Mishkan Méïr Madagascar משכן מאיר מדגסקר

Mishkan Méïr Madagascar משכן מאיר מדגסקר Mishkan Meïr,la maison de la communauté juive orthodoxe séfarade de Madagascar

Misy olona manoratra ao amin'ny fanehoan -kevitra hoe: "I Palestine no hany firenena naneho fangorahana tamin'ireo Jiosy...
28/08/2026

Misy olona manoratra ao amin'ny fanehoan -kevitra hoe: "I Palestine no hany firenena naneho fangorahana tamin'ireo Jiosy afa-nandositra ny Shoah tany Eoropa."

« La Palestine était le seul pays à avoir de la compassion pour les Juifs qui s'échappent de l'Holocauste en Europe. »

Eny ary, betsaka ny zavatra tokony hazavaina eto...

Tsy firenena i Palestina

Ara-tantara, Palestine no anarana nomen'ny mpanjanaka eoropeanina an'io tany io. Avy amin'ny Romanina io anarana io; nomena an'i Judée izy io taorian'ny nampitsaharana ny fikomian'ny Jiosy, mba hanesorana ny fifandraisan'ny Jiosy amin'ilay tany sy hampahatsiahivana (azy) ny fahavalony resahina ao amin'ny Baiboly, dia ny Philistins. Taorian'ny firodanan'ny Empire ottoman, dia nibodo ilay faritra ny Britanniques ary niantso ny fitondrany hoe « La Mandate de Palestine ».

Nolavin'ny Arabo tanteraka io anarana io. Ho azy ireo, anarana vahiny sady an'ny mpanjanaka ny Palestine. Izao no nolazain'ilay mpitarika Arabo Awni Abdul Hadi nandritra ny Commission Peel tamin'ny taona 1937:

"Tsy misy firenena antsoina hoe Palestina eto. Teny noforonin'ny sionistes ny hoe « La Palestine » . Nandritra ny taonjato maro, dia anisan'i Syrie ny firenenay."

Nandefa ireo tafavoaka velona tamin'ny Shoah tany amin'ny toby any Cypre ny Britanniques. Noezahaha nofafana ny jiosy, noezahany notsahivina ny fahavalony ara-baiboly, dia ny Philistins. Taorian'ny firodanan'ny Empire ottoman, dia nibodo ilay faritra ny Britanniques ary niantso ny fitondrany hoe « La Mandate de Palestine ».

loharano :La Nation d'Israël vit
sary fanehoana fotsiny

Chiddoukh - Safidy izay ho Vady: Laharam-pahamehana ny ara-panahy sa ny toetra ? (Choix du conjoint : privilégier la spi...
28/08/2026

Chiddoukh - Safidy izay ho Vady: Laharam-pahamehana ny ara-panahy sa ny toetra ?

(Choix du conjoint : privilégier la spiritualité ou les traits de caractère ?)

Fanontaniana : “Rehefa mikaroka ho Chiddoukh (fihaonana ho amin’ny fanambadiana), inona no tokony hifantoka voalohany indrindra? Tokony ho liana indrindra amin’ny lafiny ara-panahy ve ny olona iray, ny lalam-piainan ’ilay olona, ​​ny faniriany, ny fomba ivavahany sy ny fanompoana an’Hachem ? Sa kosa tokony hifantoka amin’ny toetrany (Middot), mifanaraka amin’ny fampianaran’ireo olon-kendry antsika ao amin’ny Midrach Rabba : ‘Fitondran-tena tsara’ (Dérekh Erets) mialoha ny Torah” ?

Valin’ny Rav Boyer :

Matetika, rehefa manao fanadihadiana momba ny Chiddoukh, ny olona nohadihadiana dia tsy mijanona eo amin’ny fiderana noho ny toetra tsaran’ilay olona. Saingy manaraka izay, dia hita fa, ara-panahy, dia tsy tena miorina tsara ilay tovolahy na vehivavy. Azo antoka fa tena mahafinaritra izy ireo, tsara fanahy ary mora mifandray, fa ny ankilany kosa dia mitady zavatra ara-panahy kokoa, satria maniry ny hahatsapa ny Fanatrehan’ Andriamanitra ( Chékhina) ao an-tokantranony. Etsy an-danin 'izany, matetika ny olona sasany dia tena ara-panahy, nefa tsy mahafantatra ny fomba fitondran-tena amin'ny hafa. Tena maharary ity toe-javatra ity. Ny amin’izany dia hoy ireo olon-kendry antsika (Yoma 72b): “Raha tsy mendrika ny olona iray, dia tonga poizina ho azy ny Torah izay nianarany”. Tamin'ny andron 'ny Tempoly Faha-2, ny manam-pahaizana dia nanana ha’avo tsy azontsika eritreretina akory, kanefa dia rava ny Tempoly noho ny fankahalana tsy misy fotony (Sinat ‘Hinam).

Chiddoukhim dia azo oharina amin'ny Étrog (cédrat) : indraindray ianao dia mahita Étrog misy fitomboana tsara tarehy nefa tsy madio tanteraka, ary indraindray iray hafa manana fahadiovana miavaka nefa tsy dia manintona loatra. Tsy fahita firy ny mahita ireo toetra roa mitambatra ao anaty Étrog tokana. Noho izany, ny olona tsirairay dia misafidy araka izay mahasarika azy indrindra. Toy izany koa ho an'ny Chiddoukhim : tsy maintsy fantatrao izay tokony hotsindriana - ny ara-panahy na ny toetran'olombelona.

