10/09/2025
hafatra kely nefa mafonja
❌Ny mpino efa tranainy no betsaka tsy tafiakatra rehefa tonga Jesosy ! Ndao ary hitondrantsika fanazavana.
🥶Hita iany fa malahelo isika rehetra t@ fanehoankevitra izay nataontsika maro teto. Izao anefa, tsy resaka fitsarana akory izy ity sanatria, na koa hoe mandidy an'Andriamanitra, fa ny baiboly iany no milaza amintsika izay zavatra rehetra hisy rahatrizay.
✋virijina 10 (matio 25) = resaka solika no tsy nampitovy azy ireo. Matoa maty ny jiro, satria tsy misy solika intsony ao izay. Matoa tsy misy solika intsony satria efa ela nirehetana, anefa tsy nitapoka mihintsy.
✋ny voalohany ho farany (matio 20/16) = tsy misy hiadian-kevitra ny fanambarana avy @ Jesosy eto, fa izay voalohany no ho lasa farany !
✋ Miala @ fitiavana voalohany ( apo 2/4-5 eglizy efesosy)
👉 Ny ankamaroan'ny mpino tranainy dia ity no tena olana be sedrainy. Mitovy @ mpivady ao antokantrano iany io, rehefa mande ny fotoana, miha-mangatsiaka ny fitiavana, rehefa tsy vita ny manarina azy, fisarahana no hiafarany. Mazava ny tenin'i Jesosy eto fa raha tsy mibebaka ka miala dia afindrany ny fanaovan-jiro.
✋ Ny mpijangajanga sy ny mpamory hetra no mialoha lalana any @ fanjakan'Andriamanitra ( Matio 21/31)
👉 Ny mpino rehefa tranainy dia tonga routine fotsiny ny fivavahana, lasa manana anaran-ko velona sisa, mihevi-tena fa efa mahay ny zavatra rehetra, eny fa na dia zavatra efa tsy araky ny sitrapon'Andriamanitra izao aza defa tsy olana aminy firy intsony. Aza gaga raha ny mpijangajanga izay heverina ho ratsy indrindra no lasa mialoha lalana, satria ny mpanota ( vaovao) rehefa miova fo, mafana avy hatrany izy izay, tsy mitovy @ tranainy, izay efa reraky ny ady, lalana maro, raha oavy Jesosy, manana tombony izay voavonjy vao aingana.
✋ Denaria iray daholo ny karama ( matio 20/9-12)
👉 Mitovy iany ny zavatra azo na efa ela na vo aingana, ny mpiasa vao niditra ora iray nefa azo antoka kokoa fa be hery, no ilay efa niasa hatramin'ny maraina.
✋ Fihazakazahana lavitr'ezaka ity resaka lalan-danitra ity ( 1kor 9/24-27)
👉 mitovy @ marathon ny lalan-danitra, plus mitombo ny km vitanao, plus ianao reraka.plus manakaiky ny arrivé, plus miha-mavesatra ny tongotra. Mazava oazy, fa ny tranainy @ ankapobeany dia efa anatin'ny tongotra mavesatra avokoa, lasa olana lehibe eo @ fihazakazahany izany.
✋ Ny Olan'ny fariseo
👉 Olana matetika no miseho, rehefa mihaona Jesosy sy ireo fariseo fahiny, @ ankapobeany dia isika tranainy no tena manana ireo toetran'ny fariseo ireo, raha tsy ahodokodintsika ny resaka. Ny olona vaovao ao ampiangonana ao, tsy dia mba miasaravelatsihy izany, fa ny tranainy no tena manana azy io. Anjarantsika no mandinika, ho mora ho an'ny tranainy ve ny hihaona @ Jesosy raha mbola tazominy io toetra ratsiny io?
✋ Ny fahavokisana be loatra, na Ara-nofo na ara-panahy ( lioka 21/34).
👉 Ny fahavokisana be loatra dia mitarika aretina, ary mety hamono mihintsy aza. Ny mpino mihinana fona nefa tsy miasa, dia tratranio fahavokisana ara-panahy be io ka lasa manimba azy ( tonga miavonavona, mirehareha, manava-tena....), rehefa mihinana fona ianao nefa tsy miasa mihintsy, voky be ianao no dikan'izay, ny mpino tranainy no tena voan'izy io, hany ka sasatry ny manamari-tena sy mamaly toriteny sisa no hanitsanana azy. Loza be io.
🙏 Na izany aza anefa, tsy midika kory izany fa tsy hisy ho voavonjy mihintsy izany ny tranainy. Misy tenin'Andriamanitra ato izay manentana antsika mba hanavaozantsika hatrany ny fanolorantena ( salamo 51/10), tokony hataontsika matetika mihintsy io mba afahantsika mi-regeneré hatrany ny arapanahintsika, mba tsy ho tonga fitaka ho antsika ity expérience be ananantsika mitombo isan'andro ity.
👉Matio 7:14
Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. Samia mahery daholo !