FJKM VOMM Ampangabe Ambatomanga

FJKM VOMM Ampangabe Ambatomanga Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM VOMM Ampangabe Ambatomanga, Christian church, Ampangabe Ambatomanga, Imerintsiatosika.

MATOKY @ ASANY NY MPINOVOMM AMBATOMANGA
23/08/2026

MATOKY @ ASANY NY MPINO

VOMM AMBATOMANGA

Alimpiderana eto @ FJKM VOMM AMBATOMANGA izay tarihiny Sampana Fifohazana avy ao @ FJKM Imerintsiatosika sy ny ANTSAN'NY...
22/08/2026

Alimpiderana eto @ FJKM VOMM AMBATOMANGA izay tarihiny Sampana Fifohazana avy ao @ FJKM Imerintsiatosika sy ny ANTSAN'NY FAHAZAVANA tao aoriana ny TAFIKA MASINA nanerana ny Tanana an'AMBATOMANGA,

MBOLA ho avy eo ny VIDEO fa harao hatrany ny Pejintsika.

Ho an'Andriamanitra hatrany ny Voninahitra 🙏

16/08/2026

Tsara midera ny Tompo a

Misaotra an'Andriamanitra lehibeMisaotra ny AMAF(Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)Misaotra ny namaly ny antso reh...
16/08/2026

Misaotra an'Andriamanitra lehibe
Misaotra ny AMAF(Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
Misaotra ny namaly ny antso rehetra

Toy izao ilay fijaliana rehefa avy ny orana,Ato anatin'ny Antsankira mihintsy,Tompo o, ampio izahay @ fanafoana ny Trano...
16/08/2026

Toy izao ilay fijaliana rehefa avy ny orana,

Ato anatin'ny Antsankira mihintsy,

Tompo o, ampio izahay @ fanafoana ny Tranonao

AMEN

ALAHADY 16 AOGOSITRA 2026Alahady natokan'ny VOMM ho alahadin'i Katekista ANDO mianakavyNitarika sy nitoriteny: PASTEUR S...
16/08/2026

ALAHADY 16 AOGOSITRA 2026

Alahady natokan'ny VOMM ho alahadin'i Katekista ANDO mianakavy

Nitarika sy nitoriteny: PASTEUR Samuel

MATOKY @ ASANY NY MPINO

Andriamanitra mahita izay rehetra ataonao
Ataovy tsara ny asa fa izay ataonao no hitsarana anao,
Ny Fanahin'A/tra no mitarika anao @ fanantonana sy fanaovana ny asa

1-MIARAKA /tra MANAO ASA TSARA
2-FAHASOAVAN'A/tra no nahatoy izao antsika

Miaraka @ Kristy dia mahazo Famonjena

TAPANY HARIVA: Rindrankira miaraka @ A.M.A.F

Ho an'A/tra irery ny Voninahitra

Amen

Tonga ary ity ilay fotoana a, Zay efa ato fa nareo sisa no andrasana!TONGAVA MARO e1.Mitety onja mahery'ty nosiko ityMam...
15/08/2026

Tonga ary ity ilay fotoana a, Zay efa ato fa nareo sisa no andrasana!

TONGAVA MARO e

1.
Mitety onja mahery'ty nosiko ity
Mamakivaky alon-drano ,
Alon-drano maria
Ahevahevan'ny onja 'zay mitrena
Atopatopany mafy mba hivena
Dia tsy avelany akory mba hiarina
Fa pepopepoiny tsy ahalala ny marina

Fiv.
Toa mankarary ny fon'ny mitazana
Ity salemako ity e mba hiadana
Kanefa dradraiko hanako eran-tany
Tsy maintsy tafita ity sambo
Indray andro any
Tompo mahery ao ambony antenaiko lanao
Ho Kapiteny hanamory ity lakakeliko
Izay mamatopatotra azy Tompo Ă´ vahao
Dia mba ataovy mpandresy
Mpandresy manahaka Anao

2-
Mitety onja isan'andro 'ty nosiko ity
Misedra rivo-mahery manembana dia
Misamboaravoara aok'izany
Ny alondrano masiaka sy mavĂ ny
Raha mba mihoatra mandroso Gasikara
Dia indro tohanany amin-kery mba ho tara,

Ho an'Andriamanitra hatrany ny voninahitra🙏

Finaritra e," Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony". — Salamo 136 : 1EFA AKAIKY ilay Foto...
12/08/2026

Finaritra e,
" Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony". — Salamo 136 : 1

EFA AKAIKY ilay Fotoana a,
MANANTENA NY FAHATONGAVANTSIAKA MARO ho @ Fihombonana sy ny ezaka ho @ Fanafona ny Fiangonana

Ento ny Namana sy ny Fianakaviana fa tsy misy vidim-pidirana anie fa Valopy asina izay tolotanana vitanao ho an Tompo e

Samy ho Tahin'Andriamanitra avoko isika rehetra

Alahady 09 Aogositra 2026MATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINOKoa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, f...
09/08/2026

Alahady 09 Aogositra 2026

MATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. — I Korintiana 10 : 1-12

I- MIJOROA TSARA
II- MITANDREMA TSARA
Ilaina ny Fiombonana satria Firaisankina no hery, Aza miovaova

Isan'ny Mpiangona:95

Niarahana Latabatra t@ Tompo

Nitarika sy Nitory Teny: Pst ORDELIN

Manaiky ho iraka ny MpinoAlahady natokana ho an'ny Missionnaire eto @ VOMM AMBATOMANGANandraisana ny Asa sy Fampaherezan...
26/07/2026

Manaiky ho iraka ny Mpino

Alahady natokana ho an'ny Missionnaire eto @ VOMM AMBATOMANGA

Nandraisana ny Asa sy Fampaherezana iany ko niarahana tamin'ireo Mpiandry avy ao amin'ny FJKM Ambonierana sy Ziona Famonjena Imeritsiatosika

2TIM 4:1-8

IZAY MANIRY HISEHOAN'I JESOA KRISTY EO @ FIAINANY Dia:

1- METEZA HANARINA MAFY (And 1)

Aza matoritory, miezaha fona, ataovy loha-laharana ny manao ny asan'A/tra satria, ny fahasoavan'A/tra no naha toy izao antsika

2- MANAO ADY MAZAVA SY ADY TSARA (And5-7)

Miarahaba an'i TSILAVINA sy KOLOINA iany ko nahatontosa ny Fanambadiana ara-kristiana omaly sabotsy 25 Jolay, Ho ambinin'A/tra anie ny tokatranonareo, Mahareta hatr@ farany. (Mariazy voaloany teo @ Fiangonantsika)

Address

Ampangabe Ambatomanga
Imerintsiatosika

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM VOMM Ampangabe Ambatomanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share