Bishop Darrell Critch

Bishop Darrell Critch Bishop Darrell Critch is the Diocesan Bishop of Mahajanga, Madagascar in the Anglican Province of the Indian Ocean.

He is husband to Neny Sarah, and father to Chase.

23/07/2026
A glorious visit to the parish of Maintaraino.
19/07/2026

A glorious visit to the parish of Maintaraino.

19/07/2026

One of the choir anthems at St Jakoba this morning.

11/07/2026

📢 FILAZANA HO AN’NY KRISTIANINA REHETRA ETO MAHAJANGA

Ho amin’ny voninahitr’Andriamanitra dia ampandrenesina amim-pifaliana isika rehetra fa anio Sabotsy 11 Jolay 2026 dia hitsidika ny Diosesy Mahajanga ny Arseveka, miaraka amin’ny Presbytera anglisy solontenan’ny Relay Trust.

đź•§ Fotoana hahatongavana: 12 ora atoandro
📍 Toerana: Seranam-piaramanidina Amborovy, Mahajanga

Koa manasa antsika Kristianina rehetra eto Mahajanga mba ho tonga maro handray amim-boninahitra ny Arseveka sy ny vahiny miaraka aminy eny amin’ny Seranam-piaramanidina Amborovy.

Aorian’ny fandraisana dia hisy karnavaly hitety ny tanàna, ho fanehoam-pifaliana sy firaisankina. Koa entanina ny paroasy, ny fikambanana ary ny mpino rehetra handray anjara amim-pifaliana.

Rahampitso Alahady 12 Jolay 2026, dia hisy Fotoam-pivavahana Masina miaraka amin’ny Komoniona ao amin’ny Katedraly Sanya Lioka, Mahajanga, izay hotarihin’ny Arseveka.

Manasa antsika rehetra ho tonga hiara-hivavaka sy hihaino ny hafatra sy fampaherezana entin’ny Arseveka. Ity fitsidihana ity dia natao indrindra hihainoana ny zava-misy sy ny filàn’ny Diosesy Mahajanga, mba hahafahan’ny Relay Trust sy ny Provinsa manohana bebe kokoa ny asa fitoriana sy ny fampandrosoana ny Fiangonana eto amin’ny Diosesintsika.

Tongava maro handray ny Arseveka anio, ary tongava maro koa hiara-hivavaka aminy rahampitso ao amin’ny Katedraly Masindahy Lioka.

“Indro, endrey ny hatsaran’ny mpirahalahy miara-monina amim-piraisan-kina!” (Salamo 133:1)

Neny Rogette was a great encouragement to me and Neny Sarah as I became the Bishop of Mahajanga. She was the wife of the...
25/06/2026

Neny Rogette was a great encouragement to me and Neny Sarah as I became the Bishop of Mahajanga. She was the wife of the first Bishop of Mahajanga.
I will miss her wise advice, and our many bowls of ice cream together!
May she rest in peace and rise in glory!

22/06/2026

Fiadanana e!

Ianao Izay nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany. (Salamo 71.20).

🙏Vavaka: Tompo ô, eo an-tananao no atolotro ny fiainako. Amen

👉Zarao mba ho hitan'ny maro

19/06/2026

Fiadanana e!

Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.

Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.

Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialĂ na. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masĂŻna ianao, ekeo ny fandavako.

Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masĂŻna ianao, ekeo ny fandavako.

Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany. (Lioka 14.16-20).

🙏Vavaka: Tompo ô, tariho izahay hanatona ny fanasanao fa tsy hanakalo izany ny zavatry ny tany. Amen

👉Zarao mba ho hitan'ny maro

18/06/2026

Fiadanana e!

Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.

Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.

Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;

Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.

Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.

Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.

Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. (Salamo 62.1-8)

🙏Vavaka: Tompo ô, efa famonjena sy aro ho ahy Ianao, aza ela re faingana hamonjy ahy. Amen

👉Zarao mba ho hitan'ny maro

17/06/2026

Fiadanana e!

Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.

Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.(Salamo 31.23-24)

🙏Vavaka: Tompo ô, heriko Ianao, ampio sy arovy aho hifikitra aminao. Amen.

👉Zarao mba ho hitan'ny maro

15/06/2026

Fiadanana e!

Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny rĂ ny.

Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?

Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?

Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.

Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?

Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;

angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany. (Lioka 13.1-9).

🙏Vavaka: Tompo ô, tariho ny fonay hibebaka marina ary karakarao izahay mba hamoa ho Anao. Amen

👉Zarao mba ho hitan'ny maro

Address

Eveche Anglican
Mahajanga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Bishop Darrell Critch posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Bishop Darrell Critch:

Shortcuts

Share