Masôva

Masôva Nomena maimaim-poana dia mizara maimaim-poana

10/06/2026

Seigneur,
Dans les moments de tristesse, donne-moi la force de continuer.
Lorsque la fatigue se fait sentir, offre-moi le réconfort dont j'ai besoin.
Et quand l'incertitude m'envahit, guide-moi sur le chemin à suivre.

18/04/2025

Zoma 18 Aprily 2025
ZOMA MASINA
FANKALAZANA NY FIJALIAN’NY TOMPO
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
**********************************************
Bokin’i Izaia Mpaminany 52, 13 — 53, 12.
"Noratraina Izy noho ny fahotantsika."
Izao no tenin’ny Tompo: Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina ary ho tafasandratra indrindra. Toy ny nigagan’ny maro nahita Azy, — fa rava Endrika loatra Izy, ka ny Tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary ny Tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, — no hampiontanany firenena maro.Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny. Iza no nino izay renay, ary iza no nanehoana ny sandrin’ny Tompo? Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika. Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry. Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika. Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika, ary nazeran’ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra. Vonoina Izy ary mandefitra, tsy miloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory. Noesorina Izy noho ny fampahoriana sy ny fitsarana; ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako? Natao hiray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy, ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.Sitraky ny Tompo ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo. Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, Mpanompoko noho ny fahalalany, hanamarina olona betsaka ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo. Noho izany, homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy; ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty Izy sady natao isan’ny mpanao ratsy; ary ny Tenany no hitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Izany àry ny Tenin’ny Tompo!
******************************
Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
---------------------------------------------------------
Salamo 30, 2. 6. 12-13. 15-16. 17 sy 25.
Fiv.: Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko.
Ianao, ry Tompo, no ifefeko: tsy mba ho azon-kenatra aho. Hanavotra ahy Ianao fa marina, apetrako an-tananao ny aiko, ry Tompo Andriamanitra Mpanavotra ahy!
Ny rafiko rehetra mandatsa, ny miara-monina efa tofoka, ny olom-pantatra tsiravina, izay tojo ahy mandositra avokoa; hadinon’ny fo mova tsy ny maty aho, tsy asiana antony ohatra ny fako.
Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao! Ianao, hoy aho, no Andriamanitro, an-tananao ny androko, afaho amin’ny haromotany aho.
Endrika mitsiky aseho ahy, vonjeo aho noho ny fitiavanao! Mahereza! Ny fo hatanjaho, ianareo izay matoky ny Tompo!
******************************
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 14-16 ; 5, 7-9.
"Nianatra ny Fanekena Izy, ka tonga fototry ny famonjena ho an’izay manaiky Azy."
Ry kristianina havana, noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pitokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.Fa tamin’ny andron’ny nofony i Kristy, nony nanolotra fivavahana fifonana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be, tamin’ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.
Izany àry ny Tenin’ny Tompo!
******************************
Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md. Joany 18, 1-40; 19, 1-42.
(M = Mpitantara; V = Vahoaka; J = Jesoa)
M. Tamin’izany andro izany, dia lasa i Jesoa sy ny mpianany nankany andafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany. Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika. Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo ary fiadiana. I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjo Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe:
J. Iza no tadiavinareo?
M. Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy:
V. I Jesoa avy any Nazareta.
M. Ka hoy i Jesoa taminy:
J. Izaho no Izy.
M. Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy. Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no Izy, dia nianòtra izy ireo ka niankarapoka tamin’ny tany. Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe:
J. Iza no tadiavinareo?
M. Dia hoy izy ireo:
V. I Jesoa avy any Nazareta.
M: Ka novalian’i Jesoa hoe:
J. Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.
M. Izy no nilaza izany dia ny mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: “Tsy nisy very izay nomenao Ahy na dia iray aza”. Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahiny, dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny an-kavanana. Malkosy no anaran’ilay mpanompo. Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera:
J. Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?
M. Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa ka namatotra Azy. Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany. Ary i Kaifa kosa no nanome saina ny Jody hoe: “Mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray”. Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa, ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera. Fa hoy ity ankizy vavy mpiandry vavahady tamin’i Piera:
V. Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?
M. Ary hoy izy:
V. Tsia.
M. Nangatsiaka ny andro tamin’izay, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera. Ary ny lehiben’ny Mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany, ka hoy i Jesoa namaly azy:
J. Niteny am-pahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona; ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko.
M. Nony nilaza izany i Jesoa dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina, sy nataony hoe:
V. Izany ve no famalinao ny lehiben’ny Mpisorona?
M. I Jesoa namaly azy hoe:
J. Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
M. Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy. Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe:
V. Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?
M. Fa nandà izy nanao hoe:
V. Tsia.
M. Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina:
V. Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?
M. Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoholahy naneno. Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any amin’ny tranon’ny Governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afaka mihinana ny Paka. Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe:
V. Inona no iampanganareo io Lehilahy io?
M. Dia hoy ny navalin’izy ireo azy:
V. Raha tsy mpanao ratsy Izy dia tsy natolotray anao.
