13/05/2023
Mofonaina Sabotsy 13 Mey 2023
Asan’ny Apostoly 7. 54-60
NY FANAHY MASINA - NY FANENJEHANA – NY MARITIORA
Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo an-kavanan'Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo an-kavanan'Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
---------------
Fomba iray namonoana ny fivavahana Kristianina ny fanenjehana sy ny fampahoriana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Fomba mahomby izy ity izay nampiasain’ny fahavalon’ny finoana sy ny filazantsara. Maro mantsy ireo niala an-daharana sy nihemotra rehefa nihamafy ny fahoriana sy ny fanenjehana. Iray amin’ny antony nahatonga ny fampianaran’ny Testamenta vaovao momba ny maharatsy ny fihemorana izany ka nilazana hoe “isika tsy mba naman’izay mihemotra”. Raha mitantara ny fiainan’ny fiangonana voalohany Lioka dia tsy nanadino izy niresaka ny amin’ireo Maritiora Kristianina sy ny asan’ny Fanahy Masina teo amin’izy ireo. Ireto no tsara ifampaherezana
1. Feno ny Fanahy Masina ny Maritiora (and 55)
“Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina”
Tsy zavatra mora ny zavatra natrehin’ireo maritiora Kristianina voalohany tamin’ny taonjato voalohany. Noho ny zava-tsarotra natrehin’izy ireo dia tena zava-dehibe tamin’izy ireo ny fahafenoin’ny Fanahy Masina tao amin’izy ireo. Nofenoin’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina izy ireo ka afaka niatrika tamin’ny fitoniana ireo tranga nanahirana rehetra tamin’ny fijoroana vavolombelona. Io herin’ny Fanahy Masina izay nameno azy ireo io no nahatonga azy ireo nahajoro hatramin’ny fara-fofonainy ho vavolombelon’i Jesoa Kristy ka tsy nihemotra na niala an-daharana teo anatrehan’ny fahasarotana tamin’ny fijoroana vavolombelona. Isika koa, raha mijoro ho vavolombelona ankehitriny, miatrika izao fanontoloana izao (mondialisation – Globalisation) izay manasarotra ny fijoroana ho vavolombelona dia tena takiana amintsika ny hanaiky hofenoina ny Fanahy Masina. Azo atao tsara ny mangataka izany amin’Andriamanitra.
2. Mibanjina an’i Jesoa izay feno ny Fanahy Masina (and 55)
“Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo an-kavanan'Andriamanitra”
Teo anatrehan’ny fikasana hitora-bato an’i Stefana, noho ny fahafenoan’ny Fanahy Masina tao aminy dia Jesoa no nobanjininy fa tsy ireo mpitora-bato azy. Asehon’ny tantara fa tsy niondrika tamin’ny tany Stefana fa nibanjina ny lanitra, izay fonenan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy. Ary rehefa nibanjina ny lanitra izy dia ambara fa nahita an’i Jesoa Kristy izay be voninahitra teo an-kavanan’Andriamanitra. Tsy natahotra fahafatesana izy noho izy nahavitra nibanjina ny lanitra sy Jesoa Kristy. Tamin’ny fotoan-tsarotra nijoroana ho vavolombelona arak’izany dia asan’ny Fanahy Masina tao amin’ireo maritiora ny nampifantoka azy ireo tamin’i Jesoa Kristy, ka tsy mba fahafatesana no hitan’izy ireo fa Jesoa Kristy. Izany no tsy nampihemotra azy ireo mihitsy hatramin’ny farany na dia novoina ho faty aza noho ny finoany an’i Jesoa Kristy. Amin’izao fotoana mahasarotra ny fijoroana vavolombelona izao koa, dia tena fanalahidy lehibe ny asan’ny Fanahy Masina, izay ambara fa afaka mameno ny mino. Io asan’ny Fanahy Masina io ihany no mampitodika antsika fiangonana sy Kristianina amin’i Jesoa Kristy ka tsy hihemotra na iala an-daharana na dia hahitana fahafatesana aza izany.
3. Olon’ny vavaka izay feno Fanahy Masina (and 59, 60)
“Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao”
Asehon’ny tantaran’i Stefana fa olona tsara fifandraisana amin’i Jesoa Kristy izay feno ny Fanahy Masina. Hitantsika ity maha-olom-bavaka ny maritiora ity teo amin’ireo Maritiora Kristianina Malagasy raha mahatsiaro ny tantara isika.
a- Vavaka maneho fifamatoram-piainana amin’i Jesoa Kristy: na velona izy ireo na maty dia mifamato-piainana tamin’i Jesoa Kristy hatrany. Velona nanana fiainana feno fifandraisana tamin’i Jesoa ka nahavita tsy nihemotra hatramin’ny fara-fofonaina, maty koa anefa mbola voatolotra an’i Jesoa ny fanahy, milaza fitohizan’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’i Jesoa Kristy.
b- Vavaka maneho fahadiovam-po: ambara fa lotika ny fon’ireo nitora-bato an’i Stefana, romotra hoy ny teny fototra noho ny fampianarana nataon’i Stefana. Stefana kosa anefa tena nadio fo satria na dia nitora-bato azy aza izy ireo dia mbola nangataka famelan-keloka ho azy ireo izy. Madio fo tokoa ny olona feno Fanahy Masina noho izy ireo mahatakatra fa tena asan’ny maizina ao amin’izy ireo no mahatonga azy ireo mamono azy. Tsy ny olona mpanenjika no fahavalo fa ny ratsy mampirisika azy. Tian’Andriamanitra hovonjena rahateo koa ny olona rehetra, ka hinoana fa ny vavaka fangataham-pamelana ny helok’izy ireo dia henoin’Andriamanitra ka mba ho isan’izay hisitraka famindrampo izy ireo. Iray amin’izay vokatry ny Fanahy ampianarin’i Paoly ny fahadiovam-po, fahadiovam-po noho ny fitiavana.