06/11/2026
ALAHADIN'NY MPITANDRINA 2026 – FPMC
DIMANCHE DES PASTEURS 2026 – FPMC
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, Chers frères et sœurs en Christ,
Amim-pifaliana lehibe no anasan'ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Canada (FPMC) antsika rehetra hanatrika ny Alahadin'ny Mpitandrina, izay hotanterahina ny Alahady 14 Jona 2026, amin'ny 10 ora maraina, ao amin'ny Fiangonana Saint-Luc, Montréal.
Amin'ity fotoam-pivavahana manokana ity dia hiara-hitondra am-bavaka sy haneho ny fankasitrahantsika ireo Mpitandrina mpitantana ny FPMC isika:
✦ Pasteur Ambinintsoa Randrianarijaona, miaraka amin'ny vady aman-janany ary ny zafikeliny;
✦ Pasteur Ranto Andrianavalona, miaraka amin'ny vady aman-janany.
Koa manasa antsika rehetra ho tonga maro hiara-hivavaka, hiara-hidera ary hiara-hisaotra an'Andriamanitra noho ny fitahiany sy ny fahasoavany eo amin'ny fiainan'ireo Mpitandrina sy ny ankohonany, ary noho ny fanompoana mahatoky ataon'izy ireo ho fampandrosoana ny Fiangonana.
🙏 Tongava maro hiara-hankalaza sy hiara-hivavaka amin'izao fotoana feno fitahiana, firaisam-po ary fifankaherezana ho an'ny fiangonana manontolo izao.
🍽️ Hisy ny sakafo agape iarahana aorian'ny fotoam-pivavahana, ka manasa antsika rehetra hijanona hiara-mifaly sy hifankahery amin'izany.
*
C'est avec une grande joie que l'Église Protestante Malgache au Canada (FPMC) vous invite à participer au Dimanche des Pasteurs, qui aura lieu le dimanche 14 juin 2026 à 10 h, à l'Église Saint-Luc de Montréal.
Au cours de ce culte spécial, nous nous réunirons pour porter dans nos prières et exprimer notre reconnaissance envers les pasteurs responsables de la FPMC.
Nous vous invitons chaleureusement à venir nombreux afin de prier, louer et rendre grâce à Dieu pour les bénédictions et la grâce qu'Il accorde à nos Pasteurs et à leurs familles, ainsi que pour leur fidèle ministère au service de l'Église.
🍽️ Un repas fraternel (agape) sera servi après le culte. Nous vous invitons à rester avec nous pour partager ce temps de convivialité, de joie et de fraternité.