09/03/2022
FIFANINANANA SARY FAMANTARANA
And 1. Ny mpanomana :
Ny Ekipa Mpandrindra ny Vovonam-Pirenena Katolikan’ny Ankizy dia mikarakara fifaninanana SARY FAMANTARANA.
And 2. Ny mpandray anjara :
Afaka mandray anjara avokoa ny olona rehetra tsy ankanavaka. Sary iray isan'olona ihany kosa no azo atolotra.
And 3. Ny fepetra :
Ny SARY FAMANTARANA dia :
• Mifototra amin’ny: « Fiombonana – Ankizy - Katoliaka »
• Tokony hahatarafana fa an’ny ankizy ny sary.
• Atao amin’ny taratasy A4 (21 cm x 29,7 cm)
• Afaka mampiasa ny loko : mavo – fotsy – mena – maintso, sy loko hafa.
• Raha voadika amina « version numérique » ny sary dia alefa « pièces jointes » amin’ny adiresy : [email protected] miaraka ny mombamomba ny mpamorona sy ny sary ary takelaka A4 iray hafa misy ny fanazavana ny sary
• Raha tsy vita « version numérique » kosa ny sary dia atao amin’ny taratsy iray manokana mihidy anaty valopy hafa ny mombamomba ny mpamorona sy ny takelaka A4 iray hafa misy ny fanazavana ny sary izay vao alefa miaraka amin’ny adiresy :
Vovonam-Pirenena Katolikan’ny Ankizy Immeuble CNPC Antanimena Antananarivo 101
• Tokony ho tonga aty amin’ny tomponandraikitra farafahatarany ny talata 20 aprily 2022
• Ny mpifaninana dia manolotra ny sanganasany ho azon’ny VPKA ampiasaina amin’izay
rehetra ilany azy.
And 4. Ny mpitsara :
Olona kristianina no hifantina ny sary ka hahitana :
• havanana amin’ny Vovonana sy ny Fikambanana Masina
• havanana amin’ny tontolon’ny zavakanto vita amin’ny sary
• mahalala ny Baiboly sy ny aim-panahy avy aminy
And 5. Ny loka :
Izay sary famantarana voafidy dia ampiasaina amin’ny taratasy sy fitaovam-pifandraisan’ny VPKA manontolo. Hisy fanomezana hatolotra ny olona nanao ny sary famantarana. Mbola hatolotra antsika miandalana eto ihany ny mahakasika izany.