FJKM Betlehema Mifankatia Paris

FJKM Betlehema Mifankatia Paris Miarahaba anao tongasoa đŸ€
Fifaliana hoan’ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fiangonana ary ny Kristiana iray manontolo ny mandray anao. đŸ„°

Ho an'ny vahoakan'Andriamanitra Protestanta eto Frantsa,Ho ampitomboina mandrakariva aminareo anie ny Fahasoavana avy am...
19/06/2026

Ho an'ny vahoakan'Andriamanitra Protestanta eto Frantsa,

Ho ampitomboina mandrakariva aminareo anie ny Fahasoavana avy amin'l Jesoa Kristy
Lohan'ny Fiangonana,

đŸ“–Â«mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka
Ahy. » (Jaona 17.21)

Noho ny maha iray anstika eto amin'ny Tompo sy noho ny efa vavak'i Jesoa Tompo mba ho iray ihany izy rehetra.

Rehefa nandinika ny tompon'andraikitra telo, avy amin'ireto Fiangonana ireto sy mano sonia ery ambany :

1ïžâƒŁ Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),
2ïžâƒŁ Fiangonan'ny Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM),
3ïžâƒŁ Fiangonana Protestanta Malagasy aty An-dafy (FPMA),

dia mety ny manao fanompoam-pivavahana iraisana ho fanehoantsiaka ny fahavonona hiara-hiasa sy mijoro vavolombelon' ny filazantsaran'i Kristy.

Koa dia noho izany dia manasa antsika vahoakan'Andriamanitra tsy an-kavanavaka hanatrika ny fotoam-pivavahana iombonana izay atao ny :

đŸ—“ïž Zoma 19 Jona
🕱 Amin'ny 19h30
â›Ș Eglise de la RĂ©demption
16 Rue Chauchat, Paris IX
Ⓜ MĂ©tro 8, 9 Richelieu Drouot -
Metro 7 Le Pelletier

Dia mangataka antsika hitondra ambavaka mba ho tanteraka izany fotoam-pivavahana izany ary maniry ny fahatongavan'ny rehatra ny amin'izany.

Raha mila fanampim-panazavana dia afaka manatona ny tompon'andraikitra
mifanandrify anareo.

Manonona ny Fiadanan'ny Tompo aminareo

Dr Denis RAKOTOZAFY
(Filohan'ny FLM)
Pastora Eddy RANDRIAMALALA (Filoha mpanampy FLM Eoropa)

Pasitera Jean-Louis ZARAZAKA
(Filohan'ny SP faha 37 FJKM)

Dr Seth RASOLONDRAIBE
(Filohan’ny FPMA)

11/05/2026
Hafatry ny MF02 SL XX
22/04/2026

Hafatry ny MF02 SL XX

Adresse

79 Rue De Malnoue
Noisy-le-Grand
93160

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque FJKM Betlehema Mifankatia Paris publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Raccourcis

Partager