M. Ka hoy i Pilaty taminy:
Ento Izy, ka tsarao araka ny lalànareo.
M. Fa hoy ny Jody namaly azy:
V. Tsy manam-pahefana hanamelon-ko faty izahay.
M. Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjo Azy. Dia niditra tao an-trano i Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe:
V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?
M. I Jesoa namaly hoe:
J. Anao samy irery izany teny izany, sa an’olonkafa nilaza Ahy taminao?
M. Dia namaly i Pilaty nanao hoe:
V. Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?
M. I Jesoa namaly hoe:
J. Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho, fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.
M. Dia hoy i Pilaty taminy:
V. Koa Mpanjaka izany Ianao?
M. Ary novalian’i Jesoa hoe:
J. Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tety an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.
M. Dia hoy i Pilaty taminy:
V. Inona ny marina?
M. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe:
V. Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza. Fa araka ny fanao amin’ny Paka, dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho, koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?
M. Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe:
V. Tsy Izy, fa i Barabasy.
M. Kanefa jiolahy i Barabasy. Tamin’izay nalain’i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina. Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiany kapaoty jaky Izy. Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo, ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:
V. Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.
M. Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe:
V. Indro Izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.
M. Tamin’izay nivoaka i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo sy nitafy kapaoty jaky, ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody:
V. Indro ny Lehilahy.
M. Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe:
V. Fantsiho, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
M. Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo:
V. Ento àry Izy, ka fantsihonareo, fa izaho tsy mahita izay helony.
M. Dia hoy ny Jody namaly azy:
V. Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay, dia tsy maintsy vonoina Izy, satria manao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.
M. Nandre izany i Pilaty, vao mainka natahotra. Ary niditra tao an-trano indray izy, ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
V. Avy aiza moa Ianao?
M. Fa tsy namaly azy i Jesoa. Ka hoy i Pilaty taminy:
V. Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho, no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?
M. Dia namaly i Jesoa hoe:
J. Tsy hanam-pahefana amiko ianao, raha tsy nomena anao avy any ambony izany, koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.
M. Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe:
V. Raha mandefa an’io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.
M. Nony nandre izany teny izany i Pilaty, dia nitondra an’i Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin’ny fitsarana, eo amin’ny fitoerana atao hoe: Litôstrôtôs (lalam-bato), na Gabatha amin’ny teny hebrio. Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay, ary tokony ho tamin’ny ora fahenina dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody:
V. Indro ny Mpanjakanareo.
M. Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe:
V. Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
M. Ka hoy i Pilaty taminy:
V. Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?
M. Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe:
V. Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.
M. Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa, ka noraisin’izy ireo Izy dia nentiny. Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliana, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery Izy (Ankarandoha), na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio. Teo no namantsihany Azy tamin’ny Hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa fa i Jesoa teo ampovoany. Ary nanao soratra i Pilaty, napetany teo andohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vàkiny: JESOA AVY ANY NAZARETA MPANJAKAN’NY JODY.
M. Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa, sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra. Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty:
V Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody, fa hoe: Izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody Aho.
M. Fa hoy i Pilaty hoe:
V. Izay voasoratro, dia voasoratro.
M. Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany, hatrany ambony ka hatrany ambany, ka nifampilaza izy ireo hoe:
V. Aoka tsy horovitintsika ity, fa aoka hilokantsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka.
M. Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon’ny miaramila. Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleofasy ary i Maria Madalenina. Nony hitan’i Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny;
J. Ravehivavy, indro ny zanakao.
M. Ary hoy Izy tamin’ilay mpianany:
J. Indro ny Reninao.
M. Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy. Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa, fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy, mba hahatanteraka ny Soratra Masina:
J. Mangetaheta Aho.
M. Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalainy ny spônjy, novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin’ny hazo hisôpy, dia natohoka teo am-bavany. Vao nanandrana ny vinaingitra Izy, dia nanao hoe:
J. Tanteraka ny zavatra rehetra.
M. Dia nanondrika ny lohany Izy ka niala aina.
(mandohalika mivavaka mangina kelikely)
M. Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody, mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany, sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filàzany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: “Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza”. Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: “Hijery izay nolefonina izy”. Rehefa afaka izany, i Jôsefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko, noho ny fahatahorany ny Jody, dia nangataka tamin’i Pilaty, mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa. Ary tonga koa i Nikôdema, ilay nanatona an’i Jesoa nony alina, tamin’ny voalohany, nitondra mira sy alôesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra. Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra, sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana. Nisy saha anankiray kosa teo amin’ny toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha. Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay, dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana.

