EOV, Taranaka Mpanorina.

EOV, Taranaka Mpanorina. Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from EOV, Taranaka Mpanorina., Religious organisation, Tanambao, Tanambao.

11/12/2020

La vérité en pleine figure...

24/11/2020

Monseigneur Benjamin Marc Ramaroson, c.m.
Archevêque d’Antsirananana
Administrateur Apostolique d’Ambanja
Tél : (261) 32 11 539 39
BP 415
5 Boulevard Le Myre de Villers
201 ANTSIRANANA Madagascar [email protected]

“Tsy isika fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka aamintsika” FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARA-MIVAVAKA MANDALIM-PINOANA...
MBA HO EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA MANDRAY AN-TANANA MANORINA ETA

Ny hafaliana vokatry ny fitiavana, iainana ao anatin'ny fianakaviana dia hafaliana ho an'ny Eglizy ihany koa.
Io tenin’i Papa amin’ny fampirisihina Apostolika “Amoris Laetitia” io no mamelombelona sady manosika antsika amin’izao DEPART VAOVAO FIAINGANA VAOVAO izao ka ny fianakaviana Eglizy kely no ivo toerana hanampy antsika amin’ny ady sady dia hahatonga antsika ho EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA.
Ny faniriana sy ny vavaka dia mba ho Eglizy kely velona tokoa ny fianakaviana. Mindrana ity vavak’i Md Paoly ity aho ho an’ny fianakaviana rehetra :”Izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitra ho anareo izany. Eny, noho izany no andohalihako amin'ny Ray, izay angalan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin'ny Fanahy, sy ny hitoeran'ny Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin'ny fitiavana ianareo », Ef 3, 13-16

FANAMARIHINA : Ny fianakaviana resahintsika eto dia tsy voatery ilay fianakaviana ao an-tokatrano ihany. Fianakaviana ihany koa ny fikambanana masina, firohotana, vaomiera, sekoly, ankohonam-panabeazana, toeram-piasana sns....

