
Jer. 23, 1-6
Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho.

Mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin’ny kijanako, — teny marin’ny Tompo. Koa izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako: Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo; tsy niahy azy ireo ianareo. Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo, — teny marin’ny Tompo. Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko, avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy; ka hitombo sy hihamaro. Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho; ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy; sady tsy hisy diso tsy eo na dia iray aza, — teny marin’ny Tompo. — Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, hananganako solofo marina ho an’i Davida; hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. Amin’ny androny, i Jodà hovonjena, i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: “Tompo-fahamarinantsika”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

Salamo fandinihana
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

Fiv.: Ny Tompo miandry ahy; tsy orin’inoninona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho, fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany.
Tarihiny amin’ny lala-marina. Na mamaky lohasaha maizina aza aho tsy misy loza atahorako: satria Ianao miaraka amiko, ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao eo anoloan’ny rafiko, ny loha andrarahanao ilo, ny kapoaka ataonao safomorona. Hasambarana sy fitiavana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no ho fonenako amin’ny taona mifandimby.


VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy
Efez. 2, 13-18

Izy no fiadanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray.

Ry kristianina havana, ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray. Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana, Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra, sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa, satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka
Mk. 6, 30-34
Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany, nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy: “Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely”; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina. Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao antsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, mangataha amin’Andriamanitra mba hamory ny vahoaka ankehitriny Izy, hihaino ny Teniny, sahala amin’ny tamin’ny andron’i Jesoa sy ny Apôstôly, ary mba ho liana handre an’Andriamanitra lalandava ny olona rehetra.

Valy: Tompo ô, tongava eo anivon’ny vahoakanao.

* Norahonan’i Jeremia ireo mpiandry mandao ny ondriny; koa mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba homen’Andriamanitra herim-po sy fanantenana izy amin’ny andro sarotra.
* Misy hery setra sy ady lalandava ankehitriny: koa mivavaha mba hatoron’Andriamanitra ny olombelona fa i Jesoa Kristy, efa nandresy ny fankahalana sy ny fahafatesana, no lalana mitondra amin’ny fihavanana sy ny fitiavana marim-pototra.
* Maro ny tanora toa ondry tsy misy mpiandry, koa mivavaha mba ho fantany sy harahiny i Jesoa Kristy ilay mpitari-dalana hany tena azo antoka eto an-tany.
* Mivavaha mba tsy hisy hisara-bazana na hifanipaka an-toerana isika iray fiangonana, fa hifankatia sy hiray hina ho andian’ondry tokana ao amin’i Kristy.


—Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Tompo Mpiandry ondry tsara fo ô, ampianaro izahay hahay hanampy izay rehetra maniry fihavanana na mitady ny marina na miandry hotiavina; ary atoroy hahay hamoha an’izay mandondòna eo am-baravaranay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalàna fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio
Sal. 110, 4-5
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.

na hoe:
Apôk. 3, 20
Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.

Vavaka aorian’ny Kômonio
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

03/07/2024

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Finoana Fanantenana Fitiavana, Miantsa Tononkalo

08/06/2024

L'une des meilleures façons d'aider quelqu'un est de lui donner une responsabilité et de lui faire savoir que vous lui faites confiance.

fans

Address

Ambanidia

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when F.E.A posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share