17/04/2025

ALAKAMISY MASINA
HARIVA
"FAHATSIAROVANA NY FANASAN’NY TOMPO"
Fanambaràna ny Tenin'Andriamanitra
**************************************
Boky Eksaody 12, 1-8, 11-14.
"Hohenointsika izao ny Lalàna momba ny Sakafo fankalazana ny Paka."
Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna tany amin’ny tany Ejipta: “Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo. Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra ataovy hoe: “Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity, samia ianareo maka zanak’ondry iray avy, isam-pianakaviana, zanak’ondry iray isan-trano. Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy, arakaraka ny isan’ny olona, fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io. Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy. Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io, vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra, amin’ilay àty takariva iny.Hangalana ny rany, hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy, miaraka amin’ny m**o tsy misy lalivay sy anana mangidy. Ary toy izao no hihinananareo azy: ny andilana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan’ny Tompo izany. Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io andro io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Tompo. Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra, dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho. Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay”.
Izany àry ny Tenin’ny Tompo!
******************************
Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
---------------------------------------------------------
Salamo 115, 12-13. 15-16. 17-18.
Fiv.: Ny kalisy isaorantsika an’Andriamanitra, dia ilay isotroantsika ny Ran’i Kristy.
Inona no havaliko ny Tompo amin’ny soa rehetra nataony ahy? Handray ny kapoakam-pandresena aho sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.
Tsy sitraky ny Tompo velively ny ahafatesan’ny sakaizany. Mpanomponao aho, ry Tompo: eny, mpanomponao tokoa, zanaky ny ankizy vavinao aho, ka nalànao fatorana.
Koa mitondra fanati-pisaorana aho sy miantso ny Anaran’ny Tompo, manefa ny voadiko tamin’ny Tompo atrehin’ny vahoakany tontolo.
******************************
Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 11, 23-26.
"Isaky ny mihinana sy misotro amin’izao ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo."
Ry kristianina havana, izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana azy iny i Jesoa, dia nandray m**o, ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: “Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy”. Toy izany koa, nony efa nihinana, dia hoy izy: “Kalisy fanekena vaovao amin’ny Rako ity; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo”. Fa isaky ny mihinana ity m**o ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
Izany àry ny tenin’ny Tompo.
******************************
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 13, 1-15.
"Dia fara fitiavana no nataony taminy."
Talohan’ny fankalazana ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy. Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna moa efa nomen’ny demony hevitra hamadika Azy, i Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no iverenany, dia nitsangana teo am-pihinanana izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famàohana ka nisikinany; raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany. Ary nanatona an’i Simôna Piera izy; fa hoy i Piera taminy: “Adre! Ianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana”. Fa hoy i Piera taminy: “Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana oviana Ianao”. Ka hoy i Jesoa namaly azy: “Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko”. Dia hoy i Simôna Piera taminy: “Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tenako sy ny lohako koa”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra”. Izy no nanao hoe: Tsy ianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika Azy.Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nandray ny lamba Izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: “Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo? Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo; fa izany tokoa Aho. Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo”.
Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

16/04/2025

Evanjely Anio alarobia 16 Aprily 2025

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio 26, 14-25.

"Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy, kanefa loza ho an’izay olona hamadika Azy."

