22/01/2026
DARS 😊😊: VOLANA SHAʿBĀNE
Ny hasiny – ny lesona – ny fiomanana ho an’i Ramadany
Isaorana anie i Allah Tompon’izao rehetra izao, ary ny vavaka sy fiarahabana anie ho an’i Mpaminany Muhammad , ny fianakaviany noho izao nahatratrantsika volana masina ity.
Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny finoana,
Ny lohahevitra resahintsika androany dia ny Volana Shaʿbāne, volana lehibe nefa matetika hadinon’ny olona satria eo anelanelan’i Rajaba sy Ramadany izy.!!
🌙 1️⃣ Ny lanjan’ny Volana Shaʿbāne
Nilaza ny Mpaminany fa:
“Io no volana izay tsy dia tsapan’ny olona, eo anelanelan’i Rajaba sy Ramadany.”
Midika izany fa:
Volana fanandratana ny asa ho eo anatrehan’i Allah izy
Volana fanadiovana ny fo
Volana fiomanana ara-panahy alohan’i Ramadany
🤲 2️⃣ Ny fihetsiky ny Mpaminany tamin’ny Shaʿbāne
Nilaza i Aïcha Vadiny Mpaminany fa:
“Tsy mbola nahita ny Mpaminany nifady hanina nandritra ny volana iray manontolo aho afa-tsy Ramadany, ary tsy nisy volana nifadiany hanina betsaka noho ny Shaʿbāne.”
Izany dia mampianatra antsika fa:
Shaʿbāne dia volana fiezahana
Tsy volana fialan-tsiny na hakamoana
💠 3️⃣ Lesona sy valeurs lehibe avy amin’ny Shaʿbāne
Ireto no zavatra ampianarin’ity volana ity antsika:
Fanadihadiana tena: mijery ny asantsika alohan’i Ramadany
Fahadiovan’ny fo: manala lolompo, fankahalana ary fialonana
Fahatsoram-po: manao ny asa ho an’i Allah irery
Fiomanana: ara-tsaina, ara-panahy ary ara-piainana.
Students From Madagascar in Irak الطلبة من مدغشقر في العراق