28/08/2026
Chiddoukh - Safidy izay ho Vady: Laharam-pahamehana ny ara-panahy sa ny toetra ?
(Choix du conjoint : privilégier la spiritualité ou les traits de caractère ?)
Fanontaniana : “Rehefa mikaroka ho Chiddoukh (fihaonana ho amin’ny fanambadiana), inona no tokony hifantoka voalohany indrindra? Tokony ho liana indrindra amin’ny lafiny ara-panahy ve ny olona iray, ny lalam-piainan ’ilay olona, ny faniriany, ny fomba ivavahany sy ny fanompoana an’Hachem ? Sa kosa tokony hifantoka amin’ny toetrany (Middot), mifanaraka amin’ny fampianaran’ireo olon-kendry antsika ao amin’ny Midrach Rabba : ‘Fitondran-tena tsara’ (Dérekh Erets) mialoha ny Torah” ?
Valin’ny Rav Boyer :
Matetika, rehefa manao fanadihadiana momba ny Chiddoukh, ny olona nohadihadiana dia tsy mijanona eo amin’ny fiderana noho ny toetra tsaran’ilay olona. Saingy manaraka izay, dia hita fa, ara-panahy, dia tsy tena miorina tsara ilay tovolahy na vehivavy. Azo antoka fa tena mahafinaritra izy ireo, tsara fanahy ary mora mifandray, fa ny ankilany kosa dia mitady zavatra ara-panahy kokoa, satria maniry ny hahatsapa ny Fanatrehan’ Andriamanitra ( Chékhina) ao an-tokantranony. Etsy an-danin 'izany, matetika ny olona sasany dia tena ara-panahy, nefa tsy mahafantatra ny fomba fitondran-tena amin'ny hafa. Tena maharary ity toe-javatra ity. Ny amin’izany dia hoy ireo olon-kendry antsika (Yoma 72b): “Raha tsy mendrika ny olona iray, dia tonga poizina ho azy ny Torah izay nianarany”. Tamin'ny andron 'ny Tempoly Faha-2, ny manam-pahaizana dia nanana ha’avo tsy azontsika eritreretina akory, kanefa dia rava ny Tempoly noho ny fankahalana tsy misy fotony (Sinat ‘Hinam).
Chiddoukhim dia azo oharina amin'ny Étrog (cédrat) : indraindray ianao dia mahita Étrog misy fitomboana tsara tarehy nefa tsy madio tanteraka, ary indraindray iray hafa manana fahadiovana miavaka nefa tsy dia manintona loatra. Tsy fahita firy ny mahita ireo toetra roa mitambatra ao anaty Étrog tokana. Noho izany, ny olona tsirairay dia misafidy araka izay mahasarika azy indrindra. Toy izany koa ho an'ny Chiddoukhim : tsy maintsy fantatrao izay tokony hotsindriana - ny ara-panahy na ny toetran'olombelona.
Mba hahitana ny valin’io fanontaniana io, dia andeha hojerentsika ny Chiddoukh voalohany resahin’ny Torah. Ao amin’ny Parachn’i ‘Hayé Sarah, isika dia mamaky ny fomba nanirahana an’i Éliézer, mpanompon’i Avraham Avinou, mba hitady sy hitondra vady ho an’i Its’hak zanany. Raha mandinika an’io Chiddoukh io isika—ary koa ireo fanambadina hafa voatantara ao amin’ny Torah, toy ny an’i Ya'akov Avinou et Moché Rabbénou —dia mahatsikaritra teboka hiombonana miavaka isika: teo amoron-drano no nisehoan’ireo fihaonana ireo. Nizaha toetra an’i Rivka teo akaikin’ny fantsakana i Éliézer, raha nampisotro ny rameva izy; Ary Ya'akov dia nifanena tamin-dRa’hel Iménou teo akaikin'ny lavaka fantsakana; ary toy izany koa, Moché Rabbénou, dia nifanena tamin'i Tsipora teo anilan'ny lavaka fantsakana. Ny singa iray manamarika ny Chiddoukh ao amin'ny Paracha dia ny fisian'ny rameva tsy tapaka. Amin'ny lafiny hivelany, ny rameva dia tsipiriany ara-teknika amin'ny tantara ihany. Amin'ny ankapobeny, ny Torah dia tsy mifantoka amin'ny fitaovam-pitaterana ampiasaina - ary tsy dia mazava loatra amin'izany:
"Ilay mpanompo dia naka rameva folo tamin'ny tompony...dia izay"
Nampitsahatra ny rameva Izy… Misotroa, ary hampisotroiko rano koa ny ramevanao… Hatsaka rano ho an’ny ramevanao koa aho… Nantsaka rano ho an’ny rameva rehetra izy… Ary rehefa tapitra nisotro ny rameva… Dia nijoro teo anilan’ny rameva izy… Nandroso tao an-trano ilay olona, nampidina ny entany, nanome azy vilona sy mololo...hoa an’i rameva sy ny ampondra.” Ary rehefa nilaza izany tamin’i Labana i Eliezera, dia nanonona imbetsaka ny rameva izy, na dia tamin’ny faran’ny tantara aza, dia niseho indray ireo:
“Nitsangana i Rivka sy ny mpanompony ka nitaingina ny rameva… Ary nivoaka teny antsaha Its’hak mba hivavaka nony atoandro, nanandratra ny masony sy nahita : indro nahita rameva nanantona... Rivka nahita an’i Its’hak ary nihidina ny ramevany.”
