04/09/2026
Fintina an-tsoratra toriteny vavaka fiambenana zoma 4.9.26
2 Mpanjaka 4:1-7
Ny nampitomboan'i Elisa ny diloilon'ilay vehivavy maty vady.
Tantara tena nahavariana ato anaty baiboly ity.
Nisy vehivavy iray vadin'ny zanaky ny mpaminany, maty ny vadiny sady nananan'olona trosa izy. Saika nalain'ny tompo- trosa ny zanany roa lahy hatao andevo mba hanefana ny trosany. Soa fa mpivavaka izy ireto. Mivavaha na dia tsy ho anao aza fa ho amin'ny ho avin'ny zanakao. Nitaraina tamin'i Elisa izy ary nolazainy fa mpanompon' Andriamanitra ny vadiny. Nanana notanisaina izy. Ianao koa, mivavaha mba hanana toy izany ianao tanisainao amin'i Jesosy. Hoy I Elisa tamin'ilay hoe inona no misy ao aminao. Fanontaniana mipetraka foana izany. I Mosesy koa dia nanontanian' Andriamanitra hoe inona iny an- tananao iny? Tehina no teny aminy, toa hazo tsy nisy nilana azy, fa lasa fitaovana nanaovany fahagagana. Ianao koa, misy zavatra ao aminao ao, toa tsy nilainao hatrizay fa havadik' Andriamanitra ho lasa lasa fitahiana ho anao.
Marka 6:38
Jesosy tsy namorona m**o fa nampitombo. Tsy hiresaka famoronana isika fa fampitomboana.
Ilay vehivavy maty vady efa tsy nanana fanantenana intsony, fa nitoditodika izy nijery izay sisa nananany. Hoy izy tamin'i Elisa hoe tsy manana n'inon'inona afa-tsy diloilo iray tavoara monja aho. Kely tokoa izany, fa misy.
Nisy mpivady izay niaraka nivavaka taminay taloha, tao anaty fahasahiranana izy ireo. Nanana menaka kely izay izy ireo, nataony ary izy mihitsy no namorona azy, fa kely no tao sisa, tsy nanana " fond" izy nampitomboana azy mba hamidy. Nasainay nentiny ilay tavoahangy kely misy menaka, notsofina rano nivavahana. Fotoana fohy taorian'izay, nahazo vola kely izy nahafahana nanomboka namokatra ilay menaka, nanomboka nivarotra ary tsy nitsahatra nitombo ny " commande ". Lasa nipariitaka be io menaka io, ary manerana an'i Madagascar izany izao. Ho an' Andriamanitra ny voninahitra. Tena mampitombo Izy. Mbola manao fahagagana Jesosy.
Nasain'i Elisa nindrana vilany tsy misy n'inon'inona tamin'ny olona manodidina izy telo mianaka kely, ary nafarany mihitsy hoe aza atao vitsy, satria Jehovah tsy manao zavatra kely izany. Rehefa tafiditra ao an- trano dia nasainy nirindrim- baravarana. Anao sy Jehovah io adinao io. Aza avela ho itan'ny olonaa akory. Nanomboka nampidinina tao anaty vilany ny diloilo, feno avokoa ny vilany rehetra fa tsy nety ritra ilay diloilo.
Nisy ankohonana iray, efa kely sisa ny vary tao aminy nefa tsy mbola nananaa vola nividianana. Olona mpivavaka izy ireo. Naka vary tao anaty daba fitoerany izy, nak foana fa tsy nety lany ilay vary, mandrapahatongan'ny fotoana iray nijeren'ilay renim- poanakaviana izay tao anatiny tao, teo vao lany ilay vary.
Teto koa, tsy ritra ilay diloilo fa ny vilany no nametra azy, satria efa namoaka teny I Elisa hoe tsy ho ritra ny diloilo. Ianao koa, manàna finoan, aza mametra ny herin' Andriamanitra.
Misy lehilahy atao hoe Georges Mueller, olana naditra be izy io ary efa nigadra. Taty aoriana izy, niova fo ka lasa évangéliste. Tena olom- bavaka izy io. Nanangana centre fitaizana kamboty izy, ary nataony tanjona mihitsy ny hoe tsy hangataka aman' olona fa miandry an' Andriamanitra foana, amin'ny sakafon' ireo ankizy ireo, sy izay nilainy. Matetika no tsy misy sakafo ny ankizy, fa amin'ny ora farany misy tonga foana ao manatitra sakafo. Tena natoky an' Andriamanitra izy ary niteny hoe tsy mbola nisy zavatra nangatahany tamin' Andriamanitra ka tsy azony. Nosoratany avokoa ny valim-bavaka azony izay efa aman' aliny. Isika koa, andao hatoky an' Andriamanitra. Manàna finoana fa hainy atao ny mampitombo io kely eo an- tananao io.
Afaka ny trosan'izy telo mianaka, mbola nanana ambim- bava izy. Ianao koa, manantenà an' Andriamanitra. Manana zavatra ianao. Arolory an' i Jesosy, io hery kelinao io, fotoana kely, fonao sy fiainana efa ampahany kely io sisa no mba milamina, omeo azy hampitomboiny dia ho afaka ny zavatra manahirana anao. Tsy kamboty ianao fa manana Azy. Mahereza.
Salamo 81:10
Jehovah anie hameno ny vavanao izay mitanatana eo Aminy.
TIA ANAO JESOSY. AMEN
AKIRADIO
akiradio.radio12345.com
fans
Andramo Ka Izahao AKI.Radio
AkiRadio Andramokaizahao
Rado Akiradio
Andramo ka izahao.page.
Mampionona Akiradio