Mba hahitana ny valin’io fanontaniana io, dia andeha hojerentsika ny Chiddoukh voalohany resahin’ny Torah. Ao amin’ny Parachn’i ‘Hayé Sarah, isika dia mamaky ny fomba nanirahana an’i Éliézer, mpanompon’i Avraham Avinou, mba hitady sy hitondra vady ho an’i Its’hak zanany. Raha mandinika an’io Chiddoukh io isika—ary koa ireo fanambadina hafa voatantara ao amin’ny Torah, toy ny an’i Ya'akov Avinou et Moché Rabbénou —dia mahatsikaritra teboka hiombonana miavaka isika: teo amoron-drano no nisehoan’ireo fihaonana ireo. Nizaha toetra an’i Rivka teo akaikin’ny fantsakana i Éliézer, raha nampisotro ny rameva izy; Ary Ya'akov dia nifanena tamin-dRa’hel Iménou teo akaikin'ny lavaka fantsakana; ary toy izany koa, Moché Rabbénou, dia nifanena tamin'i Tsipora teo anilan'ny lavaka fantsakana. Ny singa iray manamarika ny Chiddoukh ao amin'ny Paracha dia ny fisian'ny rameva tsy tapaka. Amin'ny lafiny hivelany, ny rameva dia tsipiriany ara-teknika amin'ny tantara ihany. Amin'ny ankapobeny, ny Torah dia tsy mifantoka amin'ny fitaovam-pitaterana ampiasaina - ary tsy dia mazava loatra amin'izany:

"Ilay mpanompo dia naka rameva folo tamin'ny tompony...dia izay"

Nampitsahatra ny rameva Izy… Misotroa, ary hampisotroiko rano koa ny ramevanao… Hatsaka rano ho an’ny ramevanao koa aho… Nantsaka rano ho an’ny rameva rehetra izy… Ary rehefa tapitra nisotro ny rameva… Dia nijoro teo anilan’ny rameva izy… Nandroso tao an-trano ilay olona, nampidina ny entany, nanome azy vilona sy mololo...hoa an’i rameva sy ny ampondra.” Ary rehefa nilaza izany tamin’i Labana i Eliezera, dia nanonona imbetsaka ny rameva izy, na dia tamin’ny faran’ny tantara aza, dia niseho indray ireo:

“Nitsangana i Rivka sy ny mpanompony ka nitaingina ny rameva… Ary nivoaka teny antsaha Its’hak mba hivavaka nony atoandro, nanandratra ny masony sy nahita : indro nahita rameva nanantona... Rivka nahita an’i Its’hak ary nihidina ny ramevany.”

Hitantsika àry fa mifandray akaiky amin’ny rano sy ny rameva ny lohahevitry (thème) ny fanambadiana, ao amin’ny Torah.

Manazava ny mpaneho hevitra fa manana toetra miavaka ny rano. Ao anatin'ireo hery voajanahary fantatsika dia misy ny hery misintona, izay misintona ny zava-drehetra midina (gravité). Ny mifanohitra amin'izany anefa no mitranga amin'ny rano: manakana ny zavatra tsy hilentika ny fisondrotana (poussée)— mitazona azy ireo mihantona. Ambonin’izany, ny lalàn’ny vases communicants dia milaza fa ny rano dia miakatra hatrany amin’ny haavo mifandray aminy — fihetsika toa mifanohitra amin’ny hery misinton’ny natiora. Hitantsika koa, tamin’ny andro faharoan’ny Famoronana, fa rehefa nanasaraka ny rano ambony tamin ’ny rano ambanin’ny tany Andriamanitra, dia nitomany ny rano tao ambany ka nanao hoe:

“Tiantsika ny ho eo anatrehan’ny Mpanjaka” (Tikouné Hazohar). Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny rano dia manana fironana voajanahary miakatra, faniriana miredareda mba hiakatra, fa tsy toy ny zavaboary hafa, izay mirona hidina.

Io faniriana hitombo io indrindra no iray amin’ireo toetra ara-panahy nananan’i Rivka Iménou —izay no nahatonga rano ny fantsakana hiakatra hitsena azy. Hoy i Rachi: “Nihazakazaka nankeo aminy ilay mpanompo, satria hitany fa niakatra ny rano mba hitsena azy.” Nasehon’ io toetra io tamin’i Eliezera fa i Rebeka no tena mifanentana amin’i Its’hak Avinou.

Araka ny natiora, tia tena ny olombelona:

mikatsaka ny hihevitra ny tenany aloha izy. Izany no antsoina hoe hery manintona ara-pitondran-tena (gravité morale)— ny fironana voajanahary hirona ao amin'ny tena. Fa ny olona iray izay manana ao anatiny ny faniriana hiakatra ho amin’ny hafa, izany hoe ny finiavana hanampy sy hanohana ny hafa, hikarakara izay hahasoa ny hafa — izany no fitondran-tena izay, raha jerena ivelany, dia toa mifanohitra amin’ny toetran’olombelona. Ary izany indrindra no mahatonga an'io toe-tsaina io hitovy amin'ny fihetsiky ny rano.

