Distrika Mahajanga Atsinanana

Distrika Mahajanga Atsinanana Église adventiste

22/08/2025
22/07/2025

SABATAN’NY ANKIZY, 26 Jolay 2025

HO MAHATOKY AMIN’I JEHOVAH MANDRAKARIVA AHO !
FITAOVANA ILAINA:
Fitaovana anengoana ny Mpanjaka Josia ( satroboninahitra, akanjo taratasy voahainho tsara atao farany ivelany, tehim-panjakana)
Horonan-taratasy misy ny lalana, Tsangambaton-tsampy(Hazo botabota na baoritra atao lavalava maromaro apetraka mielanelana, fonosina lamba menamena , ravaravahina,..)
Lamba mangamanga lava hatao ranomasina, taratasy 2 misy hafatra 2 homena ireo olona 2. Taratasy fotsy 2 hanoratana ny hafatra tonga.
Soratra “HO MAHATOKY AMIN’I JEHOVAH MANDRAKARIVA AHO !” atao azo vakiana amin’ny taratasy
Vakiana tsara ny soratra matavy rehtra mba hahazahoanao ny isan’ny olona ialaina sy ny hetsika hatao
FANAMARIHANA:
Amin’ny maha Sabatan’ny ankizy ny andro dia aoka ho ny ankizy 14 taona noho midina no hanatontosa ny programa. Azonareo atao ny mizara ny toriteny amin’ny ankizy roa samihafa, ankizy hafa koa no manentana mapanao ny lalao.
Ny folakandro dia eny anivon’ny fiaraha-monina no hamaranana ny Sabatan’ny ankizy. Hanao antsakira isika, handray anjara amin’ny toriteny fanentanana ny olona hiverina amin’ny tfandinihana sy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra ny ankizy ary ho faranana amin’ny asa fanasoavana mivaingana any amin'ny fiaraha-monina ho mariky ny fanoloran-tenan'izy ireo.
Mirary ny ankizy rehetra syn y lehibe hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra azy ka hitombo hafanam-po eo amin’ny fanompoana sy fahatokiana Azy.
Mankasitraka anareo mpiandraikitra mandrakariva mikarakara ny ondrikelin’I Jesosy. Ho tahian’Andriamanitra hatrany anie hianareo.Amen
----------------------------------------------------------------------------------------
FAMELABELARANA

Miarahaba ny fiangonana rehetra indrindra ny ankizy nahatratra ity Sabata amaneran-tany ho an’ny ankizy ity. Ny faniriako dia izao, mba ho Sabata handraisantsika rehetra fitahiana sy fifaliana anie ity Sabata manokana ity. Amen.

FAMPIDIRANA ( tsy tenenina)
HO MAHATOKY AMIN’I JEHOVAH AHO! Izany no lohatenintsika anio. Azonareo averina ve izany lohantenitsika izany? 1, 2, 3… Misaotra tompoko!
Tantaran’ny ankizy iray no handraisantsika lesona amin’ity maraina ity. Tsy ho lazaiko anareo anefa ny anarany fa hianareo no hamantatra azy. Mangataka anareo ary mba hihaino tsara daholo aloha. Mbola tsy misy mamaly an, fa mihaino tsara daholo aloha. Rehefa voapetrako daholo ny fanontaniana vao mahazo mamaly hianareo. Ny ankizy no angatahana hamaly voalohany fa rehefa tsy mahay ny ankizy izay vao mahazo mamaly ny lehibe.
Iza ary izy?
Izy dia tovolahy kely,
Valo taona monja izy dia efa tonga mpanjakan’ny Zanakisiraely,
Miatomboka amin’ny “J” ny anarany.
Iza ary izy? ( Averiko indray mandeha. Ao tsara isika rankizy namako an. Iza ary izy?...)
Mahay ny ankizy! Tantaran’I Josia no handraisantsika lesona anio.

( Asaina miseho I Amona sady mivezivezy eo anoloana, manatona ireo tsangambato sampy( Bala, aseraha, astarta,.. dia miankohoka sy mivavaka eo)
Amona no anaran’ny dadan’i Josia rankizy. Iza hoe? Amona. Ratsy fanahy be io Amona io. Manompo sampy be izy. Fantatry ny ankizy ve izany sampy izany? Atakalony sarin-javatra voasokitra Andriamanitra. Raha tokony hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitra izy dia tsy vonoiny ho Azy izany fa vonoiny ho an’ny Andriamanitra hafa.
Noho izany dia tsy tian’ny olona I Amona ka novonoin’izy ireo. I Josia indray no nakarina natao mpanjaka handimby azy.
Hitantsika ao amin’ny 2Tantara 33:22-25 izany ( Tsy vakiana)
Fa mba ananao ahoana kosa ary I Josia? Manahoana ny toetrany izay tokony halaintsika ankizy tahaka anio?

