Amboaram-peo Berlin

Amboaram-peo Berlin AMBOARAM-PEO BERLIN: Antokom-pihira Kristianina eto anivon'ny Vondron'olona miara-mivavaka FJKM Berlin(VOMM FJKM Berlin).

Fotoam-bavaka PENTECÔTE🤍Manasa antsika rehetra hiaraka hanome voninahitra an'Andriamanitra ny Alahady 24 Mai izao, ho an...
22/05/2026

Fotoam-bavaka PENTECÔTE🤍

Manasa antsika rehetra hiaraka hanome voninahitra an'Andriamanitra ny Alahady 24 Mai izao, ho anao izay eto Berlin na mandalo fotsiny ihany koa.

Tongava maro ho voninahitr'Andriamanitra.

🔥 FANOMPOAM-PIVAVAHANA PENTECÔTE 🔥

“Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko...”
— Asan'ny Apostoly 1 : 8

Am-pitiavana sy fifaliana lehibe no anasan’ny VOMM FJKM Berlin antsika rehetra hiara-hankalaza ny Pentekosta ao anatin’ny fanompoam-pivavahana feno ny fanatrehan’Andriamanitra 🙏✨

📅 Daty : 24 May 2026
🕓 Ora : 16h
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin

🕊️ Fandaharana :

✨ Fotoam-piderana sy fankalazana
📖 Fitoriana ny Tenin’Andriamanitra
🙏 Fotoam-bavaka sy fifonana
🔥 Asa sy fampaherezana
🎶 Hira sy fanompoam-piderana
🥂 Fiarahana manala hetaheta ao aorian'ny fotoana

Fotoana iray hiarahana manandratra an’I Jesoa sy handraisana ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika 🙌

Tongava maro miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana fa misy fitahiana ho anao 💙

📩 Infoline : [email protected]

Fiadanana e ✨Efa afaka henoina ao amin’ny Youtube ihany koa ny hiran’ny Amboaram-peo Berlin - Ampiasao aho Mirary tontol...
08/04/2026

Fiadanana e ✨

Efa afaka henoina ao amin’ny Youtube ihany koa ny hiran’ny Amboaram-peo Berlin - Ampiasao aho

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra ✨
Tahian’ny Tompo daholo 🙏🏻

Enjoy the videos and music you love, upload original content, and share it all with friends, family, and the world on YouTube.

«Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.» Mat ‭28‬:‭6‬ ‭Velona...
05/04/2026

«Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.» Mat ‭28‬:‭6‬ ‭

Velona Jesosy, resiny ny fahafatesana ✝️

Ny Amboaram-peo Berlin dia mirary P***a sambatra ho antsika rehetra 🤍 Ilay Fanahy izay nanangana an’i Jesoa Kristy anie, hanangana ny fiainantsika amin’ny lafiny rehetra 🕊️

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ✨

Fotoam-bavaka P***A 2026 ho antsika eto Berlin ❤️Date: 12 Avril 2026 à 16HToerana: Elsa Brändström- Straße 36, 13189 Ber...
01/04/2026

Fotoam-bavaka P***A 2026 ho antsika eto Berlin ❤️

Date: 12 Avril 2026 à 16H
Toerana: Elsa Brändström- Straße 36, 13189 Berlin Pankow

Misy fiarahana miala hetaheta aorian'ny fotoana, koa samia mitondra izay azo entina avy😊

✨ MPANDRESY NY TOMPO ✨

🕊️ FANOMPOAM-PIVAVAHANA P***A 2026 🕊️

📅 Alahady 12 Aprily 2026
⏰ Amin’ny 4 ora hariva
📍 Elsa Brändström-Straße 36
13189 Berlin Pankow

✨ Ho fotoana feno fitahiana sy fanatrehan’Andriamanitra:

🔸 Fiderana sy fanompoam-pivavahana
🔸 Tenin’Andriamanitra sy fampaherezana
🔸 Fankalazana ny fitsanganan’i Jesosy Kristy
🔸 Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

🎤 Mpitarika: Pst Tahina Rahandrifenosoa

👉 Aorian’ny fotoana:
Hisy fiaraha-miala hetaheta 🤍
Koa ento izay voatsirambin’ny tanana ho fizarana.

💌 Fanazavana fanampiny: [email protected]

✨ Tongava maro, ento ny namana sy ny fianakaviana!
***a2026

SOLI DEO GLORIA🌺🙏🏼

« Omeo an’i Jehovah ny voninahitra mendrika ny anarany;mivavaha amin’i Jehovah amin’ny hatsaran’ny fahamasinana. » Salam...
29/03/2026

« Omeo an’i Jehovah ny voninahitra mendrika ny anarany;mivavaha amin’i Jehovah amin’ny hatsaran’ny fahamasinana. » Salamo 29:2

❤️Isaorana Andriamanitra ny amin'ny fahatontosan'ny concert omaly niarahana tamin'i Joseph d'Af teto Berlin.