Avy amin’izany no ianarantsika fa rehefa mitady ho an’ny Chiddoukh, dia tsy maintsy mikaroka ao amin’ilay olona io toetran’ny fisondrotana anaty io, io faniriana lalina hanao soa ho an’ny hafa io, mba hahazoana antoka fa ho salama/sambatra ny hafa. Dia hoy Rivka tamin'i Éliézer : “Misotroa, tompokolahy... ary hampisotroiko rano koa ny ramevanao.” Izany no nahatonga ny firaisan'ny razambentsika ho teo akaikin'ny rano — mariky ny faniriana hanome sy hisandratana.

Andeha hojerentsika izao ny mariky ny rameva. Tsy mitovy amin’ny biby hafa rehetra ny rameva. Ny ankamaroan'ny biby, rehefa te handry amin'ny tany, dia indray midina fotsiny. Tsy afaka manao izany anefa ny rameva: mba hidina amin’ny tany, dia tsy maintsy mandalo dingana roa izy — voalohany dia mandohalika, ary avy eo vao mandry tanteraka. Sahala amin'ny fomba anehoan'ny rano ny fahafahana hisandratra sy maniry - toetra manokana ho an'ny vehivavy - ny rameva dia maneho ny hatsaran-toetran’ny lehilahy iray: ny fahalalana milefitra, miondrika, alohan'ny hanao zavatra. Afaka miasa amin'ny dingana roa izy io:

voalohany, miondrika, avy eo mipetraka. Izao no lazain’ny olon-kendry antsika (Baba Metsia 59a) : “Raha fohy ny vadinao, miondreha ka henoy ny teniny”. Hoy i Rachi : “Fohy ny vadinao, miondreha ary mihainoa azy !”

Ao amin'ny Paracha de ‘Hayé Sarah, dia hitantsika fa nitsapa an'i Rebeka teo amoron-drano i Eliezera mba hahitana raha nanana izany toetra hisandratra sy fiantrana izany izy. Te hanoro azy koa anefa izy, tamin’ny alalan’ny rameva, fa i Isaka, ilay mpampakatra, dia manana toetra tsara ara-pitondran-tena koa — ny fahaizana, rehefa ilaina, ny miankohoka sy manetry tena. Ary rehefa tonga i Rebeka niaraka tamin’i Eliezera ka nahita an’i Isaka voalohany, dia hoy ny Torah amintsika:

“Nidina niala tamin’ny rameva izy.” Nofaritan'i Rachi fa nianjera avy teo amin'ny rameva izy — izany hoe, tsy nidina moramora toy ny mahazatra izy, fa nianjera tamin'ny tany tamin'ny hetsika iray, mba hanehoana ny fanetren-tenany tanteraka, ny fanafoanay ny tenany teo anoloany.

Na ny Chadkhan (mpanelanelana), Éliézer mihitsy aza, dia manome ohatra azy amin’io Paracha io. Rehefa avy nampahatsiahy azy ny toerana nisy azy i Avraham Avinou ka nilaza hoe: “Ho voaozona ianao, ary hotahina ny zanako, fa izay voaozona tsy azo ampifandraisina amin’izay voatahy”, dia nanaiky avy hatrany ny tenin’ny tompony i Éliézer ary nanafoana ny tenany tanteraka. Izay mahay manafoana ny tenany ihany no afaka manambatra olona roa izay mahay manafoana ny tenany ihany koa. Hitan’i Éliézer ireo toetra ireo ary fantany tsara izay tokony hotadiavina ho an’ny hanambady.

Avy amin'ireo rehetra voalazanay ireo dia mazava fa ny teboka tena ilaina hifantohana amin 'ny fitadiavana Chiddoukh, dia ny toetra tsara [(middot)(qualités morales)]. Izy ireo no fototra sy fiorenan’ny toetra tsirairay...

Raha toa ka manana Middot ratsy ny iray amin’ ny mpivady, na dia tonga lafatra ara-panahy aza, dia hihetsika ao anatin’ny fanahin’ny fifanoherana izy ireo:

raha vao hitany fa maniry zavatra ny iray, dia ho voatery hilefitra, ary izany no hitarika azy hanao ny mifanohitra amin’izany. Saingy raha manana Middot tsara ilay olona, ​​na dia toa manana lesoka ara-panahy sasany aza izy, ny hatsaram-panahiny voajanahary dia hitarika azy haniry hampifaly ny hafa, hanome bebe kokoa ny tenany mihoatra noho fanao mahazatra. Ary, amin’izany fomba izany, dia hanatanjaka ny ara-panahiny koa izy. Noho izany, mahazo tombony amin'ny planina roa:

Middot tsara sy fisandratana ara-panahy marina.

Rav Moché BOYER - © Torah-Box
dikan-teny mishkan méïr madagasikara
sary fanehoana fotsiny

Ny filazana hoe "Shabbat Shalom" amin'olona tsy manaja Sabata(Dire "Chabbath Chalom" à un Mé'halel Chabbath)Fanontaniana...
28/08/2026

Ny filazana hoe "Shabbat Shalom" amin'olona tsy manaja Sabata

(Dire "Chabbath Chalom" à un Mé'halel Chabbath)

Fanontaniana avy amin'olona tsy nitonona anarana

Miarahaba anao Rav,

Mety ve ny milaza hoe "Shabbat Shalom" amin'olona fantatra fa tsy manaja ny Sabata ? Tsy vao mainka ve mandetika azy izany ?

Misaotra anao amin'ny valinteninao.