VOTOATINY:
FIZARANA-1
Nahatoky tamin’I Jehovah I Josia. Hainareo ve ny dikan’ny hoe MAHATOKY AMIN’I JEHOVAH izany? Misy heviny 2 rankizy ao anatin’izany hoe MAHATOKY AMIN’I JEHOVAH.
Andeha hilalao kely aloha isika hamantarantsika ny heviny voalohany.
Ny olona rehetra mipetraka manandrify ny rindrina 2 amin’ny sisin’ny fiangonana no handray anjara. ( Tsy omanina mialoha) Manana groupe 2 isika izao dia ny sisiny havia sy ny sisiny havanana. Angatahina hitsangana izy ireo na kely na lehibe. Mila mitovy fotsiny ny isany. Folo raha kely indrindra ny isan’ny ao anaty groupe iray.
Ireto olona lehibe anankiroa ireto kosa dia hijoro any amin’ny aoriana indrindra.Any amin’izy ireo ny taratasy misy ireo hafatra roa izay tiana hampitaina anio. Ny anjaran’ny mambran’ny groupe tsirairay dia hihaino tsara ary hampita amin’ny alalan’ny bitsibitsika izay tenenin’izy ireo tsy misy diso amin’ny eo alohany mandrapaha tonga ety anoloana. Tsy mahazo mifampitodika ny ao aloha sy afara, tsy mijery ny vava mibitsibitsika fa mihaino fotsiny dia mampita. Rehefa tonga eny amin’ny olona farany ao anaty groupe dia hampitainy amin’ireo olona manana taratasy fotsy eny aloha manandrify azy mba ho soratany.
Manisa ilay mpitarika lalao ka raha vao tapitra ny 3 dia manome ny hafatra ilay olona manana ilay hafatra 1 sy 2 ao anaty taratasy.(Hafatra 1: Tia ny olona rehtra I Jesosy. Hafatra

01/07/2025

Ho fanamafisana ny Filazana efa nalefà ny amin'ny fahatongavan'ny tomponandraikitry ny Sekoly Sabata sy ny Asa Fitoriana avy any amin'ny Union : aza adino fa ny zoma faha 4 Jolay hariva @ 6 Ora 30 ao amin'ny Fiangonanana Manga.
Ny Sabata tontolo kosa ao Źoara. Ka ny Sabata Maraina ny Talen'ny Sekoly Sabata sy ny Asa Fitoriana ary ny Sekreteran'ny Sekoly sabata sy ny Sekretera ny Asa Fitoriana rehetra ho tonga ao zoara avokoa. Ny Sabata Tolakandro kosa dia ny mambra rehetra no antsoina hanatrika ny fiofanana lehibe io ao Zoara. Ny Tompo anie hitahy antsika rehetra

Mahajanga , 13 Jona 2025Andefasana : Ny Fiangonana rehetra Antony : Kongresy ny MINENF FMNO, Fivavahana ho an’ny Tanindr...
13/06/2025

Mahajanga , 13 Jona 2025

Andefasana : Ny Fiangonana rehetra

Antony : Kongresy ny MINENF FMNO, Fivavahana ho an’ny Tanindrazana, Fivoriana any Amparemahitsy

Réf : 0013/06/25

Rahalahy sy Anabavy mpiray fanantenana
Ampitomboina amintsika mandrakariva anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Ho fanomanantsika ny kaongresy MINENF FMNO dia toy izao manaraka izao ny fandaminana eto anivon’ny Distrika Mahajanga Antsinanana
Hisy FIFANINANANA ARA-BAIBOLY ka mamoaka solotena iray isaky ny taona ny isam-piangonana ny 14 JONA 2025 izao :
- 0 – 5 taona : Lioka 1
- 6 – 8 taona : Lioka 3.4
- 9 – 11 taona : Jaona 2,3
- 12 – 14 taona : Lioka 15, Jaona 5
Hisy fifaninanana MITORY TENY izay mifototra ao amin’ny Mat 19 : 14 ny lohahevitra (7 – 10 mn faharetany), ka mamoaka solotena iray ny isam - piangonana ny 21 JONA 2025
Fifanintsanana eo anivon’ny Distrika ny ny alahady 29 Jona 2025 izay atao ao amin’ny fiangonana Zoara Famonjena amin’ny 02 ora folakandro. Mbola hisy fianarana tantara an-tsehatra sy hira maro samihafa ihany koa izay henontsika tsy ho ela ny daty fandaminana.
Tsara ny mamerina fa mbola mandray ny fisoratana anarantsika rehetra (ankizy sy Ray aman-dReny…) izay te hanatrika io fiaonam-be io ka toy izao ny andininy :
- - 4 taona : 15 000 ar ny totaliny (Frais généraux, hofantrano…)
- +5 taona : 20 000 ar ny totaliny (Frais généraux, hofantrano…)

Manaraka zany, antsoina koa ny Fiangonana rehetra mba hanatrika ny fivavahana ho an’ny Tanindrazana ao Manjary Soa Mahatsinjo ny Sabata Maraina ny faha 21 Jona 2025, Marihina fa manadray anjara mihira amin’ny Culte ny Chorale Distrika Mahajanga Atsinanana aza adino ny fanamiana. Hisy famerenan-kira ny Alahady 15 Jona 2025 ao Zoara amin’ny 4 tolakandro
Aza adino ny fivorian’ny Loholona,Talem-piangonana,Sekretera, Ny Mpitambola ary ny CD rehetra any Amparemahitsy ny 16 Jona 2025
Koa dia mirary antsika rehetra hahery amin’ny fanompoana ny Tompo Andriamanitra.

29/05/2025

impact j09

Address

Mahajanga
Mahajanga
401

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Distrika Mahajanga Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share