Katedraly Maria Manjaka Namahora Morondava

Katedraly Maria Manjaka Namahora Morondava Katedraly Maria Manjaka Namahora Morondava

Fanamasinana eveka an'i Mgr Jeannot Martial ANDRIANANDRAINY Eveka mpanampy vaovao ny Diosezy Morondava Notronin’ireo eve...
26/07/2026

Fanamasinana eveka an'i Mgr Jeannot Martial ANDRIANANDRAINY Eveka mpanampy vaovao ny Diosezy Morondava
Notronin’ireo eveka eraky Madagasikara
Ny Mpitondra Fanjakana Notarihiny Filohan’ny Fanavaozana ,Mpanolotsaina avo ny Fanavaozana,Praiminisitra, Ministrin’ny tontolo iainana sy ny Fandroasoana Lovainjafy

24/07/2026
Liste ny vokatra Fisarihana Tombola KERIMESY LIA RAIKY
26/05/2026

Liste ny vokatra Fisarihana Tombola KERIMESY LIA RAIKY

22/03/2026
Tanteraka soa aman-tsara tao amin’ny Katedraly Maria Manjaka – Namahora, Morondava ny visite pastorale nataon’ny Eveka,👤...
01/02/2026

Tanteraka soa aman-tsara tao amin’ny Katedraly Maria Manjaka – Namahora, Morondava ny visite pastorale nataon’ny Eveka,
👤 Monseigneur Marie Fabien Raharilamboniaina.
🎉 Nankalazaina tamin’izany ny fetin’ny Olo-masina mpiaro ny Mpiservi Lamesa Md Joany Bosco,

🤍Nitsofin’i Mopera Eddilas, Curé ny Katedraly, rano voahasina ireo Aube sy ireo mpiservi vaovao

𝐁𝐄 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐈 𝐃𝐎𝐍 𝐁𝐎𝐒𝐂𝐎.I Masindahy DON BOSCO dia ilay Olomasina manakaiky ny fon-tsika Tanora. Tanora sahirana, tsy mb...
31/01/2026

𝐁𝐄 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐈 𝐃𝐎𝐍 𝐁𝐎𝐒𝐂𝐎.

I Masindahy DON BOSCO dia ilay Olomasina manakaiky ny fon-tsika Tanora.

Tanora sahirana, tsy mba nanana fahafahana ary niaina tanaty faharetana i Joany Bosco, kanefa nahatoky sy nikiry fa tsy maintsy ho tanteraka ny nofinofiny dia ny hanabe ny Tanora, hanome fitiavana sy hafaliana ny Tanora fa indrindra hampanakaiky ny Tanora rehetra amin'Andriamanitra.

Mbola Tanora izy dia tsapany ny hoe, tsy misy Tanora ratsy, tsy misy ny Tanora tsy mendrika fa ny tsy fahampiana fitiavana sy fanantenana no mahatonga azy ireo hivoana matetika.

Tsy nanomboka ny asany tamin'ny fitorian-teny, sy fizarana Tenin'Andriamanitra izy, fa kosa, nanakaiky ny Tanora tamin'ny alalan'ny filalaovana niaraka tamin'izy ireo, ny fihainoana, fa indrindra ny fiarahana mifaly tamin'ireo Tanora.
Ho azy, ny tena fitiavana ny Tanora dia tsy inona fa ny fanakaikezana azy ireo sy ny fihainoana ny ao am-pony.

Ny tsiambaratelony ve ?
- Ny hafaliana.
- Ny fahatokisana.
- Ny faharetana.
- Ary ny fametrahana an'Andriamanitra eo afovoan'ny zavatra rehetra.

Ankehitriny ry Tanora, dia mampatsiahy antsika i Don Bosco fa na inona na inona tsy fahamendrehantsika sy ny lasantsika dia manana ny tanjony ho antsika Andriamanitra.
" Mifalia, manaova ny marina fa ho ataon'Andriamanitra ny ambiny rehetra." hoy izy.

Mirary fety sambatra ho antsika Tanora rehetra, tsy ho adinoina ihany koa ny Fikambanana rehetra izay eo ambany fiarovany, dia ny PISERVIE LAMESA ny Katedraly Maria Manjaka Namahora Morondava

Sary :Tontolo Katolika

✨ Fanamasinana & Jobily ✨Tao amin’ny Tokotany malalaky ny Katedraly Maria Mpanjaka Namahora – Morondava no nanatanteraha...
25/01/2026

✨ Fanamasinana & Jobily ✨
Tao amin’ny Tokotany malalaky ny Katedraly Maria Mpanjaka Namahora – Morondava no nanatanterahana ny Fanamasinana an’i :
✝️ Diacre Jose Angel Rojas Torres
✝️ Père Iarisoa Pascal Anjaratinasoa
✝️ Père Diego Alexander Pérez Lopez
✝️ Père Olivier Maniraguha
🎉 Nankalazaina ihany koa ny Jobily faha-25 taona naha-Père an’i Père Hilaire Jean Marie Kablan Kouaho.
🙏 Ny Sorona Masina dia notarihin’i Monseigneur Marie Fabien Raharilamboniaina.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery anie ny zava-drehetra ✨💒

Address

Morondava

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Katedraly Maria Manjaka Namahora Morondava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category