Goshen TV

Goshen TV Hampanakaiky kokoa anao @ Andriamanitra ity pejy ity 💯

Retour en images 📸🔥🔥 Fitoriana filazantsara Antanimena 🔥🔥Haverina amin'i JESOSY irery ihany ny voninahitra 🙏🏾📌AMPASIKA T...
15/08/2026

Retour en images 📸
🔥🔥 Fitoriana filazantsara Antanimena 🔥🔥
Haverina amin'i JESOSY irery ihany ny voninahitra 🙏🏾

📌AMPASIKA TSY HO ELA


❤️❤️

🔥 ANTANIMENA, VONONA VE IANAO? 🔥✨ 14 AÔUT 2026 amin’ny 5 ora hariva, fotoana iray hihaonana, hiderana an’Andriamanitra a...
11/08/2026

🔥 ANTANIMENA, VONONA VE IANAO? 🔥

✨ 14 AÔUT 2026 amin’ny 5 ora hariva, fotoana iray hihaonana, hiderana an’Andriamanitra ary hizarana ny Hafatr’i Kristy ao Antanimena, akaikin’ny terrain an'ny baolina devant paompy.

🙏 Fitoriana Filazantsara lehibe mitondra hafatra ho an’ny rehetra: JESOSY NO VAHAOLANA HO ANAO!

🎤 Fiderana sy fiankohrofana
💃🏾 Dihy
🎙️ Rap évangélique
🕴🏾Tantara an-tsehatra

🎶 Miaraka amin’ny:
📌 Goshen Choir
📌 GYC
📌 Goshen Rap.

📣 Ento miaraka aminao ny namana, ny fianakaviana ary ireo olona akaiky anao.

🔥Andao hiara-hanandratra ny anaran’i Jesosy ary hizara hafatra mitondra fanantenana sy finoana. ❤️

📌Ento ny marary, ny manana olana ara - bola, manana olana ara- tokantrano(miady lava, tsy mety manam-bady,misy FANAHY manambady),ampahorian'i satana( manonofy ratsy,misy fanahy mipetraka, misy tsatoka )....

👉 JESOSY NO VAHAOLANA HO ANAO!
TSY MISY VIDIM-PIDIRANA — TONGAVA MARO! 🙌🔥

🚨🚨MAJUNGA MBOLA AFAKIN'NY HIOVA NY TANTARANAO🚨🚨📌Tsy misy olona maniry ny zanany tsy hahomby sy tsy ho tafita izany❗📌Anis...
10/08/2026

🚨🚨MAJUNGA MBOLA AFAKIN'NY HIOVA NY TANTARANAO🚨🚨

📌Tsy misy olona maniry ny zanany tsy hahomby sy tsy ho tafita izany❗
📌Anisany fifaliana ho antsika Ray aman-dreny ny mahita ny zana-tsika tafita sy ambinina .Ary izany no antony hiasan-tsika sy hitadiavan-tsika vola,mba hitovizany zana-tsika amin'ny hafa.

🔴Tahaka an'izany koa Andriamanitra
👉🏾Fanirin'Andriamanitra ny mba ahita ny zanany Salama sady hambinina amin'ny zavatra rehetra ( III Jao 2 )

📌Fa io fahamarinana io no ezahan'i satana hafenina amin'ny Kristiana ka hany ka maro ny kristiana no mitotototo mitovy amin'ny rehetra ihany.

👉🏾Ka tianao ve mba ho hambinina ny asanao sy ny fiainanao.

🔶ANDAO HANOVO FAHALALANA 🏃🏾‍♀️🏃🏾‍♀️
Ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa :
"Raha fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo" ( jao 8:32)

Izany indrindra no hanasako anao amin'ito fotoana lehibe ito

✨ LALAM-BE HO AMIN’NY FANAMBINANA MIHOAMPAMPANA ✨

📌Mbola afaka ny hiova io situation anao io🫵🏾

✳️Aza avela handalo fotsiny izao fotoana izao, fa tongava mandray ny anjara fitahianao ary hiara-hivavaka sy hihaino ny Tenin’Andriamanitra.

Ato amin'ny FIANGONANA GOSHEN MINISTRIES INTERNATIONAL ⛪

🔴Ny Alahady 16 Août 2026 izao🔴
🕘 Fidirana 1 : 09 ora maraina
🕒 Fidirana 2 : 03 ora hariva — ORAN’NY FAHAGAGANA

🎙️ Hitondra ny hafatr'Andriamanitra : Pasteur Josué RATSIMBASON

📍 Jet Hôtel – Tanambao Sotema, croisement Cimetière, ampitan’ny CSB2 Sotema

📞 034 07 607 57

🔥 Tongava miaraka amin’ny finoana, satria andro iray hanovan'Andriamanitra ny fiainanao io!

❤️ Aza tonga irery — asao ny ankohonanao sy ny namanao!