Hitantsika àry fa mifandray akaiky amin’ny rano sy ny rameva ny lohahevitry (thème) ny fanambadiana, ao amin’ny Torah.
Manazava ny mpaneho hevitra fa manana toetra miavaka ny rano. Ao anatin'ireo hery voajanahary fantatsika dia misy ny hery misintona, izay misintona ny zava-drehetra midina (gravité). Ny mifanohitra amin'izany anefa no mitranga amin'ny rano: manakana ny zavatra tsy hilentika ny fisondrotana (poussée)— mitazona azy ireo mihantona. Ambonin’izany, ny lalàn’ny vases communicants dia milaza fa ny rano dia miakatra hatrany amin’ny haavo mifandray aminy — fihetsika toa mifanohitra amin’ny hery misinton’ny natiora. Hitantsika koa, tamin’ny andro faharoan’ny Famoronana, fa rehefa nanasaraka ny rano ambony tamin ’ny rano ambanin’ny tany Andriamanitra, dia nitomany ny rano tao ambany ka nanao hoe:
“Tiantsika ny ho eo anatrehan’ny Mpanjaka” (Tikouné Hazohar). Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny rano dia manana fironana voajanahary miakatra, faniriana miredareda mba hiakatra, fa tsy toy ny zavaboary hafa, izay mirona hidina.
Io faniriana hitombo io indrindra no iray amin’ireo toetra ara-panahy nananan’i Rivka Iménou —izay no nahatonga rano ny fantsakana hiakatra hitsena azy. Hoy i Rachi: “Nihazakazaka nankeo aminy ilay mpanompo, satria hitany fa niakatra ny rano mba hitsena azy.” Nasehon’ io toetra io tamin’i Eliezera fa i Rebeka no tena mifanentana amin’i Its’hak Avinou.
Araka ny natiora, tia tena ny olombelona:
mikatsaka ny hihevitra ny tenany aloha izy. Izany no antsoina hoe hery manintona ara-pitondran-tena (gravité morale)— ny fironana voajanahary hirona ao amin'ny tena. Fa ny olona iray izay manana ao anatiny ny faniriana hiakatra ho amin’ny hafa, izany hoe ny finiavana hanampy sy hanohana ny hafa, hikarakara izay hahasoa ny hafa — izany no fitondran-tena izay, raha jerena ivelany, dia toa mifanohitra amin’ny toetran’olombelona. Ary izany indrindra no mahatonga an'io toe-tsaina io hitovy amin'ny fihetsiky ny rano.
Avy amin’izany no ianarantsika fa rehefa mitady ho an’ny Chiddoukh, dia tsy maintsy mikaroka ao amin’ilay olona io toetran’ny fisondrotana anaty io, io faniriana lalina hanao soa ho an’ny hafa io, mba hahazoana antoka fa ho salama/sambatra ny hafa. Dia hoy Rivka tamin'i Éliézer : “Misotroa, tompokolahy... ary hampisotroiko rano koa ny ramevanao.” Izany no nahatonga ny firaisan'ny razambentsika ho teo akaikin'ny rano — mariky ny faniriana hanome sy hisandratana.