ZARAINTSIKA ROA NY EZAKA ATAONTSIKA MBA HAHAMORA AZY FA RAHA NY MARINA MIFANINGOTRA ARY MIFAMENO : Vavaka + dinika loharano sy fototry ny ezaka
A) VAVAKA : FIANAKAVIANA MASINA MODELY SADY MPIVAVAKA HO AN’NY FIANAKAVIANA Marina samy manana ny fomba fivavaka fa ity misy torolalana :
Fototra sy loharano ny Eokaristia ka mampirisika antsika hamonjy ny fankalazana Eokaristia fa indrindra ny sabotsy sy alahady. Raha tsy misy dia entanina isika any amin’ny Eglizy fiombonana, Eglizy fototra hanao fanompoam-pivavahana iraisana.
Vavaka tsara atao :
• Vavaka rehefa mifoha ataon’ny tsirairay
• Vavaka maraina fanolorana ny andro sy anjelisy.
• Manao ny vavaka iarahana amin’ny Fianakaviana isan’andro (samy mijery ny fotoana mahamety azy ny eglizy kely)
• Vavaka alohan’ny sakafo sy aorian’ny sakafo
• Sapile
• Vavaka hatory
Mety misy vavaka hafa miankina amin’ny devotion. Anjarantsika ny mandamina azy. Ampirisihina mandrakariva isika....
B) FANDALINAM-PINOANA mba ho sekoly fianarana ny Evanjely ny Fianakaviana Eglizy kely
Ny Fianakaviana Masina dia nazoto nivavaka sy nandalina ny finoana. Tsy tonga ho azy izany fomba nahazatra sy fiainan’ny Fianakaviana Masina izany fa nolovana avy amin’ny tontolom-piainana (culture) mivavaka sy mandalim-pinoana tamin’ireo jody (jereo Mt sy Lk). Ny Soratra Masina manambara izany. Maro be, ao amin'ny Baiboly, ny fitenenana momba ny fianakaviana, ny taranaka, ny tantaram-pitiavana ary na ny korontana eo amin'ny fiainam-pianakaviana aza. Manomboka amin'ny pejy voalohany, idiran'ny fianakavian'i Adama sy i Eva an-tsehatra, ahitana herisetra mifanesisesy, nefa eo koa ny herin'ny aina mitohy (jer. Jen 4) ka hatrany amin'ny pejy farany ahitana ny lanonam-panambadian'ilay Vehivavy ampakarina sy ny Zanakondry (Ap 21,2.9). Ireo trano anankiroa tantarain'i Jesoa, ny iray naorina teo ambonin'ny vatolampy ary ny iray teo ambonin'ny fasika (jer. Mt 7,24-27), dia enti-milaza toe-java-misy maro iainan'ny fianakaviana nateraky ny fahafahana ananan'ireo olona ao, satria, araky ny voasoratr'ilay mpanao tononkalo hoe: «ny trano rehetra dia fanaovan-jiro avokoa»*
Raha fintinina io fampianaran’i Papa io dia MILA MAMBOLY TONTOLO MANAMPY NY FIANAKAVIANA EGLIZY KELY HIVAVAKA SY HANDALIM-PINOANA isika. Toa ny fambolena rehetra dia mila tetika, fahaizamanao... Inona no ataontsika? Tsara zaraina amin’ny hafa.... TSARA KOA ANEFA NY MAHAFANTATRA FA NY FANAHY MASINA NO LOHARANO SY FOTOTRY NY VAVAKA (jereo Rm 8...)
2. (Amoris Laetitia) N° 15 : Fantatsika fa ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia misy fitenenana hoe: «Eglizy mivory ao an-tokantrano» (jer. 1Kôr 16,19; Rm 16,5; Kôl 4,15; Filem 2). Ny seha-piainan'ny fianakaviana iray dia mety hiova ho Eglizy ao an-tokantrano (Eglizy kely), ho sehatra itoeran'ny Eokaristia, ahitana an'i Kristy mipetraka hiara-komana. Tsy hay hadinoina ilay sary arantin'ny Apôkalipsa: «Indro aho fa mijoro eo am-baravarana sady mandondòna; raha misy mandre ny feoko ka mamoha varavarana, dia hiditra ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy, izaho moa ho eo anilany ary izy ho eo anilako» (Ap 3,20). Dia toy izany no ilazana ny trano mianoka amin'ny fonenan'Andriamanitra ao anatiny sy amin'ny fiarahamivavaka, ary noho izany, dia mianoka amin'ny fitsimbinan'ny Tompo ihany koa izy. Io no ambaran'ny Salamo faha-128, izay raisintsika ho fototra iaingana eto: «Dia toy izany ny soa hanambinana ny lehilahy matahotra ny Tompo. Ny Tompo anie hanambina anao avy ao Siôna!» (and 4-5).
NB : SADY MODELY HO ANTSIKA NO MPANDRAY VAVAKA I JESOA : isaky ny hiatrika zava-dehibe teo amin’ny fiainany i Jesoa dia tsy nitsahatra nivavaka (jereo talohan’ny nanomboka ny fitoriana dia nandeha tany an’efitra, talohan’ny nifidy ireo apostoly, talohan’ny nilaza fa tsy maintsy hijaly izy, talohan’ny nijaliany ....); toerana mangina mandrakariva no nofidiny ... nampianatra momba ny fomba fivavaka.... Ireo Apostoly koa torak’izany...
Asa : Tadiavo ao amin’ny evanjely ny toko sy andininy misy ireo voalaza ireo ary diniho...
FIANAKAVIANA EGLIZY KELY IVO TOERANA HANDALINAM-PINOANA : TSARA AMPIASANA IREO TENY AMIN’ILAY VAVAKA KA ATAO DINIKA SY FIFANAKALOZANA....: INONA NO EFA NATAONTSIKA ...... : “ny fianakavianay koa mba ataovy tonga sehatraanjakan'ny fiombonana, ataovy tonga senakla iarahanay mivavaka, ataovy tonga sekoly anovozanay fahalalana ny Evanjely, ary ataovy tonga Eglizykely ao antokantrano ao....”
HANAMAFY NY DINIKA JEREO ARY FAKAFAKAO IRETO TENIN’I PAPA IRETO
(Amoris Laetitia)n° 16- Ny fianakaviana ihany koa dia toy ny Baiboly izany hoe toerana anomezana fandalinam-pinoana ho an'ny ankizy. Maneho an'izany ny famisavisana ny fankalazana ny Paka (jer. Eks 12,26-27; Dt 6,20-25), ary izany, avy eo, no novelabelarina tao amin'ilay antsoin'ny Jody hoe haggadah, tantara omena endrika tafasiry, ampiarahina amin'ny fombam-pivavahana ihinanana ny sakafon'ny Paka...
MBOLA MANAO TAFASIRY MASINA VE NY FIANAKAVIANA IZANY HOE MITANTARA NY TANTARAMPIAINAN’NY OLONA MALAZA TOA NY OLOMASINA SY MARTIRY ? (Mb Goretti, Md Dominique Savio, Olts
Lucien Botovasoa., ...)
Manana adidy hifofotra tsara amin'ny fanatontosana ny raharaham-panabeazana nankinina aminy ny ray aman-dreny, araka ny fampianarana matetika omen'ireo olonkendry ao amin'ny Baiboly (jer. Oh 3,11-12; 6,20-22; 13,1; 22,15; 23,13-14; 29,17). Taomina ny ankizy handray ary hanatanteraka ny didy manao hoe: «hajao ny rainao sy ny reninao» (Eks 20,12); amin'izany, ny matoanteny hoe «manaja» dia milaza ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny adidy ara-pianakaviana sy ara-piaraha-monina, ka tsy ny fivavahana mihitsy no atao fialan-tsiny hanaovana tsirambina azy (jer. Mk 7,11-13). Satria tokoa «izay manaja ny rainy dia manonitra ny fahotany, ary izay manome voninahitra ny reniny dia toy ny olona manangona raki-tsarobidy» (Si 3,3-4).