Valiny avy amin'i Rav Avraham GARCIA - Chalom Ouvrakha,

Mety tsara ny milaza hoe "Chabbath Chalom" na dia amin'olona tsy manaja ny Sabata aza, saingy mazava ho azy fa tokony hitandrina mba tsy hahatonga azy hahatsiaro ho tafintohina.

Tokony hazavaina fa tsodrano atolotra ho an'ny rehetra mandritra ny Sabata izany, na manaja izany ilay olona na tsia.

Toy izany no nataon'ireo Olon-kendrentsika — toa an'i Aharona Mpisorona, Rav Its'hak El'hanan Spector, sy ny maro hafa (jereo ny Avot 1,12).

Kol Touv.

loharano torah-box
sary fanehoana fotsiny

MAMPANANTENA FAMONJENA avy amin’ny alalan’i JESOSY ve ny Torah (boky 5) sy ny Mpaminany ?1 .Ny Torah (Pentateuque) no fo...
28/08/2026

MAMPANANTENA FAMONJENA avy amin’ny alalan’i JESOSY ve ny Torah (boky 5) sy ny Mpaminany ?

1 .Ny Torah (Pentateuque) no fototry ny lalàna ho an’ny judaïsme authentique.

Tanjony : mampianatra ny olona hiaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, hahazo fahendrena, TAHOTRA ny LANITRA ary fiarovana ho azy eo amin’izao fiainana izao sy amin’ny fiainana hoavy koa.

Mesie ? dia TSY hilazana olona tokana fa anarana hiombonan’ireo izay voatendry hanao ny iraka FANAFAHANA ny zanak’isiraely, toa an’i [Moché] ,Mpanjaka Saoly, David, kyrosy sns. ..

TSY voalaza ao amin’ny Torah ny hoe Jesosy no Mesia, ny TaNaKh dia TSY MAMPANANTENA no TSY misy faminaniana maminany [mivantana] fa ny Mesia dia ho faty ho FAMONJENA ny olombelona rehetra, toy ny filazan’ny kristianisma/notsrim momba an’i Yeshou .

2️.Ny Nevi’im (Isaia, Jeremia...) dia maminany ny hoavy [be voninahitra], fanorenana, fananganana, Chalom, ary hitondra ny Jiosy rehetra hiverina ho any amin’ny tany masina.

– Isaia 11– Talmud Bavli, Sanhédrin 98b [ibid 99a]– Milaza fa ny Mesia dia avy amin’ny taranak’i David, ary hanangana fanjakana ara- drariny sy maharitra “ho mpanjaka sy mpitsara ”, hitondra filaminana sy fiadanana ho an’ny tany rehetra sy ny Jiosy. [Fa TSY MPAMONJY amin’ny FAHOTANA.]

–Jeremia 23:5-6 – Mesia ho mpanjaka [amin ’ny ANDRO FARANY] – Mbola vao ho avy → Ny tanjona dia fanarenana ara-pinoana sy ara- politika.

Dia ahoana izany ny Isaia 53 [toa] milaza momba olona iray mijaly, “tahaka ny ondry izay mitondra fahotana”, mangina, tsy manohitra, mijaly noho ny hafa ?. Raisin’ny notsrim ho JESOA izy io !. Amin’ny judaïsme authentique kosa, TSY toy izany.

Fa inona kosa ary eee ?

–(Rachi, Ibn Ezra, Malbim)- Isaia 53 dia momba ny vahoaka Israely manontolo, izay mijaly noho ny fahotana sy fahadisoana ataon’ny olona manodidina azy, fa tsy noho ny fahotana manokana ataon’ny Israely.

Toa manodro olona iray aza izy ao koa ?

– tsy mahagaga izany fa ny vahoaka isiraely ao amin’ny tanakh dia oharina na lazaina ho toy olona tokana (sing) eo anatrehan’i Hachem, ohatra : isa 41: 9 (44:21 /49:3)

וָאֹמַר לְךָ עַבְדִּי-אַתָּה - Vayomer -Lekha A’avdi ata
- ka nilazako hoe : mpanompoko hianao.

Dia iza ilay “mpanompo mijaly”,ilay “Eved HaShem ”(mpanompon’Andriamanitra) !? (Rachi) milaza fa Israely izany fa TSY olona iray, Ory ao amin’ny sisitany, fanenjehana, fitsapana sns.

Malbim :ny “mpanompo mijaly” = vahoaka voafidy, tsy voatery ho Mesia.

– Ny Messie dia tokony mivantana avy amin’ny taranak’i David (tera-dray) amin’ny alalan’ny fianakaviana (Genesis 49 sy 2 Samoela 7: 12-19).

Jesoa dia TSY avy amin’ny taranak’i David.

Yeshou tsy nanorina fanjakana ara-drariny tany Israely fa nanome làlana ahatoa ny fanjakan’i Édom teto amin'izao tontolo izao dia ny SESITANY an’i Ésaü (Galout haEssav) izany.

Ao amin’ny judaïsme, Machia'h sy ny Eved HaShem dia zavatra 2️⃣samy hafa:

Mesia = mpanjaka avy amin’ny taranak’i David, mbola ho avy, tsy mpamonjy amin’ny fahotana.

Eved HaShem = vahoaka Israely, izay mijaly noho ny fitsapana sy fanenjehana azy.

