Vovonana Diosezy Katolikan'ny Tanora Morondava

Vovonana Diosezy Katolikan'ny Tanora Morondava Fifampizarana sy Fampianarana ary Fampitana vaovao samihafa Vdkt Morondava

Permanently closed.
Zoma Faharoapolo tsotra Mandavan-taonaEvanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 22,34-40.Nony ren'ny Farisiana...
19/08/2022

Zoma Faharoapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 22,34-40.

Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy hoe: Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? Ary hoy Jesoa taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

Izany ary ny tenin'i Tompo!

Talata Faharoapolo tsotra Mandavan-taonaEvanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 19,23-30.Ary dia hoy Jesoa t...
16/08/2022

Talata Faharoapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 19,23-30.

Ary dia hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: Koa iza ihany ary no mety ho voavonjy? Nijery azy ireo Jesoa, ka nanao hoe: Tsy hain'olombelona izany, fa vitan'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Namaly Piera ka nanao taminy hoe: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka anao, ka inona ary no ho azonay? Hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin'ny andro fanavaozana, ny Zanak'olona dia hipetraka eo amin'ny fiketrahan'ny fiandrianany; ary hianareo izay nanaraka ahy koa hipetraka amin'ny fiketrahana roa ambin'ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin'ny folo amin'Israely. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.
Izany ary ny tenin'i Tompo.

Alakamisy Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taonaEvanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 18,21-35.19,1....
11/08/2022

Alakamisy Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 18,21-35.19,1.

Ary tamin'izay, nanatona azy Piera nanao hoe: Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin'ny impito va? Dia hoy Jesoa taminy: Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito-polo fito. Koa amin'izany, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin'ny mpanompony: ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin'ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra. Nangoraka ny fon'ilay tompon'izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin'ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: Aloavy ny trosako any aminao. Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra. Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin'ny tompony. Dia nampanalain'ny tompony izy ka nilazany hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho hianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin'ny namanao va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon'ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo. Rahefa avy niteny izany Jesoa, dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin'i Jodea

EVANJELY ANIOTalata Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taonaEvanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 18,1...
09/08/2022

EVANJELY ANIO

Talata Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Matio 18,1-5.10.12-14.

Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra? Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. Koa amin'izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely izy, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian'ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.

Mba hahazoana ny vakiteny isan'andro amin'ny mailakao, misorata anarana eto: https://evanjelyanio.org

Fifampizarana anio Alarobia 16 febroary 2022Alarobia Fahaenina tsotra Mandavan-taona Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosor...
16/02/2022

Fifampizarana anio Alarobia 16 febroary 2022
Alarobia Fahaenina tsotra Mandavan-taona
Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 8, 22-26,

Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin'i Jesoa ny tànan'ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tànana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin'ny hazo. Dia nametrahany tànana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain'i Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin'ny olona ao an-tanàna.

Fifampizarana anio Talata 15 febroary 2022Talata Fahaenina tsotra Mandavan-taonaMarka toko 8, 14-21,      Ary nanadino t...
15/02/2022

Fifampizarana anio Talata 15 febroary 2022
Talata Fahaenina tsotra Mandavan-taona
Marka toko 8, 14-21,

Ary nanadino tsy nitondra m**o ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy m**o iray monja teo an-tsambo kely. Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: Mitandrema tsara hianareo fandrao azon'ny lalivain'ny Farisiana sy lalivain'i Heroda. Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: Noho isika tsy manana m**o izay. Fantatr'i Jesoa ny heviny ka hoy izy taminy: Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo m**o? Mbola tsy misy hevitra sy tsy mahazo saina ihany va hianareo? Donto ny fonareo? Mana-maso fa tsy mahita va hianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary mahatadidy va hianareo? Raha nizara ny m**o dimy tamin'ny olona dimy arivo aho, firy no sobiky feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Roa ambin'ny folo, hoy ireo taminy. Ary raha nizara ny m**o fito tamin'ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Fito, hoy ireo taminy. Ka nahoana ary, hoy izy taminy, no mbola tsy mahalala ihany hianareo?

Tsy atao lava gny resaky Aleo ny sary no hiteny. Vagno tokoa raha ty! Manentana antsika iaby mba hiomana Ka miamby faran...
11/02/2022

Tsy atao lava gny resaky
Aleo ny sary no hiteny.
Vagno tokoa raha ty!
Manentana antsika iaby mba hiomana
Ka miamby farany!
Alefa Morondava
Alefa
Alefa

VDKT Morondava dia mirary Noely 2021 feno fahasambarana ho antsika rehetra.
14/12/2021

VDKT Morondava dia mirary Noely 2021 feno fahasambarana ho antsika rehetra.

Tanora mijory.... Tontosa androany 26/09/21 ny fambolen-kazo izay nataon'ny Tanoran'ny Mahabo AIMMisaorata anareo.. Fiar...
26/09/2021

Tanora mijory....
Tontosa androany 26/09/21 ny fambolen-kazo izay nataon'ny Tanoran'ny Mahabo AIM
Misaorata anareo..
Fiarovana ny tranobe iombonana.
Herinandron'ny Fahariana.

Isaorana Andriamanitra fa totosa soamatsara ny fiofanana izahay niarahana tamin'ny TANORA ISCaMenIsaorana ny Eveka Ray a...
26/09/2021

Isaorana Andriamanitra fa totosa soamatsara ny fiofanana izahay niarahana tamin'ny TANORA ISCaMen
Isaorana ny Eveka Ray aman-dReny Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien
Isaorana bevata ihany koa ny ao amin'ny DRETFP MENABE Izay nampiofana ireo tanora ireo
Izany fiofanana izany dia nofaranana tamin'ny fizarana Attestation.
Izany no tanteraka dia ny fiaraha miasa ny VDKT Morondava sy ny DRETFP MENABE
isaorana ihany koa ny avy ao amin'ny ISCaMen
Santatra ambavarano ihany iny vita igny satria mbola hoavy ny andiany manaraka.

Naissance: 25 mai 1887 Pietrelcina (Italie)Décès: 23 septembre 1968  (81 ans)San Giovanni Rotondo (Italie)Nom de naissan...
23/09/2021

Naissance: 25 mai 1887 Pietrelcina (Italie)
Décès: 23 septembre 1968 (81 ans)
San Giovanni Rotondo (Italie)
Nom de naissance: Francesco Forgione
Nationalité: Italienne
Ordre religieux: Frères mineurs capucins
Fête: 23 septembre

Ampifaliana indray no iarahabana antsira rehetramitohy ny fiofanana izay iarahan'ny Vovonana Tanora Diosezin'ny Morondav...
22/09/2021

Ampifaliana indray no iarahabana antsira rehetra
mitohy ny fiofanana izay iarahan'ny Vovonana Tanora Diosezin'ny Morondava( Vdkt Morondava) sy ny DRETFP Menabe
Fiofanana hoan'ireo Tanora ao amin'ny ISCaMen, izay hanomboka ny ZOMA @ 08ora Maraina ka hifarana ny ASABOTSY amin'ny 05Ora.
Tongava maro hoan'izay vonona sy mbola liana fa raisina antanan-droa.

Address

Namahora
Morondava

Telephone

+261327269541

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vovonana Diosezy Katolikan'ny Tanora Morondava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Vovonana Diosezy Katolikan'ny Tanora Morondava:

Shortcuts

Share