Tamin’izany andro izany, nandeha ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe i Jodasy lskariôta nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona ka nanao taminy hoe: “Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?” Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. Hatramin’izay, dia nikendry izay hamadihana Azy izy. Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: “Aiza no tianao hamboaranay hihinanao ny Paka?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.” Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy. Teo am-pihinanana dia hoy Izy: “Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.” Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?” Dia namaly Izy ka nanao hoe: “Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika Ahy. Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny Zanak’Olona! Tsara ho azy ny tsy teraka.” Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe: “Raby, moa izaho va izany?” Ka novaliany hoe: “Voalazanao.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

15/04/2025

ny Evanjely Anio Talata 15 Aprily 2025
HERINANDRO MASINA
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 13, 21-33. 36-38.
"Hamadika Ahy ny anankiray aminareo... Alohan’ny maneno akoho dia handà Ahy intelo ianao."
Tamin’izany andro izany, niara-nisakafo tamin’ny mpianany i Jesoa; ary nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava Izy nanao hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo.” Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy. Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa, no teo anilany niankina tamin’ny tratrany, ka nanatsika azy i Piera nanao taminy hoe: “Iza ilay lazainy izay?” Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: “Iza moa izany, Tompoko?” Ary hoy i Jesoa hoe: “Izay hotolorako sombi-m**o natsoboka tamin’ny ro no izy.” Dia natsobony ny m**o ka natolony an’i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna. Vantany vao nihinana ilay sombi-m**o i Jodasy Iskariôta dia nidiran’ny demony, ka hoy i Jesoa taminy: “Ataovy haingana izay ataonao.” Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana; fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: “Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra.” Vao nandray ilay sombi-m**o i Jodasy dia nivoaka niaraka tamin’izay. Efa alina ny andro tamin’izany. Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa: “Nomem-boninahitra izao ny Zanak’Olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha’ no lazaiko aminareo koa ankehitriny.” Hoy i Simôna Piera taminy: “Ho aiza Ianao, Tompoko?” Dia hoy i Jesoa: “Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao.” Ary hoy i Piera taminy: “Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza.” Fa hoy i Jesoa: “Hafoinao ho Ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.”
Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

15/04/2025

Evanjely ny Alatsinainy 14 Aprily 2025
HERINANDRO MASINA
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 12, 1-11.
"Avelao izy, fa mitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy."
Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa, tany amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangan’i Jesoa ho velona. Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy. Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjàna iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo. Tamin’izay, hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy, hoe: “Tsy naleo re namidy denie telonjato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra?” Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. Ka hoy i Jesoa taminy: “Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy. Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava.” Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa. Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina, satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.
Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

12/04/2025

ALAHADY SAMPANKAZO

FAHATSIAROVANA NY NIDIRAN’NY TOMPO TAO JEROSALEMA

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Bokin’i Izaia Mpaminany Iz. 50, 4-7
Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho.Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. Mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko Izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainoan’ny mpianatra. Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy Fi1. 2, 6-11
Nilatsa-Tenany ho ambany Izy, ka nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra.
Ry kristianina havana, na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

Taona D
Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md. Lioka Lk. 22, 14 – 23, 56 (fohy kokoa 23, 1-19)

M. Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana i Jesoa sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy tamin’ireo

J. Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho alohan’ny hijaliako, fa lazaiko anareo fa tsy mba hihinana azy intsony Aho mandra-pahatanterany any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

M. Dia nandray ny Kalisy Izy ka nisaotra, ary nanao hoe:
J. Raiso ity, ka zarao aminareo; fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry voaloboka intsony Aho mandrapahatongan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