Naoty(...)[...]
Sary fanehoana fotsiny

Fintin’ ny Paracha Ki-TavoMoché nampita ny didy ny amin’ny "Bikkourim" tamin’ny vahoakan’i Israely: “ Ary rehefa tonga a...
28/08/2026

Fintin’ ny Paracha Ki-Tavo

Moché nampita ny didy ny amin’ny "Bikkourim" tamin’ny vahoakan’i Israely: “ Ary rehefa tonga ao amin’ny tany izay omen’i Hachem ho lovanao mandrakizay ianao, dia tsy maintsy mitondra ny voaloham-bokatra ho ao an-tempoly ary maneho ny fankasitrahanao an’i Hachem noho izay rehetra nomeny anao”. (Deutéronome 26, 1 - 29, 8)

Ny voankazo resahina eto dia ireo izay nideran 'ny Torah ny tanin'ny Isiraely. Manohy amin’ny “ampahafolon-karena”"dîmes" ny Paracha, izay tsy maintsy omena ny Levita sy ny mahantra. Resahin’izy io koa ny fitahiana sy ny ozona izay tsy maintsy hambara rehefa miditra ao Israely, manoloana ny Tendrombohitra "Guérizim" et "Eval" araka ny voalaza ao amin’ny Paracha "Rééh". Nampatsiahivin’i Moché ny fatorana mampiray an' Elokim amin'ny vahoaka jiosy:

HACHEM NO NIFIDY NY VAHOAKA JIOSY, ARY NY JIOSY KOSA NIFIDY AN’I HACHEM.

Ny tapany farany amin’ny Paracha dia antsoin’ny mpivaofy teny hoe "To’hakhot", izany hoe ireo fananarana nataon’i Mosesy tamin’ny vahoaka jiosy. Ary koa, rehefa avy nilazalaza ireo FITAHIANA nampanantenaina ho an’ireo izay hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy, dia manome lisitra lava sy fahasarotana amin’ireo fisehoan-javatra ratsy izay hanasazy ny olona raha mandao ny didin’i Hachem izy ireo. Namarana ny teniny Mosesy tamin’ny fanasongadinana ireo efapolo taona lasa hatramin’ny nivoahana an’i Egypta, izay namela ny olona ho tonga amin’ny ambaratongan’ny fahamatorana ara-panahy: “fo mahafantatra, maso mahita, ary sofina mandre”.

Loharano: Ki-tavo/torah-box
sary fanehoana fotsiny

Fotoana Messianika - Ho TAFAVOAKA VELONA amin'ny Adin'i GOG sy MAGOG ve ny Borikin'i MACHIA’H? Tsy mitombina io lohateny...
27/08/2026

Fotoana Messianika - Ho TAFAVOAKA VELONA amin'ny Adin'i GOG sy MAGOG ve ny Borikin'i MACHIA’H?

Tsy mitombina io lohateny io ary tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny votoatin'ny lahatsoratra. Natao ho fandrika ho anao fotsiny izany. Fa rehefa eto hianao dia henoy:

Une Guéoula de second choix ?

Rehefa niaona tamin’i Essav rahalahiny Yaakov, dia hoy izy taminy: Manana omby sy boriky sy ondry aman’osy ary andevolahy sy andevovavy aho. Ary ny Midrach[1] dia milaza hoe: "boriky" dia manondro ny Mpanjaka Machia’h. Araka ny voalaza hoe: “Mahantra mitaingina Boriky”.[2]

Nahoana i Jakoba no manondro ny Messie rehefa niresaka momba ny boriky? Tena mahagaga izany rehefa mandinika ny teny hafa avy amin'ireo olon-kendrintsika [3] izay milaza fa raha mendrika izany ny Jiosy (Zakhou ao amin'ny lahatsoratra), dia ho tonga eny amin'ny rahon'ny lanitra ny Machia’h. Amin'ny lafiny iray, raha tsy mendrika izany kosa izy (Lo Zakhou), dia ho mahantra, mitaingina Boriky izy. Ka i Yaakov eto dia milaza an’ohatra ny FAHATONGAVAN 'ny Machia’h mietry ?

Boriky tena miavaka

Misy Midrach hafa[4] izay milaza fa ny Borikin'i Mashia’h dia tsy iza fa ny Boriky nampiasain’i Abraham rehefa nandeha nanao sorona an-janany izy, sy ny Boriky nampiasain’i Mosesy hitondrana ny zanany sy ny vadiny ho any Egypta. Inona no dikan'izany, ankoatra ny hoe HO BORIKY EFA ANTITRA BE?

Ny tontolo ara-materialy, sakana ho amin’'Andriamanitra?

Marihina aloha fa tsy mitovy ny fomba nampiasain’ireo olona telo ireo ilay biby. Nampiasain’i Abraham ho an’ny hazo sy antsy fotsiny ilay izy, Moché nametraka fotsiny teo amboniny ny fianakaviany, ary farany, ilay Machia’h no hitaingina azy.

Raha ny marina, ity Midrash ity dia milaza fivoarana ara-tantara. évolution amin'ny fifandraisana amin'ny matière. Izany no ambaran’ny teny hoe “Boriky”(’Hamor), izay manana fototeny mitovy amin’ny hoe ‘Homèr, amin’ny teny hebreo, la matière.

Tany am-piandohan’ny tantara, raha mbola tsy nanomboka ny asa fanadiovan- javatra (matière), dia tsy afaka nanandratra ara-panahy ny olombelona. Mety hanampy azy amin’ny irakany izany saingy tsy ho hery mitarika fiakarany ara-panahy. Izany dia aseho amin’ny hoe ny Boriky ihany no nampiasain’i Abraham mba hitondrana ny kojakoja ilaina amin’ny asany.

