31/10/2024
Mofonaina Alakamisy 31 Oktobra 2024
Mat.21.23-32
I- NY "TSIA" NIOVA "ENY" NOHO NY NENINA.
- NY lahimatoa rehefa nirahin'ny Rainy hiasa any an-tanimboalobony dia namaly mazava hoe "TSY HANDEHA AHO"= Je ne veux pas.
- Nanoloana izany valinteny mampalahelo sady mandratra fo izany dia tsy mba tezitra na sendaotra ny Rainy, sady tsy nandray fepetra koa. Ray be fandeferana Izy , no safy Ray be fitiavana.
- Voalaza eto hoe :"nefa noho ny afaka izany, dia NANENINA izy ka nandeha ihany. Ny hoe "NANENINA"= matoanteny grika "METAMELOMAI= repentir, se repentir, manifester un regret sincère de ses péchés, de sa faute, accompagné de l'intention de réparer.
- Izany hoe ny atao hoe "NANENINA" dia alahelo mafy noho ny fahotana sy ny fahadisoana vita, arahana hetahetam-pihavaozana te-hiarina sy te hanonitra. Izany no nataon'ity lahimatoa ity.
FAMPIHARANA
- Tsarovy fa maniraka anao mandrakiriva hiasa eo an-tanimboalobony Andriamanitra Rainao. Maro t@ ireny iraka ireny no efa novalianao hoe "tsy handeha aho".
- T@ ireny fandavana rehetra nataonao taminy ireny dia tsy nanenina akory ianao fa mitokozihitra fotsiny tsy mety hirahina hatr@ farany.
- Diso ianao @ izany satria tsy mba nanenina. Naniraka anao hanao Tafika Masina Izy. Sady tsy nandeha ianao no tsy nanenina. Diso ianao noho izany.
-Naniraka anao HAZOTO HIVAVAKA SY HAMAKY BAIBOLY IZY. Sady tsy miaina feno am-bavaka nefa ianao no tsy nazoto namaky baiboly akory. Jereo fa tsy nanenina akory ianao t@ izany. Maro ny nanirahany fa tsy nandeha ianao sady TSY NANENINA.
- Aoka HANENINA ianao ankehitriny. Aoka halahelo hitomany hidradradra ianao ka hiarina sy hifona @ Ray ary mirotsaha hiasa ao an-tanimboalobony. Onero ny tsy vitanao t@ iraky ny Tompo. Aza mafy fo, aza mangatak'andro fa miverena @ Andriamanitra ka mibebaha. Mivonòna hiarina sy hihavao ianao.
II- NY "ENY" NIOVA "TSIA"
- Rehefa nandà ilay lahimatoa dia nankeo @ faralahy indray ny Rainy dia hoy faralahy "HANDEHA AHO TOMPOKO" (Je veux bien Seigneur) kanjo tsy nandeha izy.
FAMPIHARANA
-Maro ny kristianina toy izany. Mody manaiky an-kamoràna eo anatrehan'Andriamanitra, nefa tsy manatanteraka izany akory. Mahadiso eo anatrehan'ny Tompo izany.
- Ny olona toy izany dia tsy ho tafiditra @ fanjakan'Andriamanitra, fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga kosa no hialoha azy ireny any @ Fanjakan'Andriamanitra satria nanenina sy nibebaka ireo mpamory hetra sy ny vehivavy janga ireo.
- Aoka ianao hanao défit ka tsy hanaiky ho "dépassé n'ny mpamory hetra sy vehivavy janga" . Mbà Tonga saina!
- Maro ireo fanekena nataonao teo anatrehan'ny Rainao. T@ ireny dia nanaiky ianao hoe ENY. Firy isanjatony t@ izay nekenao moa no mba nataonao. Tsia dia TSIA hatr@ farany ve izany no hotazoninao. Ho lasa eo alohanao any @ Fanjakan'Andriamanitra ireo olon-dratsy , sqatria nanenina sy nibebaka izy ireny. Tandremo e! Tandremo hoy aho.
- Tano ny ENY nataonao t@ iraky ny Ray ka mandehana tanteraho @ finoana sy am-pitiavana izany dia hiditra ao @ fanjakan'Andriamanitra ianao. Amena.