02/06/2026
✨🙏 FANOMPOAM-PIVAVAHANA 🙏✨
Am-pitiavana sy fifaliana no anasanay antsika rehetra hiara-hivavaka sy hiombom-po amin’ny Tompo amin’ity fanompoam-pivavahana manokana ity.
📖 Fandaharam-potoana :
✅ Fandraisana Katekomena
✅ Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
🎯 Lohahevitra :
“Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo”
Fotoana iray hiaraha-mankalaza ny fahasoavan’Andriamanitra, handraisana ny Teniny ary hanamafisana ny finoana ao Aminy.
📅 Daty : 14 Jona 2026
🕓 Ora : 16h
📍 Toerana : Elsa-Brändström-Straße 36, 13189 Berlin
🙏🏼Mpitandrina: Pst Tahina Rahandrifenosoa
Tongava maro miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana. Misy fitahiana sy hafatra manokana avy amin’Andriamanitra ho an’ny tsirairay.
Ao aorian'ny fotoana dia hisy fiaraha-manala hetaheta toy ny mahazatra, koa entanina isika hivimbina izay tsakitsaky sy zava-pisotro azontsika hifampizaràna🫶🏽
📩 Infoline : [email protected]