Etsy ankilany, Moché dia nitokana vanim- potoana vaovao: ny an'ny Torah, izay ahafahan 'ny zavatra ho masina[5] ary vokatr'izany dia mampiakatra ny olona ho ambony. Satria mbola tsy tonga amin’ny fahatanterahany izao tontolo izao, dia hery ara-panahy ivelany ihany no azo akarina, fa tsy ny tena maha-zava- dehibe ny fanahy. Asehon’ny sarin’izany ao amin ’ny Midrach ny hoe nampitaingina ny vadiny sy ny zanany lahy Moché. Ireo dia maneho ny herin'ny fanahy izay, na dia ampahany manan-danja amin'izany aza, dia fisehoana ivelany ihany, tahaka ny fianakavian'ny olona tokoa no fanitarana azy fa tsy ny tenany, mazava ho azy.

Fa ny Machia’h mihitsy no mitaingina ny borikiny. Nahoana isika no mitaingina Boriky ? Mba hahatongavana amin’ny toerana iray tsy ho tratra raha tsy nisy azy. Takatsika izao ity TANDINDONA mahery vaika ity: rehefa tonga ny FANAFAHANA, dia ny tena fototry ny fanahy no hiova tarehy noho ny zava-misy eo amin ’izao tontolo izao, izay hanambara ny tena toetrany.

Ny ‘Hassidout dia mamintina izany amin'ny fomba toy izao: ny loharanom-pisiana no mamorona ny Tena fisiana Marina.

Rakipohy somary fohy, marina izany. Andeha isika hanazava.

A priori, tsy afaka mahita zavatra mifanohitra kokoa noho ireo hevitra roa ireo ny olona iray: ny Tena fisiana Marina, Elokim, Mpamorona, manoloana ny zavaboary, zavatra(matière). Na izany aza, dia afaka mahita teboka iraisana eo : io fahatsiarovan-tenam-pisiana io indrindra. Ho an'i Hachem dia tsy misy olana; Izy no tena MISY. Fa raha ny amin’ny zavatra noforonina kosa, aiza no ahazoany izao fahatsapana fa mahavita tena izy, ka afaka mandà ny Loharanony mihitsy aza ?[6]

Valiny: Ny foto-dalin-javatra (matière) dia avy amin'ny tena maha-Andriamanitra, izany hoe avy amin'ny maha-ILAY MISY tanteraka. Raha mbola tsy voadio io zavatra(matière) io dia hanafina ny ara-panahy ihany.

Saingy amin'ny fahatongavan'ny Machia’h dia haseho amintsika ny toetra lalina. Alaivo sary an-tsaina! Ho tsapantsika bebe kokoa ny maha-Elokim ao amin'ny Matsa na ny Loulav noho ny amin'ny asa soratra Kabbalistika rehetra avy amin'ny Ari Hakadoch !

Izany no mahatonga ny ankamaroan’ny tompontsika mihevitra fa ny FITSANGANAN’NY MATY no tanjona faratampon’izao tontolo izao. Na dia ireo fanahy izay niakatra nandritra ny taonjato maro any amin’ny Gan Eden aza dia maniry ny HIVERINA amin'ny vatana ara-nofo. Hany ka nohamafisin’i ‘Hassidout fa amin’ny fara-andro dia ny fanahy no homelona ara-panahy ny vatana !

"Lo Zakhou" no tsara kokoa!

Afaka manana famakiana hafa ny Midrach voalaza etsy ambony isika avy eo: "Zakhou" dia mety hidika hoe "mendrika", fa azo ampifandraisina amin'ny fototeny ZAKH, izay midika hoe madio, voadio. Hafa tanteraka àry ny dikan’io fampianaran’ny olon-kendry io. Rehefa tsy mifantoka afa-tsy amin’ny lohahevitra “madio” sy ara-panahy (Zakhou) dia mety ho voafetra ihany ny fanambarana avy amin’i Hachem ( “ny rahon’ny lanitra”) satria tsy maintsy ampifanarahana amin’ny fahafahan’ny zavaboary hitambatra. Amin'ny lafiny iray kosa, rehefa mandrefy tena amin'izay tsy misy, a priori, madio (Lo Zakhou) ary miezaka ny hanandratra azy ireo sy hitondra azy ireo ho any amin'ny seham-pahamasinana, dia afaka ho mendrika ny fanambaran'ny "mahantra mitaingim-boriky", ny fisehoan’ny tena foto -javatra, l’Essence du divin.

Noho izany, ny Guéoula ny safidy faharoa (second choix) no tian'i Dada Yaakov lazaina! (araka ny fandalinana nataon'ny Rabbi de Loubavitch)

[1] Midrach Rabba 75,6.

[2] Zacharie 9,9.

[3] Traité Sanhédrin 98a.

[4] Pirkei DéRabbi Eliézèr Chapitre 31.

[5] Ce sont les Mitsvot matérielle comme les Téfilin, les Mézouzot, les Tsitsit, le Loulav etc.

[6] Ce qui ne peut être le cas des êtres spirituels comme les anges qui ont tout le temps conscience de leur source.

