16/10/2024
Tonga nitsidika ny Trano Printy Advantista ny mpianatra avy amin’ny Sampam-pianarana teny anglisy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mpianatra taona fahatelo ao amin’ny lalam-piofanana teny anglisy am-piasaina amin’ny sehatry ny asa izy ireto no liana tamin’ny fandikan-teny an-tsoratra izay taranja ianaran’izy ireo, ka tonga nizaha ifotony ny Sampana fikirakiran-dahatsoratra ary nitafa tamin’ny Tonian-dahatsoratra sy ny mpandikan-teny ary ny mpanao fanitsiana eto amin’ny trano printy. Nahaliana azy ireo ny dingana lalovan’ny lahatsoratra miainga amin’ny teny anglisy, miditra amin’ny fandikan-teny sy ny fanitsiana, ny paik’ady sy ny fitaovana samihafa enti-mandika teny, mbamin’ny dingana hafa mandra-pivoahan’ny lahatsoratra ho boky teny malagasy.