Araraoty ny andro azo anaovantsoa

Araraoty ny andro azo anaovantsoa Efesiana 5:15-16:
"Koa jereo tsara, ry rahalahy, fa tsy toy ny olona tsy manana fahendrena no iainana, fa toy ny olona manan-kery.

Araraoty ny andro, fa ratsy ny fotoan'andro."

Ny Fiangonana Kristy Herin'ny Famonjena Soamahavory Ankaraobato dia faly manasa anao hanatrika ny Andro Firavoravoana na...
15/04/2025

Ny Fiangonana Kristy Herin'ny Famonjena Soamahavory Ankaraobato dia faly manasa anao hanatrika ny Andro Firavoravoana na ny Herinandro Masina izay efa nanomboka omaly...hanefa aza adino tsy mbola tara ianao

✅ Mbola mitohy izany hatramin'ny asabotsy 19 Aprily ary faranana amin'ny Fotoandehibe amin'ny P***a
✅Hiravoravo ao amin'i Jesosy isika sady hahazo fanafahana
❤️ Fotoana handraisanao fiadanana sy fiainam-baovao ao amin’i Jesosy Kristy

Aza adino! Andro lehibe ho an’ny fanahinao izao! Tongava miaraka amin’ny fianakavianao, zarao amin’ny namanao!

Jesosy no làlana, fahamarinana ary fiainana!
Tongava hahita, hahatsapa, ary hiova!

Miandry anao izahay!



Ity misy tantara kely iray mampieritreritra. Momba lehilahy iray izay nanana ny zava-drehetra, nefa mbola tsy nahita fia...
14/04/2025

Ity misy tantara kely iray mampieritreritra. Momba lehilahy iray izay nanana ny zava-drehetra, nefa mbola tsy nahita fiadanana marina. Vakio hatramin’ny farany, fa misy hafatra ho anao.

Nisy lehilahy iray, izay mba azo atao ihany hoe nanana ny maha izy azy. Nanany ny vola sy harena, nanany ny fahefana, ary olona manam-boninahitra ihany koa izy. Tsy nisy izay tsy nahalala sy nihaiky ny manodidina azy, ary milaza mihitsy aza fa sambatra izy. Kanefa na de teo aminy avokoa aza izany rehetra izany dia tsy mbola nahatsapa ho tena sambatra io lehilahy io. Rehefa nandeha tokoa ny fotoana dia niova ny zava-drehetra. Ny fananany izay noheveriny hampiadana azy toa mihalany sy miharingana. Ny olom-pantany izay neritreretiny hanampy azy toa nandao avokoa rehefa tojo zava-tsarotra. Very hevitra izy. Ary niafara tamn'iny aretina mihitsy ny adin-tsaina nahazo azy. Rehefa tapitra lany nentina nitsaboana azy avokoa ny volany, ary efa teo ambavahoan'ny fahafatesana izy no sendra nisy mpanompon'Andrimanitra tonga tao amin'ny hopitaly. Diso varavarana izy ka tao amin'io lehilahy io no niditra. Tsy kisendrasendra anefa fa efa planin'Andriamanitra Ilay izy. Teo no nilazana azy ny momba an'i Jesosy, izay manome mihoatra noho ny vola sy harena. Manome fiadana Jesosy, ary tsy manam-petra. Tsy eto an-tany ihany fa mbola izy ihany koa no lalana makany amin'ny fiainana mandrakizay, izay toerana tsy misy fahoriana intsony. Tsapan'ilay lehilahy teo fa na dia nana-karena be aza izy dia banga ny fiainany satria tsy teo Jesosy, ary izay nananany nesorina taminy. Tamin'iny ora farany izy no nandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany manokana Ary tapitra ny ainy.

Ianao kosa anefa Raha mahita izao hafatra izao dia Mbola tsy tara. Tsy kisendrasendra, fa misy zavatra tian'Andriamanitra fenoina eo amin'ny fiainanao toy ny an'ilay lehilahy teo.

Herinandro Firavoravoana Fiangonana Kristy  Herin'ny Famonjena📢Fantatrao ve fa? Ny andro firavoravoana dia mandritra ny ...
11/04/2025

Herinandro Firavoravoana Fiangonana Kristy Herin'ny Famonjena📢

Fantatrao ve fa? Ny andro firavoravoana dia mandritra ny fito andro no hitandremana azy.

❌Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao... satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.”❌
— Deoteronomia 16:15

Ny andro firavoravoana dia fotoana hahazoanao fifaliana sy fanafahana toy ny nanafahan'ny I Jehovah ny zanak'Israely tany Egypta

Inona intsony aza no endrasana eh...Tsy kisendrasendra no nahitanao an'ito hafatra ito fa fanafahana sy fitahiana ho anao.
Andao hiaraka aminay hitandrina ny Herinandro firavoravoana

📢Ao Soamahavory Ankaraobato ny fotoanantsika mandritra ny Herinandro masina Manasa antsika rehetra tompoko handray ny fa...
09/04/2025

📢Ao Soamahavory Ankaraobato ny fotoanantsika mandritra ny Herinandro masina
Manasa antsika rehetra tompoko handray ny fahasoavan' Andriamanitra ❤️

Mbola tsy nisy ohatran'ity!  📢📢📢Andro firavoravoana, na Herinandro masina miavaka ao amin'ny Fiangonana Kristy Herin'ny ...
08/04/2025

Mbola tsy nisy ohatran'ity! 📢📢📢

Andro firavoravoana, na Herinandro masina miavaka ao amin'ny Fiangonana Kristy Herin'ny Famonjena Soamahavory Ankaraobato! Fotoana anakiray handraisanao Famonjena, fiadanana sy vahaolana ao amin'i Jesosy Kristy. Fantaro fa ny vavaka dia manova Zavatra Ary ny Zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra! Koa tapao ny hevitrao fa io no fotoana mety handraisanao ny anjaranao ao amin'ny Tompo. Manomboka ny Alahady 13 Aprily ka hatramin'ny Sabotsy 19 Aprily!

Faly manasa anao izahay hanatrika izany fotoan-dehibe izany! Tongava fa Jesosy efa miandry anao!


Address

Tanjombato
Tanjombato

Telephone

+261343792736

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Araraoty ny andro azo anaovantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share