Ireto teboka tsara hofakafakaina sy hodinihina ary hifampizarana hanohizana ny dinika.....
• Inona ny hataontsika hiatrehana ny fahasimban’ny fianakaviana sy ny fanamby miandry azy?
• Tsy misaraka amin’ny resaka fianakaviana ny fanambadiana sy ny fanabeazana. Voahozongozona ny fianakaviana ka marary ny fanambadiana, marary ny fanabeazana, marary ny fiaraha-monina : Inona no ataontsika mikasika ireo ? Misy tetika ve azontsika aroso eto amin’ny eglizy iraka, eto amin’ny diosezy amahana io olana io ?
• Inona no andrasan’ny fianakaviana amin’ny Eglizy?
Torolalana no natolotra teto ka aza gaga raha misy tsy voalaza ny lafiny maro na ireo natolotra aza dia tsy niditra amin’ny antsipirany isika. Ankinina amintsika ny manohy ny dinika.

Mitsodrano ny fianakaviana tsiraikiraiky aho mba ho “Eglizy kely” tokoa ka samy hanao DEPART VAOVAO
AMIN’IZAO PANTEKOTY VAOVAO IRINTSIKA IZAO. Hifampivavaka isika miaraka amin’ny Fianakaviana Masina sy Olts Lucien Botovasoa. Ankiniko amin’ny Fo Masin’i Jesoa ny fianakaviana rehetra eto amin’ny diosezy ka hanjaka ny famindram-po sy ny fifamelan-keloka.
Manararaotra an’ity torolalana ity no miarahaba sy mirary soa antsika EOV MISIONERA nahavitra ny taona litorjika. Bonne et sainte préparation de noël isika Jiaby. Mivavahà koa ho ahy.

FANAMARIHANA :
DIOSEZIN’ANTSIRANANA : TSARA MISY TATITRA ATAO SY FIFAMPIZARANA REHEFA MIVORY NY SECTEUR
ARY MISY MANDRAY AN-TSORATRA KA ALEFA ATY AMIKO ATAONTSIKA FAMPIANARANA SY TOROLALANA ETO AMIN'NY DIOSEZY
DIOSEZIN’AMBANJA : TSARA MIVORY NY ISAKY NY PAROASY DIA MANDEFA AZY ATY AMIKO JERENTSIKA AMIN’NY FIVORIANTSIKA PRETRA NY FANAOVANA SYNTHESE AZY.

Antsiranana faha-11 Novambra 2020 Fetin’i Md Martin

EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA MANDRAY AN-TANANA Manentana ny EOV tsirairay mba andray anjara amin'ny Hasim-pinoana :...
24/11/2020

EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA MANDRAY AN-TANANA

Manentana ny EOV tsirairay mba andray anjara amin'ny Hasim-pinoana : "Mba hivaingana sy ho azo tsapain-tanana àry ny ataontsika" amin'ny maha Katolika atsika.

Afaka alaina amin'ny Président ny Eglizy Fiombonana misy atsika any ny "CARTE D'IDENTITE KATOLIKA" izay ahitana ny momba atsika sy ny hezaka izay takiny Diosezy amintsika tsirairay.

Indray mandeha isan-taona no andraisantsika antanana ny finoantsika eo amin'ny Diosezy koa misaotra mialoa sahady.
Réf: Taratasy Pastoraly faha-8

11/11/2020

Monseigneur Benjamin Marc Ramaroson, c.m.
Archevêque d’Antsirananana
Administrateur Apostolique d’Ambanja
Tél : (261) 32 11 539 39
BP 415
5 Boulevard Le Myre de Villers
201 ANTSIRANANA Madagascar
[email protected]

TARATASY PASTORALY FAHA-8

SAO SANATRIA EFA TARA E....
NA MIARAKA AVOTRA ISIKA KA TAFAVOAKA MIATRIKA IZAO KORONTANAVIRUS IZAO SATRIA MIARA-MIFAMPITSIMBINA....
NA MIARA-RENDRIKA SATRIA SAMY MANDEHA SAMY MITADY….
(AUDIENCE GENERALE VOLANA AOUT SY SEPTAMBRA PAPA FRANCOIS)

HO ANTSIKA EOV VITA BATEMY REHETRA
PRETRA, VOATOKANA, LAHIKA: TOLAGNA
HOMBA ANTSIKA MIANAKAVY ANIE NY FIADANAN’NY TOMP
“TSY ISIKA FA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA MIARAKA AMINTSIKA....”

Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be (KORONTANAVIRUS) sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina (PANTEKOTY VAOVAO), dia tonga nanahaka ny Tompo ianareo, ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra…” (1Tes 1, 6)

Milaza miara-mahita isika fa maro ny zavatra mikorontana nentin’ity Krizy ity izay azo lazaina fa tsy krizy ara-pahasalamana fotsiny fa maro lafy indrisy ka betsaka ny zavatra potika : very fanahy mbola velona ny maro, very repères (tondrom-piainana), very identité (ny maha-izy azy), very ny soatoavina ….Vokany potika ny fifandraisana rehetra na ara-panahy na ara-batana na ara-tsaina. Efa misokatra, ohatra, (efa mibihagna) ny eglizy nefa noho confinement (fihibohana) dia za-dratsy ny maro ka misy sahy milaza fa tsy mahita intsony ny ilàna ny fankalazana fa ampy ny mivavaka manaraka ny fandaharana amin’ny televisiona na radio … Fantaro fa kristianina katolika isika ka fototra sy loharano ny fankalazana fa indrindra ny Eokaristia. Ny Eokaristia no manorina ny Eglizy ary ny Eglizy no mankalaza ny Eokaristia….Voatohina ny identité noho ity KORONTANAVIRUS ity.
Na manao akory na manao akory, hafa ny fiainantsika talohan’ny krizy, hafa ny fiainantsika mandritra izao krizy izao ary tsy maintsy hafa ny fiainantsika aorian’ny krizy...
Tsara ihany koa ny manipika fa samy manana ny pastôraliny ny diosezy, kanefa maro koa ny iombonana ary sarotra ny manao taratasy samihafa fa indrindra tanjona iray ihany no tratrarina. Noho izany miala tsiny raha taratasy anankiray no alefa fa anjarantsika kosa no mandrindra araka ny diosezy misy antsika. Manaraka izany tsy voatery ho voalaza eto daholo ny rehetra (ity aza efa lava!!!) ka manasa antsika hameno araky ny fanentanana natao sy araky ny fivoriana niarahana. Fahatelo torolalana pastôraly no atolotra fa tsy vahaolana vita fonosana ka anjarantsika ny mijery ny zava-misy iainantsika ka mampihatra am-pahendrena tsilovin’ny Fanahy Masina.
1) MAHAY MAKA LESONA AVY AMIN'NY LASA : TANTARAN’NY EGLIZY
Tsy zava-baovao eo anivon’ny Eglizy ny fihibohana fa efa anisan’ny fiainany. Porofon’izany ireo moines, mpitoka-monina. Matetika ny vokatry ny fihibohana dia mitondra fiainam-baovao hatrany. Ohatra: lehibe ny “krizy” nentin’ny fijalian’i Kristy sy ny fahafatesany. Very fanahy mbola velona tanteraka ireo mpianatra toa ireo nandeha tany Emaosy. Rehefa nifanojo, nihaona tamin’i Kristy anefa izy ireo dia niova tanteraka, “nirehidrehitra ny fo” nanambara fa nitsangan-ko velona i Kristy. Nihiboka niara-nivavaka tamin’i Masina Maria ireo Apostoly ka niova tanteraka rehefa nidinan’ny Fanahy Masina ka tsy navozo intsony fa nijoro vavolombelon’ny Vaovao Mahafaly. Nandalo krizy mafy izao tontolo izao tamin’ny taonjato faha-20. Nihiboka nanao konsily ireo Aban’ny Eglizy ka “niteraka fihavaozana lehibe teo amin’ny Eglizy dia Konsily Vatikanina faha-2” izay namaritra lehibe ny anjara toeran’ny lahika sns…
Mitondra amin’ny fiovam-penitra mahery vaika (changement radical) ny fivoahana amin’ny krizy : nouveau depart (fiaingana vaovao), Pantekoty vaovao hoy ny fiteny.
Raha amin’izao tontolo izao tokoa dia maro ny very fanahy sy very identité noho izao krizy izao fa isika kosa manana an’I Kristy “tsy miova omaly, anio ary mandrakizay…”