Rav Binyamin SAADA - © Torah-Box

sary fanehoana fotsiny

Aleo ny Sesitany toizay ny lashon hara  (Plutôt l'exil que le lachon ara)Tamin'ny fotoana nandravana ny Tempoly Faha-2 d...
27/08/2026

Aleo ny Sesitany toizay ny lashon hara

(Plutôt l'exil que le lachon ara)

Tamin'ny fotoana nandravana ny Tempoly Faha-2 dia avo roa heny ny isan'ny Jiosy nipetraka tany Egypta sy tany amin'ny faritra hafa any am-pielezana noho ny tany Israely. Nahoana no nitranga izany ?

Tamin’izany andro izany, ny lashon hara (teny manaratsy) niantefa tamin’ny Jiosy namany sy ny fankahalana tsy misy fotony teo amin’ny samy Jiosy dia nahazatra. Jiosy maro no tsy nahazaka ny fiainana tao anatin’ny tontolo toy izany, ka nandositra ny Tany Masina [d'Israël].

[rav Yonathan Eibsh*tz - Yaarot Dvach 1 ]

Ny iray amin'ireo traikefa mahasorena indrindra tsy maintsy hiainan’ny olona dia ny fifindra -monina, indrindra raha misy ny fifindrana any an-tany hafa. Raha mahasorena izany eo amin’ny tontolo ankehitriny— izay ananantsika ny zavatra rehetra azo eritreretina ho azo atao, anisan’izany ny déménageurs manao fonon-tanana fotsy — tsy mainka ve izany tamin’ ny andro fahiny ?

Na izany aza, dia Jiosy maro no vonona ny hamoy ny zava-drehetra sy niaritra ny fahasahiranan’ny fifindra-monina mba tsy ho voasarika ho ao anatin’ny tontolon’ny fifankahalana tsy misy fotony eo amin’ny samy Jiosy.

Loharao: toda hm
sary fanehoana fotsiny

["INONA NO METY HATAOKO, MBA HO VONJENA AHO ?"] !Ry jerosalema, SASAO ny FONAO HO AFAKA amin’ny RATSY, mba HOVONJENA HIA...
27/08/2026

["INONA NO METY HATAOKO, MBA HO VONJENA AHO ?"] !

Ry jerosalema, SASAO ny FONAO HO AFAKA amin’ny RATSY, mba HOVONJENA HIANAO! - Hikabesi méra libekh Yerouchalayim lema’an tivaché‘i – לְמַעַן תִּוָּשֵׁעִי– Jérémie / Yirmeyahou 4:14 –

– Lave ton cœur de la méchanceté, Jérusalem, afin que tu sois sauvée ! –

• Fijery Judaïsme authentique : Iza no tian’ny faminaniana ho voavonjy ? :

1. Jérusalem = Israel : Jerosalema eto dia mari-pamantarana ho an’ny vahoakan’Israël manontolo, firenena amin’ny ankapobeny, amin’ny alalan’ny fivalozana (Téchouva) sy fanadiovana ny fo.

2. Famonjena = VOKATRY ny fanadiovana fo fa TSY ny fahatongavan’ny Mesia ben David avy hatrany,

Fitakiana fanadiovana anaty fa Tsy resaka fivavahana fotsiny, fa fiovan’ny sain'ny vahoaka

« Jusqu’à quand ta pensée mauvaise habitera-t-elle en toi ? »

Fintina :

NY FAMONJENA dia tsy ho an’olona iray fotsiny, fa ho an’ny vahoaka iray manontolo (Israël), amin’ny FIVERENANY amin’i Hachem, amin’ny fahadiovan’ny fo sy fanitsiana ny [saina aman’]eritreritra.

Hayeshoua noténet le‘am ché‘ossé teshouva oumetaher et libo oumaḥachévotav. Lo notna leyakhiḏ, ella latsibour.

🔹 NATAO HO AN’IZA ARY NY FAMONJENA ?

Natao ho an’i Yerouchalayim — izany hoe ny VAHOAKAN’ISRAËL, raha mibebaka sy manadio ny fony amin’ny ratsy, TSY misy resaka JESOSY (olona mety MATY).

Araka ny fijery jiosy, tsy ampy ny finoana tsotra, fa ilaina ny asa fanadiovana ny fo, TÉCHOUVA (fivalozana) MARINA, fanitsiana ny eritreritra AMIN’NY ALALAN’NY FITANDREMANA ny DIDIN' Andriamanitra (TORAH et MITSVOT).

naoty(...)
sary fanehoana fotsiny

14 Eloul – Andron'ny Roch Hachana : Fanekena amim-pahatsoranaNy Téchouva (fiverenana) dia tsy maintsy mitondra ny olona ...
27/08/2026

14 Eloul – Andron'ny Roch Hachana : Fanekena amim-pahatsorana

Ny Téchouva (fiverenana) dia tsy maintsy mitondra ny olona ho amin'ny toe-tsaina manaiky amim-pahatsorana eo anatrehan'ny Mpanao azy. Ny kajikajy manokana sy ireo faniriana izay nanosika ny olona hanao fahadisoana teo aloha dia tsy maintsy ravana (briser) manoloana ny faniriana hanompo ny Lanitra.

Ny fo torotoro sy ny fanahy mangorangoraka dia raisina amim-pitiavana hatrany avy amin'ny Tsitoha.

Matetika noho ny tsy fahampiana fanetren -tena no mahatonga ny olona hanao izay hahatanteraka ny faniriany ho zava-dehibe noho ny sitrapon 'Andriamanitra. Kanefa, ny fambolena fanetren-tena matetika no fanalahidy ahafahana manakaiky an' Andriamanitra —zavatra izay nohamafisin 'ireo Olon-kendrentsika imbetsaka. Io toetra io dia ahafahantsika mahatakatra fa tsy ny tanteraka (absolus) ny faniriantsika, ary indraindray dia tsy maintsy manaiky ny sitrapon'Andriamanitra isika.

