Ecar Paroisse Sacre Cœur 75 Ans Tanambao V

Ecar Paroisse Sacre Cœur 75 Ans Tanambao V Diocèse TOAMASINA

📸⛪ Ireo sary nanamarika ny famaranana ny fankalazana ny Jobily faha-75 taona ny Paroasy Fo Masin’i Jesoa (Sacré-Cœur) Ta...
02/07/2026

📸⛪ Ireo sary nanamarika ny famaranana ny fankalazana ny Jobily faha-75 taona ny Paroasy Fo Masin’i Jesoa (Sacré-Cœur) Tanambao V.

🙏 Fotoana feno hafaliana sy fisaorana an’Andriamanitra, niarahan’ny kristianina sy ireo vahiny nankalaza ity tsingerintaona manan-tantara ity.

✨ Mankasitraka an’Andriamanitra noho ny fitarihany nandritra izay 75 taona izay, ary misaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fankalazana.

🤝 Indreto ary ireo sary mitahiry ireo fotoana nahafinaritra sy tsy hay hadinoina.

🎉🍽️ FANDAHARAM-POTOANA – ALAHADY 28 JIONA 🍽️🎉🕦 11 ora sy 30 minitra : 🔹 Hanomboka ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihava...
24/06/2026

🎉🍽️ FANDAHARAM-POTOANA – ALAHADY 28 JIONA 🍽️🎉

🕦 11 ora sy 30 minitra : 🔹 Hanomboka ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana.
🔹 Samia mitondra sakafo sahaza avy, fa ny nofon-kena no ifampizarana.

🕛 12 ora antoandro : 🔹 Fahatongavan’ireo vahiny nasaina.
🔹 Ny Chorale Solofon’i Jese no hanafana ny fety mandritra ny sakafo.

🌞 Ny tolakandro : 🔹 Fisarihana TOMBOLA
🔹 Ny tarika Ôsoko Mozika no hanafana ny fety.

📌 Samia manatona ny toerana misy ny kartie misy azy avy ary manaraka ny fandaminana sy toromarika apetraky ny Filohan’ny Kartie sy ny Komity mpiara-miasa aminy, indrindra amin’ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana.

🤝 Andao hiara-hankalaza amim-pifaliana sy amim-pirahalahiana!

⛪🎉 Ireo sary andiany faharoa nandritra ny Lamesa famaranana ny fankalazana ny Jobily faha-75 taona ny Paroasy Fo Masin’i...
18/06/2026

⛪🎉 Ireo sary andiany faharoa nandritra ny Lamesa famaranana ny fankalazana ny Jobily faha-75 taona ny Paroasy Fo Masin’i Jesoa Tanambao V. 🎉⛪

🙏 Sorona Masina fisaorana an’Andriamanitra noho ny 75 taona niorenan’ny Paroasy, niarahana tamin’ireo kristianina, pretra, relijiozy ary vahiny nasaina.

✨ Fotoana nanamarika ny firaisam-po, ny finoana ary ny fankasitrahana ireo ezaka sy zava-bita nandritra izay taona maro izay.

📸 Indreto ary ireo sary andiany faharoa maneho ny hakanton’ny fankalazana.

🙏 Voninahitra anie ho an’Andriamanitra mandrakizay.

⛪🎉 FANDAHARAM-POTOANA – SABOTSY 13 JIONA 🎉⛪🧹 Fanadiovana faobe🕣 Manomboka amin’ny 08 ora sy 30 minitra maraina📍 Ao anati...
12/06/2026

⛪🎉 FANDAHARAM-POTOANA – SABOTSY 13 JIONA 🎉⛪

🧹 Fanadiovana faobe
🕣 Manomboka amin’ny 08 ora sy 30 minitra maraina
📍 Ao anatiny sy manodidina ny fiangonana

🏛️ Fanomanana ny Varavarana Misokatra
🎨 Fanamboarana sy fametrahana haingon-trano
🖼️ Fampirantiana sy fanomanana ireo stand

📢 Entanina ny Comité Restreint, ny ekipan’ny fankalazana ny faha-75 taona, ny fikambanana rehetra ary ny solontenan’ny kartie tsirairay mba ho tonga hanomana sy hikarakara ny stand misy azy avy.

👕 Fivarotana Tee-shirt sy mari-pahatsiarovana
🕝 Manomboka amin’ny 02 ora sy 30 minitra tolakandro
📍 Eo amin’ny Châlet

⛪🎉 FANDAHARAM-POTOANA – ALAHADY 14 JIONA 🎉⛪

📍 Fankalazana ny Jobily

🔹 Fitsofan-drano ny Stèle alohan’ny lamesa
🔹 Sorona Masina amin’ny 06 ora sy 30 minitra maraina, iarahana amin’ireo vahiny nasaina
🔹 Fitsidihana varavarana misokatra (eo anoloana sy ankavian’ny fiangonana – Esplanade)
🔹 Fitsofan-drano ny WC vaovao
🔹 Sakafo maraina (ao amin’ny rihana faharoa)
🔹 Fizarana vatomamy sy biscuit aorian’ny lamesa faharoa (Foyer Angelo Rota)

⚽ Ny tolakandro:
🔹 Fifaninanana Foot à 5 karakarain’ny FTP

🤝 Manasa antsika rehetra ho tonga maro hiara-mankalaza sy hiaina an’ity fotoana manan-danja ity.

🙏 Tongava maro ary mirary fety sambatra ho antsika rehetra!

Address

TANAMBAO V
Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ecar Paroisse Sacre Cœur 75 Ans Tanambao V posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share