2) OLON’NY FINOANA, OLON’NY FITIAVANA, OLON’NY FANANTENANA

Fantaro fa izay olona nifanojo tamin’I Kristy dia niova ary afaka nampiova ny hafa. Izay no atao hoe Olon’ny finoana, izany hoe olona nanao safidy matotra, nanao “eny” tahaka an’i Masina Maria, olona fola-kevitra (convaincue). Araky ny fampianaran’I Md Curé d’Ars : ny olon’ny finoana dia olona mandahatra araka ny ambaratongany ireo izay mandrafitra ny fiainany toa ny soatoavina, toa ny tondrolalana (repères) sns…Manana an’I Kristy ilay tsy mivadika mandrakizay ary tsy miova omaly anio ary mandrakizay ary nilaza hoe : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ka noho izany tsy ho very satria mazava ny lalana, tsy misy mampavozo satria miorina mafy, tsy voahozongozona intsony na dia eo aza ny fijaliana sy sedra dia mahatsiaro sambatra, mitoetra ao anatin’ny fiadanana satria manana an’i Kristy aina, fiainana tsy very mandrakizay. Ny olon’ny finoana dia iray aina amin’I Kristy ka zary olon’ny fitiavana tsy araka ny hevitr’izao tontolo izao izay entin’ny fitiavan-tena, fialonana, avonavona miteraka fanilikilihana sy fanapotehana fa araka ny fampianaran’I Kristy izany hoe fitiavana tsy misy takalo, fahafoizana ka zary manompo tahaka an’i Kristy (jereo Filp 2). Ohatra sy modely amin’izany i Masina Maria ilay Misionera Voalohany, ilay Tabernakla velona voalohany rehefa avy “nandray an’i Jesoa” (ho antsika amin’ny sakramenta fa indrindra ny komonio) lasa nandeha nanompo an’i Mb Elisabeth. Ny mpanompo tokoa no manatona an’izay tompoina…. Olon’ny finoana, olon’ny fitiavana izay vita Batemy iray aina amin’i Kristy, iray fitiavana amin’i Kristy ka olon’ny fanantenana. Mety ho maro ny sedra, ny fahoriana, ny fijaliana fa indrindra amin’izao Krizy izao fa tahaka ireo Apostoly tsy kivy fa manana an’i Kristy. Hoy i Md Paoly milaza ny traikefany : “nino na dia tsy tokony ho nisy antenaina aza (Rm 8, 14).
Noho izany “fohazy ny finoana” satria araky ny fampianaran’i Papa tamin’ny 27 Mars 2020 dia tsy i Jesoa no matory miatrika izao samboaravoaran’ny krizy izao fa ny finoantsika no matory ka mila fohaziny izany hoe mametraka an’i Jesoa eo anivon’ny fiainantsika sy ivon’ny fiainantsika ka zary EOV (Eglizy Olona Velona) marina tokoa isika vita batemy.