Andeha hojerentsika izao ny mariky ny rameva. Tsy mitovy amin’ny biby hafa rehetra ny rameva. Ny ankamaroan'ny biby, rehefa te handry amin'ny tany, dia indray midina fotsiny. Tsy afaka manao izany anefa ny rameva: mba hidina amin’ny tany, dia tsy maintsy mandalo dingana roa izy — voalohany dia mandohalika, ary avy eo vao mandry tanteraka. Sahala amin'ny fomba anehoan'ny rano ny fahafahana hisandratra sy maniry - toetra manokana ho an'ny vehivavy - ny rameva dia maneho ny hatsaran-toetran’ny lehilahy iray: ny fahalalana milefitra, miondrika, alohan'ny hanao zavatra. Afaka miasa amin'ny dingana roa izy io:
voalohany, miondrika, avy eo mipetraka. Izao no lazain’ny olon-kendry antsika (Baba Metsia 59a) : “Raha fohy ny vadinao, miondreha ka henoy ny teniny”. Hoy i Rachi : “Fohy ny vadinao, miondreha ary mihainoa azy !”
Ao amin'ny Paracha de ‘Hayé Sarah, dia hitantsika fa nitsapa an'i Rebeka teo amoron-drano i Eliezera mba hahitana raha nanana izany toetra hisandratra sy fiantrana izany izy. Te hanoro azy koa anefa izy, tamin’ny alalan’ny rameva, fa i Isaka, ilay mpampakatra, dia manana toetra tsara ara-pitondran-tena koa — ny fahaizana, rehefa ilaina, ny miankohoka sy manetry tena. Ary rehefa tonga i Rebeka niaraka tamin’i Eliezera ka nahita an’i Isaka voalohany, dia hoy ny Torah amintsika:
“Nidina niala tamin’ny rameva izy.” Nofaritan'i Rachi fa nianjera avy teo amin'ny rameva izy — izany hoe, tsy nidina moramora toy ny mahazatra izy, fa nianjera tamin'ny tany tamin'ny hetsika iray, mba hanehoana ny fanetren-tenany tanteraka, ny fanafoanay ny tenany teo anoloany.
Na ny Chadkhan (mpanelanelana), Éliézer mihitsy aza, dia manome ohatra azy amin’io Paracha io. Rehefa avy nampahatsiahy azy ny toerana nisy azy i Avraham Avinou ka nilaza hoe: “Ho voaozona ianao, ary hotahina ny zanako, fa izay voaozona tsy azo ampifandraisina amin’izay voatahy”, dia nanaiky avy hatrany ny tenin’ny tompony i Éliézer ary nanafoana ny tenany tanteraka. Izay mahay manafoana ny tenany ihany no afaka manambatra olona roa izay mahay manafoana ny tenany ihany koa. Hitan’i Éliézer ireo toetra ireo ary fantany tsara izay tokony hotadiavina ho an’ny hanambady.
Avy amin'ireo rehetra voalazanay ireo dia mazava fa ny teboka tena ilaina hifantohana amin 'ny fitadiavana Chiddoukh, dia ny toetra tsara [(middot)(qualités morales)]. Izy ireo no fototra sy fiorenan’ny toetra tsirairay...
Raha toa ka manana Middot ratsy ny iray amin’ ny mpivady, na dia tonga lafatra ara-panahy aza, dia hihetsika ao anatin’ny fanahin’ny fifanoherana izy ireo:
raha vao hitany fa maniry zavatra ny iray, dia ho voatery hilefitra, ary izany no hitarika azy hanao ny mifanohitra amin’izany. Saingy raha manana Middot tsara ilay olona, na dia toa manana lesoka ara-panahy sasany aza izy, ny hatsaram-panahiny voajanahary dia hitarika azy haniry hampifaly ny hafa, hanome bebe kokoa ny tenany mihoatra noho fanao mahazatra. Ary, amin’izany fomba izany, dia hanatanjaka ny ara-panahiny koa izy. Noho izany, mahazo tombony amin'ny planina roa:
Middot tsara sy fisandratana ara-panahy marina.
Rav Moché BOYER - © Torah-Box
dikan-teny mishkan méïr madagasikara
sary fanehoana fotsiny