MKMB Bruxelles

MKMB Bruxelles TONGASOA eto amin'ny pejin'ny Mpiara-Mivavaka Kristiana Malagasy eto Benelux ! La MKMB est une communauté chrétienne Malagasy basée à Bruxelles.

Enfant de la FJKM, elle a pour objectif de rayonner l’enseignement du Christ et de nourrir notre foi.

Mampatsiahy antsika ny fotoan-dehibe ny alahady 28 jona 2026 ho avy izao 😊
26/06/2026

Mampatsiahy antsika ny fotoan-dehibe ny alahady 28 jona 2026 ho avy izao 😊

💕
26/06/2026

💕

FJKM

26/06/2026

🙏Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
— Salamo 33 : 12

🙏Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
— Jakoba 5 : 16

🙏734. Zanahary ô tahio ny tanindrazanay

Zanahary ô, tahio
Ny tanindrazanay
Handroso lalandava,
Handry fahizay !
Enga anie hanjaka ao
Ny saina mahay miray ;
Dia ho tany sambatra
'lay Madagasikaranay !

Ireo mpitondra anay
Arovy lalandava koa,
Tolory saina hendry,
Kinga sy mahay
Ka ny marina anie
No mba hanjaka ao tokoa ;
Dia ho tany sambatra
'lay Madagasikaranay !

Ny taranakay tahio
Ho vanona tokoa :
Ireo no solofo,
Dimby rahatrizay !
Mba ho tena mahatoky,
Feno fahendrena koa ;
Dia ho tany sambatra
'lay Madagasikaranay !

Mirary fety finaritra ho an' ny isa-piankohonana♥️

26/06/2026
25/06/2026

❤️ Inona NY MARIKA hamantarana ny TENA KRISTIANA?

📖 Voasoratra hoe: "Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa MPIANATRO ianareo, RAHA MIFANKATIA." (Jaona 13:34-35)

🌍 Ny zava-misy iainantsika sy hitantsika

Maro ny teny nolazaintsika hamaritana ny maha-kristiana:
• anaram-piangonana
• fombafombam-pivavahana
• karazan-toetra samihafa
• fitafiana, fihetsika, fiteny
• fahalalana ara-Baiboly
• fanomezam-pahasoavana...

Kanefa tsy ireo no noresahin'i Jesoa teto... fa ny FIFANKATIAVANA tahaka ny nitiavany antsika.

⚖️ Ny dikan'ny teny nampiasain'i Jesoa

Ny teny grika ampiasaina eto dia ἀγαπάω (agapaō) sy ἀγάπη (agapē).
.. Tsy fitiavana mifototra amin'ny fihetseham-po mandalo io.. Tsy fitiavana olona mora tiavina ihany koa.. Tsy fitiavana olona satria mitovy hevitra amintsika izy.

FA fitiavana an-tsitrapo, tarihin'ny finiavana, ka mitady ny hahasoa ny hafa na dia tsy mendrika ny hotiavina aza izy.... Izay nasehon'i Kristy Jesoa teo amin'ny hazofijaliana.

Ka ny fitiavana kristiana dia tsy valim-pitia noho ny hatsaram-panahy nasehon'ny olona tamintsika; fa mifototra sy vokatry ny fitiavan'i Kristy.

📜 Fiangonana vavolombelon'ny Fitiavana

Ireo Rain'ny Fiangonana dia nanamarika fa ny zavatra nahasarika ny jentilisa tamin'ny Kristianina dia tsy ny herin'ny fandresen-dahatra, fa ny herin'ny fitiavana hita teo amin'ny fiainany.

Tertullien, ohatra, dia nanoratra fa gaga ny mpanompo sampy nahita ny kristiana ka nilaza hoe: "Jereo ange ny fifankatiavan'izy ireo e."

Ny Reformateurs toa an'i Jean Calvin dia nampianatra fa ny finoana marina dia mamoa amin'ny fitiavana sy ny asa tsara.

👉 Àry ankehitriny, mba inona re no ambaran'ny olona momba ny kristiana e?

🙏 Hotahin'i Jesoa



Pasteur Ekena

21/06/2026
"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona" (Hebreo 10:25a)
20/06/2026

"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona" (Hebreo 10:25a)

Adres

Boulevard Bischoffsheim 40
Brussels
1000

Website

Meldingen

Wees de eerste die het weet en laat ons u een e-mail sturen wanneer MKMB Bruxelles nieuws en promoties plaatst. Uw e-mailadres wordt niet voor andere doeleinden gebruikt en u kunt zich op elk gewenst moment afmelden.

Contact De Plaats Van Aanbidding

Stuur een bericht naar MKMB Bruxelles:

Delen