3) TSY MISY NY DIOSEZY, TSY MISY NY EGLIZY, FA IANAO SY IZAHO ISIKA MIARAKA NO MAMPISY AZY...
Tsy mahazo mipetra-potsiny isika hoy ny Papa tamin’ny hafatra teny Soamandrakizay : “Ny mpanara-dia an’i Kristy dia voaantso ho iraka ka tsy mahazo mipetrapetraka, na miraviravirary tanana fa tsy maintsy mirotsaka miasa, manova ny fiainan’izao tontolo izao, indrindra ireo toe-javamisy mahonena iainan’ny zanak’olombelona izay tsy mifanaraka velively amin’ny fandaharan’Andriamanitra mba...”. Manosika antsika ho EOV MISIONERA io hafatr’i Papa io. Maniraka antsika HANAVAO ny fifandraisana amin’ny zavaboary, amin’ny fiaraha-monina andavanandro, amin’Andriamanitra : EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA MBA HANORINA ETA (EGLIZY TRANOBEN’ANDRIAMANITRA).
Tsy araka ny lojikan’izao tontolo izao ny fanorenana ny Tranoben’Andriamanitra, izany hoe tsy maintsy miady amin’ny fitiavan-tena, ny fialonana, ny avonavona… Tsy “consommateur” intsony ka vonona hiala amin’ny gejan’ny fanjifana tsy mahay mionona fa zary ho “acteur” mandray antanana, mpanorina. Matetika isika no miteny hoe : “Mba inona no nataon’ny diosezy tamiko? Inona no nataon’ny Eglizy tamiko? Mifamadika ny fanontaniana.Tsara aloha raha mametraka ny fanontanina hoe mba inona no nataoko nampisy ny diosezy, inona no nataoko nampisy ny egliziko? Fantaro tokoa fa tsy misy ny diosezy, tsy misy ny eglizy fa isika no mampisy azy… Noho izany mba mahatsiaro tena ho tompony tokoa ve isika? Sa mpanjifa fotsiny ? Mahatsiaro ho tompon’ity tany ve isika sa mpanjifa fotsiny ? Hoy indrindra ny Papa: “izao no fotoana hahafahana miala amin’ny gejan’ny fanjifàna tsy mahay mionona…”
Matoa tsy misy azon’ny diosezy atao dia satria tsy nataonao izay nampisy azy ?
4) NY FIANAKAVIANA EGLIZY KELY LOHARANO SY FOTOTRA...
Ny lalana ahafahantsika maneho fa tena EOV dia isika mandray an-tanana : mba tsy ho mpanjifa fa mikajy ny soa iombonana sy mpamelona ary mpizarazara ny soa amin’ny hafa.
Tsy maintsy miainga amin’ny loharano sy fototra isika : NY FIANAKAVIANA EGLIZY KELY. Io no lalan’ny safidian’Andriamanitra raha nahary antsika olombelona Izy 5jereo Jen 1, 2). Raha fintinina ny fahariana dia mifototra amin’ny zavatra telo izay mifameno sy mifaningotra ka raha tsy eo ny anankiray dia mitongilana ny fiainantsika olombelona : noharian’Andriamanitra isika hitovy endrika Aminy nohariana ho tia sy ho tiavina (fitiavana no itovizantsika amin’Andriamanitra satria fitiavana Andriamanitra), noharian’Andriamanitra niaraka tamintsika ny fianakaviana ka tsy hahita fivelarana ny olona raha tsy anatin’ny fianakaviana, rehefa hitan’Andriamanitra fa tsara izao rehetra izao dia nomeny antsika olombelona ny zava-boary mba ho kolokoloina amin’ny alalan’ny asa, hifampitsimbina fa tsy hifanapotika. Rehefa nanota isika dia mbola ny fianakaviana ihany koa no nentin’Andriamanitra hamonjy antsika tamin’ny alalan’ny Teniny tonga nofo teo anivon’ny Fianakaviana Masina.
Raha tiantsika àry ny hizotra amin’ny départ vaovao, amin’ny fiaingana vaovao, amin’ny fanorenana ny ETA dia tsy maintsy miainga amin’ny fianakaviana isika ka izy no ivon’ny fikolokoloana sy ny fikajiana ny zava-boary ary mbola izy ihany koa no ivon-toeran’ny fandraisana an-tanana na ara-nofo na ara-panahy na ara-tsaina...
Indrisy ny fianakaviana no mizaka ny tsy eran’ny aina amin’izao. Ny fanabeazana izay tsy misaraka amin’ny fianakaviana no potika… 5) ADY SADY DIA...
Mizara efatra ny Ady sady Dia hanambarantsika ny Pantekoty vaovao, ny départ vaovao : Ady amin’ny ratsy amin’ny lafin’ny rehetra ary Dia entanin’ny Fanahy Masina mankany amin’ny fiainam-baovao ivelaran’ny Zanak’Andriamanitra, ny mahaolona manontolo sy ny olon-drehetra ka zary taranaka mpanorina.
a) Fianakaviana Eglizy kely miara-mandalina ny finoana sy miara-mivavaka. Tsara kokoa raha fianakaviana maromaro mitambatra miara-mivavaka ka ny modely sady mpivavaka ho antsika ny Fianakaviana masina : manomboka amin’ny Alahady voalohany amin’ny Avent ka hatramin’ny Noely. (mbola misy taratasy manokana mikasika io ezaka ataontsika io...).
b) Fianakaviana Eglizy kely miaro, mikolokolo ny tontolo iainana, ny Tranobe Iombonana, miaro ny zava-boary : Taombaovao ka hatramin’ny Paka. Nahazo fanomezana lehibe avy amin’Andriamanitra isika nefa tsy nokolokoloina fa nopotehintsika... Tsy mitsahatra manohy ny fahotan’i Adama sy Eva isika ary indrisy mihoatra aza ( Jereo Jen3 ary jereo koa ny vavaky ny Papa tamin’ny Jobily Lohataonan’ny Fahariana). Vanim-potoanan’ny karemy ary koa vanim-potoanan’ny asara, fotoan’ny mahalegny eto amintsika ka fotoana fanatanterahana ny fambolen-kazo. Mitaky fiovam-penitra mahery vaika ny fifandraisantsika amin’ny zava-boary, hoy ny Papa. Mila fibebahana lalina ka tsy ho mpanjifa mitrandraka ny harena fotsiny fa ho mpanorina indray (mbola misy taratasy manokana hanoro antsika ny atao araky ny fampianaran’i Papa ao amin’ny Laudato sì)..
d) Fianakaviana Eglizy kely mikajy ny soa iombonana mifanasoa sy mifampitsimbina
manomboka amin’ny Alahadin’ny Paka ka hatramin’ny 15 Aogositra : Vokatry ny Paka Fitsangananko velona ny fiovam-penitra mahery vaika : miara-maty amin’i Kristy amin’ny fahotana ka miaramihavao, miara-mitsangan-ko velona”. Fianakaviana Eglizy kely olom-baovao vokatry ny Paka ka mifampitsimbina sy mifanasoa (Ansiklika tutti Fratelli). Hoy Papa tamin’ny tanora teny Soamandrakizay : “tsy mahazo milaza amin’ny akaikinao hoe tsy mila anao aho… Izao tokoa ny vanim-potoana tsara ho an’ny fianakaviana eglizy kely mifanasoa sy mifampitsimbina : EOV Misionera vita batemy ka irahina zary tabernakla velona mizara ny famindrampon’Andriamanitra… Io fifampitsimbina sy fifanasoavana io no antom-pisian’ny fikambanana masina firohotana ary ireo vaomieran’asa isan-karazany. Manambara fa Fahazavana sy Fanasina ka tena Kristy Mpiara-belona amin’ny olona tokoa. Miova ny fifandraisana eo anivon’ny fiaraha-monina ka manjaka ny fifankatiavana, ny rariny sy hitsiny ary tanteraka ny fihavanana marina izay soatoavina Malagasy….. Ity fifampitsimbinana sy fifanasoavana ity no mampibaribary fa tena Olo Araiky tokoa isika ka zary ETA Eglizy Tranoben’Andriamanitra tsy misy mifanilikilika, tsy mifanapotika fa mifampitsimbina, mifanasoa…