Intl 🔥🔥
# ❤️

🚨🚨 MAJUNGA FOTOANANAO IZAO🚨🚨📢🔥 FITORIANA FILAZANTSARA LEHIBE 🔥📢Ny Goshen Évangélisation Team (GET TEAM) dia manasa ANTSI...
04/08/2026

🚨🚨 MAJUNGA FOTOANANAO IZAO🚨🚨

📢🔥 FITORIANA FILAZANTSARA LEHIBE 🔥📢

Ny Goshen Évangélisation Team (GET TEAM) dia manasa ANTSIKA JIABY eto Majunga, indrindra ireo monina aty Sotema, Antanimena, Ambomandamina, Antanimalandy ary ny manodidina, hanatrika izao fotoana lehibe izao.

✨ Andao hiaraka hankalaza sy hidera an'Andriamanitra miaraka aminay:

🛑Invité :

🎶 GYC (Goshen Youth Church): Dihy fiderana an'Andriamanitra
🎤 Goshen Rap
🎵 Goshen Choir, izay hitondra antsika ao anatin'ny fiderana sy fiankohofana

📖 Ny hitondra ny Tenin'Andriamanitra : Pasteur Josué RATSIMBASON.

🙏 Hisy vavaka manokana ho an'ireo marary, ireo manana olana isan-karazany, ireo ampahorian'ny fanahy ratsy, tratran'ny famosaviana, ary ireo tokantrano mikorontana.

❓ Marary ve ianao ka mitady fanasitranana?
❓ Manana olana ve ianao ka tsy hitanao intsony izay atao?
❓ Misy zavatra manavesatra ny sainao sy ny fonao ve?
❓ Mikorontana ve ny tokantranonao?
❓ Mahatsapa ho voafatotry ny herin'ny maizina ve ianao?
❓ Tratran'ny famosaviana na ampahorian'ny fanahy ratsy ve ianao?
❓ Mitady fiadanana sy fanantenana ve ianao?
❓ Te hahita fiovana eo amin'ny fiainanao ve ianao?
❓ Mila fahagagana avy amin'Andriamanitra ve ianao?

✨ Tsarovy fa tsy miova Jesosy, ary mbola afaka manova ny fiainanao Izy!

🙏 Tongava fa hisy vavaka sy fitoriana ny Tenin'Andriamanitra ho an'ny rehetra.

📍 Toerana: Antanimena, akaikin'ny terrain an'ny baolina, devant an'ny pompe.

📞 Antsoy ny: 034 07 607 57

Tongava maro fa Jesosy no vahaolana ho anao! 🙏❤️

❤️
🥰

TSY AMIN-KERY TSY AMIM-PAHATANJAHANA, FA AMIN'NY FANAMPINY FANAHY MASINA IRERY IHANY🔥🔥👉🏼Tsy izay rehetra nianatra rehetr...
04/07/2026

TSY AMIN-KERY TSY AMIM-PAHATANJAHANA, FA AMIN'NY FANAMPINY FANAHY MASINA IRERY IHANY🔥🔥

👉🏼Tsy izay rehetra nianatra rehetra no afa-panadinana
👉🏼Tsy izay manana ny fahalalana rehetra no mahomby amin'ny fiainana
👉🏼Betsaka ny manam-pahaizana sy manam-pahalalana fa tsy tonga n'aiza n'aiza

📌Ka mila ny herin'Andriamanitra isika satria tsy hoan'ny haingan-tongotra ny fihoarana,ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena,ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia fa ny sampona sy ny fotoana dia samy mahazo azy rehetra

🛑Koa rahampitso Ahalady 05 juillet dia manasa antsika rehetra izay hanala fanadinana BEPC izay.👩🏾‍🏫

📌Hisy vavaka manokana ho an'ireo izay hiatrika fanadinana BEPC rahampitso

👉🏼Andao hanankina ny examen izay ho ataontsika amin'Andriamanitra
👉🏼Andao hitoky tanteraka amin'Andriamanitra

🔴Dia ho ataon'iJehovah ho lohany hianao fa tsy rambony (Deoteronomia 28:13)





Toerana : Jet Hôtel, Tanambao Sotema, croisement cimetière

Contact : 034 07 607 57

ANDAO HIOMBOM-PO HIVAVAKA HO ANY FIRENENA🔥🔥"Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo,Ary m...
25/06/2026

ANDAO HIOMBOM-PO HIVAVAKA HO ANY FIRENENA🔥🔥

"Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo,Ary mivavaha amin'i Jéhovah ho azy, fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo" Jeremia 29:7

📌Anisany adidy sy andraikitra lehibe ho antsika kristiana ny mivavaka ho an'ny FIRENENA.

