26/12/2025
Fitokanana ny salle "POLYVALENTE" ny sabotsy 20 desambra 2025, sady fankalazana ny faha-60 taonan'ny Fiangonana METM Betlehema Tsaramandroso no fanamarihana ny faha-70 taonan'ny METM Foibe. Notanterahin'ny Filoha Lefitry ny METM, Pasteur RANDRETSAHOLY Fafah Claudio sy ny Filohan'ny SP22 Pasteur RANDRIANANTENAINA Vonjisoa Vonjisoa Pasteur Metm, sady Mpitandrina rahateo ny Fiangonana METM Betlehema, ny Firahalahian'ny Mpitandrina MAHAJANGA, ny Mpino rehetra eto @ Fiangonana izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ity grande salle ity, Teo ambany fahasoavan'Andriamanitra. Dera, Laza atolotray ho anao Ray noho izao famindram-po lehibe izao !