Isaorana ireo rehetra niara-niasa taminay nahalavorary izany fotoana izany:
- Joseph D'af

-Mialy avy ao amin'ny tarika CMJ

-ireo mpitendry zava-maneno

-ny mpikirakira ara-teknika teo amin'ny feo

-ny fiangonana Ev. Freikirchliche Gemeinde Friedrichshain nampiantrano antsika tamin'ity seho ity

-ny ABC Event nikarakara ny sakafo nanohanana izany hetsika izany

-ny VOMM FJKM Berlin sy ny mpiara-mivavaka rehetra

ary indrindra ianareo rehetra tonga nanatrika ny fotoana omaly❤️Dia ny Tompo anie handrotsaka mandrakariva ny fahasoavany amintsika rehetra.

🌸Ho anao izay maniry hiditra mpikambana ato amin'ny Amboaram-peo Berlin dia afaka manoratra anay ato amin'ny page.
🌸Ny fiarahana mivavaka ao amin'ny Vomm Fjkm Berlin dia isakin'ny Alahady faha-2 sy faha-4 ny volana,izay hita ao amin'ny page ihany koa ny informations mikasika izay.

❤️Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra❤️

28/03/2026

‼️JOUR-J‼️‼️Joseph D'af eto Berlin😍

Tongava maro, na tsy nisoratra anarana ary😊
Ho an'izay tsy afaka manatrika dia afaka manaraka Live eto amin'ny page, @ 4 ora ariva eto Europe, @ 6ora ariva any Madagasikara

Toerana: Matternstraße 17, 10249 Berlin

Tsy misy vidim-pidirana fa rakitra no ho tatazana😊

23/03/2026

Aza adino ny fotoanantsika amin'ny Asabotsy hoavy izao ary, fiderana sy fiankohofana, miaraka amin'i Joseph d'Af 😊

Mbola afaka misoratra anarana hatrany: scanneo ny QR code eo amin'ny affiche, na manorata anay eto amin'ny page Amboaram-peo Berlin

Toerana: Ev. Freikirchliche Gemeinde Friedrichshain, Matternstraße 17, 10249 Berlin

Tsy misy vidim-pidorana fa rakitra no ho tatazana😊Tongava maro ho voninahitr'Andriamanitra

Aza adino ny fotoanantsika eto BERLIN, ny ASABOTSY 28 MARTSA ho avy izao miaraka amin'i JOSEPH D'AF😊 Fotoana iray tena e...
21/03/2026

Aza adino ny fotoanantsika eto BERLIN, ny ASABOTSY 28 MARTSA ho avy izao miaraka amin'i JOSEPH D'AF😊 Fotoana iray tena entintsika hanomezana voninahitra an'Andriamanitra io,no sady hanovozantsika hery ao Aminy.

Mbola tsy tara, misoratra anarana raha maniry hanatrika izany ianao.Scanneo ny QR code eo amin'ny affiche,na manorata mivantana eto amin'ny pejy Amboaram-peo Berlin, na afaka miantso ny laharana voasoratra eo ambany.

‼️Tsy misy vidim-pidirana‼️ fa rakitra no hotatazana, entitsika hanohanana izay hetsika izany.

Tongava maro ho voninahitr'Andriamanitra oooh❤️

11/03/2026

Handray anjara amin'ny 28 Mars ho avy izao miaraka amin'i Joseph d'Af koa izahay avy eto amin'ny Amboaram-peo Berlin. Ho ataontsika surprise ny fanampiny fa misorata anarana dieny izao ianao raha te hahita izany ihany koa😊

Lien fisoratana anarana: https://forms.gle/aAtY2UfFPQpr8o3o7

Vidéo concert Juillet 2025 nindramanay ny hiran'i TGC - Lehibe Jehovah

08/03/2026

Aza adino ny fotoanantsik eto Berlin miaraka amin'i Joseph d'Af, ny 28 Mars ho avy izao😊
Fisoratana anarana : https://forms.gle/aAtY2UfFPQpr8o3o7

Tsy misy vidim-pidirana fa rakitra no ho tatazana, ho fanohanana izany hetsika izany.

Fanehoana an-tsary ireo mpikambana ao amin’ny Amboaram-peo Berlin ❤️Koa manome fotoana anareo ary izy ireo ny Sabotsy 05...
08/06/2025

Fanehoana an-tsary ireo mpikambana ao amin’ny Amboaram-peo Berlin ❤️

Koa manome fotoana anareo ary izy ireo ny Sabotsy 05 Jolay ho avy izao, amin’ny 7 Ora hariva ao Matternstraße 17, 10249 Berlin, ho fankalazana ny faha-2 taona nijoroany.

«Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.» ‭‭I Tan ‭16‬:‭8‬ ✝️

Adresse

Berlin

Öffnungszeiten

Montag 09:00 - 17:00
Dienstag 09:00 - 17:00
Mittwoch 09:00 - 17:00
Donnerstag 09:00 - 17:00
Freitag 09:00 - 17:00
Samstag 09:00 - 17:00

Webseite

Benachrichtigungen

Lassen Sie sich von uns eine E-Mail senden und seien Sie der erste der Neuigkeiten und Aktionen von Amboaram-peo Berlin erfährt. Ihre E-Mail-Adresse wird nicht für andere Zwecke verwendet und Sie können sich jederzeit abmelden.

Teilen