Ka andao hiaraka hiombom-bavaka,hivavaka ho an'ity firenena malalantsika ity🇲🇬

👉🏼Adidiko
👉🏼Adidinao
👉🏼Adidin-tsika rehetra
Ny mivavaka mba hiadanan'ny FIRENENA izay nametrahan'iJesosy antsika

📌 VANIM-POTOANA handrosoan'ny Madagasikara izao🇲🇬🇲🇬

Koa andao Ary hiombom-bavaka 🔥🔥



🛑🍀🌞 CAMPS VACANCE ÉVANGÉLIQUE 🛑🍀🌞✅Tianao hilona tanteraka ao anatin'ny fahalalana sy fialantsasatra feno fampianarana ar...
24/06/2026

🛑🍀🌞 CAMPS VACANCE ÉVANGÉLIQUE 🛑🍀🌞
✅Tianao hilona tanteraka ao anatin'ny fahalalana sy fialantsasatra feno fampianarana ary fandalinana ny soratra masina ve ny zanakao amin'ity vacances ity?
✅Tianao hianatra zava-baovao ve ny zanakao ?
✅Tianao ho volavolaina feno ao anatin'ny fiainana kristianina ve ny zanakao ?
✅Tsy afaka mandeha manao vacances nefa mba te hampialasasatra sy hampianatra ny zanaka?
✅Any amin'ny faritra nefa mba te hanao vacances ety Majunga ,no liana hianatra sy handalina fahalalana feno?

📌NATAO HOAN'NY ZANANTSIKA ITY PROGRAMME TSARA BE ITY 🥰

🌞🍀CAMP VACANCES ÉVANGÉLIQUE 🍀🌞 Miaraka amin'ny Goshen Missionnary Camp
✨ Programme izay atao mandritrin'ny iray volana ary manao kilasy mandry fa tsy mody ny ankizy

⁉️IZA JIABY NO AFAKA MIDITRA?
📌10 TAONA MIAKATRA
📌HOANTSIKA TANORA KRISTIANINA
📌HOAN'NY TANORA REHETRA IZAY LIANA NY HISITRAKA FAHALALANA TSARA NY SORATRA MASINA SY NY FIAINANA MAHA KRISTIANINA

⁉️LAFO BE VE?
💰65 000 ar fotsiny mandritrin'io iray volana io✨

🚨 Bôjo, satria:
👉🏼Ao anatin'izany jiaby ny :
📌SAKAFO MARAINA - ATOANDRO - HARIVA mandritrin'io iray volana io
📌Ny Hébergement
📌Ny Droit hianarana
📌Ny Fitsangatsanganana atao
📌Wifi illimité

🛑BETSAKA NY ACTIVITÉS IZAY HO ATAO MANDRITRIN'IO FOTOANA IO TOHIN'NY :
📌 Étude Biblique
📌 Visite des parcs
📌 Visite de l'aéroport
📌 Feu de Camp + Brochette Party
📌 Évangélisation
📌Zumba Évangélique
📌Cours de Danse
📌 Piscine Party

⁉️OVINA ?
📌 Mandritrin'ny volana Août izao

🍀Hiaraka isika hianatra sy handalina ny baiboly ary hiala voly tanteraka

📌Toerana : Tanambao SOTEMA, Croisement cimetière.
📞 Contact : 034 68 715 71

✨MANONONA TENY HOANAO AO HOAN'ITY HERINANDRO ITY :✅Ny fitahian'Andriamanitra anie no hanarona anao,✅ny Fahasoavany hitar...
15/06/2026

✨MANONONA TENY HOANAO AO HOAN'ITY HERINANDRO ITY :
✅Ny fitahian'Andriamanitra anie no hanarona anao,
✅ny Fahasoavany hitarika anao,
✅ary ny Fitiavany no hanome hery anao isan'andro.

Mirary herinandro feno fahombiazana! 🙏✨??

??

12/06/2026

✅Andao hiaraka hankalaza an’Andriamanitra hiaraka aminay 🏃🙌🏾
FOTOANA FENO FIFALIANA TOKOA ITY FOTOANA ITY 🥰

👉3 taonan'ny fahatokian'Andriamanitra

📌Fotoana izay hoentintsika ankalazana an’Andriamanitra tamin'ny fahagagana maro izay nataony io amin’ny Alahady 14 Jona 2026 io🎊🎊
📌Jet Hotel ,Tanambao Sotema
Fidirana 1: 9 ora
Fidirana 2: 3 ora
VANIM-POTOANA FIOVAN'NY TANTARANAO IZAO 👌


✨FOTOANA FENO FIFALIANA SY FIRAVORAVOANA🙌🏾✅Andao hiaraka hankalaza an’Andriamanitra hiaraka aminay 🏃🙌🏾👉3 taonan'ny fahat...
08/06/2026

✨FOTOANA FENO FIFALIANA SY FIRAVORAVOANA🙌🏾
✅Andao hiaraka hankalaza an’Andriamanitra hiaraka aminay 🏃🙌🏾

👉3 taonan'ny fahatokian'Andriamanitra

📌Fotoana izay hoentintsika ankalazana an’Andriamanitra tamin'ny fahagagana maro izay nataony io amin’ny Alahady 14 Jona 2026 io🎊🎊
📌Jet Hotel ,Tanambao Sotema
Fidirana 1: 9 ora
Fidirana 2: 3 ora
VANIM-POTOANA FIOVAN'NY TANTARANAO IZAO 👌


Address

Croisement Cimetiere
Mahajanga
401

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Goshen TV posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Goshen TV:

Shortcuts

Share