Tahaka ny mahazatra, ny tanjona dia tsy ny hiaina ao anatin'ny alahelo na fahakiviana tsy tapaka, fa ny hiaina fanavaozana tsara amin'ny dingana roa:

fihetsika voalohany, ny manetry tena —amin'ny fanekena hoe eo anatrehan'iza no tsy maintsy hampamoahana antsika sy amin'ny fametrahana Azy ho ivon'ny atilalin-tsika —ary avy eo ny mitombo, mandroso, ary manavao ny tenantsika eo amin'ny lala-marina dia ny lalan'ny Torah sy ny Mitsvot.

loharano Torah-box

“Hiseho amin’ny mpisorona (amperin’asa) amin’izany andro izany hianao...» (Dévarim 26, 3)Rachi: Dia hilazana amin'ny Koh...
27/08/2026

“Hiseho amin’ny mpisorona (amperin’asa) amin’izany andro izany hianao...»
(Dévarim 26, 3)

Rachi: Dia hilazana amin'ny Kohen amizany andronao izany, na iza na iza izy. Voalaza momba an'i Rav Méir Chapira fa nandeha nitsidika an'i Rav Israël Méir Hacohen izy indray andro, ilay ‘Hafets ‘Haïm. Nangataka azy i Rav mba hanonona teny vitsivitsy ao amin'ny Torah, fa ny ‘Hafets ‘Haïm, izay reraka indrindra, no namaly fa tsy afaka miteny izy. Avy eo ny Rav Chapira dia nanonona ny andininy, izay nanazavan'i Rachi fa tsy maintsy miseho eo amin'ny Kohen na iza izy na iza izy, izany hoe, na dia kely aza ny heriny... dia nankasitraka an'io fanazavana io ny ‘Hafets ‘Haïm ary avy eo dia nahita ny hery ilaina amin'ny fitanisana teny vitsivitsy ao amin'ny Torah!

Ahoana raha i Yossef no lahimatoa ? « Ny Araméen (Syriana)no naniry hanimba ny raiko» (Dévarim 26, 5). Midika io andininy io fa Lavana arameana (avy tany amin’ny tany Arama tamin’izany fotoana izany), rafozan’i Yaakov, no nitarika ny fidinan’ny vahoakan’ Israely manontolo tany Egypta. Fa nahoana?

Namaly ny Alchikh Hakadoch fa, raha ny marina, ny fidinana tany Ejipta dia nanomboka noho ny fialonan’ireo rahalahin’i Yossef.

Nohazavainy tokoa fa, amin’ny ankapobeny, dia tian’ny fianakaviana manontolo izay zokiny lahy. Raha i Josefa anefa no lahi-matoa tamin ’ilay fianakaviana, dia ho tiana izy fa tsy nialonana, ary tsy ho nitranga ny vanim- potoana fanandevozana tany Egypta.

Tena tiana i Josefa na dia tsy zokiny aza, ka avy aiza ary ny fialonan’ny rahalahiny !

Iza no nahatonga izany? Lavana, satria tokoa, hatramin’ny nampifanoloany an’i Léa sy Ra’hel tamin’ny fampakaram-badin’i Yaakov, dia i Réouven, lahimatoan’i Léa, no lasa lahimatoa tamin’ny fianakaviany fa tsy i Josefa, lahimatoan ’i Rahely! Izany no antony ilazan’ilay andininy fa i Lavana, tamin’ny alalan’ny fitaka nataony, no nahatonga ny fidinan’ Israely tany Egypta.

•Ny Fanajana ny ray aman-dreny “Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny ! » (Dévarim 27, 16)

Ampy ho an’ny olona iray ny manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny mba heverana azy ho “voaozona”, ary tsy voatery hanao zavatra tsy mendrika kokoa noho izany. Voasoratra amin’ny anaran’i Rabbénou Yona, fa rehefa miady sy mifankahala ny mpirahalahy, dia mampijaly ny ray aman-dreny izany. Io toe-tsaina io dia mifanaraka amin'ny rafitry ny andininy (resahan)tsika.

Mety hisy hieritreritra fa io karazana fitondran- tena maharikoriko io dia mihatra raha mbola eto amin'ity tontolo ity ihany ny ray aman-dreny, fa raha ny marina dia mihatra amin'izy ireo ihany koa izany na dia efa maty aza izy.

Ny fifandirana eo amin'ny ankizy àry dia maneho ny tsy firaharahiana ny voninahitry ny ray aman-dreny. Tsara hotadidina fa rehefa misy fifandirana eo amin’ny samy zanaka, indrindra fa NOHO NY LOVA (izay tena ady ara-bola fotsiny) tonga dia voasokajy ho “voaozona” avokoa izay voarohirohy amin’ilay disadisa, Hachem hiaro amin’izany.

Chabbath Chalom.

Rav Mordékhai STEBOUN - © Torah-Box

Ki-tavo; naoty(...)
Sary fanehoana fotsiny

Address

RN2 Mahazo
Mahazo
TANA101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mishkan Méïr Madagascar משכן מאיר מדגסקר posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Mishkan Méïr Madagascar משכן מאיר מדגסקר:

Shortcuts

Share