M. Raha efa izany, dia nandray m**o Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe:
J. Vatako ity, izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana AhyM. Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy Izy:
J. Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako izay alatsaka ho anareo. Kanefa indro ny tanan’izay mamadika Ahy efa mby eto amiko eto ambony latabatra. Raha ny Zanak’olona, dia mandeha araka ny lahatra; fa mila loza izay hamadika Azy.
M. Dia nifanontany ny mpianatra hoe: iza re no dia hahavita izany amin’izy ireo? Ary velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo momba ny hahalalana izay lehibe indrind
J. Amin’ny Jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanasoa; fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay manam-pahefana no ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin’ny latabatra va sa ny manompo? Moa tsy izay mihinana amin’ny latabatra va? Ary Izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo. Ianareo moa, naharitra nanaraka Ahy tamin’izay nanjo Ahy, Izaho kosa hanamboatra fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko Fanjakana ho Ahy, mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatro any amin’ny Fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana, hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
M. Ary hoy ny Tompo:
J. Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.
M. Ary hoy i Piera taminy:
V. Vonon-kanaraka Anao Aho, Tompoko, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin’ny fahafatesana aza.
M. Fa hoy i Jesoa:
J. Lazaiko aminao, ry Piera, fa mbola tsy haneno akoho anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
M. Ary hoy kosa Izy tamin’ny mpianany:
J. Raha naniraka anareo tsy hitondra kitampom-bola na kitampom-batsy na kiraro Aho, moa orin-javatra va ianareo?M. Hoy izy ireo:
M. Dia hoy Izy taminy:
J. Fa amin’izao kosa, izay manan-kitampom-bola aoka hitondra azy; toy izany koa izay manan-kitampom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra aoka hivarotra ny akanjony ka hividy iray, fa lazaiko aminareo fa ity teny voasoratra ity koa tsy maintsy ho tanteraka amiko, dia ilay hoe: Natao lasitra iray amin’ny ratsy fanahy Izy; fa efa ho tapitra daholo ny amiko.M. Dia hoy izy ireo:
V. Tompoko, indreto misy sabatra roa. Dia hoy i Jesoa taminy:
M. Dia nivoaka nankany an-tendrombohitra araka ny fanaony Izy, ka nanaraka Azy koa ny mpianany. Nony tonga tany Izy dia nanao tamin’izy ireo hoe:
J. Mivavaha mba tsy ho azon’ny fakàm-panahy ianareo.
M. Dia nihataka tamin’izy ireo tokony ho tra-toraka Izy ka nandohalika, dia nivavaka nanao hoe:
J. Raiko! Raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitra-ponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.
M. Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery Azy. Dia voan’ny fiadiana aina Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa. Ary nanjary toy ny ra ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin’ny tany. Nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ny mpianany ka nahita azy natory noho ny alahelo, ary nilaza taminy hoe:
J. Nahoana no natory ianareo? Mifohaza ka mivavaha mba tsy ho azon’ny fakàm-panahy ianareo.
M. Raha mbola niteny Izy, dia indro nisy andian’olona maromaro nitranga, ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy no loha lalana, ary nanatona an’i Jesoa ilay io mba hanoroka Azy. Ary hoy i Jesoa taminy:
J. Ry Jodasy, dia fanorohana lahy no amadihanao ny Zanak’olona?M. Nony hitan-dry zareo teo amin’i Jesoa izay hanjo, dia hoy izy taminy:
M. Dia nasian’ny anankiray taminy tokoa ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny ankavanana. Fa hoy Jesoa:
J. Aoka izay.
M. Dia nanendry ny sofin-dralehilahy Izy, ka nahasitrana azy. Ary hoy i Jesoa tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpandraharaha amin’ny Tempoly ary ny loholona izay tonga teo handray Azy:
J. Mova tsy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo, mitondra sabatra sy langilangy! Teo aminareo isan’andro tao an-Tempoly Aho, nefa tsy nikasi-tanana Ahy akory ianareo; fa izao tonga ny fotoanareo sy ny herin’ny
M. Dia nisambotra Azy izy ireo ka nitondra Azy tany an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona; i Piera izany nanaraka teny lavidavitra teny ihany. Ary nampirehitra afo teo afovoan’ny tokotany ny olona, dia nipetraka nanodidina, ka mba niara-nipetraka taminy teo koa i Piera. Nisy ankizy vavy anankiray kosa nahita azy nipetraka tao akaikin’ny afo, ka nijery azy, dia nanao hoe:
V. Ity koa niaraka taminy.
M. Fa nandà i Piera nanao hoe:V. Ravehivavy, tsy mahalala Azy akory aho.
M. Nony afaka kelikely dia nisy lehilahy anankiray koa nahita azy ka nanao hoe:
V. Ianao koa lahy naman’irony olona irony.M. Fa hoy i Piera:
V. Ry sakaiza, tsy nàmany akory aho.M. Ora iray taorian’izany, dia nisy hafa nilaza tamim-pitokiana hoe:
V. Tena marina raha tsy nàmany koa ralehilahy ity, satria Galileanina izy.
M. Dia hoy i Piera.
V. Ry sakaiza, tsy fantatro izay lazainao.M. Niaraka tamin’izay raha mbola niteny izy, dia naneno ny akoho. Ary nitodika nijery an’i Piera ny Tompo, ka tsaroan’i Piera ilay tenin’ny Tompo nanao hoe: Alohan’ny maneno akoho anio, handà Ahy intelo ianao; dia nivoaka tany ivelany izy ka nitomany fatratra. Dia nataon’ireo olona nitana Azy fihomehezana i Jesoa sady nokapohiny, notampenany ny masony, notehafiny ny Tavany, dia hoy izy taminy:
M. Ary maro ny teny ratsy hafa nanaratsiany Azy. Nony vao maraina ny andro, dia nivory ny loholona sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka nentiny tao amin’ny Sanedrîna i Jesoa, ary hoy ireo taminy:
V. Raha Ianao no i Kristy, dia lazao aminay.
M. Fa hoy Izy taminy:J. Na hilaza aminareo aza Aho, tsy hinoanareo akory; ary raha hanontany anareo aza Aho, tsy hovalianareo na halefanareo akory. Fa hatramin’izao ny Zanak’olona dia hipetraka eo ankavanan’ny herin’Andriamanitra.
M. Dia hoy izy rehetra:
V. Zanak’Andriamanitra izany Ianao?
M. Ary hoy Izy taminy:
J. Voalazanareo: Izy Aho.M. Ka hoy izy ireo:
V. Inona indray no ilàntsika vavolombelona? Tenantsika no nandre tamin’ny vavany.M. Tamin’izay dia nitsangana izy rehetra ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty.Eto no manomboka ny vakinteny fohy.M. Nitsangana ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty, ary niampanga Azy toy izao:V. Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany hV. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao? Ka novaliany hoe:
J. Voalazanao.M. Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka:
V. Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.
M. Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe:V. Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.
M. Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy, ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa efa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka ery, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana. Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa. Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby ery niampanga Azy. Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray. Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza tery i Herôda sy i Pilaty efa nifandrafy teo iny. Nasain’i Pilaty novorîna ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ny vahoaka, dia nilazany hoe:
V. Nentinareo taty io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho aty amintsika izy, ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety. Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe:
M. I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa; nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe:
V. Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!M. Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe:V. Inona àry no ratsy nataony?M. Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. Dia nasain’i Pilaty natao izay nangatahiny; ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany Azy. Fa nitodika azy ireo i Jesoa nanao hoe:
J. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: “Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana”. Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: “Mianjerà aminay”, sy amin’ny havoana hoe: “Saròny izahay”; fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?
M. Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa, nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy sy ireo mpangalatra ireo; ny iray moa teo ankavanany, ary ny iray kosa teo ankaviany. Dia hoy i Jesoa:
J. Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.
M. Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany. Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
V. Namonjy ny sasany Izy, ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy.
M. Ny miaramila koa naneso Azy nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe:
V. Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.M. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
V. Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.
M. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe:V. Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika, fa ny Azy kosa, tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.
M. Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
V. Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.
M. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
J. Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.
M. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:
J. Raiko! apetrako eo an-tananao ny fanahiko.
M. Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
M. Rehefa nahita ny zavatra niseho teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra, ka nanao hoe:V. Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.
M. Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany. Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra ombàn’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea ka samy nijery izany.Tapitra ny Vakiteny fohy.
M. Ary nisy lehilahy tsara fanahy sady marina anankiray atao hoe Jôsefa izay anisan’ny Sanedrîna tsy mba nisy neken’izy io na ny hevi-dratsin’ny sasany na ny nataon’izy ireo; avy any Arimatia tanànan’i Jodea izy, ary mba nanantena ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Nanatona an’i Pilaty izy ka nangataka ny vatan’i Jesoa. Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba, ary naleviny tao amin’ny fasana anankiray nolavahana tamin’ny vato, sy tsy mbola nandevenana olona. Andro fiomanana tamin’izay andro izay, sady efa hiantomboka ny sabata. Ary ny vehivavy nanaraka an’i Jesoa avy tany Galilea dia niaraka tamin’i Jôsefa koa, ka nijery ny tao am-pasana sy izay fomba fametrahana ny vatan’i Jesoa. Rehefa niverina avy any izy ireo, dia namboatra zava-manitra sy menaka manitra; fa nony sabata ny andro dia nitsahatra araka ny Lalàna izy.

Address

Mahamasina
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Masôva posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share