e) Fianakaviana Eglizy kely mandray an-tanana : 15 août ka hatramin’ny Fetin’i Kristy Mpanjaka : tsy mpanjifa intsony isika fa tena tompony rehefa namakivaky ireo vanim-potoana telo teo aloha ireo. Tsara marihina fa ny fandraisana an-tanana dia mandavan-taona fa noho ny fizarazarana no mahatonga azy ho 15 août no manomboka. Rafitra apetraka anefa izany fa anjarantsika ny mahita izay tena fotoana mahamety azy isan-taona.
Endriky ny fandraisana an-tanana ny fanatanterahana ny hasim-pinoana. Fihavaozana, départ vaovao no tanjona entin’ny Pantekoty vaovao. Ny teny mampita hevitra. Izany no nahatonga antsika nanova ny fiantsoana ny “denier de culte”. Raha ny marina tsy isika fa i Mgr Albert Tsiahoana izay nanatrika ny Konsily Vatikana Faharoa izay lazaina matetika ho Pantekoty vaovao teo anivon’ny Eglizy. Ny Konsily vatikana faharoa no nametraka tokoa ny lahika ho Apostoly mandray an-tanana. Io foto-kevitra io no nandrisika azy hanova ny “denier de culte” ho hasim-pinoana izany hoe tsy anarana fotsiny no miova fa ny foto-kevitra entina sy ny tanjona …Mba ho tena tompony, ho tena acteur, ho mpikatroka dia manomboka amin’ny mbola kely satria mila fanabeazana ny maha eglizy fianakavian’Andriamanitra fa tsy voa-janahary vokatry ny safidy izay miseho amin’ny Kofirmasio ka antsoina hoe : hasim-pinoana satria avy an-trano ny jijy vao miboaka, avy an-trano ny Hasina vao mivoaka aty ivelany. Manome Hasina ny finoako aho satria kristianina katolika ka mampisy ny diosezy, mampisy ny eglizy misy ahy. Ny finoako kosa manamasina ahy amin’ny alalan’ny Sakramenta. Fantatsika fa ny pretra no mizara ny sakramenta sy mitory ny Vaovao mahafaly . Noho izany ny hasim-pinoana dia entina hikarakarana ny pretra manomboka amin’ny fiofanana ka hatramin’ny fiainana rehefa amperin’asa sy raha sanatria tsy salama (assurance) ary hikarakarana azy rehefa tonga ny fahanterana. Indray andro any azy mety hisy trano hipetrahan’ireo Pretra zokibe na tsy salama.
Tsara koa ny manamarina fa tsy misy intsony ny fanampiana avy any ivelany… na misy fa tena kely ary ity krizy ity mety hampihena azy bebe kokoa… Efa naminany izany i Md Papa Paoly faha 6 tany Kampala (1965) : “tonga ny fotoana ianareo afrikanina no misionera ho an’ny afrikanina”...
izany hoe isika vita batemy EOV no irahina ho misionera amin’izao.
6) EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA MANDRAY AN-TANANA
Hitantsika fa sady EOV Misionera isika ka misy ny fohy ezaka izay tsy maintsy tanterahina dieny izao satria vonjy rano vaky, misy ny ivo ezaka izay mila fandaminana ary eo lavitr’ezaka izay mila fiofanana nefa tsy tokony ho tara io fiofanana io raha tiantsika hisy vokatra ary vokatra maharitra. Ireo rehetra ireo tsy mahasakana ireo fanaontsika mahazatra any amin’ny paroasy (Ambanja) na Eglizy Iraka (Antsiranana) misy antsika toa ny “enveloppe de noël” sy “envelope de pâques”sy ny rakitra ary ny vokatra isan-karazany amelomana ny eglizy toa ny basy mena sns… Mazava ho azy fa tsy maintsy ao anatin’ny mangaraharaha ny fitantanana mba samy ho tena “acteur” sy tompony tokoa ny vita batemy tsirairay. Mila manao tomban’ezaka matetika mba hitoetra tsara ny fifampitokisana. Ilaina noho izany ny fametrahana isaky ny eglizy sy paroasy ny Vaomieran’ny fiainam-piangonana na Filan-kevitra ny fitantanana eo anivon’ny diosezy (conseil economique et financier). Mila fiofanana izany rehetra izany. Vonona hanao izany ireo efa manana fahaizana amin’izany...
Mba hivaingana sy ho azo tsapain-tanana (concret) àry ny ataontsika dia manomboka amin’ity taona ity ny “carte d’identité katolika” ho antsika sy ireo miombon’antoka amintsika (efa nisy eo anivon'ny diosezin'Antsiranana). Soratana ao anatin’ny karatra ny ezaka ataon’ny vita batemy rehetra tsy misy avakavaka na kely na lehibe na ireo vonona hiombona amin’ny eglizy manambara ny fandraisana an-tanana. Noferana ho 1000 ar isan-taona isaky ny vita batemy ny faran’ny ambany fa afaka manome mihoatra izany araka izay foiny. Misoratra ao ihany koa ny fandraisana an-tanana amin’ny fambolen-kazo fanehoana ihany koa ny fikolokoloana ny Tranobe iombonana araka ny fanamby tamin’ny faha-60 ny diosezin’Antsiranana : Hazo 6 isaky ny vita batemy mandritra ny 10 taona...
FAMARANANA SY FANIRAHANA ARY VAVAKA
Taom-pikatrohana vaovao mitondra amin’ny “Nouveau Départ”, Pantekoty Vaovao vokatry ny fiovam-penitra mahery vaika iadiantsika amin’ny KORONTANAVIRUS mitondra amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Jesoa Kristy, “lalana sy fahamarinana ary fiainana”. Tsy isika tokoa fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika no manosika antsika hiroso lalindalina kokoa amin’ny fandraisana an-tanana amin’ny lafin’ny rehetra na ara-panahy na ara-nofo na ara-tsaina satria olon’ny finoana, olon’ny fitiavana, olon’ny fanantenana. Izao tokoa ny fotoana tsara hahatonga antsika ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Enga anie haka tahaka ny Fo Masin’i Jesoa ny fontsika jiaby mba hizara ny famindram-pon’Andriamanitra. Ankinina amin’i Masina Maria Renin’ny Eglizy ny ezaka rehetra ataontsika. Izy no milaza amintsika hoe : “ataovy izay rehetra lazainy aminareo”. Andeha hiaraka isika Olo Araiky, Eglizy Fianakaviam-ben’Andriamanitra eto amin’ny diosezy hameno ireo siny enina dia ny sinin’ny “VAVAKA”, sinin’ny “FANDALINAM-PINOANA”, ny sinin’ny “FANOMPOANA”, ny sinin’ny “FANDRAISANA AN-TANANA”, ny sinin’ny “FIVORIANA, NY FIOFANANA, NY FIFANDRAISANA”, ary ny sinin’ny “FANKALAZANA”. I Md Fidèle Monseigneur Benjamin Marc Ramaroson, c.m.

