14/07/2025
"Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany" Mat 5: 47b
♥️Manasa antsika rehetra indray hiara hiombona amin'ny sampana VFL amin'ny alahady 27/07/2025 izay hanatanterahana ny fotoam-bokatry ny sampana♥️
👉Fotoam-pivavahana fidirana roa hatrany izay faranana @ lavantim-bokatra
👉Hisy varotra sakafo mafana isankarazany (vary @ anana miaraka @ laoka saosisy sy kitozan'akoho🥰, café, ronono, madeleine ☕), salade de pâte
👉Amin'io fotoana io no hanatanterahana ny opération koba izay hanentanana antsika hatrany @ fandraisan'anjara.
👉Ny tapak'andro hariva dia hisy ny rindran-kira lehibe iarahana @ tarika Mialy RAKOTOMAMONJY manomboka @ 2ora sy 30min, manasa antsika rehetra ho tonga marobe ,mbola misy hatrany ny tapakila.
👉Mandray mpikambana vaovao hatrany ny sampana ka manasa anao @ fifaliana mba hiara hiombom-panompoana aminay ao anatin'ny sampana VFL izay tena isaorana ny Tompo ny fitomboan'izany🥰🙏
♥️Manantena anao mandrakariva hiara hientana @ sampana ho fampandrosoana ny asan'ny Tompo🙏🙏
"Ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako"Jak 2: 18b