365 Tantara

365 Tantara Pejy Kristiana hizaràna amintsika tantara fohy mampieritreritra sy mikolokolo ny Finoantsika. Mijereva finaritra tompoko. Fiadanana e!

02/02/2026

Miara mamindra amin'ny fitiavana tahaka an'i Jesoa Kristy - 271

10/04/2025

Nisy zazavavy iray no niakatra fiara fitateram-bahoaka. Nisy ramatoa antitra somary masiaka nitondra entana maro tonga nipetraka teo akaikiny sady nanosika azy. Nisy lehilahy iray teo akaiky teo tezitra ka nanontany an’ilay zazavavy hoe maninona izy no tsy niteny na nitaraina tamin'ilay ramatoa fa nanaiky fotsiny. Namaly tamim-pitsikiana ilay zazavavy hoe :

"Tsy ilaina mihitsy ny mifamaly amin'ny zavatra madinidinika toy izao, fohy loatra ny dia iarahana! Izaho rahateo hidina amin’ny "Arrêt" manaraka," hoy izy namaly tamim-pahatsorana.

Valiny tena tsara izany, izay tokony hampiasaintsika rehetra amin’ny fiainantsika isan’andro : "Tsy ilaina ny mifamaly amin'ny zavatra madinidinika, fohy loatra ny dia!"

Raha samy mahatsapa ny tsirairay fa vetivety ihany ny fotoana iainantsika eto an-tany, tsy ilaina ny mandany fotoana sy hery amin’ny fifamaliana tsy misy dikany.

Nisy nandratra ny fonao ve? Mitonia, fa fohy loatra ny dia!
Nisy namadika anao ve, nanambany na nanala baraka anao? Mitonia, fa fohy loatra ny dia!

Na inona na inona alahelo ampitondrain’ny olona amintsika, tadidio foana fa fohy dia fohy ny fotoana iarahana. Koa ataovy ny hatsaram-panahy sy ny halemem-panahy ho fitafianao. Tsy fahalemena velively izany, fa mariky ny fahamboniana kosa.

Fohy dia fohy ny dia iarahana eto an-tany ary tsy misy miverina intsony...
Tsy misy mahalala ny halavan’ny dian’ny tsirairay, na ny fotoana tokony hidinany.
Mitonia fa fohy loatra ny dia!

RAHA NANDRATRA ANAO AHO, TADIDIO: FOHY LOATRA NY DIA!

"Fa ianao kosa, ry olon'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, fa katsaho kosa ny fahamarinana, ny fitiavam-bavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny halemem-panahy."
(1 Timoty 6:11)

Hitahy anao anie ny Tompo mba hampihatra izany teny izany amin'ny fiainanao: Mitonia, fa fohy loatra ny dia!

17/12/2024

Raha mbola mihevitra ianao fa mahavita hamonjy ny tenanao!
Indray andro, nahita lehilahy iray anaty rano nilentika ny mpamonjy voina. Niditra tsikelikely tao anaty rano izy fa tsy nanao izay hahatongavana haingana hanavotra ilay lehilahy. Nivory teo amoron-dranomasina ny olona ka nanomboka niantsoantso sy nihorakoraka tamin'ilay mpamonjy voina mba handeha hamonjy ilay lehilahy.
Niditra tao anaty rano ilay mpamonjy, sady nijery ilay lehilahy hatrany, nefa tsy nampihontsona azy ny antsoantson’ny olona.
Tamin’izay fotoana izay ihany rehefa hitany fa toa ho lasa tanteraka ilay lehilahy, dia nilomano mafy izy ka nisambotra ilay lehilahy ary nitondra azy niverina teny amoron-drano.
Rehefa avy nandrora rano sy kofona ilay lehilahy, dia tonga tsikelikely ny fahatsiarovany tena.
Saingy efa tsy noraisina toy ny mahery fo ilay mpamonjy, dia tezitra tamin’izany ny vahoaka. Hoy izy ireo taminy:
• "Oadray ianao ve matahotra! Fantatrao fa ho faty izy, nahoana ianao no tsy nandeha haingana kokoa?"
Hoy ilay mpamonjy ary nanazava tamin’izy ireo hoe:
"Hitanareo tsara fa lehibe sy mavesatra noho izaho izy. Raha nandeha haingana kokoa aho, dia ho niady mafy izy, ka ho rendrika izahay roa. Raha mbola niezaka nanavotra ny tenany izy, dia tsy azoko novonjena. Fa rehefa tsy nanana hery intsony izy ary nitsahatra tsy niady intsony, vao afaka namonjy azy aho."
Tahaka izany no miseho rehefa misy fitsapana tonga amintsika. Matetika loatra isika no miady amin’ny herintsika manokana, mandra-pa ho reraka tanteraka, mitomany mandra-pahataperan’ny ranomaso, fa tsy mametraka ny zava-drehetra eo am-pelatanan’i Jesosy, hatoky Azy sy hanome ny fiainantsika Azy. Rehefa reraka isika dia amin’izay fotoana izay, vao miditra an-tsehatra Izy!
• 1 Petera 5:7 : "Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo."
• Salamo 37:5 : "Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka."
• Matio 6:25 : "Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina, ary ny tena noho ny fitafiana?
Matokia an’ny Tompo, atolory Azy ny fiainanao, ary tsy ho diso fanantenana ianao, fa ny mifanohitra amin’izany, ho voatahy ianao ary ho ao anatin’ny fitsaharana. Hitahy anareo anie ny Tompo!

14/09/2024

Ny fiovampon'i Jacques

Manàsa anao hijery ny tantaran'ireto mpivady izay tena nandalo sedra tokoa. Inona ary no niafaran'ny tantara?

30/05/2024

Abrahama sy ny teny fikasana tapany faharoa

22/05/2024

Abrahama sy ny teny fikasana tapany voalohany

08/01/2024

Ny fitiavan'i Kristy 4/4

28/12/2023

Ny fitiavan'i Kristy 3/4

17/12/2023

Ny fitiavan'i Kristy 2/4 - Enteleki

11/12/2023

Ny fitiavan'i Kristy tapany voalohany - Enteleki

15/08/2023

105.Sarobidy noho ny volamena

11/07/2023

Andao ho diovina ny loharano, 365 Tantara

Adresse

22, Rue Sadi Carnot
Nanterre
92000

Téléphone

+261347464061

Site Web

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque 365 Tantara publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Contacter Le Lieu De Culte

Envoyer un message à 365 Tantara:

Partager