20/07/2026
MANAOVA ASA SOA TSY HITAN’OLONA FA HITAN’ANDRIAMANITRA
« Koa raha manao soa ianao, aza avela ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ny tananao ankavanana, mba ho ao amin’ny miafina ny soa ataonao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny miafina, no hamaly anao. » — Matio 6:3-4
🔵Anisan’ny fanalahidin’ny fahombiazana sy ny fitahiana, na ara-panahy na ara-nofo tokoa ny fanaovana asa soa.
⏩Kanefa tsy ny asa soa rehetra no mitovy lanja eo anatrehan’Andriamanitra,
fa arakarakany niha nanaovanao azy
▶️Ny tena sarobidy dia ilay atao am-pitiavana, am-panetren-tena ary tsy mitady dera avy amin’ny olona.
⏩Tsy tokony ho fitaovana hanehoana harena na hitadiavana laza sy fahefana ny fanampiana ny hafa.
🔷 Ny asa soa tena mahafaly an’Andriamanitra dia ilay atao mangina, satria Izy no mahita ny fo sy ny antony manosika antsika hanao izany, avelao Andriamanitra hanandratra sy hankalaza anao fa tsy ny olona
🔷Karakarao sy ampio ireo marefo ara-pivelomana:
➡️ny kamboty
➡️ny be antitra,
➡️ ireo sahirana
➡️ ny mpangataka ary ireo tsy manana fanantenana sns...
➡️ Ataovy fahazarana ny manampy ireo marefo ara-pivelomana
▶️Aza atao tsinontsinona izy ireo, satria samy zavaboarin’Andriamanitra avokoa isika rehetra.
⏩Rehefa mizara amin’ny hafa isika dia tsy very ny fananantsika, fa mamafy voa fitahiana, mbola miverina ho fitahiana ho anao ihany koa iny
✅Ny tanana izay manampy ny sahirana dia tanana ampiasain’Andriamanitra hitondra fahasoavana.
🌐Ho antsika izay nomen’Andriamanitra fahasoavana manokana, aoka isika tsy hanadino fa adidy ny mikarakara ny namantsika izay tsy manana .
🔷Ny tena harena lehibe indrindra dia tsy izay ananantsika ihany, fa ny fitiavana sy ny soa azontsika zaraina amin’ny hafa.
« Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. » — Matio 22:39
🔵Ny asa soa dia manatsara ny anjara toeranao any amin' ny Paradisa ary mitondra fitahiana ho any fivelomanao ety antany ihany koa.
🙏Hotahin’Andriamanitra sy hampitomboany fahasoavana anie izay rehetra tia mizara sy manampy ireo namana sahirana
Dera sy laza ary Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany 🙏