Taom-pikatrohana vaovao mitondra amin’ny “Nouveau Départ”, Pantekoty Vaovao vokatry ny fiovam-penitra mahery vaika iadiantsika amin’ny KORONTANAVIRUS mitondra amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Jesoa Kristy, “lalana sy fahamarinana ary fiainana”. Tsy isika tokoa fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika no manosika antsika hiroso lalindalina kokoa amin’ny fandraisana an-tanana amin’ny lafin’ny rehetra na ara-panahy na ara-nofo na ara-tsaina satria olon’ny finoana, olon’ny fitiavana, olon’ny fanantenana. Izao tokoa ny fotoana tsara hahatonga antsika ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Enga anie haka tahaka ny Fo Masin’i Jesoa ny fontsika jiaby mba hizara ny famindram-pon’Andriamanitra. Ankinina amin’i Masina Maria Renin’ny Eglizy ny ezaka rehetra ataontsika. Izy no milaza amintsika hoe : “ataovy izay rehetra lazainy aminareo”. Andeha hiaraka isika Olo Araiky, Eglizy Fianakaviam-ben’Andriamanitra eto amin’ny diosezy hameno ireo siny enina dia ny sinin’ny “VAVAKA”, sinin’ny “FANDALINAM-PINOANA”, ny sinin’ny “FANOMPOANA”, ny sinin’ny “FANDRAISANA AN-TANANA”, ny sinin’ny “FIVORIANA, NY FIOFANANA, NY FIFANDRAISANA”, ary ny sinin’ny “FANKALAZANA”. I Md Fidèle Mpiaron’ny diosezin’Ambanja sy ny Olts Lucien Botovasoa hivavaka ho antsika. Mitsodrano anareo jiaby izaho. Mivavahà ho an’ity Mpanomponareo.
Anio 07 Oktobra 2020
Fankalazana ny Mpanjakavavin’ny ROZERY

+ Mpanomponareo Ramaroson Marc Benjamin, cm
Mpiaron’ny diosezin’Ambanja sy ny Olts Lucien Botovasoa hivavaka ho antsika. Mitsodrano anareo jiaby izaho. Mivavahà ho an’ity Mpanomponareo.
Anio 07 Oktobra 2020
Fankalazana ny Mpanjakavavin’ny ROZERY

+ Mpanomponareo Ramaroson Marc Benjamin, cm

Address

Tanambao
Tanambao

Telephone

+261328291812

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EOV, Taranaka Mpanorina. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share